Andrana sary: Velona ao an-kianjan'i Chittaranjan Park, Delhi, ny fanahin'i Navratri

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Sampin'i Maa Durga mijoro manitsaka ilay demony Mahishasur tsy afa-mihetsika eo an-tongony. Sary an'i Shivansh Srivastava, mpaka sary an-gazety. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ao amin'ilay tanàna maresaka sy manan-katao ao Chittaranjan Park (CR Park) any atsimo-atsinanan'i Delhi, India, rehefa hanome aina ireo tanimanga masina ry zareo mpanao asatànana dia mifangaro amin'ny fanolorantena malefaka ny fikotrokotrok'ireo fitaovana. Manamboatra sampy Maa (reny) Durga ry zareo, ilay andriamanibavy hindoa hajainy izay maneho ny fandresean'ny tsara manoloana ny ratsy — fitantaràna iray tsy mety lany andro izay manako lalina any anatin'ny tontolo mifamahofaho ankehitriny.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mampiasa borosy ireo mpanao asatanana mba handokoana ireo pitsiny sarom-pantarina amin'ireo sarivongana. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Navratri, izay midika hoe “alina sivy,” dia iray amin'ireo fetibe manandanja indrindra ao anatin'ny tetiandro hindoa. Fanomezana voninahitra ny nandresen'i Maa Durga ilay demony Mahishasura, demony miendrika ombidia afaka miovaova endrika, maneho ny korontana sy ny fampahoriana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Ny sarivongana mijoalajoalan'i Maa Durga, tsy vita hatramin'ny farany ary mijoro manitsaka an'i Mahishasur. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Araka ny angano hindoa, Mahishasura dia nahazo fitahiana nahatonga azy ho lehilahy mahery tsy resin'ny hafa, ary niparitaka nanerana ny tany aman-danitra ny gejany. Setriny, nanambatra ny heriny ireo andriamanitra mba hamorona vehivavy mpiady matanjaka iray — Maa Durga. Mitaingina liona sy milanja fitaovampiadiana avy amin'andriamanitra eny amin'ireo sandriny maro rantsana, niady tamin'i Mahishasura izy nandritra ny sivy andro, arynandresy azy nony farany, tamin'ny andro fahafolo fantatra amin'ny hoe Vijayadashami, na Dussehra.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mpanakanto iray mitandrina fatratra manao ny kitika farany amin'ny sampin'ilay demony Mahishasur. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Satria i Maa Durga mijoro manitsaka ireo demony resiny, ny sampiny no lasa dindom-panantenàna sy faharetana, fitaratr'ireo fanamby atrehantsika eran'izao tontolo izao. Miaraka amin'ireo ady, ny fitomboan'ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy, ary ireo loza mahatsiravina ara-tontolo iainana mananontanona ny fiarahamonina, tsapa ho lasa maika noho ny hatrizay ny fandreseny.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Sampy tony iray mampiseho an”i Ganesh, ilay andriamanitry ny Fanombohana Vaovao, ny Fahendrena ary ny Vintana, mipetraka eo anilan'ny mpanakanto iray miasa manao sokitra Ganesh iray hafa, ery aoriana. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana..

Ity fetibe ity dia mihoatra lavitra noho ny hetsika fankalazana angano: taratry ny ady tsy miato ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, tsy hoe ny habakabaka fotsiny ihany fa ao anatin'ny tsirairay amintsika. Ireo andro sivin'ny Navratri dia atokana hideràna ireo endrika andriamanibavy isankarazany, maneho ny fahadiovana, ny hery, ny fahalalàna ary ny fiarovana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mpanao asatànana iray mametaka “paillettes” amin'ny tongotr'i  Maa Durga, mitondra ny kitika farany ho amin'ny famirapiratana. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana..

Raha miasa tsy mahatsiaro reraka ireo mpanao asatànana eny amin'ireo lalankely tery ao amin'ny Kianja Chittaranjan mba hamolavola ireo sampy Maa Durga, dia avoakan-dry zareo ny maha-izy azy ilay andriamanibavy eo am-piomanany handresy ireo demony. Avoitran'ireo pitsiny tsirairay sarom-pantarina foronin-dry zareo ny momba ny toetra masiaka nefa feno fangorahana, maneho ny faharetana sy ny tanjak'ilay andriamanibavy.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Topimaso amin'ny toerana fiasàn'ny mpanakanto iray, ahitàna ireo fitaovana sy sary sokitra. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana..

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mpanakanto iray mandoko am-pitandremana fatratra ireo pitsiny madinika amin'ny sampy Ganesh. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mibaribary be sy misongadina maneho tsara ny endrika masiakan'ny tavany ilay demony Mahishasur. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Sampy iray vao vita maneho an'i Maa Durga mijoro mahitsy. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mpanakanto iray mitondra ny kitika farany amin'ilay vorondrano mpanaraka an'i Saraswati, ilay andriamanibavin'ny fahendrena. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Sary sokitra tsy mbola vita, maneho an'i Kartikeya, andriamanitry ny ady, mijoro tsy misy tohina ery an-jorony, miandry ny tànan'ilay mpanao asatànana mba hanome aina azy. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana..

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Tahona volobe manohana ny sampy Maa Durga, hiantohana ny fijoroany tsy mivena amin'ilay izy mijoro avo sy miezinezina, miandry ireo asa fanampiny bebe kokoa. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mpanakanto iray manafangaro ireo loko ao anaty tavy iray, miomana handoko ireo sarivongana. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mpanakanto iray manafangaro feta sy mololo mba hamoronana akora tonga lafatra hanaovana sarivongana. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Sarivongana iray vao vita, mijoro mirakotra miandry ny kitika farany amin'ny loko. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Sary akaiky kely maneho ny endrik'i Maa Durga eo am-panahazana ny sarivongany amin'ilay masoandro midaniky ny takariva iny. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Mpankanto iray anaty fifantohana manafangaro ireo loko ahodina miaraka, toy ireo tantara miseho mandritry ny fanatontosana ny fetibe Navratri. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Ny tavan'i Mahishasur voatefy tsara, maneho tsy misy tomika ny endrika tezitra sy mahatatotra feno fihantsiana. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Image by photojournalist Shivansh Srivastava. Used with permission.

Ireo sarivongana mijoro milahatra tsara hitapy masoandro, hamainina eo am-piandrasana ilay fetibe. Sary an'ilay mpaka sary an-gazety, Shivansh Srivastava. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Raha amperiny ireo fanomanana ao an-Kianja Chittaranjan, io endrika bitiky ny fanolorantena sy famoronana io kosa manolotra, tsy topimaso fotsiny amin'ny famoronana ireo zavakanto masina, fa koa fitaratra iray amin'ny filàna iraisantsika amin'ny resaka hery, faharetana ary fihavaozana.

Momba ny mpanoratra: Shivansh Srivastava dia mpaka sary fanao an-gazety monina ao Delhi/NCR, India. Ny asany dia mifantoka voalohany indrindra amin'ny kolontsaina, ny zon'olombelona, ireo olan'ny miralenta, ny fihetsehana sôsialy, ny fiovàn'ny toetrandro ary ny tontolo iainana.

Mikatona ny famoahana hevitra