‘Libertad, Libertad, Libertad': Hiakiaka manerantany ho an'ny fahafahan'i Venezoelà

Tanora mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny ‘La Gran Protesta por la Verdad’ tao amin'ny Plaza Lourdes ao Bogotá, Colombia, tamin'ny 17 Aogositra 2024. Saripikan'i José Montilla, nahazoana lalana.

“Libertad, libertad, libertad …” Feo an'arivony miara-manako amin'ny fanantenana manerana ny tanandehibe manerantany tamin'ny 17 Aogositra, nanomboka tao Centennial Plaza any Edmonton, Canada, ka hatrany Plaza Lourdes any Bogotá, Colombia, ary eny an-dalamben'i Venezoelà. Izany no “Gran Protesta por la Verdad (Hetsika Lehibe ho an'ny Marina),” fihetsiketsehana maneran-tany hanoherana ny jadon'i Nicolás Maduro. Though separated by thousands of miles, the protesters were united by a shared cry: freedom. “Libertad, libertad, libertad …”. Izany dia ny “Gran Protesta por la Verdad (Hetsi-panoherana Lehibe ho an'ny Fahamarinana),”  Na dia nisaraka tamin'ny kilometatra an'arivony maro aza, dia niray hina tamin'ny antsoantso iombonana ireo mpanao fihetsiketsehana: fahafahana.

Tamin'ny 28 Septambra, nivory indray izy ireo tamin'ny “Gran Protesta Mundial por la Libertad de Venezuela (Hetsi-panoherana Lehibe Maneran-tany ho an'ny Fahafahana ao Venezoelà),” izay niantso ny vahoaka manerana an'izao tontolo izao hidina an-dalambe.

Venezoelana sy mpanohana mandray anjara amin'ny ‘La Gran Protesta’ por la Verdad tao amin'ny Centennial Plaza tao Edmonton, Canada, tamin'ny 17 Aogositra 2024. Saripikan'i Avishta Seeras, nahazoana alalana.

Nafana ny rivotra tao Edmonton. Nijoro niaraka tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana aho, nahatsapa ny angovo mamahana ny rivotra. “Nanjaka ny fitiavana, fifaliana, tanjaka, ary ny fiaraha-monina”, hoy ny eritreritro taoriana. Niara-nijoro naneho firaisankina ny rehetra, eny fa na dia ireo vahiny aza. Nahatsapa tsara izany fihetseham-po izany i Gisela, izay tonga tany Canada 18 taona lasa izay taorian'ny nandroahan'ny fitondran'i Chávez mpiasan'ny solika 23.000, anisany izy: “Manana ampahany kely amin'i Venezoela ny vazan-tany rehetra . Misy avy hatrany ny fifandraisana amin'ny Venezoelàna mpiray tanindrazana, tsy ijerena volonkoditra, saranga sosialy na traikefa niainana.”

Misy koa ny fahatsapam-piaraha-monina toa izany ao Bogotá. Nanoritsoritra ny fihetsiketsehana ho ny akaiky indrindra ny tanindrazany nandritra ny fotoana ela i José, tanora mpanaingo tranonkala nipetraka fito taona mahery tao :

“Tsy nampino ny nandre ny hiram-pirenena, ny lantom-peon’ny fireneko. Niray saina tamin'ny tanjona iray izahay : ny hiantohana ny feon'i Venezoelà hanakoako manerana izao tontolo izao.”

Zokiolona mpanao fihetsiketsehana iray nandritra ny ‘La Gran Protesta por la Verdad’ tao amin'ny Plaza Lourdes ao Bogotá, Colombia tamin'ny 17 Aogositra 2024. Sary avy amin'i José Montilla, nahazoana alalana.

Ao Venezoelà, nizara fotoana nahery vaika toy izao i Krisbel, 25 taona, mpanampy mpitsabo : “Mameno finoana goavana amiko ny mahita zokiolona, na teo an-tsezakodia aza, niantsoantso hoe ‘¡Y va a caer!’ [“Hidaboka izy!” manondro ny fianjeran'i Nicolás Maduro] .” Maneho ny fifandraisana lalina ireo fotoana ireo sy firaisankina mihoatra sisintany sy taranaka amin'ny ady ho an'ny fahafahan'i Venezoelà.

Ny Jolay ka hatramin'ny Septambra: Antso maika hihetsika

Nahazo vahana ny (tolona) hatramin'ny hetsi-panoherana maneran-tany tamin'ny 28 Jolay sy 17 Aogositra. Nihamafy ny fahavononan'ny Venezoelàna, na ao an-toerana na any ivelany. Natao tamin'ny 28 Septambra ny hetsika lehibe manaraka, ny “Gran Protesta Mundial por la Libertad de Venezoelà”, roa volana katroka taorian'ny fifidianana feno hosoka izay nitazona an'i Maduro teo amin'ny fitondrana [mg].

Tao anatin'ny volana vitsivitsy izay, vao mainka nihamafy ny famoretana. Lasibatry ny fitondrana tsy an-kijanona ireo mpitarika ny mpanohitra María Corina Machado sy Edmundo González Urrutía. Taorian'ny nandavany ny fanatrehana ny fotoam-pitsarana tao amin'ny Tribonaly Tampony ao Venezoela, nandositra nankany Espaina i González. “Tsy maintsy (olon’)afaka aho hilaza amin'izao tontolo izao ny zava-mitranga any Venezoelà,” hoy izy. Nampisara-kevitra Venezoeliana maro ny sesitaniny — manahy ny sasany fa manimba ny fitakian'ny mpanohitra ho filoham-pirenena amin'ny Janoary izany, raha misento kosa ny hafa fa, amin'ny faha-75 taonany, nisoroka ny fanagadrana i González ary niaro ny fianakaviany.

Tanora mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny ‘La Gran Protesta por la Verdad’ tao amin'ny Plaza Lourdes ao Bogotá, Colombia, tamin'ny 17 Aogositra 2024. Sary avy amin'i José Montilla, nahazoana alalana.

Nitohy ny tolona na sesitany aza izy, ary mitarika ny fanoherana avy ao (anatiny) Venezoelà i María Corina Machado. “Hiady avy any ivelany miaraka amin’ireo ampielezana i Edmundo, ary mbola hiady eto miaraka aminareo hatrany aho”, hoy izy nanome toky ireo mpomba azy. Ho an'ny maro, mariky ny fanoherana maharitra i Machado, mitazona ny fanantenan'ny fahafahana ho velona ny fanatrehany . “Hijoro miaraka amin'i María Corina hatramin'ny farany izahay,” hoy i Julia, mpanjaitra 67 taona izay nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana tany Venezoelà.

Manasongadina ny anjara asa lehibe tanan'ny ampielezana Venezoeliana amin'ny fanamafisana ny hafatry ny fanoherana i Héctor, izay nifindra tany Canada avy any avaratr'i Venezoela tamin'ny taona 2020, : “Ity dia antso ho an'ny fikambanana iraisam-pirenena mba hahatakarany ny halehiben'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Venezoelà. Tsy maintsy manohy manaparitaka an'io hafatra io tsy an-kijanona izahay. ” Ho an'i Héctor, tena ady lalina manokana ho azy ity ady ity, niaina fanenjehana sy fahaverezan-jo tany an-tanindrazany izy.

Feon'ny fanoherana: Ny ady manerana ny kaontinanta telo

Manoatra noho ny fihetsiketsehana ara-politika ny hetsi-panoherana maneran-tany tamin'ny 17 Aogositra — fihetsika mahery vaika fihaikàna ara-kolontsaina sy fanamafisana indray ny fiizina.

“Miorina amin'ny vahoakany ny tena tanjak'i Venezoelà,” hoy i Gisela tao Edmonton. “Vonona hiverina aho ary hanao izay rehetra ilaina hanarenana ny fireneko.”

Manam-panantenana mitovy amin'izany koa i Luis, injenieran-drafitra 32 taona ao Bogotá izay nandao an'i Venezoela fito taona lasa izay. “Te hiverina aho hanampy amin'ny fanarenana an'i Venezoela, indrindra ny toekareny sy ny fanabeazana,” hoy izy nizara. Na dia tsy afaka nifidy aza dia mbola tsy voahozongozona ny fahavononany, ary maniry ny handray anjara amin'ny fahaterahan'ny fireneny indray.

‘La Gran Protesta por la Verdad’ teny an-dalamben'i Venezoelà tamin'ny 17 Aogositra 2024. Sary avy amin'i Krisbel, nahazoana alalana.

Ao Venezoelà, tsy nahalemy ny herintsain'ireo mbola mitoetra ao ny famoretana ataon'ny fitondrana. Nosoritan'i Julia ny fomba niovan'ny famoizam-po taorian'ny valim-pifidianana feno hosoka ho fanantenana mihantsy mandritra ny fihetsiketsehana: “Faly aoka izany ny olona, ​​nihorakoraka, nihira, ary nikapoka vilany sy lapoaly ho fanohanana an'i María Corina.” Ho an'i Julia, ny hetsi-panoherana am-pilaminana no lalana irosoana: “Araka ny voalazan‘i María Corina, ny fidinana an-dalambe tsy misy herisetra no fomba itakiantsika ny firenentsika.”

“Tsy maintsy mitazona ny tsindry ao anatiny sy ivelan'i Venezoela isika. Ny firaisan'ny Venezoeliana rehetra ihany no ahafahana mitondra fiovana tena izy,” hoy i Krisbel, mpanao fihetsiketsehana iray hafa.

Zon'olombelona sy ny fiarahamonina: Ny ady ho amin'ny fahafahana

Amin'izao kihon-dalana amin'ny tantaran'i Venezoelà izao, mandinika ny zo mendrika antsika rehetra aho: handrotsa-bato, hiteny ankalalahana ary hanao fihetsiketsehana tsy misy tahotra valifaty.

Ao Venezoelà, miha iharan'ny fahirano hatrany ireo fahalalahana fototra ireo. Araka ny fanazavan'i Héctor: “Potehin'ny governemanta daholo izay feo maningana.” Na izany aza mitoetra ho hery matanjaka ny Venezoelàna ampielezana [mg] manerana an'izao tontolo izao, manome tanjaka ho an'ireo miatrika fanenjehana isan'andro ao an-tanindrazana.

‘La Gran Protesta por la Verdad’ ao amin'ny Plaza Lourdes ao Bogotá, Colombia tamin'ny 17 Aogositra 2024. Saripîkan'i José Montilla, nahazoana alalana.

Vao ny fanombohana fotsiny ny antsoantso “libertad” izay nanakoako tamin'ny 17 aogositra. Tamin'ny hetsi-panoheran'ny 28 Septambra, miakatra indray ny feon'ny fanoherana, manomboka any Venezoela ka hatrany amin'ny faravazantany. Mitondra anay mankany amin'ny dingana hanakaiky kokoa ny androm-pahafahana marina an'i Venezoelà ny kiaka rehetra, ny fihetsiketsehana tsirairay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.