Nolazain'ny polisin'i Hong Kong ny orinasa teknolojika Etazoniana hanakatona tranonkalam-baovao am-pielezana noho ny filaminam-pirenena

Pikantsary avy amin'ny Flow HK (Koriana HK). Fampiasana ara-drariny.

Navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 8 Oktobra 2024 ity tatitra ity. Navoaka araka ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty ity kinova manaraka ity.

Namoaka fampandrenesana avy amin'ny polisin'i Hong Kong ny orinasa Etazoniana mpampiantrano tranonkala iray mangataka azy hanaisotra ny tranokalan'ny Flow HK (Koriana HK), fampahalalam-baovao iray naorin'ireo mpikatroka prô-demôkrasia nandao ny tanàna, noho ny filaminam-pirenena.

Nilaza tamin'ny HKFP ny Automattic, orinasa miandraikitra ny rafi-pitantanam-botoaty WordPress, tamin'ny 7 Oktobra 2024 fa nahazo fangatahana fanalana ny tranonkala Flow HK avy amin'ny manampahefana ao Hong Kong. Nilaza ny orinasa fa tsy nanaraka ny baiko ary nampandre ny tompon'ny tranonkala.

Tamin'ny valin-kafatra nalefan'ny HKFP tamin'ny mailaka, dia nilaza tamin'i Sunny Cheung — iray amin'ireo mpiara-manorina ny Flow HK — ny polisin'i Hong Kong fa naato ny sehatra satria voarohirohy ho nanitsakitsaka ny lalànan'ny filaminam-pirenena napetrak'i Beijing tamin'ny taona 2020 sy lalànam-piarovana iray hafa navoaka tamin'ny volana marsa, hitsivolana fitandroana ny filaminam-pirenena, fantatra ao an-toerana amin'ny hoe Andininy faha-23.

Nilaza i Cheung fa ahiahìn'ny polisy ho nanao fandikan-dalàna ny Flow HK, anisan'izany ny fisintahana, ny familivilian-kevitra ary ny firaisana tsikombakomba araka ny lalànan'ny filaminana napetrak'i Beijing, ary koa ny fikomiana araka ny andininy faha-23.

Nilaza tamin'ny HKFP tamin'ny alàlan'ny mailaka ny polisy ny andron'ny 8 Oktobra fa “hanao hetsika mifanaraka amin'izany izy ireo raha ilaina araka ny zava-misy marina sy mifanaraka amin'ny lalàna.”

Nilaza ny fihetsiky ny manampahefana ho “tena tsy mitombina” i Cheung, izay tonian'ny seha-baovao ihany koa, ary nilaza ilay famoahana fa “tsy ho voatsindrin'izany”. Hoy i Cheung,

Flow HK is a media platform committed to promoting Hong Kong story, identity and culture, offering not only news commentary but also book and Hong Kong movie reviews…. It will continue to uphold its principles as a citizen media outlet by maintaining high standards in its investigations and reporting.

Sehatra fampahalalam-baovao manolo-tena hampiroborobo ny tantara, ny fiiziny azy ary ny kolontsaina ao Hong Kong ny Koriana HK, tsy vitan'ny maneho hevitra momba ny vaovao ihany fa amin'ny fijerena boky sy sarimihetsika ao Hong Kong ihany koa. Hotohizany ny fanandratana ny foto-keviny amin'ny maha-sehabaovaon'olompirenena azy amin'ny fihazonana ny fenitra avo amin'ny fanadihadiana sy ny tatitra nataony.

Namoahan'ny fitsarana ao Hong Kong didy fampisamborana i Cheung noho ny tsy nanatrehany ny fitsarana tamin'ny Oktobra 2020 taorian'ny nandaozany ny tanàna tamin'ny fiandohan'io taona io noho ny “ahiahy ara-pilaminana” taorian'ny fampiharana ny lalànan'ny filaminana nampiharin'i Beijing. Mifandraika amin'ny fiampangana azy nanatrika fiaretan-tory fahatsiarovana ny famoretan'ny taona 1989 tao Tiananmen ny fotoam-pitsarana.

Taty aoriana ny mpanara-maso ny ady amin'ny kolikoly ao an-tanàna nitatitra fa tadiavina noho ny rohirohy ho nandrisika ny olona handatsa-bato fotsy na tsy manan-kery mandritra ny fifidianana ny Filan-kevi-panjakana 2021 izy.

Tamin'ny fotoana nanoratana, tsy azo nidirana tao Hong Kong ny tranokalan'ny Flow HK (Koriana HK) raha mampiasana ny tolotra aterineton'ireo orinasam-pifandraisan-davitra lehibe toa an'i Hong Kong Broadband (HKBN), 3 Hong Kong, China Mobile, ary SmarTone.

Niseho ny lesoka toy ny “fangatahana lany andro” sy ny “fifandraisana nolavina” rehefa nanandrana niditra tamin'ny tranokala tamin'ny finday na tamin'ny solosaina.

Na izany aza, afaka niditra tao amin'ny tranonkala ny sasany amin'ireo mpisera aterineto nomen'ny Hong Kong Telecom.

Tsy namaly ny fanontanian'ny HKFP tamin'ny mailaka ny Hutchison Telecommunications niavian'ny  HKBN, China Mobile, SmarTone, ary 3 Hong Kong.

Niorina tamin'ny fiandohan'ny taona 2021 ny Koriana HK. Araka ny iraka nosoratany tamin'ny teny shinoa tao amin'ny tranonkala, kinendrin'ny famoaham-baovao ny hampifandray ireo ampielezan'i Hong Kong sy ny “hampita ny fanilon'ny fanoherana.”

Anisan'ireo mpikambana ara-panoratana hafa i Ray Wong, mpikatroka karohina, mpitarika ny vondrona politika Hong Kong Indigenous izay nahazo fialokalofana ara-politika tany Alemaina tamin'ny taona 2018, sy ilay mpikatroka mpiaro ny zo ankihy Glacier Kwong, izay mipetraka any Alemaina ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.