
Mampiasa ny andian-teny hoe “sin lloradera” ny polisy Venezoeliàna, (“tsy an-kitomany”) mba hilazana fa rehefa mikendry ny mpanohitra izy ireo dia tsy hanova inona izay fanoherana. Pikantsary avy amin'ny mpampiasa YouTube CNN amin'ny fiteny espaniôla. Fampiasana ara-drariny.
Ity lahatsoratra ity dia navoaka tao amin'ny ProBox tamin'ny 28 Aogositra 2024. Io no voalohany amin'ny fanadihadiana misy fizarana telo mitondra ny lohateny hoe Digital Terror, momba ny famoretana ao anatin'ny tontolon'ny fifidianana Venezoeliana, niarahana niasa tamin'ny Digital Democracy Institute of the Américas sy ny DFRLab. Dika nasiana fanovàna izy ity, navoaka ato amin'ny Global Voices eo ambanin'ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny media.
Ny Talata 30 Jolay, tokony ho 48 ora taorian'ny nanambaran'ny Filankevitry Nasionaly misahana ny Fifidianana (CNE) izay tohanan'ny fitondrana Venezoeliana, an'i Nicolás Maduro ho mpandresy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 28 Jolay, nanambara i Maduro fa hanao fidinana eny amin'ny arabe sy ny manodidina ny Tafika Nasionaly sy ny polisy hitady ireo olona mpikambana anatin'ny “Comanditos” (izany hoe ireo mpanohana avy eny ifotony tamin'ny fampielezan-kevitry ny mpanohitra), vavolombelona tamin'ny fifidianana, solontenan'ny antoko mpanohitra ary ireo mpilatsaka an-tsitrapo misahana ny fifidianana. Nantsoin'i Maduro hoe “vondron'ny commando mahery setra” ireo Comanditos, sy nolazainy fa “mpanao heloka bevava voakarama” izy ireny, ary nambarany fa “hosamborina ireo mpikambana ao.”
Ny fanambaràn'i Maduro dia niteraka ny “Operación Tun Tun” (“Hetsika Do Do Do”), ny fanambaràn'i Maduro, izay fanentanana fanalàm-baràka, doxxing ary fanelezana horohoro hikendrena ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra amin'ny alalan'ny fisotasotàny, ny fanenjehana ary fanagadrana tsy misy antony.

Iray amin'ireo lahatsary manetry ny maha-olona, navoakan'ny Hetsika Do Do Do momba ireo voafonja. Ilay fanehoankevitra nasongadina dia avy amin'i Diosdado Cabello, izay mitsikera ireo mpifidy sy mpanao fihetsiketsehana hoe: “zava-misy iray mahaliana momba ireo mpampihorohoro malaza, maneho ny fanakorontanana ny firenena: tsy nifidy ny ankamaroan'izy ireo. Inona no tokony hanoherana raha tsy nifidy ianao?” Pikantsary avy amin'ny Probox. Nampiasaina nahazoana alalana.
Niteraka onjam-pahatezerana sy hetsi-panoherana, na tany Venezoela na tany ivelany, ny fifidianana filoham-pirenena izay tontosa vao haingana tany Venezoelà, izay nanambaràna an'i Nicolás Maduro ho mpandresy, nahazoany 51,20 isan-jaton'ny vato ary niteraka resabe. Nitsangana nanohitra momba izay heverin'ny maro ho hosoka mibaribary ireo olom-pirenena Venezoeliana sy ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena. Raha tokony hanamaivana ny krizy ny fitondrana, dia nanapa-kevitra ny hanamafy ny famoretana an-tserasera sy an-dalambe.
Vakio misimisy kokoa: Post-election repression in Venezuela: Authorities target human rights defenders and humanitarian workers [Ang].
Ny fanentanana an-tserasera ho an'ny Hetsika Do Do Do dia ireo kaonty media sosialy ofisialy mifandray amin'ny fitondran'i Maduro (indrindra ny tafika) no nitarika azy: mpanohana sy media mpamoaka vaovao nandray baiko. Tsara ny manamarika ny anjara asan'ny kaonty X sy Instagram manokan'i Diosdado Cabello ary ireo an'ny fandaharany anaty fahitalavitra “Con El Mazo Dando” (“Miaraka amin'ny maritoa mively”), amin'ny fandefasana sy fanamafisana ny fizarana ny tenifototra #OperationTunTun eny amin'ny media sosialy. Iray amin'ireo Chavisma mpanao politika ambony i Cabello, izay nivoady hanenjika ireo mpanohitra ny governemanta, ary voatendry vao haingana ho Minisitry ny Atitany, ny Fitsarana ary ny Fandriampahalemana, toerana iray mifantoka amin'ny fanarahana maso ny mpitandro filaminana Venezoeliana.
Saiky ny ankamaroan'ny sehatra media sosialy mihitsy no nandefasana ilay fanentanana ary hita koa tany amin'ireo fantsona ho an'ny daholobe WhatsApp sy Telegram.
Doxxing tohanan'ny fitondrana: Paikady tranainy, sehatra vaovao
Amin'ny lafiny iray, ny Hetsika Do Do Do, dia fanentanana doxxing iray midadasika be izay tohanan'ny fitondrana Venezoeliana amin'ny famoronana votoaty maneso sy mampibaribary ireo olom-pirenena nanakiana an'i Maduro an-tserasera na nandray anjara tamina hetsika fanoherana. Ireny ranty ireny dia manoritsoritra ny fomba nanerena ireo voafonja handraketana lahatsary “fialan-tsiny” sy hanambaràny fa “voarebireby” izy ireo. Ahitana matetika ny tenifototra hoe #ComanditosDelTerror (#LittleTerroristCommandos – Kômandô kely mpampihorohoro) sy #ElPuebloQuiereJusticia (#ThePeopleWantJustice – Mitaky ny rariny ny vahoaka) ireo lahatsary.
Fomba ny Doxxing, mba hanangonana sy hanambàrana ny mombamomba ny olona iray tsy nakàna ny fankatoavany, matetika amin'ny fikasana hisotasota, handrahona, na hanisy ratsy azy.

Mpampiasa kaonty X manao doxxing sy mampiasa ny tenifototra #OperaciónTunTun hanamarihana ireo mpanohitra. Ny hafatra X sasany dia tonga hatramin'ny famaliana ireo hafatra avy amin'ny mpanohitra, amin'ny fampiasana ny etikety ” hanamarihana” ireo izay mamoaka votoaty manohitra ny governemanta. Mivaky toy izao ny hafatra: “Sebin, mandehana mandondòna ny varavaran'ity mpampihorohoro ity”. Pikantsary avy amin'ny Probox. Fampiasana nahazoana alalana.
Nampiasa horonantsary na feo avy amin'ireo sarimihetsika mampihoron-koditra toy ny “Saw” sy “Chucky” izy ireo tamin'ny lahatsarin'ireo voagadra izay nafindra fonja, avy ao anatin'ny efitrano ifonjàn'izy ireo, ary am-pilaharana niaraka tamin'ireo voafonja hafa mba hamboly tahotra eny amin'ny vahoaka amin'ny ankapobeny.
Manambatra fomba henjana (fanagadrana tsy an-drariny, fampijaliana ary famonoana tsy ara-dalàna) sy fomba malefaka (toy ny fanaparitahana lahatsary mampitahotra amin'ny alàlan'ny kaonty media sosialy ofisialy na ny fanafoanana faobe ny pasipaoro), ny famoretana ataon'ny fitondrana ho an'ny hetsi-panoherana ao Venezoela.
Ny Dirección General de Contrainteligencia Militar (DGCIM), ny Servicio Bolivariano de Inteligencia Nacional (SEBIN) ary ny Dirección de Acción Estratégica y Táctica (DAET) dia hery mpitandro filaminana efa nomelohan'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona maro ho toy ny fitaovam-piadiana mahery vaika ampiasain'ny famoretana ataon'ny fitondran'i Maduro. Noho ny heloka bevava manohitra ny maha-olombelona dia nohadihadian'ny ICC ireo hery ireo. Fanampin'izany, nanondro azy ireo ho tompon'andraikitra amin'ireo fanagadrana sy famonoana tsy ara-dalàna, fanjavonana an-terisetra, ary fampijaliana, anisan'izany ny herisetra ara-nofo sy ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy ny mahavavy, ny Iraka Mahaleotenan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fijerena ny Zava-misy ao Venezoela.
Nilaza ny talen'ny Laboratorio de Paz, Rafael Uzcategui, fa nanomboka tamin'ny 28 Jolay, nisy fiovana na ny kalitao na ny habetsahany, teo amin'ny rafitra fanaraha-maso sy fanerena ary, niaraka tamin'izany, ireo fomba fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Venezoela.
Coincido con la apreciación de la Comisión Interamericana de Derechos Humanos acerca que el conjunto de prácticas se constituyen en terrorismo de Estado, en donde la difusión del temor masivo y generalizado intenta inhibir y neutralizar el ejercicio de derechos civiles y políticos.
Iombonako hevitra ny tombana nataon'ny Vaomiera Iraisan'ny Amerikana momba ny Zon'olombelona hoe ity fehezana fomba fanao ity dia fampihorohoroana avy amin'ny fanjakana, izay manao ny fanaparitahana faobe sy tsy ankifidy ny tahotra mba hanakanana sy hanangolena ny fampiasana ny zo sivily sy ara-politika.
Ny 2 Aogositra, nanambaran'ny DGCIM tao amin'ny kaontiny Instagram fa misokatra ny telefaonina ho an'ireo olom-pirenena hitorohana ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra eny ifotony. Na nofafàna aza ilay lahatsoratra taty aoriana, noho ny fanitsakitsahana ny politikan'ny Meta, dia niteraka fanairana ilay izy teny amin'ireo mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona momba ny fametrahana ireo fantsona fiampangàna izay ampiasàna ireo sehatra fandefasana hafatra toy ny WhatsApp mba hanaovana tatitra tsy mitonona anarana, mitarika any amin'ny fanenjehana ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitsikera ny fitondrana.
Kaonty TikTok maro, anisan'izany ny iray mifandray amin'ny DAET-n'ny Polisim-pirenena Bolivariana, no nandefa lahatsary misy hafatra toy ny “DAET Venezoelà tsy misy fitsaharana” sy ny “Hetsika Do Do Do”. Ny kaonty ôfisialy DAET Cojedes ihany koa dia nizara fampahafantarana momba ny Hetsika Do Do Do. Nampiasa ny teny hoe “sin lloradera” izy ireo, na “tsy an-kitomany” mba hilazana fa rehefa mikendry ireo mpikambana avy amin'ny mpanohitra ny polisy, dia tsy hanova na inona na inona izay fanoherana.
Teo anelanelan'ny 29 Jolay sy 19 Aogositra, dia nandrakitra kaonty 128 farafahakeliny tao amin'ny X nanao doxxing ny ProBox, tao anatin'ny tontolon'ny famoretana vao haingana tao Venezoelà. Ary na dia X aza no sehatra nahitana ny betsaka indrindra tamin'ireo voatoaty fanaovana doxxing amin'ity karazana ity, dia niavaka ihany koa ireo kaonty 11 ao amin'ny TikTok, 4 ao amin'ny Instagram ary 2 ao amin'ny Facebook.

Lahatsary avy amin'ny Hetsika Do Do Do ao amin'ny El Mazo Dando, fandaharana anaty fahitalavitr'i Diosdado Cabello. Mampiasa horonantsary na feo avy amin'ny sarimihetsika mampihoron-koditra toy ny “Saw” sy “Chucky” izy ireo mba hambolena tahotra eny anivon'ny vahoaka amin'ny ankapobeny. Mivaky toy izao ilay lahatsoratra: “Tazony ny tahotrao, hanjaka eto amin’ity firenena ity ny fiadanana”. Pikantsary avy amin'ny Probox. Fampiasana nahazoana alalana.
Lahatsary 40 eo ho eo avy amin'ireo kaontin'ny fitondrana, an'ny mpitandro ny filaminana ary ireo mpampiasa hafa, no nampiseho olona voatazona ary avy eo nanameloka tena teo alohan'ny fakantsary, taorian'ny fandraisany anjara tamin'ireo hetsipanoherana an‘i Maduro. Nizara sary mampihomehy, maneso ireo voafonja koa ny kaonty sasany. Misy koa lahatsary hafa nampiseho ranty ao amin'ny media sosialy manohitra an'i Maduro na ireo masoivohon'ny fitondrana, arahan'ny lahatsarin'ireo mpanoratra lazaina fa nosamborina.
Zava-dehibe ny manazava fa io karazana fiaikena io dia tsy hita ao amin'ny Fehezan-dalàna Organika Venezoeliana momba ny Dingana mahakasika ny Heloka Bevava (COPP), ary tsy voatonona na dia indray mandeha aza. Araka ny hazavain‘ny ONG Access to Justice amin'ny antsipiriany hoe ireo lahatsary naseho ho porofon'ny heloka bevava, dia tsy manaraka ny didin'ny lalàna na tsy araka ny lalàm-panorenana, no sady tsy “fanekena ny zava-misy” ihany koa.
Nalefa be tamin'ny fahitalavi-panjakana toa an'i Venezolana de Televisión (VTV) ihany koa ny Hetsika Do Do Do. Nizara ity votoaty ity ihany koa ireo media mpamoaka vaovao an-jorony nomena baiko, paikady fanamafisam-peo mahazatra ao amin'ny kitapom-pitaovan'ny fitondrana Venezoeliana.
Fenon'ny Hetsika Do Do Do ireo fepetra famoretana hafa noraisin'ny fitondrana mba hampanginana ny tsikera an-tserasera. Nandritra ireo herinandro faramparany, nosakanan'ny manampahefana Venezoeliana ny sehatra X sy Signal. Nambaran'i Maduro ny fikasàny handràra ny fidirana amin'ny WhatsApp, Instagram ary TikTok.