Fankalazana ny fahatongavan'i Malka Older ato amin'ny Global Voices

Une photo de Malka Older et de Ivan Sigal .

Malka Older no misolo an'i Ivan Sigal ho tale mpanatanteraka ato amin'ny Global Voices. Sary nahazoana alàlana tamin'i Ivan Sigal.

Satria mamarana ny fotoam-piasako amin'ny maha-tale mpanatanteraky ny Global Voices ahy aho, dia ankalazaiko ireo namana marobe azoko tato, ny vondrom-piarahamonina voatsangantsika, ireo tetikasa marobe sy fahombiazana maro niarahantsika nahatontosa. Ankalazaiko ihany koa ny fahatongavan'i Malka Older ho mpisolo ahy!

Malka dia mpanoratra tantara foronina sady sôsiôlôgy mianatra sy mampianatra ireo ambana mety hitranga, manana traikefa midadasika amin'ny sehatry ny asa firotsahana an-tsehatra noho ny maha-olona manerana izao tontolo izao.  Tamin'ny 2018 aho no sambany nahita ny asa sorany, tamin'ilay tsingerin'ny taonjato nosoratany, izay mitrandraka tontolo iray misy rafi-pitantanana iray tena hafa tanteraka. Eto amin'ity izao tontolo izao ity, tsy mifamatotra amin'ny ara-jeôgrafia ny maha-olompirenena, ao anatina endrika iray antsoina hoe mikrô-demaokrasia. Ilay rafitra dia tazonina masoivoho iray ivondronan'ireo endrika maha-fikambanana irasam-pirenena sy maha-orinasa teknôlôjika mpanao ampihimamba mitovitovy amin'ny Google. Manaraka azy eo ny pitsipitsiny maro.

Eo am-pamakiana ny asan'i Malka dia toy ny hoe afaka naraikitra ho amin'ireo tantarany ireo resadresaka nifanaovako isanandro tamin'ireo mpiaramiasa ato amin'ny Global Voices. Hafahafa izany. Niady hevitra ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, nandeha nivahiny, nanoratra sy niasa ary nifanerasera tanaty tontolo iray tsy mitsahatra mivelatra sy mampiasa fiteny maro, tontolo vonton'ny pôlitika iray manome toerana ireo izay mety ho maripamantarana marobe maha-izy azy ananan'ny olona tsirairay, tsy hoe fotsiny izay nomen'ny hery ara-tsôsialy ho antsika, na ny jeôgrafia, na ny firenena niaviana. Tontolo iray mety hiroboroboan'ny faniriana, miaraka amin'ireo fahaiza-miady miavaka no noeritreretin'i Malka (izany hoe, tantara foronina).

Nanomboka teo, nanohy aho nisaintsaina ireo teboka iraisan'ny fomba fijery pôlimatika sy ny tsy mahazatra ananan'i Malka manoloana ireo olana amin'ny resaka fampahalalam-baovao, fitantanana ary ny fomba ivoahan'ireo fikambanana sy vondrom-piarahamonina amina krizy, ary ny vinan'ny Global Voices.

Araka izany dia manome toky ahy ny nisafidianana an'i Malka ho tale vaovao mpanatanteraky ny Global Voices, hoe ity fikambanana sy vondrom-piarahamonina ity dia ho tantanan'olona iray, tsy hoe fotsiny manana ny fahaizamanao sy ny traikefa ilaina hanatanterahana ireo lafiny teknika amin'ny asa, fa koa olona iray namolavola fehezana soatoavina iraisana. Tsy andriko ny hahita ny zotra hitarihany ny Global Voices, miaraka amin'ireo mpiaramiasa ato anatin'ny fikambanana, ho fampandrosoana ireo tetikasa sy fandaharanasantsika ato anatin'ireo taona ho avy.

Araka ny voalazako tamin'ny Febroary fony aho nanambara ireo fikasàko hametraka fialàna amin'ny maha- tale mpanatanteraka, hisy filàna ho an'izay efa nataon'ny Global Voices nandritra ny fotoana maharitra. Manerana izao tontolo izao, ireo habaka misy famoronana ifaneraserana sy anehoan-kevitra dia tsy mitsahatra iharan-tsindry mitombo avy amin'ireo rafitra pôlitika sy teknôlôjika. Hatry ny ela ny Global Voices no efa mikaroka izay hametrahana ny tombontsoan'ny olombelona ho ivon'ny fisainantsika. Ao anatin'ny tontolo iray notefena ho amin'ny fanjifàna an-jambany, ankalazaintsika ny fahafahan'ny olona rehetra mandray anjara amina fahalalàna iray iombonana. Raisintsika ho toy ny olona fantatsika ireo olona soratantsika ny momba azy, ary ezahantsika ny mametraka fifandraisana sy fahatakarana araham-panetrentena sy fahalianana, amin'ny fanoherana ny fametrahana tsindrimpeo amin'ny fifandirana, ny loza ary ireo fientanentanana izay ataon'ny media fakàna fifantohan-tsaina ho lokany. Ankalazaintska ny fandikan-teny ataon'olombelona ary ny fianarana ireo fiteny maro mba ho toy ny fitaovana hahafantarana ireo kolontsaina sy toerana hafa, na eo aza ny fahitàna ombieny ombieny sy ny fahamoran'ny fampiasàna ireo fitaovana fandikàna mandeha ho azy ary ny faharanitantsaina voatr'olombelona (IA).

Betsaka ny fanantenako hoe, miaraka amin'i Malka, ny vondrom-piarahamonina Global Voices manontolo, dia hahita fitaovana feno famoronana ho enti-manohy manangana io iraka io mandritra ireo taona maro ho avy. Tsy andriko ny ho tonga hiara-mizotra amin'ilay dia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.