
Ny filoha vao voafidy Gordana Siljanovska Davkova, nandritra ny lanonana fianianana rehefa nilaza hoe “Makedônia” fa tsy hoe “Repoblikan'i Makedônia Avaratra” raha nandray ny toerany. Sary: Parlemantan'ny Repoblikan'i Makedônia Avaratra.
Tamin'ny 13 Mey 2024 ity lahatsoratra ity no navoakan'ny Meta.mk voalohany. Dikan-teny efa nasiam-panitsiana no averina avoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fiarahamiasa.
Naneho hevitra ampahibemaso ireo mpisehatra iraisam-pirenena sy ireo sasany mpanao politika ao an-toerana taorian'ny tsy nanononan'ny filoha vaovoan'i Macekedônia Avaratra, Gordana Siljanovska Davkova, ny anaran'ny fanjakana mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana, Repoblikan'i Makedônia Avaratra, tamin'ny fanokanana azy ny 12 May 2024. Fihetsika izay heverin'izy ireo ho fanitsakitsahana ny Fifanarahana Prespa io, izay nofaranana tamin'ny fanelanelanan'ny Firenena Mikambana ny taona 2018, namarana ny ady anarana nifanaovany tamin'i Gresy izay naharitra 28 taona.
Nanomboka tamin'ny 1991 ka hatramin'ny 2018, dia notoherin'i Gresy ny fampiasana ny anarana hoe “Makedônia ” ho an'ny Repoblikan'i Makedônia vao nahaleo tena, ary nolaviny ny fidirany ho anatin'ireo andrim-panjakana iraisam-pirenena, anisan'izany ny Firenena Mikambana, ny OTAN ary ny Vondrona Eorôpeana. Loharano fototry ny tsy fandriam-pahalemana tany Balkana Andrefana io fifandirana io. Nifarana tamin'ny fanovàna ny anarana voafaritry ny lalàm-panorenana izany, nampiana fanononana ara-jeografika hoe “Avaratra” ilay anarana, mba hampitoniana ny fitakian'ireo Grika hanavaka ilay firenena mpifanila amin'ny faritra iray ao aminy, izay antsoina koa hoe Makedônia .
Ho fanoherana dia nilaozan'ny masoivoho Grika any Makedônia Avaratra, Sophia Philippidou, ny otoam-pivorian'ny parlemanta nampiasaina ho amin'ny lanonana fianianan'ny filoha, taorian'ny nitenenan'i Siljanovska Davkova hoe “Makedônia ” fa tsy hoe “Repoblikan'i Makedônia Avaratra”.
Ary, raha nameno ny pejy voalohan'ny fampahalalam-baovao Grika ireo lahatsoratra momba ny fihetsik'i Siljanovska Davkova, dia nisy fanehoankevitra iray lehibe avy amin'ny filohan'ny Vaomiera Eoropeana, Ursula von der Leyen, izay nampiasa ny sehatra X (Twitter taloha) handefasana hafatra hoe tokony hanohy ny fidirany amin’ny Vondrona Eorôpeana (UE) i Makedônia Avaratra, amin’ny alalan’ny fampiharana ny fanavaozana sy ny fanarahana ireo fifanarahana vita, anisan’izany ny Fifanarahana Prespa.
For North Macedonia to continue its successful path on EU accession it is paramount that the country continues on the path of reforms and full respect for its binding agreements, including the Prespa Agreement.
— Ursula von der Leyen (@vonderleyen) May 12, 2024.
Zava-dehibe indrindra ny fanohizan'ny firenena ny zotran'ireo fanavaozana sy ny fanajana tanteraka ireo fifanarahana mifamatotra aminy, toy ny Fifanarahana Prespa, mba hanohizan'i Makedônia Avaratra ny lalana mahomby amin'ny fidirany ho ao anatin'ny Vondrona Eoropeana.
— Ursula von der Leyen (@vonderleyen) ny 12 May 2024
Ora vitsy monja taorian'ny bitsika fiarahabana nalefan'i Von der Leyen ho an'i Siljanovska Davkova, ho vehivavy filoha voalohany tao Makedônia Avaratra io fanehoankevitra io.
The EU regrets the fact that the new President of North Macedonia did not use the constitutional name of the country at the swearing-in ceremony.
Read the full statement 👇 https://t.co/AwzqGVLgqW
— Nabila Massrali (@NabilaEUspox) May 12, 2024
Malahelo ny Vondrona Eoropeanina noho ny tsy nampiasan'ny Filoha vaovaon'i Makedônia Avaratra ny anarana voafaritry ny lalàm-panorenana tao amin'ilay lanonana fianianana.
Vakio ny fanambarana feno 👇 https://t.co/AwzqGVLgqW
— Nabila Massrali (@NabilaEUspox) ny 12 May 2024
Namoaka fanehoankevitra tamin'ny endrika fanambarana ofisialy ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Grika (MFA).
Fanitsakitsahana mibaribary ny Fifanarahana Prespa sy ny Lalàm-panorenan'ny firenena mpifanolo-bodirindrina amintsika ity fihetsika ity, izay efa nifanarahana tamin'ny adidy iraisam-pirenen'i Makedônia Avaratra. Na teo aza nilazany ny maha-mpanohitra azy nandritra ny fankatoavana ilay Fifanarahana Prespa, nanaja sy nanamafy ny fifanarahana iraisam-pirenena ny governemanta Grika ankehitriny, izay mipetraka ho ambonin'ireo fepetra rehetra araka ny lalàna.
Ao anatin'izany toe-javatra izany, nanambara mazava i Gresy fa ny fandrosoana bebe kokoa amin'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta amin'i Makedônia Avaratra, sy ny fandrosoana amin'ny zotran'ity farany hiditra ho ao amin'ny Vondrona Eoropeana, dia miankina amin'ny fampiharany feno ny Fifanarahana Prespa ary indrindra ny fampiasana ny anarana voafaritry ny lalàm-panorenan'ny firenena.
Tao anatin'ilay fanehoankevitra voatanisa im-betsaka navoaka tao amin'ny Facebook tamin'ny teny Makedôniàna sy Albaniàna, nambaran'ilay Minisitry ny Fitsarana taloha tao amin'ny governemantan'i Makedônia Avaratra, Krenar Lloga, fa nataon'i Siljanovska Davkova ho foana tsy misy dikany ny fianianany.
▪︎ Непочитувањето на уставното име на државата ја прави ништовна заклетвата на Силјановска.
▪︎ Mos respektimi i emrit kushtetues të shtetit e bën betimin e Siljanovskës NUL (të pa vlefshëm)
▪︎ Или повторување на постапката или функцијата претседател на државата треба да ја преземе Јован Митревски (претседател на собрание), како В.Д.
▪︎ Ose përsëritje e procedurës ose Jovan Mitrevski (Kryetar i Kuvendit) duhet të marrë funksionin e Kryetarit të Shtetit si ushtrues detyre.
▪︎ Mahatonga ny fianianan'i Siljanovska ho tsinontsinona ny tsy firaharahana ny anaran'ny fanjakana vafaritry ny lalàm-panorenana.
▪︎ Na mila averina ny fianianana na tokony ho raisin'i Jovan Mitrevski (filohan'ny parlemanta) ny toeran'ny filohan'ny fanjakana, amin'ny maha-filoha mpisolo toerana azy.
Hampihatra ny Didy Fampiharana ve i Etazonia hanasazy ireo olona mandika ny Fifanarahana Prespa?
Iray volana lasa izay, nanambara tamin'ny Voice of America amin'ny teny Makedôniana ny mpitondra tenin'ny Departemantam-panjakana Amerikana hoe antenain'i Etazonia i Makedônia Avaratra hanaja ny fanahin'ilay Fifanarahana Prespa, ary ny lahateny ampahibemaso dia tsy maintsy mifototra amin'ny zava-misy.
Namaly ny mpitondra tenin'ny Departemantam-panjakana amerikana rehefa nanontaniana momba ny ahiahin'i Etazonia ny mety ho fanimbàna ny fifanarahana Prespa hoe : “Satria mbola manaja ny Fifanarahana Prespa i Etazonia, dia manantena izahay fa hihazona an'io fanahy io i Makedônia Avaratra, ary mba hijanona mifototra amin'ny zava-misy sy miorim-paka ny lahateny atao ampahibemaso, mijery ny hoavin'i Makedônia Avaratra ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna.”
Tamin'ny 2021, ny filoha amerikana Joe Biden dia nanao sonia didy fampiharana momba ny fangiazana fananana sy fampiatoana ny fidirana ao Etazonia ho an'ireo olona mandika na manakana ny Fifanarahana Prespa sy ny Fifanarahana Lasitra Ohrid, izany hoe ireo olona manakana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana any amin'ireo firenena ao amin'ny Balkana Andrefana.
Ity antontan-taratasy ity dia nomena anarana hoe “Didy fampiharana momba ny fangiazana fananana sy fampiatoana ny fidiran'ny olona sasany mandray anjara amin'ny toe-javatra mampikorontana any amin'ny Balkana Andrefana tsy ho ao Etazonia.”
Nanazava bebe kokoa ny Departemantam-panjakana Amerikana fa tsy hoe mihatra fotsiny amin'ireo olona ao amin'ny firenena Balkan Andrefana, izay manohintohina ny Fifanarahana Prespa irery ilay didy fampiharana, fa ho an'ireo any amin'ny firenena hafa ihany koa. Nomarihin'izy ireo fa “ny Didy Fampiharana 14033 dia mamela ny fanasaziana an'ireo olona manimba ny filaminana ao amin'ny Balkana Andrefana, na aiza na aiza misy azy, raha mahafeno ny fepetra mifandraika amin'izany izy ireo.”
Ilay Didy Mpanatanteraka dia mamaritra ny sazy amin'ireto tranga manaraka ireto:
Tompon'andraikitra na miray tsikombakomba, na mandray anjara mivantana na ankolaka, amin'ny fanitsakitsahana, na hetsika iray izay nanakantsakana na nandrahona ny fampiharana ny filaminam-paritra, ny fandriam-pahalemana, ny fiarahamiasa, na ny fifanekena na rafitra fampandraisana andraikitra mifandraika amin'ny Balkana Andrefana amin'ny resaka fiarovana na fifankatoavana, anisan'izany ny Fifanarahana Prespa tamin'ny 2018; ny Fifanarahana Lasitra Ohrid tamin'ny 2001
Hristijan Mickoski, mpitarika ny VMRO-DPMNE antoko mpanohitra tamin'izany fotoana izany sy mety ho solontenan'ny governemanta vaovao, dia nilaza nandritra ny adihevitra mialoha ny fifidianana niarahana tamin'i Dimitar Kovačevski, mpitarika ny antokon'ny fitondrana SDSM, fa ho antsoiny hoe “Makedônia ” ihany ny firenena, na misy aza ny Fifanarahana Prespa tamin'ny taona 2018.

Stevo Pendarovski sy Gordana Siljanovska Davkova. Sary: Kabinetran'ny Filohan'ny Repoblikan'i Makedônia Avaratra
Nandritra ny fampielezankevitra tamin'ny fifidianana tamin'ny Aprily, nanamafy indray ny filoha am-perinasa Stevo Pendarovski fa ny fanafoanana ny Fifanarahana Prespa dia midika fa ho voahilika tsy ho tafiditra ho mpikambana ao amin'ny OTAN ny firenena.
Nampitandrina ny praiminisitra grika Kyriakos Mitsotakis, tamin'ny 13 May, fa ny fanitsakitsahana bebe kokoa ilay fifanarahana anarana nosoniavin'ireo firenena roa tonta dia mety hanohintohina ny fanirian'i Skopje hiditra ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Nampiako izany fihetsehampo izany ny filoha Bolgara, Rumen Radev, nanasongadina fa miankina amin'ny fanarahana amim-pitandremana ireo fifanarahana iraisam-pirenena sy ireo rafitra fifampiraharahana nankatoavin'ny Filankevitra Eoropeana tamin'ny Jolay 2022, izay tsy hisy fanavaozana, ny hetahetan'i Makedônia Avaratra hiditra ho ao amin'ny vondrona Eoropeanina.