
Fanambatambarana nataon'ny Global Voices avy amin'ireo pikantsary nalaina tamin'ny lahatsary mozika “Fanático” an'i Lali Espósito ao amin'ny YouTube, .
Andro vitsy monja taorian'ny namotsorana azy, nahavita naka toerana ho isan'ireo lahatsary mozika Top 5 be mpijery indrindra erantany, ary laharana voalohany ao Arzantina ny lahatsary mozika iray misy tononkira masiaka sy gadona mahasarika, izay manameloka ny antsonjay nataon'ny filohan'i Arzantina sy niaretan'ilay mpankanto nandritra ny herintaona mahery.
Ny “Fanático” io, ilay “single” farany indrindra navoakan'i Lali Espósito, ilay Arzantina mpihira, mpanoratra tononkira, mpilalao an-tsehatra ary mpikatroka, navoakany tamin'ny faran'ny Septambra 2024 ary miaraka amin'izany izy dia toy ny maneso ny filoha sy mametraka ny fijoroana ara-pôlitikany manohitra mafy ny governemantan'i Javier Milei, izay eo amin'ny toerany efa folo volana izao.
Miaraka amina endrika kanto tsara rafitra — feno sary an'ohatra, hatsikana sy filalaovana entina manabe momba ny asan'ilay mpanakanto, ny fikatrohany ary ireo mpankafy azy — asongadin'ilay lahatsary ny mpilalao iray misalotra ‘solovolo lava andaniny sy ankilany’ hosoka ary palitao hoditra izay mikiakiaka tsy misy dikany, angamba i Milei. Manao fitanisàna maro ihany koa izy io — ny sasany somary miolankolaka noho ny hafa — tonga hatrany amin'ireo faniratsiràna, fiampangàna sy kabarim-pankahalàna voarain'i Espósito.
Ny tonon'ny “Fanático,” tsotra sy tena mahiratra, dia afaka miresaka momba ny mpankafy iray, na iza izy na iza, izay lasa revo kidaladala amin'izay kintana tena ankafizin-dry zareo, saingy ny sary sy ny toejavatra manodidina an'ilay fampifanatrehana an'i Milei sy Espósito no manazava tsara ilay fanondroana.
Tamin'ny 13 Aogositra 2023, rehefa fantatra ny vokatry ny fifidianana savaranonando izay nanome tombony an'ilay mpifaninana libertariàna, Javier Milei, dia nibitsika izao teny izao i Lali Espósito, “Mampididoza. Mampalahelo.” Tsy niandry ela ny fahatongavan'ny valinkafatra avy amin'i Milei, ary nanomboka ny fifanandrinana henjana tamin'ny alàlan'ny media, tsy misy hafa amin'ny an'i Donald Trump sy Taylor Swift.
Mozika sy hatsikana atao fitaovana pôlitika
Ny zavamisy dia hoe, mba hahatakarana ireo fitanisaina atao ao anatin'ilay lahatsary, tsy maintsy fantarinao ny momba ny kolontsain'i Arzantina, ny toedraharaha pôlitikany vao haingana ary ny dingam-piainan'i Lali Espósito.
Tao amina trano lehibe iray fanatobiana entana, izay mety ho fanondroana iray ho azy ihany, no nanaovana ny fandraketana an-tsary, satria nantsoin'i Milei hoe “Lali Depósito”-ny na Tranony Fanatobiana Entana Lali, satria nolazainy fa miaina amin'ny volam-bahoaka ilay artista ho takalon'ny nanaovany fampielezankevitra ho an'ny Kirchnerisma. Ao amin'io trano fanatobiana entana io, mitarika fotoana fifantenana iray i Lali, ka mandritra izany no ilatroan'ireo andiana mpilalao isankarazany: ao ireo mpankafy izay maka tàhaka azy nilalao ireo endrika sasany nolalaoviny tao anatin'ireny andian-tantara ho an'ny ankizy sy tanora tany anaty seho anaty fahitalavitra ireny, sy amin'ny maha-mpihira azy.
Ny iray tamin'ireo olona tonga niatrika fifantenana sy nahasarika ny sain'i Lali dia rolinga iray (mpankafy Rolling Stones ) nitafy T-shirt misoratra hoe “Mba izan-doza loatra ilay LALI?”, mampahatsiahy ilay T-shirt notinafin'i Keith Richards fony izy naneso an'i Mick Jagger. Fanampin'izany, rehefa nanontany an'i Milei momba azy ry zareo, dia nanamafy mazava tsara izy fa tsy nahafantatra azy, tamin'ny fitenenana fa, “ry Rolling Stones ihany no fihainoko.”

Fanondroana ilay T-shirt ao anatin'ilay lahatsary sy ny ôrizinalin'i Keith Richards. Havia: pikantsary tamin'ilay lahatsary “Fanático.” Fampiasàna ara-drariny. Havanana: Saripika avy amin'ny docteurcarter ao amin'ny Flickr. Wikimedia Commons, CC BY 2.0.
Lehilahy iray izay mazava fa mitovitovy amin'i Milei koa no tonga niatrika fifantenana. Mikiakiaka izy ary toy ny tsy nahafehy ny hatezerany, raha i Lali kosa toy ny leo azy. Vetivety foana izy dia voatosika hiala ny sehatra, saingy fotoana fohy monja taorian'izay dia niverina nanohy nikiakiaka mafy izy na dia zara raha nisy olona nihevitra ny momba azy aza, toy ny hoe nentanin-katezerana izany izy.
Dia izan-doza loatra ilay Lali?
Mariana “Lali” Espósito, teraka tao Buenos Aires tamin'ny 1991, dia mpihira, mpanoratra tononkira ary mpilalao an-tsehatra izay nanomboka voalohany ny asany tao amin'ny fahitalavitra arzantina fony vao 10 taona monja. Nandray anjara tamin'ireo fandaharana sy andian-tantara natao ho an'ny ankizy tany anaty TV, nanohy nilalao an-tsehatra tanatin'ireo andian-tantara ho an'ny tanora, ary efa niseho sary tamina afisy fanentanana dokambarotra marobe.
Izy no nilalao ny toeran'ny iray tamin'ireo olona tao anatin'ilay andian-tantara amin'ny fiteny espaniôla tamin'ny 2021 tao amin'ny Netflix “Sky Rojo“, izy nahazo kiana miabo marobe avy amin'ireo media maro iraisampirenana noho ny niresahany ny olan'ny fanondranana olona ho amin'ny firaisana ara-nofo.
Teo amin'ny tontolon'ny mozika dia niarahany niasa ny fanaovana ny “bande originale” ho an'ireo andian-tantara anaty fahitalavitra sy tantara mitohy iray, ary isan'ireo Teen Angels, tarika iray nalaza niforona avy amina fampisehoana tanaty fahitalavitra TV Arzantina, izay niarahany nanao fandraketana rakikira enina tany anaty “studio”. Tamin'ny 2013, mpanakanto nandeha irery no nanombohany ny asany, na ohatra aza izy tonga hatramin'ny fifampizaràna sehatra tamin'ireo olomalaza erantany tamin'ny sehatry ny mozika sy fialamboly.

Lali Espósito nandritra ny fanolorana ny Fénix Awards itamin'ny 2018, niaraka tamin'ilay fehitendany maitso, mariky ny tolon'ny feminista hisian'ny fanalànjaza tsara antoka sy ara-dalana ao Arzantina. Saripika an'i Milton Martínez ho an'ny secretaría de Cultura CDMX tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 2.0).
Raha ny lafiny pôlitika, hatrany amin'ny fahazazàny i Lali no efa nandray anjara tamina fanentanana marobe momba ny sôsialy sy ny rariny, niaraka tamin'ireo Orina, ONG sy mpanakanto maro. Izy dia manoritra ny tenany ho “feminista mpiana-draharaha,” satria fantany ny tsy ampy aminy manokana sy ny fihatsarana ivelan-tsihy ka nanao ho vaindohan-draharaha ny fandresena azy ireny mba ho lasa feminista mahomby kokoa hatrany.
Mpikambana ao anatin'ny vovonana Actrices Argentinas (Vehivavy Arzentina mpilalao an-tsehatra ) izy, niforona tamin'ny 2018 mba hanohana ny zo hanao fanalànjaza ao Arzantina, ary tena tsy niova tamin'ny fahavitrihany hikatroka ho an'io tanjona io, izay niafara tamin'ny naha-lasibatra azy tamin'ireo fanafihana an-tserasera marobe, fandrahonana sy filam-baniny, isan'izany ireo avy amin'ny filohan'i Arzantina amin'izao fotoana izao.
Anaty toedraharaha iray misy fitomboan'ny fahantrana, fitontongan'ny zon'olombelona sy fahatsapana ny fitomboana tsy mitsahatry ny fandrahonana ireo feon'ny mpanohitra, mameno hehy sy fijery miabo an'ireo mpanaraka azy ny hatsikana masiaka ao anatin'ny lahatsarin'i Lali. Ary na nampalahelo an'ireo mpanenjika azy aza, sambany nahavitàny nampiditra ho isan'ireo Top 5 amin'ireo lahatsary be mpijery indrindra.
En 3:07 minutos de Canción, Lali Espósito hizo y dijo mucho más que la oposición en 9 meses.
Gracias Reina.
— Nach & Pop (@Eunepetaculo) September 27, 2024
Anaty hira iray manam-paharetana 3:07 min, Lali Espósito nahavita sy niteny betsaka noho ireo mpanohitra tao anatin'ny 9 volana.
Misaotra anao ry mpanjakavavy.
— Nach & Pop (@Eunepetaculo) 27 Septambra 2024