Fitomboam-pandaniana ara-miaramilan'i Iran: Eritreritry ny fanamafisana ny lafiny ara-miaramila manoloana ny fitomboan'ireo fifandirana ao amin'ny faritra

Makran IFV sy T-72 nohavaozina. Fampirantiana IRGC an-tanety, 27 Jona 2020. Sary avy amin'i Mohammad Mohsenifar ho an'ny Fars Media Corporation nandalo Wikimedia Commons. CC BY 4.0

Taona 2024, natao hahatratra 16,7 lavitrisa dolara — fitomboana 20 isanjato raha oharina amin'ny taona teo aloha ary mahatratra 25 isanjaton'ny tetibolam-pirenena araka ny angon-drakitra navoakan‘ny Iran Open Data Center — ny teti-bolan'ny fiarovana ao Iran. Tonga ao anatin'ny fotoana iadiana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana sy ny fihenan'ny fahefa-mividin'i Iran ity fiakarana be amin'ny fandaniana ara-miaramila ity.

Na izany aza, tsy Iran irery no manao ho laharam-pahamehana ny fandaniana ara-miaramila ao anaty olana ara-toekarena; mitaratra ny fivoarana manerana izao tontolo izao ity lamina ity, satria manamafy ny teti-bolam-piarovana ireo firenena avy any Azia Andrefana sy any amin'ny faritra hafa any Azia, ka hatrany Eoropa sy Etazonia ho setrin'ny fitomboan'ny fifandirana sy ny fandrahonana ara-piarovana.

Ny fivoarana isam-paritra sy manerantany

Tsy mety (raha) hadihadiana mitokana ny fisondrotry ny fandaniana ara-piarovan'i Iran. Mitana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny laharam-pahamehan'i Teheran ny firongatry ny ady Israeliana amin'i Gaza sy Libanona, sy ny fifandrafiana amin'ireo firenena toa an'i Arabia Saodita. Nahatratra 27,5 miliara dolara US, izany hoe niakatra 24 isanjato miohatra amin'ny taona 2023, ny fitomboan-tetibola ara-miaramilan'i Israely, izay namono vao haingana an'i Ismail Haniye avy amin'ny Hamas tao Teheran, ary nampitombo fandrahonana an'i Iran. Nitarika ho amin'ny bemidina mandravarava an'i Gaza, izay nandatsahana baomba maherin'ny 70.000 taonina tao anatin'ny enim-bolana — avo roa heny noho ny herin'ny baomba nalatsaka tao Hiroshima sy Nagasaki mitambatra. Vao tsy ela akory izay, nandefa baomba nandravarava an'i Libanona ihany koa i Israely, nahafaty olona efa ho 2000 araka ny filazan'ny Minisitry ny Fahasalamana Libaney.

Mandritra izany fotoana izany, mitoetra ho mpandany vola ara-miaramila lehibe indrindra any Azia Andrefana i Arabia Saodita, manararaotra ny harena ara-tsolika be ao aminy hiantohany ny fanjakazakana ao amin'ny faritra. Miatrika fanamby lehibe kokoa, anefa, i Iran amin'ny fitazonana ny fandaniana satria miatrika sazy ara-toekarena sy fisondrotry ny vidim-piainana henjana ihany koa izy, ka mahatonga ny fampiasam-bola ara-miaramila toy izany ho enta-mavesatra kokoa raha oharina amin'ny fahazakàny ara-toekarena.

Mitaratra ny tontolom-pifanandrinana Etazonia-Iran ny fanamafisana ara-miaramila any amin'ireo firenena ireo. Na Etazonia na Isiraely dia samy nitazona fijoro feno ambana manoloana an'i Iran, milaza ny fanahian-dry zareo amin'ny hambo-po ara-noklearin'i Teheran sy ny dindo atosany amin'ireo fifanandrinana ankolaka mameno ny faritra.

Raha mampitombo ny fandaniany ara-piarovana Israely sy i Arabia Saodita, dia entin'ny fitomboan'ny ambana amin'ny fisian'ny miaramilan'i Etazonia ao amin'ny faritra ihany koa i Iran. Manana tobim-pamaharana manerana an'i Azia Andrefana, manomboka any Qatar ka hatrany Iràka, i Etazonia, ka mampiraikitra fanamby stratejika manoloana ny hambom-pon'Iran. Samy mihazakazaka manamaro ny fitaovam-piadiany ny mpiantsehatra tsirairay ary samy milaza fa noho ny ambana atataon'ny andaniny no anton'ny fitomboan'ny fandaniana ara-miaramila ataony, dia mihamafy hatrany ny tsingerim-panamafisana ara-miaramila.

Ny fiitaran'anjara asan'ny IRGC

Natokana ho an'ny Vondro-Mpiambina Revolisionera Islamika (IRGC), sampana matanjaka iray mifehy ny tafika sy ny toekarena ao amin'ny firenena, ny ampahany betsaka amin'ny fitomboan-tetibolam-piarovana ao Iran. Mihoatra lavitra noho ny asa miaramila mahazatra ny dindo fitaoman'ny IRGC; mifehy tambajotra midadasika amin'ny fihariana sy ny sehatrasa izy io, anisan'izany ny fanorenana, fifandraisan-davitra ary solika. Io fahaleovantena ara-bola io no ahafahan'ny IRGC manivaka ny famatsiam-bola nentim-paharazana amin'ny teti-bolan'ny governemanta, manamafy kokoa ny vahohony amin'ny harenan'ny firenena.

Araka ny filazan'ny SIPRI, niakatra avy amin'ny 27 isanjato tamin'ny taona 2019 mankany amin'ny 37 isanjato tamin'ny taona 2023 ny ampahany amin'ny fandaniana ara-miaramila ho an'ny IRGC Iran – manana ny fandaniana ara-miaramila fahefatra lehibe indrindra any Azia Andrefana tamin'ny taona 2023.

Ankoatra ireo fandaniam-bola ofisialy, miteraka fidiram-bola fanampiny tsy voatatitra ny asa ara-toekarenan'ny IRGC, ka manasarotra ny fanombanana ny haben'ny famatsiam-bola ara-tafika Iraniana. Maneho ny fanasongadinana stratejikan'i Iran amin'ny fiarovana io tambajotra ara-bola io na dia marefo aza ny toekareny, manana sondrotry ny vidim-piainana 35 isanjato sy fiakaran'ny vidin'entana fototra avo dia avo.

Fironam-panamafisana ara-miaramila maneran-tany

Mifanaraka amin'ny fironana eran'izao tontolo izao  ny fanamafisana ara-miaramila ao Iran amin'ny fiakaran'ny fandaniana ara-tafika, indrindra any amin'ireo faritra itomboan'ny fifandonana. Ao Eoropa, nitombo ny teti-bola ara-miaramila hatramin'ny nanafihan'i Rosia an'i Okraina tamin'ny taona 2022. Nampitombo be ny fandaniana ara-miaramila i Alemaina, nanokam-bola 100 lavitrisa EUR tamin'ny taona 2022 mba hanavaozany ny miaramilany.

Araka ny tatitry ny Greenpeace tamin'ny taona 2023, “Nampitombo ny fandaniany madiodio ara-tafika 42% i Alemaina nandritra ny folo taona mahery.” Azo itarafana akaiky ny zava-misy ao Iran ny lamina hita any Eoropa — izay miara-dalana ny fanamby ara-toekarena, ny fiakaran'ny vidim-piainana ary ny krizin'angovo andaniny sy ny fiakaran'ny teti-bola ara-miaramila ankilany. Samy mampivily loharanon-karena lehibe ho an'ny tafika ireo faritra roa ireo ka (lasany) ny fandaniana ara-tsosialy, mampiseho ny laharam-pahamehana maneran-tany amin'ny fiarovana ara-tafika ao anatin'ny tontolo mora misidina sy levona.

Ahitana fitomboam-pandaniana ara-miaramila koa i Azia Atsinanana noho ny fitomboam-pihenjanana. Niakatra 6 isanjato raha oharina amin'ny taona 2022 araka ny SIPRI ny fandanian'i Shina, faharoa erantany amin'ny fandaniana ara-miaramila, manana tetibola 296 lavitrisa dolara tamin'ny taona 2023. Nandritra izany fotoana izany, nitombo 11 isanjato ny teti-bolan'ny miaramila tao Japana sy Taiwan tamin'io taona io ihany noho ny fifanenjanana ao amin'ny Ranomasin'i Shina Atsimo sy ny andilan'i Taiwan, indrindra tamin'ny fitomboan'isan‘ny miaramilan'i Etazonia ao amin'ny faritra nikendrena hampifandanjàna ny fisandratan'i Shina.

Mitombo ny savoritaka

Maneho tontolo mizotra mankany amin'ny tsy fandriampahalemana kokoa ny fiakaran'ny fandaniana ara-miaramila manerana an'i Azia Andrefana, Eoropa, ary Azia Atsinanana ankoatra ny hafa, noho ny tsy fahombiazan'ny Firenena Mikambana sy ny andrim-panjakana ao aminy manolotra ny fandriampahalemana, ny diplaomasia ary ny fisorohana ny fifandonana notondroina hakarina.

Miomana amin'ny mety hisian'ny fifandonana ao amin'ny faritra maro ireo firenena, manangana tontolo izay hamaritana bebe kokoa ny fiarovana amin'ny alàlan'ny hery miaramila fa tsy amin'ny diplaomasia. Araka ny nanamarihan‘i Nan Tian, ​​ zokiolona mpikaroka ao amin'ny SIPRI, “Manao ho laharam-pahamehana ny tanjaky ny tafika ireo fanjakana saingy mety hiteraka fitomboan-ketsika sy valy bontana ao anaty tontolo jeopolitika sy filaminana izany.”​

Tonga ao anaty fotoan'ny fanamby ara-toekarena, izay matetika anaovana sorona ny fandaniana ara-tsosialy noho ny fampiasam-bola ara-miaramila izao fiovàna izao. Tondroin'ny tontolo iray mifandrohy mirona mankany amin'ny fifandirana fa tsy mankany amin'ny fiaraha-miasa ny toetran'ireo fifandonana ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.