
Sarin'ny Kianja Durbar Kathmandu, avy amin'i Martijn Vonk ao amin'ny Unsplash
Hafaliana ho anay ny manambara fa ny andiany 2024 amin'ny Fihaonamben'ny Global Voices dia hatao ny 6 – 7 Desambra any Kathmandu, Nepal ao amin'ny Hotel Yak & Yeti.
Ny Fihaonambe fahasivy dia hitondra antsika any amin'ny iray amin'ireo toerana tranainy indrindra nisy nonina tsy nitsahatra hatrizao teto ambonin'ny tany, tanàna iray mavitribitrika manana vahoaka avy amina foko marolafy ary manankarena amin'ny lova ara-kolontsaina sy fotodrafitrasa. Ao Kathmandu, ho avondrontsika ireo mpanao gazety, mpandika lahatsoratra, mpikatroka, mpahay teknôlôjia, mpanapaka ny pôlitika, manampahaizana manokana amin'ny fampandrosoana ary ireo olona hafa avy amin'izao tontolo izao mba hiresaka momba ny media nomerika, ny fahalalàna ary ny fikatrohana miainga avy amin'ny fijerin'ny maro an'isa manerantany.
Toy ireo rehetra Fihaonambe Global Voices, ny andiany 2024 dia ho hirika tokana hianarana sy hifampizaràna amina vondrom-piarahamonina iray iraisampirenena ahitàna olona sady avy amina fiaviana isankarazany no mavitrika ihany koa.
Mandritra ireo andro roa hifampiresahana sy hanaovana atrikasa, hodinihantsika ireo olana mifandraika amin'ny fahalalahana maneho hevitra, ny fahamaroam-pitenenana ary ireo fepetra izay manampy na manaloka azy roa ireo. Ho banjinitsika ireo ambana, toy ny famoretana mahenika firenena sy ny tsiferesimandidy nomerika, hotrandrahantsika ireo hetsika fahalalàna misokatra ao anatin'ny aterineto iray mivakivaky, ary hohenointsika avy amin'ny Tendro Fahatelo ireo lesona azo tamin'ny resaka famoronana mediatika, ny fikatrohana pôlitika ary ny rariny ara-tontolo iainana.
Amin'ireo mpanohana sy mpamatsy vola dia ahitàna ny Orina W.K. Kellogg, ny Orina MacArthur, ny Nepali Times, ny Accountability Lab, ny Akademia CMR ho an'ny asa fanaovana gazety ao Nepal sy ny maro hafa. Misorata androany hamandrika ny toeranao, ary aza miala manaraka anay mba hahazo fampahafantarana bebe kokoa momba ny fandaharam-potoana!