Vehivavy ao amin'ny sehatrasa fitrandrahana ao Afrika: Lahatsary fanadihadiana nataon'i Aïssatou Fofana

Vehivavy Togoley avy amin'ny indostrian'ny harena ankibon'ny tany. Pikantsary nalaina tamin'ny lahatsary ”Vehivavy afrikanina miasa amin'ny sehatr'asa fitrandrahana ao amin'ny L’écologiste Infos L’écologiste Infos.

Amin'ny ankapobeny, heverina ho asan'ny lehilahy ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany. Na izany aza, maro amin'ireo vehivavy Afrikana no miasa amin'ity indostria mivelatra haingana ity.

Afrika no kaontinanta manankarena mineraly indrindra maneran-tany. Maherin'ny 50 isanjaton'ny mineraly manerantany no ambanin'ny tany Afrikana. Manintona ny sain'ireo goavamben'ny harena ankibon'ny tany iraisampirenena ireo loharanon-karena ireo, goavambe mikasa hivelatra any amin'ireo firenena mitàna anjara toerana lehibe amin'ny toekareny ny fitrandrahana.

Manaraka ny tantaran'ireo vehivavy Afrikana maromaro miasa ao amin'ity orinasa ity ho ao anatin'ny horonantsary fanadihadiana voalohany nataony i Aïssatou Fofana, Ivoariana mpanao gazety momba ny tontolo iainana. Mampiseho ny zava-misy any Côte d'Ivoire sy Togo ity horonantsary fanadihadiana ity. Raha tokony ho resin'ny sary sy ny hevitra raiki-tapisaka teo amin'ny sehatra izay hita matetika fa ho an'ny lehilahy ihany, nizara ny traikefany manokana ireo vehivavy Aïssatou Fofana natao fanadihadiana sy nalaina horonantsary.

Tamin'ny antsafa WhatsApp nifanaovana tamin'ny Global Voices, niresaka momba ny zavaniainany sy ny antony nanohizany ny tantaran'ireo vehivavy ireo ilay mpanatontosa sarimihetsika.

Jean Sovon (JS): Nahoana ianao no nanao lahatsary fanadihadiana momba ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny indostrian'ny fitrandrahana? Ahoana no nahafantaranao an'io toe-javatra io?

Aïssatou Fofana (AF) : Ce film a été réalisé dans le cadre du projet final du programme de Bourse consacrée aux médias et aux créateurs de contenu de l'Union africaine. On devait faire un choix entre diverses thématiques proposées dans le cadre de la bourse et réaliser un projet. Cela pouvait être un film documentaire, un article de presse (dossier), des émissions radio, des podcast….

Mon choix s’est porté sur les femmes de ce secteur. J'avais remarqué qu'on entendait pas beaucoup parler d'elles dans les médias, alors qu'elles participent à leur niveau, au développement de socio-économie de leur pays. C'est en cela que mon choix s'est porté sur la Côte d'Ivoire et le Togo. Voilà un peu comment se situe le contexte du choix de ce sujet là.

Aïssatou Fofana (AF): Nanao ity horonantsary fanadihadiana ity aho ho an'ny Vatsy natokana ho an'ny fampitam-baovao sy ny mpamorona votoatin'ny Vondrona Afrikanina. Tsy maintsy nosafidiana ny iray amin'ireo lohahevitra samihafa naroso hahazoana vatsy sy hanatontosana tetikasa. Mety ho lahatsary fanadihadiana, lahatsora-gazety, fandaharana amin'ny radio, na rakipeo anjotra (podcast)…

Nisafidy ny vehivavy miasa amin'ity sehatrasa ity aho satria tsy dia maheno firy momba azy ireo amin'ny fampitam-baovao, na dia mandray anjara amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena ao amin'ny fireneny aza izy ireo. Izany no nahatonga ahy nifantoka tamin'ity lohahevitra ity tany Côte d'Ivoire sy Togo.

Ao amin'ny ampahany voalohany amin'ity lahatsary fanadihadiana ity, miresaka momba ny asa andavanandrony ireo vehivavy avy amin'ny sehatrasan'ny fitrandrahana ao Côte d'Ivoire:

JS: Inona ireo fanamby manokana atrehin'ny vehivavy amin'ity asa ity? Ahoana no fahitan'ny lehilahy mpiara-miasa aminy sy ny sarambabem-bahoaka azy ireo?

AF: Le premier défi qui me vient à l’esprit, c'est le fait d'évoluer dans un secteur qui est à majorité dominé par les hommes. Vous pouvez comprendre que c'est pas vraiment évident d'évoluer dans un tel domaine, surtout si la plupart d’entre eux ont une vision “traditionnelle” ou “patriarcale” de la femme dans la société :  celle dont la place est d’emblée à la cuisine ou encore à la maison à s’occuper de son époux et de ses enfants. Cela occasionne des frictions pour celles qui s’y aventurent.

Le second challenge est au niveau de la famille. Si elle est mariée et a des enfants, c'est sûr qu'il va falloir faire la part des choses et vraiment s'organiser pour pouvoir travailler convenablement pour que son travail n'empiète pas sur sa famille. C’est dans ce type de contexte qu’avoir un partenaire de vie compréhensif et ouvert tient tout son sens ! Car sinon, ce serait un problème de plus auquel il faudra faire face au quotidien.

En général, les informations sont limitées sur ce milieu, en particulier celles sur les femmes qui y travaillent; d'où mon intérêt sur cette question. L’idée était de réaliser un documentaire afin de lever un coin de voile sur ce qu'elles font, les réalités qu'elles traversent, comment elles font face à ces défis et comment elles arrivent aussi à faire carrière dans ce secteur dit d’hommes.

AF: Ny fanamby voalohany tonga ao an-tsaina dia ny fahafahana mandroso amin'ny sehatrasa anjakan'ny lehilahy. Azonao an-tsaina fa sarotra ny mandroso amin'ny sehatrasa toa izany, indrindra fa manana fomba fijery “nentin-drazana” na “anjakan-dehilahy” ny ankamaroan'ny lehilahy manoloana ny vehivavy eo anivon'ny fiaraha-monina, mametraka ny vehivavy ho ao an-dakozia na ho ao an-trano, mikarakara ny vadiny sy ny ankizy. Miteraka disadisa ho an'ny vehivavy miditra amin'ilay sehatrasa vaovao izany fomba fijery izany.

Ny fanamby faharoa dia eo amin'ny fianakaviany. Raha manambady sy manan-janaka izy, dia tsy maintsy mandanjalanja sy mandamina mba hiantohana fa tsy manelingelina ny fiainam-pianakaviana ny asany. Ao anatin'ny toe-javatra toa izany no ahatsapàna ny halehiben'ny fananana sakaiza amin'ny fiainana mahatakatra sy misokatra! Raha tsy izany, olana hafa tsy maintsy atrehin'ny vehivavy isan'andro izany.

Voafetra ny torohay momba ity sehatrasa ity, indrindra momba ireo vehivavy miasa ao, ka nahatonga ahy ho liana amin'ity lohahevitra ity. Te hanao lahatsary fanadihadiana manazavazava ny zavatra ataon'izy ireo, ny toe-javatra iainany, ny fomba iatrehany ireo fanamby ireo, ary ny fomba fananganana asa ao amin'ity antsoina hoe sehatrasan'ny lehilahy ity aho.

JS: Inona marina no ataon'ny vehivavy amin'ity sehatrasa ity? Injeniera ve izy ireo sa mpitrandraka?

AF: Dans le film documentaire, les femmes interviewées exercent à différents niveaux, et selon leur domaine d’expertise au sein de leurs sociétés de mines. Dans la société de mine d’Ity en Côte d’Ivoire, Laetitia Gadegbeku Ouattara est la directrice Pays d'Endeavour Mining ; Carine Kouko est géologue de production sénior ; Kadidiatou Diarra, est géologue d’exploration junior ; et Marthe Bertine Yavo est superviseur camp et voyage.

Quant aux femmes du Togo, Rosine Atafeinam Abalo est Dr en géologie et géotechnique et chargée d'investissement à Togo Invest. Dotse Akouavi Jeannette et Aladouadjo Belam, sont toutes deux sont des conductrices d’engins lourds appelés dumper.

AF: Samy manana ny toerany, amin'ny ambaratonga samihafa, araka ny manavanana azy ireo vehivavy noantsafaiko tamin'ity fanadihadiana ity. Ao amin'ny orinasam-pitrandrahan'i Ity ao Côte d'Ivoire, talem-pirenen'i Endeavor Mining i Laetitia Gadegbeku Ouattara; jeolôgy matihanina amin'ny famokarana kosa i Carine Kouko; jeolôgi-mpitrandrahana mpiana-draharaha kosa i Kadidiatou Diarra, ary mpiantsoroka toby sy dia i Marthe Bertine Yavo.

Mikasika ny vehivavy ao Togo, Rosine Atafeinam Abalo dia Dokotera momba ny Jeolojia sy Geoteknika ary mpitantana fampiasam-bola ao amin'ny Togo Invest. Dotse Akouavi Jeannette sy Aladouadjo Belam dia samy mpamily milina mavesatra antsoina hoe dumpers.

Ao amin'ny tapany faharoa amin'ity lahatsary fanadihadiana ity, tantarain-dry zareo vehivavy Togoley tamin'i Aïssatou Fofana ny niainany sy ny sakana tsy maintsy noreseny mba hidirany ao amin'ny sehatry ny fitrandrahana sy hahitany fahombiazana arakasa eo amin'ny sehatry ny asa:

JS: Nahoana izy ireo no manao izany karazana asa izany? Tsara karama kokoa noho ny asa hafa ve izy ity?

AF: Au cours de mes entretiens, jamais ces femmes n'ont parlé du fait que c'était un métier mieux payé que d'autres métiers ou un métier qu’elles voulaient pour pouvoir être riche, avoir beaucoup d'argent. C'est un secteur qui les a attirées et elles voulaient faire carrière là-bas. C'est cette motivation et cette passion qui a déterminé leur choix et elles ont tout fait pour intégrer ce secteur et y évoluer. Donc ce n'est pas pour des raisons financières.

Est-ce que ce secteur est mieux payé que d'autres, je ne saurais le dire parce que je n'ai pas focaliser mon travail sous cet angle et je n'ai même pas eu à poser cette question. Ce qui m'intéresse, c'est le parcours, les challenges qu'elles ont traversés, comment elles ont pu relever ces défis et comment elles continuent d'évoluer dans ce secteur là malgré tous ces problèmes auxquels elles ont fait face.

Elles n’ont également pas fait mention de ce que c’était un métier mal payé. Ce que je peux vous assurer, c’est qu’elles sont épanouies et heureuses de leur choix de carrière.

AF: Nandritra ny tafatafa nataoko, tsy nilaza mihitsy ireto vehivavy ireto fa tsara karama kokoa noho ny hafa na hampanan-karena sy hananam-bola be. Voasarika tamin'ity sehatrasa ity ry zareo ary naniry ny hanana asa amin'izany. Nisy fiantraikany teo amin'ny fanapahan-kevitr'izy ireo izany finiavana sy fitiavana izany, ary nanao izay azo atao izy ireo mba hidirana amin'ity sehatrasa ity sy hivoarany. Noho izany, tsy noho ny antony ara-bola izany.

Tena tsy afaka nilaza aho raha toa ka tsara karama kokoa noho ny hafa ity sehatrasa ity satria tsy nijery tamin'izay lafiny izay ary tsy nanontany izany akory. Ny mahaliana ahy dia ny lalana nodiaviny, ny fanamby natrehin'izy ireo, ny fomba nandreseny izany, ary ny fomba nivoaran-dry zareo tao amin'ity sehatrasa ity na dia eo aza ny olana mahazo azy.

Tsy nilaza mihitsy izy ireo fa asa ratsy karama io. Izany hoe, afaka manome toky anao aho fa afa-po amin'ny safidiny amin'ny asany ry zareo.

JS: Ny toeram-pitrandrahana izay iasan'ireo vehivavy ireo ve nasionaly, vahiny, sa tsy ara-dalàna? Manana sendikà manokana ve ny vehivavy?

AF: Les sites miniers que j’ai visités sont légalement constitués. Le Société des Mines d'Ity est en activité depuis 1991. L’État ivoirien y est actionnaire à 10% et la Société des Mines, à 5%, et les 85% sont détenus par Endeavour Mining. Les femmes ont également leurs associations. En Côte d’Ivoire, au niveau national, il y a le Réseau des Femmes du Secteur Minier de Côte d’Ivoire (FEMICI), et He For She Mines Côte d’Ivoire. Au niveau de la Société des mines d'Ity, il y a l’Association des Femmes des Mines de Ity(AFEMI). Au Togo, l’Association des Femmes du Secteur Minier ou en Entreprise du Togo (AFEMET) existe au niveau national. Mme Rosine Atafeinam Abalo, l’une des femmes que j’ai interviewée, en est la présidente.

Au niveau africain, l’AWIMA (Association of Women in Mining in Africa) le réseau d’organisations et d’associations nationales de femmes africaines dans les secteurs de l’exploitation minière, du pétrole et du gaz.

Au niveau international, les prix WIN100 récompensent les 100 femmes qui sont pionnières, qui apportent des changements positifs et significatifs pour que le secteur minier puisse fonctionner de manière responsable, durable et inclusive.

AF: Voasoratra ara-panjakana ara-dalàna ireo toeram-pitrandrahana notsidihiko. Niasa nanomboka tamin'ny taona 1991 ny Société des Mines d'Ity. Manana petra-bola 10 isanjato amin'izany ny governemanta Ivoariana, la Société des Mines 5 isanjato, ary ny Endeavor Mining 85 isan-jato. Manana ny fikambanany manokana ihany koa ny vehivavy. Any Côte d'Ivoire, misy ny fikambanam-pirenena toa ny Tambajotram-behivavy eo amin'ny sehatrasam-pitrandrahana ( FEMICI) sy ny He For She Mines Côte d’Ivoire. Manana ny Association des Femmes des Mines d’Ity (Fikambanam-behivavy mpitrandraka an'Ity na AFEMI) ny Société des Mines d’Ity. Ao Togo, misy ny Association des Femmes du Secteur Minier ou en Entreprise du Togo (Fikambanam-behivavin'ny sehatry ny fitrandrahana na amin'Orinasan'i Togo na AFEMET), izay i Rosine Atafeinam Abalo, iray amin'ireo vehivavy nitafatafako, no filohany.

Ao Afrika, misy ny Fikambanam-behivavy ao amin'ny fitrandrahana eto Afrika (AWIMA), tambajotran'ireo fikambanana nasionaly sy fikambanam-behivavy afrikanina amin'ny sehatrasam-pitrandrahana, solika ary etona.

Eo amin'ny sehatra iraisampirenena, manome valisoa ho an'ireo vehivavy 100 mpamakilay mitondra fiovana mivaingana ny Loka the WIN100 mba hahazoana antoka fa miasa amin'ny fomba tompon'andraikitra, mateza sy mampiditra ny maro ny sehatrasam-pitrandrahana.

JS: Inona no politika ara-tontolo iainana ampiharin'ny orinasa?

AF: Les sites miniers que j'ai visité en Côte d'Ivoire au Togo sont légalement constitués, avec le respect des consignes de sécurité pour entrer sur les sites. La société des Mines d'Ity par exemple, à un axe environnement et développement durable dans sa politique de gestion. Nous avons également pris part à un planting d’arbres lors du tournage du film.

AF: Voasoratra ara-dalàna ary manana fepetram-piarovana eo am-pidirana ny toeram-pitrandrahana notsidihiko tany Côte d'Ivoire sy Togo. Ohatra, manana rantsana ara-tontolo iainana sy fampandrosoana mateza ao amin'ny politikam-pitantanany ny Société des Mines d'Ity. Namboly hazo ihany koa izahay nandritra ny fakana an-tsary ity horonantsary fanadihadiana ity.

Ao anatin'ity sehatrasa mivoatra haingana sy mihamitombo hatrany amin'ny sehatra iraisampirenena ity, maka ny toerany ara-drariny amin'ny fitoviana amin'ny lehilahy ny vehivavy Afrikana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.