Tahirim-peo anjotra Karibeana sasantsasany mila henoina amin'izao Andro Iraisampirenena momba ny Tahirimpeo anjotra izao

Sary fandravahana mampiasa singa Canva Pro.

Andro Iraisampirenena ho an'ny tahirimpeo anjotra (Podcast) ny Alatsinainy 30 Septambra. Hatramin'ny Jona 2024, efatra tapitrisa mahery, ivoahan'ny vaovao, hevitra sy zavatra maro hafa amin'ny sehatra malaza maromaro, ary mahasarika mpihaino mihoatra ny 546 tapitrisa manerantany no voarakitra ho tahirimpeo.

Ny Podcasting (fandraketampeo hotehirizina sy hohenoina anjotra indray) dia novolavolain'i Adam Curry “podfather” (rain'ny pod) sy ny mpandrafitra rindrambaiko sady injeniera Dave Winer, roapolo taona lasa izay, ary samy mbola mampiely ry zareo ireo hatramin'izao. Tamin'izany fotoana izany, anarana maro no noheverina omena ilay tranga vaovao, araka ny filazan‘ny mpamakilain'ny podcast sady mpanao gazety Christopher Lydon, i Ben Hammersley mpanao gazetin'i Guardian no namoaka ny voambolana hoe “podcast”: “Tsy lafo ny zava-drehetra. Vonona ny fitaovana. na iza na iza dia afaka ny ho mpamoaka, na iza na iza dia afaka ny ho mpampita vaovao… Andao hojerentsika raha hahomby io.”

Tamin'io taona io ihany (2004), nanoro hevitra ny bilaogera Justin Searls fa ny podcasting (fitahirizampeo) no dingana manaraka kibo saoky ny nahiny. “Ny maha-zava-dehibe ny onjam-peo nentim-paharazana dia izy eo noho eo”, hoy ny fanazavany, “zava-misy iainana mivantana. Ny hasin'ity karazana radio vaovao ity dia izy teraky ny tambajotra (Net-native). Izany hoe, voatahiry amin'ny fomba azo hohainoana, araka ny fahafahan'ny mpihaino, ary – lakile ity – azo rohizana omena ny hafa. “

Nanohy ny faminaniana izy fa ny podcasting dia “hamindra ny ankamaroan'ny fotoanantsika hiala amin'ny fampitam-baovao tranainy izay iandrasantsika izay tiantsika hohainoana, mankany amin'ny fampitam-baovao vaovao izay hisafidianantsika izay tiantsika ho re ny podcasting (fitahirizampeo), amin'ny fotoana tiantsika hihainoana azy, ary ny fomba tiantsika anomezana azy amin'ny olon-drehetra ny safidy hihaino azy koa.”

Taorian'ny fanombohana somary miadana — sy ny fitomboan'ny fampiasana aterineto ao amin'ny faritra — dia nanomboka namihina ilay endrika ireo mpitaonan'i Karaiba tao anatin'ny folo taona teo ho eo, ary maro ireo nahatsangana mpihaino tsy tapaka amin'ny tolotra fanaony. Malaza ihany koa ny tahiry an-dahatsary ary be dia be ny mpaneho hevitr'i Karaiba ao amin'ny YouTube, izay somary manao valala an-karona — mifantoka amin'ny politika eo an-toerana ny ankamaroan'izy ireo, raha maneho fomba fijery mihoa-pampana ary manaparitaka vaovao diso mihitsy aza ny sasany.

Na izany aza, misy ireo tahirimpeon'i Karaiba maro mendrika hohenoina, mitantara izay lohahevitra rehetra azo eritreretina, ao anatin'izany ny kolontsaina, ny fihariana sy ny fitantanam-bola, ny fiovan'ny toetrandro ary ny maro hafa.

Manomboka amin'ireo manalanala azy ka hatramin'ny matotra, ireto misy podcasts mavitrika miorina ao Karaiba izay mety hankafizanao, maro amin'izy ireo no entanin'ny tanora. Misy ihany koa ny maro hafa entanina na iarahan'ireo ampielezan'i Karaiba any Etazonia, Canada ary Eoropa manentana.

Mikaroka ireo olana mitarazoka miantraika amin'ny faritra ny Climate Conscious Podcast, anentanan'ilay Trinidadiana manampahaizana momba ny tontolo iainana Derval Barzey, iresahany lohahevitra toy ny fitrandrahana an-dranomasina lalina sy ny angovo azo havaozina [mg].

Mitondra fanavaozam-baovao momba ireo lohahevitra ara-pahatezàna (olana mitarazoka?) avy amin'ny Journal of Caribbean Environmental Sciences and Renewable Energy (CESaRE) ny CESaRE Voices.

Tolotra hafa mifantoka amin'ny fahatezàna ny Ecovybz Podcast, anentanan'ilay Trinidadiana mpikatroka ara-toetrandro Khadija Stewart, solontenan'i Karaiba ao amin'ny Sustainable Ocean Alliance (SOA) mifantoka amin'ny tanora. Nanatrika fivoriana tao amin'ny International Seabed Authority (Fahefana Iraisampirenena Misahana ny Fanambanin'ny Ranomasina) izy hitarika ny antson'ny SOA Karaiba hampitsahatra ny fitrandrahana an-dranomasina lalina.

Tahirimpeo mampazoto ho an'ny vehivavy maherin'ny 40 taona ny This Woman Can anentanan'i Janice Sutherland, Antigoana mpanazatra arakasa sy fiainana.

Mandeha mivantana isaky ny Alahady tolakandro ao amin'ny YouTube ny podcast Frankly Speaking tia mihaika an'i Franklin McKnight, Jamaikana mpanao gazety menavazana, izay ahitanao ireo tahirimpeon'ny resadresaka nataony momba ny olana ara-politika sy ara-tsosialy, ary ireo vaovao farany ao an-toerana sy manerana an'i Karaiba. Maharaka andro sy mandona hatrany ny votoaty ao.

Miorina ao Bahamas, milaza tantara “momba ny Bahamiana ho an'ny Bahamiana” i Broughtupsy.

Manasongadina “resadresaka tsy voasivana sy tsy notapatapahina” momba ny mozika, trano fandihizana, fifandraisana ary maro hafa natao ho an'ny tanora, ny podcast isan-kerinandro The Fix ao amin'ny YouTube, anentanan'ny Jamaikana telo.

Nametraka ny tenany ho olo-malaza ara-pihariana manana fahefana ao amin'ny faritra i Kalilah Reynolds, Belizeana mpanao gazety, amin'ny tahirimpeo Money Moves JA sy Taking Stock, tohanan'ny fijoroany matanjaka ao amin'ny media sosialy.

Mirakitra lohahevitra maro momba ny rariny ara-toetrandro mifantoka amin'ny tanora sy kolontsaina ao Karaiba sy andafy ny Podcast Global Yaadie an'i Dainalyn Swaby, Jamaikana mpikatroka ara-toetr'andro sady mpahay fifandraisana, izay natombony fony izy nahazo vatsim-pianarana tany Londres, .

Manana tahirimpeo tena tsara mitondra ny lohateny hoe Sustainability and the Global South (Ny Fahatezàna lovainjafy sy ny Ilabolantany Atsimo), izay mifantoka amin'ny hetsika sy hirika aty amin'ny Ilabolantany Atsimo izay mahamafy ny fahatezam-piainana i Chike Farrell, Trinidadiana manam-pahaizana manokana momba ny haivarotra ankihy.

Manatontosa podcasts tsindraindray miresaka miralenta, ny rariny ara-toetrandro, ny voina ateraky ny kapitalisma ary lohahevitra hafa manandanja lehibe ho an'ny faritra i Stronger Caribbean Together, tambajotra iarahan'ireo fikambanana mifototra amin'ny vondrom-piarahamonina miasa, manampahaizana momba ny lalàna, ary akademika mpiara-miombon'antoka manerana ny faritra Karaiba amin'ny ankapobeny.

Farany, niresaka lohahevitra isan-karazany mifandraika amin'ny fikorontanan'ny toetr'andro sy ny tontolo iainana, ao amin'ny fantsona fihainoana sy YouTube ny mavitrika Caribbean Climate Calabash, anentanan'ireo tanora mpanao gazety manerana ny faritra.

Na inona na inona mahaliana anao, mety hahita fomba fijery mahaliana ianao ao amin'ireo podcast'i Karaiba maro hafa izay misy any. Andramo ireo – na manomboha iray ianao!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.