Tsy maintsy vahàn'ny filohan'Iran vaovao mandritra ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny famoretana ireo artista, mpanohitra

Tsy manan-dohateny avy amin'i Sahar Ghorishi, nahazoana alalana avy amin'ilay artista.

Vy amin'i Johanna Bankston, Mpiandraikitra ambony misahana ny fanaovan-dalàna sy fikarohana momba ny zon'olombelona ao amin'ny Artistic Freedom Initiative (AFI), izay namoaka ny tatitra voalaza ato amin'ity piesy ity.

Tamin'ity herinandro ity, nandray anjara amin'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana (UNGA) ao New York City Atoa Masoud Pezeshkian, Filohan'i Iran vao notokanana, mba hizara ny fomba fijerin'i Iran amin'ireo lohahevitra maika. Nikasa hihaona amin'ireo filoham-panjakana isan-karazany, mpihevi-draharaha, ary vondrona Iraniana mpila ravinahitra izy nandritra ny fitsidihany, mba hiresaka momba ny lalana nosoritan'i Iran mankany amin'ny “hoavy tsara kokoa” eo ambany fitarihany. Raha miomana hiresaka momba ny hoavin'i Iran miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena i Pezeshkian, dia tsy maintsy iomanana koa ny fiatrehana ireo olana goavana manjo ny Iraniana amin'izao fotoana izao, anisan'izany ny fanenjehana hatrany sy mirindra ireo mpikatroka sy mpanohitra.

Nifanindry tamin'ny tsingerintaona faharoa nahafatesan'ilay tovovavy Kiorda-Iraniana, Mahsa Jina Amini, nampalahelo ka niteraka hetsi-panoherana nanerana ny firenena tao Iran fantatra amin'ny anaran-ketsika hoe “Vehivavy, Fiainana, Fahalalahana”, izay novalian'ny governemanta tamin'ny herisetra mahery vaika izao fitsidihan'ny filoha izao. Nandritra izany fotoana izany, nanomboka fanentanana mandavantaona maro hikendrena ireo mpanohitra — ao anatin'izany ireo mpikatroka, mpanao gazety, mpanakanto ary mpisolovava — arahim-pepetra fanasaziana noho ny asany ho fanohanana ny hetsika (ny fitondrana).

Tao anatin'ny roa taona izay, nanatri-maso ny fanagadrana ireo Iraniana mpanohitra an-jatony izay voampanga tsy amin'antony ho manely propagandy, mandrahona ny fiarovam-pirenena Iraniana, miteny ratsy, na manafintohina vahoaka noho ny fanakianana nataony sy/na fihetsiketsehana am-pilaminana nandraisany anjara izao tontolo izao. Ny fanamelohana araka ireo lalàna ireo dia mety hiafara amin'ny sazy henjana sy tsy araka ny tokony ho izy, ao anatin'izany ny fotoana ifonjàna, ny kapoka, ary/na ny fanamelohana ho faty.

Nampitombo ny fahafantaran'ny iraisampirenena io olana manindry io ny raharahan'ireo gadra politika ambony maro vao haingana, izay tsy maintsy vahàna avy hatrany. Na izany aza, manambara ny tatitra vao haingana novokarinay ato amin'ny Artistic Freedom Initiative (AFI) mitondra ny lohateny hoe “I Create; I Resist: Iranian Artists on the Frontline of Social Change” (Mamoron-javatra aho; Mifahatra aho: Artista Iraniana lohalaharana amin'ny Fiovana Ara-tsosialy” fa matetika mitohy aorian'ny famotsorana azy ireo amin'ny alalan'ny fampiharana ny fepetra fanasaziana ny fihoara-pahefana ataon'ny Repoblika Islamika amin'ireo gadra politika.

‘Tsy tany fiadianao ny voloko ‘ nataon'i Roshi Rouzbehani, nampiasaina rehefa nahazo alalana tamin'ny mpanakanto.

Nandrakitra tranga 15 tamin'ireo mpanakanto nosamborina an-tondromolotra ary nofehezin'ny lalàna mihoa-pampana sy manjavozavo voalaza etsy ambony noho ny asa fanakianana sy/na fanehoan-keviny ny tatitra. Samy hafa isaky ny raharaha ny didy nivoaka; navotsotry ny fitondrana noho ny “fahatsaram-pony” ny mpanakanto maromaro, raha nahazo sazy henjana kosa ny hafa, toa an'i Toomaj Salehi, mpiangaly rap, anisan'izany ny fanamelohana ho faty, izay nohalefahana ho gadra mandrapahafaty. Ny goavana anatin'izany, hitan'ny tatitra fa saika iharan'ny fepetra fanasaziana fanampiny avokoa ireo mpanohitra nahafahan'ny fanjakana manivana sy nifehy azy ireo mandritra ny taona maromaro aorian'ny famotsorana azy ireo. Anisan'izany fa tsy voafetra amin'ny fiaiken-keloka an-tery, ny fandraràna hiasa ary famerana amin'ny fivezivezeny.

Tamin'ny Jolay 2022, nosamborina i Sepideh Rashno ilay Iraniana mpanoratra, poeta ary mpikatroka, noho ny tsy fankatoavany ny fomba fitafin'ny vehivavy imasom-bahoaka tsy misaron-doha. Notanana am-ponja nandritra ny herinandro maromaro i Rashno talohan'ny nisehoany tampoka tao amin'ny fahitalavi-panjakana Iraniana, izay “nibaboka nanenina” noho ny nandikany ny lalàna. Feno mangana teo amin’ny tarehiny raha niseho ity mpanakanto ity, ka nahiana fa mety ho nampijaliana izy mandra-panekeny hanao fialan-tsiny. Na dia teo aza ny fiaikeny heloka, dia voaheloka ho nanao “propagandy” sy “nijangajanga” i Rashno taty aoriana ary higadra efa-taona am-ponja.

Lasa fomba fanao mahazatra ampiasain'ny governemanta ny fiaiken-keloka ampahibemaso an-tery hanalana baraka ampahibemaso ireo mpanohitra sy handefasana hafatra ho an'ny mpijery fa na dia ny fihetsiketsehana am-pilaminana aza dia mety hiteraka fiantraikany mafy. Mazàna amin'ny alalan'ny fampijaliana na fandrahonana atao amin'ny mpanohitra na amin'ny fianakaviany no hahazoana “fiaiken-keloka” toy izany. Mety hiraikitra amin'ilay niharam-boina mandritra ny taona maro ny fiantraika ara-tsaina ateraky ny fampijaliana; noho ny tahotra hiverenan'ny tranga na handratra ny havany, sarotra kokoa ho an'ilay niharam-boina ny hikatroka indray aorian'ny famotsorana azy.

Mihamaro ihany koa ny fampiasan'ny fitondrana ny fandraràna hiasa ho fepetra fanasaziana hanakanana ny tsy fitovian-kevitra mandritra ny fotoana maharitra. Nosamborina noho ny “fanaparitahana lainga” i Taraneh Alidoosti tamin'ny taona 2022, mpilalao sarimihetsika malaza amin'ny sarimihetsika The Salesman nahazo nahazo Oscar tamin'ny taona 2017,  taorian'ny nandefasany ny sariny tsy misaron-doha tao amin'ny Instagram ary nitazona sora-baventy milaza hoe, “Vehivavy, Fiainana, Fahalalahana.” Nogadraina nandritra ny roa herinandro sy tapany ilay mpilalao sarimihetsika ary voarara tsy hahazo miasa amin'ny indostrian'ny sarimihetsika Iraniana.

Fandravahana tsy manana lohateny avy amin'i Sahar Ghorishi, nahazoana alalana avy amin'ilay artista.

Ahafahan'ny fitondrana manivana am-pahavitrihana ireo mpanohitra ny fandraràna hiasa aorian'ny famotsorana azy ireo tany am-ponja. Fanampin'izay, mety hiharan'ny voka-dratsy arakasa tsy azo ivalozana toy ny fanilikilihana azy ireo eo amin'ny sehatrasany na ny fiatrehana fahasahiranana ara-bola, ireo mpanakanto toa an'i Alidoosti, rehefa mitady fomba hafa hamelomana ny tenany sy ny fianakaviany mandritra ny fotoana maharitra noho ny tsy fanerena tsy hanana asa an-taonany maro noho ny sazy an-tranomaizina azony. Na dia tsy tsapa eo noho eo toy ny fanimbàna ara-batana aza izany dia tsapan'ireo iharan'izany amin'ny farany laliny ny fanenjehana ara-toekarena toy izany.

Farany, mametra fivezivezena amin'ireo gadra politika navotsotra ihany koa ny fitondrana mba hisakanana azy ireo tsy hitady hirika hisolovava (hanandrateny) any ivelany na hangataka fialofana any amin'ny firenen-kafa. Herinandro vitsy lasa izay, Nahazo lohateny lehibe i Mohammad Rasoulof talen'ny sarimihetsika nahazo ny loka FIPRESCI 2024 malaza tao Cannes ny “The Seed of the Sacred Fig”,  rehefa nandositra an-tongotra namakivaky ny sisintanin'Iran taorian'ny nahazoany sazy an-tranomaizina valo taona noho ny nanatontosany sarimihetsika momba ny hetsi-panoheran'ny taona 2022 tsy nahazoana alalana avy amin'ny fanjakana. Nozarain-dRasoulof fa nogiazan’ny fanjakana taona maro talohan’izay ny pasipaorony ho fanasaziana azy noho ireo tetikasa ara-javakanto nataony teo aloha, ary izany no nanakanana azy tsy ho afaka hialokaloka amin’ny fanenjehana izay nihatra taminy nandritra ny asany.

Tsy ara-dalàna ny fampiasan'ny fitondrana ny fanerena sy ny fampijaliana, ny fanenjehana ara-toekarena, ary ny fanerena hametra ny fivezivezen'ireo gadra politika taorian'ny famotsorana azy ireo. Zava-dehibe ny faneken'ny fianakaviambe iraisampirenena fa ampahan'ny tetika famoretana feno ataon'ny fitondrana amin'ny mpanohitra ireo fepetra fanasaziana ireo ka ho ampidiriny reehfa misolovava ry zareo.

Raha manomboka manatona amin'ny filoha Pezeshkian miresaka ny hoavin'Iran ireo vondrona manan-dindo amin'ireo herinandro ho avy ireo, dia tena ilaina ny mitazona ny fiarovana ny zon'ny Iraniana amin'ny fahalalahana ho lohahevitra lehibe indrindra amin'ny fiheveran'ny firenena ny fanavaozana eo ambany fitondran'ny mpitarika vaovao ao aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.