
Safodrano ao Kathmandu, Nepal. Septambr 2024. Pikantsary avy amin'ny YouTube Video by MrMin. Fampiasana ara-drariny.
Antomotra ny vanim-potoanan'ny fetibe Dashain ao Nepal, namadika ny fankalazàna ho voinam-pirenena ny oram-batravatra mitohy nanomboka tamin'ny 26 Septambra. Niteraka tondra-drano sy fihotsahan'ny tany mandravarava ny rotsak'orana be nanerana ny firenena, ka nahafatesana olona 219 farafahakeliny ary namindrana toerana fianakaviana maherin‘ny 12.000, ary mbola misy maro hafa tsy hita popoka. Voa mafy koa na dia ny Lohasahan'i Kathmandu mahazaka tondra-drano aza, izay faritry ny renivohitry ny firenena, ary distrika maro no tratra. Nitondraka ny Reniranon'i Bagmati, nandrava trano sy orinasa maro ary nametraka tsindry mafy amin'ny fotodrafitrasa sy ny toekaren'i Nepal.
Nizara lahatsary mahavaky fo ao amin'ny X (Twitter taloha) ny mpisera Neha Gurung:
Some heartbreaking videos of #NepalFlood 🥹
Pray for Nepal. https://t.co/tzxal4d05R pic.twitter.com/fZSMwNDjYr
— Neha Gurung (@nehaGurung1692) September 29, 2024
Lahatsary mahavaky fo an'ny #NepalFlood
Mivavaha ho an'i Nepal.
Voabahan’ny fihotsahan’ny tany ny làlambe sasany, ka tafahitsoka ny olona ary sahirana miavo-tena, mikorontana ny zotra an’habakabaka noho ny fanjavozavoana ary naato nandritra ny roa andro ny zotra an-habakabaka anatiny. Tao amin'ny distrikan'i Jhapa, atsinanan'i Nepal fotsiny, efa ho 300 milimetatra ny rotsak'orana voarakitra tao anatin'ny andro vitsivitsy monja, nihoatra lavitra noho ny salanisa andrasana mandritra ny vanim-potoana. Nanomboka aloha kokoa noho ny noheverina ny orana tamin'ity taona ity, tonga tao amin'ny firenena tamin'ny 10 jona, telo andro mialoha ny datin'ny 13 jona mahazatra. Naharitra ela kokoa noho ny mahazatra koa ny orana. Mifamatotra amin'ny fitombon'ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo toetr'andro tsy mahazatra ireo, ka nanalava sy nampahery kokoa ny tsioka mpitondra orana tsy mbola nivononan'ny faritra ambanivohitra sy an-tanàndehibe, indrindra any amin'ireo firenena marefo toa an'i Nepal.
Ao amin'ny X, manondro ny mpisera Tilak Bhusal fa nanimba ny fikorianan'ny rano voajanahary ny fakana tany amin'ny sisin'ny renirano:
The real catastrophe began when land mafias illegally encroached the riversides. I hope recovery is swift. The best time to act was 20 years ago and next best time is now. We must give rivers back their space, they owned this land long before us.#NepalFlood #climatechange pic.twitter.com/mwzxI6S1DX
— Tilak Bhusal (@TilakBhusal75) September 29, 2024
Nanomboka ny tena loza rehefa nangoron-tany amoron-drano tsy ara-dalàna ireo “mafia”. Manantena fanasitranana haingana aho. Ny fotoana tsara indrindra anaovana hetsika dia tamin'ny 20 taona lasa ary ny fotoana tsara indrindra manaraka dia izao ankehitriny izao. Tsy maintsy omena ny sehatra natokana ho azy ny renirano, ry zareo no tompon'ity tany ity talohantsika.
Namerina indray ny adihevitra momba ireo fanamby lehibe amin'ny fandrindrana an-tanàndehiben'i Nepal sy ny fiomanana amin'ny loza ny tondradrano. Mizaka fahasimbana lehibe noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa sy ny faharatsian'ny rafitra fitarihan-drano ny Lohasahan'i Kathmandu, fantatra amin'ny fiitarany haingana, ka mahatonga azy ho mora tondraka. Narangarangan’ny manampahaizana momba ny tontolo iainana sy ny fotodrafitrasa hatrany ny fanitaran-toeram-ponenana tsy voafehy, indrindra ireo faritra tondraka. Trano fonenana maro no naorina tamin'ireo faritra ireo tsy nisy fanaraha-maso araka ny tokony ho izy. Na izany aza, tsy nisy ezaka lehibe nataon'ny governemanta na ny mpanao politika hamahana ireo fanamby ireo.
Mbola manantena ny hiverenan'ny zanany vavy dimy taona lasan'ny tondra-drano tamin'ny marainan'ny 29 Septambra tao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu ihany i Raju Shah. Miasa amina orinasa kely mpanao vy manamorona ny Reniranon'i Nakkhu, any amin'ny distrikan'i Lalitpur renivohitra izy. Difotry ny rano ny Reniranon’i Nakkhu tamin’io andro io, ary nofaohin’ny rano ny zanany vavy. Niteny tamin'ny BBC Nepali izy: “Raha voavonjy ara-potoana ny zanako vavy dia ho tafavoaka velona.” Manentana ny governemanta izy mba hanampy azy hahita ny zanany vavy.
Na dia eo aza ny ezaky ny governemanta mamoaka fampitandremana momba ny tondra-drano sy ny tokony hialàn'ireo vondrom-piarahamonina monina amoron-drenirano toa an'i Bagmati sy Koshi, dia mbola tandindonin-doza hatrany ireo distrika ikorianan-drano toa an'i Rautahat sy Sarlahi satria tsy mitsaha-miakatra ny rano noho ny fitohizan'ny tsio-drivotra mitondra orana. Nahetsika ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao an-toerana, mpitandro ny filaminana, ary fikambanana misahana ny maha-olona hanolo-tanana amin'ny asa fanavotana sy famonjena, saingy nanafotra ireo fitaovana voafetra ananan'ny firenena ny haben'ny voina.
Nanetana i Nirmal Puja, mpihanika tendrombohitra, hoe:
🆘 URGENT HELP NEEDED 🆘
Nepal has been hit by a huge flood in #Kathmandu, the @nimsdaiFNDN is already in action but we need your urgently need your help and support in donations.
Donate here https://t.co/8cp0kMOZiE pic.twitter.com/KycA1Nahvn
— Nirmal Purja MBE (@nimsdai) September 29, 2024
🆘 MILA FANAMPIANA MAIKA 🆘
Tratran'ny tondra-drano be i Nepal ao #Kathmandu, efa miasa ny orina mpanasoa Nimsdai saingy mila maika ny fanampianareo sy ny fanohananareo ho fanomezana.Manomeza eto pic.twitter.com/KycA1Nahvn
Nihamafy ny fanakianana ny governemanta tsy ampy fiomanana amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao fa vao mainka nampirongatra ny faharefon’ny voajanaharin'ny firenena ny rotsak’orana nihalava tamin’ity taona ity. Zava-pitranga ao Nepal isan-taona ny tsioka mitondra orana, arahin'ny fihotsahan'ny tany sy ny lozam-pifamoivoizana isan-taona. Na izany aza, miadam-pandeha sy tsy miraharaha loatra hatrany ny setriny ny governemanta.
Mandravarava tahaka izany koa ny krizy ara-toekarena ateraky ny loza. Fari-pambolena mivelona tanteraka amin'ny fambolena ireo faritra maro iharan'ny tondra-drano. Lasan’ny rano ny voly sy ny fihariana, ary very ny biby fiompy, manampy trotraka ny fahasahiranan’ny mponina ambanivohitra izay efa sahirana ara-toekarena. Nanasarotra ny fanaterana entana sy ireo serivisy ilaina any amin'ireo faritra tena voa mafy ny fahatapahan'ny tambajotram-pitaterana, izay vao mainka mampitombo ny fanamby atrehin'ireo tra-boina.
Mampitandrina ireo manam-pahaizana ara-pahasalamana amin'ny mety hitomboan'ny aretina mifindra amin'ny alalan'ny rano sy/na ny rivotra. Voaloto ny loharano ary mampahonena ny fiainan'ny olona nafindra toerana, efa ahitana firongatry ny areti-mifindra toy ny kôlerà ny hopitaly.
Nizara ny mpisera Nirmal:
It was the morning of Saturday, Sept. 28, and the rain would continue for another day, causing landslides and floods in areas surrounding Kathmandu, Nepal’s capital. More than 200 people were dead in the worst flooding to hit the region in five decades. pic.twitter.com/i9w6vS5oTt
— Nirmal (@Nepali) October 2, 2024
Tamin'ny marainan'ny asabotsy 28 septambra, mbola nijojo andro iray manontolo ny orana, ka miteraka fihotsahan'ny tany sy tondra-drano any amin'ny faritra manodidina an'i Kathmandu, renivohitr'i Nepal. Maherin'ny 200 ny olona matin'ny tondra-drano ratsy indrindra namely ny faritra tao anatin'ny dimampolo taona.
Tsy mbola mivandravandra tahaka izao ny filana fanovan-drafitra. Asongadin'ity loza voajanahary manimba ity ny faharefoan'ny jeografia sy ny fotodrafitrasa ao Nepal. Raha mbola misaona ny fahavoazany ny firenena, dia tsy maintsy mifantoka amin'ny fiomanana matanjaka kokoa manoloana ny loza, ny fahatezàn'ny tontolo iainana ary ny fotodrafitrasa mahazaka ireo loza voajanahary hoavy.
Nosaronan‘ity voina ity izay tokony ho fotoam-pankalazana ho an'ny fianakaviana maro manerana ny firenena. Raha tokony hiomana amin'ny fety ny fianakaviana dia misaona ny fahafatesan'ny olon-tiana, miezaka ny mamerina ny tranony ary miantehitra amin'ny fanampiana vonjitaitra hiavotan-tena. Efa nametrahana trano fialofana vonjimaika any an-tsekoly sy tranom-panjakana maro, fa ho lava sady sarotra kosa ny lalana mankany amin'ny fanarenana ho an'ny fianakaviana nafindra toerana .