Mitodi-doha mankany Azia Afovoany, faritra iray niankina tamin'ny teknolojian'ny fiara nentim-paharazana sy ny solika fôsily, ny indostrian'ny fiara elektrika (EV) mirongatra ao Shina. Nandritra ny fitsidihana vao haingana tany Tajikistan tamin'ny volana Jolay ny mpitarika Shinoa Xi Jinping, no nanantitrantitra ny filana fiaraha-miasa amin'ny fiara maitso (manaja tontolo iainana). Vao haingana ny roa amin'ireo orinasa mpamokatra EV lehibe indrindra any Shina, Xpeng sy Li Auto, no nanambara ny kinasany hifantoka amin'ny tsena vao misandratra any Azia Afovoany sy Azia Andrefana. Nidera ny fanondranana fiara elektrika ny haino aman-jerim-panjakana Shinoa ho mariky ny fisakaizàna sy fiaraha-miasa eo amin'i Shina sy Azia Afovoany.
Na izany aza, mampitandrina ny manam-pahaizana fa ny fivelaran'ny fiara elektrika an'i Shina dia mety hisy sandany ara-tontolo iainana ao anatin'ny fotoana fohy, indrindra any Azia Afovoany. Manankarena mineraly tena ilaina amin'ny famokarana fiara elektrika ity faritra ity saingy miantehitra mafy amin'ny solika fôsily amin'ny fanjifany ny angovony manokana.
Ny tontolon'ny angovo ao Azia Afovoany: Fianteherana amin'ny solika fôsily
Lohalaharana i Shina amin'ny fifindrana maneran-tany mankany amin'ny fiara elektrika (EVs) indrindra tamin'ny nandaniany am-polony taona maro tamin'ny fampiasam-bola sy fananganana ny talentany, ny fahaizany mamokatra ary ny fotodrafitrasany eo amin'ny sehatry ny teknolojia maitso. Tafiditra amin'ny fomba fiasany feno ny fahaiza-mamokatra matanjaka, ny fampiasam-bolany goavana amin'ny teknolojian'ny bateria, ny fanofanana sy ny fanabeazana mavitrika dia mavitrika ary ny fanohanan'ny governemanta.
Niteraka olam-pihoaram-pahavitan-javatra be loatra [mg] ity tsy mitsahatra mampiasa vola ity, araka ny filazan'ny mpikaroka sy mpahay toekarena iraisam-pirenena maro fa mihoatra noho ny tinady manerantany ny haavon'ny teknolojia maitso ao Shina sy ny fahaiza-manaony. Tsipahin'ny manampahefana Shinoa sy ny fampahalalam-baovaom-panjakana ireo fanambaràna ireo, ary lazainy ho “fanendrikendrehana”. Na izany aza, mihamitodika kokoa amin'ny tsena ivelany i Shina mitady mpanjifa ny angovo maitso sy ireo vokatra teknolojika. Tena nahomby io fomba fiasa io satria, na dia eo aza ny fadintseranana avo napetrak'i Etazonia sy i Eoropa nikendrena hanakanana ny fivelaran'ny fiara elektrika, dia efa mananontanona ny 60 isanjaton'ny fiara elektrika vaovao rehetra lafo eran-tany no avy ao Shina.
Na dia lasa safidim-pitaterana madio manintona eran-tany aza ny fiara elektrika, mety haningana ny fiantraikany eo amin'ny tontolo iainana ao Azia Afovoany, faritra iray izay anjakan'ny solika fôsily ny fanjifana angovo, indrindra any Kazakhstan sy Ozbekistan. Tamin'ny taona 2021, ny 67 isanjaton'ny angovo vokatra ao Kazakhstan dia arintany. Any Ozbekistan, nitombo hatramin'ny 40 isanjato ny famokarana arintany tato anatin'ny roa taona farany.
“Takabidy ny fiara elektrika shinoa. Mampihena ny tinadin-tsolika, nafarana avy any Rosia ny ampahany amin'izany, ary ireny no fironana rahampitso,” hoy i Laurent Ruseckas, mpandalina miaraka amin'ny S&P Global Commodity Insights, tamin'ny Global Voices. “Saingy mbola tsy manampy loatra amin'ny fampihenana ny etona karbônina araka ny eritreretin'ny olona ireo ao anatin'ny fotoana fohy. Mbola lavitry ny tsy hisy karbônina ny tambajotran'ny herinaratra any Azia Afovoany. Ohatra, Kazakhstan no manana arintany mora indrindra eran-tany ary na dia eo aza ny tanjona apetraky ny governemanta Kazakh mizotra mankany amin'ny angovo maitso, tahaka ireo firenena hafa any Azia Afovoany, mitaky fampiasam-bola be ny fifindrana mankany amin'ny teknolojia ambany karbôna.
Fiaraha-miasa isam-paritra amin'ny fiara elektrika
Lasa toeram-pihaonan'ny fiara elektrika Shinoa i Kazakhstan sy i Ozbekistan. Amin'ny maha mpiara-miombon'antoka ara-barotra lehibe indrindra amin'i Shina any Azia Afovoany, niroso i Kazakhstan hampitombo ny fiaraha-miasa amin'ny sehatry ny fiara elektrika sy amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany. Ho an'i Ozbekistan, nanomboka namokatra fiara velomin'angovo vaovao ao amin'ny orinasa Ozbeka iray ny orinasa BYD mpamokatra fiara elektrika lehibe indrindra ao Shina, izay nanamarika ny fananganana ny orinasa voalohany ao Azia Afovoany. Manana kinasa sahisahy ny BYD hampitombo ny famokarana fiara ao Ozbekistan ho 500.000 isan-taona.
Na dia mitombo laza aza ny fiara elektrika, any Kazakhstan, dia mbola 0,11 isanjato monja ny tahany miohatra amin'ny fiara mandeha lasantsy/gazoala. Hatramin'izao fotoana izao, Ozbekistan no mitarika amin'ny fiara elektrika ao amin'ny faritra, mandrafitra ny 5,7 isanjaton'ny fitambaran'ny tontolon'ny fiara.
Na dia manahy aza ny sasany fa hampitombo ny tinadin'herinaratra ny fampiasana faobe ny fiara elektrika, izay hitarika amin'ny fitomboan'ny famoahana etona — indrindra fa mandeha amin'ny arintany ny ankamaroan'ny herinaratra ao amin'ny faritra amin'izao fotoana izao — dia nanala izany tahotra izany fanadihadiana sy tatitra maro.
Nasehon'ny fanadihadiana nataon'ny Oniversiten'i Cambridge any Angletera sy Nijmegen any Holandy fa mbola sakaizan'ny tontolo iainana ny fiara elektrika noho ny fiara mandeha lasantsy mahasahana ny 95 isanjaton'izao tontolo izao, na dia avy amin'ny arintany aza ny heriny. Na izany aza, mety ho lasa tsinontsinona ny tombotsoa azo amin'ny fiampitana mankany amin'ny fiara elektrika ao anatin'ny tambazotran-jiro mifototra amin'ny arintany, raha tsy mitombo toa izany ihany koa ny fahazakàna angovo maitso ho an'ny firenena iray.
Hanamafisana ity tetezamita maitso ity, nanolo-tena hamokatra ny 30 isanjaton'ny herinjirony ho avy amin'ny angovon'ny masoandro i Ozbekistan, sady mikasa hanangana tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro sy ny rivotra manana tanjaka 8 gigawatts amin'ny taona 2030, ampian'ny vahiny mpampiasa vola. Na izany aza, efa miatrika sakana vitsivitsy ity fivelaran'ny rafitra maitso ity, satria misalasala ny hampiasa vola ao Ozbekistan ireo Tandrefana mpampiasa vola noho ny tsy fisian'ny lalàna sy ny fiarovana ny fampiasam-bola, araka ny filazan'ireo Ozbeka akaiky ny tontolon'ny fampiasam-bola vahiny niresaka tamin'ny Global Voices nangataka tsy hotononina anarana.
Nitombo ny fangatahana mineraly noho ny fivelaran'ny fiara elektrika
Ankoatra ny fivarotana fiara elektrika ao Azia Afovoany, mitrandraka ireo harena an-kibon'ny tany maro ao amin'ny faritra ihany koa i Shina hamenoana ny tinady amin'ny nikela, kobalta ary lithium, izay harena ankibon'ny tany tena manan-danja amin'ny famokarana vatoaratra ho an'ny fiara elektrika. Nahitana fampiasam-bola Shinoa lehibe, ohatra, i Kazakhstan amin'ny sehatry ny harena ankibon'ny tany mba hamatsiana ny famokarana fiara elektrika sy ny filana famokarana vatoaratra.
Nandritra ny fitsidihany vao haingana tany Kazakhstan tamin'ny volana Jolay, nanome toky i Xi Jinping, mpitarika Shinoa, hamboly fitomboana sy ny fiaraha-miasa amin'ny sehatra misy angovo azo havaozina sy ny harena ankibon'ny tany. Tamin'ny herintaona, nanaiky hiara-hiasa amin'ny mpamokatra metaly lehibe ao Shina, ny Zijin Mining Group, i Kazakhstan, mba hanatsarana ny teknolojian'ny fitrandrahana.
Ankoatra ny lithium, dia manankarena varahina ihany koa i Kazakhstan, mineraly tena ilaina amin'ny vatoaratry ny fiara elektrika. Iray amin'ireo firenena 15 ambony indrindra manerantany amin'ny tahiry sy famokarana varahina i Kazakhstan. Tamin'ny herintaona, nanao sonia i Shina sy i Kazakhstan hiara-hiasa amin'ny angovo madio ao Zhezkazgan, tanàna fitrandrahana varahina lehibe indrindra ao Kazakhstan.
Vao mainka manasarotra ny fifindrana mankany amin'ny angovo maitso ao Kazakhstan ity fitrandrahana harena ankibon'ny tany ity, satria mety hisy fiantraikany mahafaty eo amin'ny tontolo iainana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ary misy fiantraikany ratsy amin'ny fahasalamana sy ny kalitaon'ny fiainan'ny mpiasa sy ireo mponina amin'ny faritra manodidina.
Am-polony taona maro no nihasimba ny tontolo iainana i Zhezkazgan ary niharatsy ny fahasalaman'ny mponina noho ny fiankinan-doha amin'ny fitrandrahana varahina. Ambony lavitra noho ny tahan'ny firenena ao Kazakhstan ny taham-pahafatesana ao Zhezkazgan amin'ny ankapobeny noho ny homamiadana sy ny aretin'ny taovam-pisefoana. Ary tsy azo inoana fa hamaha ny olan'ny mponina amin'ny fahazoana rano sy rivotra madio, na ny fivoaran'ny asa (kely karama) ny fampiasam-bola vaovao Shinoa ao amin'ny indostrian'ny varahina ao Zhezkazgan, araka ny filazan'i Yipeng Zhou, izay mandalina ny tantaran'ny fitrandrahana ao Eorazia Afovoany.
Mitaky fampitomboana fametrahana fiara elektrika, tsena anjakan'i Shina, ny fampihenana ny dia avelan'ny karbônina ao amin'ny faritra sy ny fiovana mankany amin'ny angovo madio. Na izany aza, mamely ny harena an-kibon'ny tany ao Azia Afovoany ny fiitaran'ny fiara elektrika Shinoa izay mampidi-doza ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina ny fomba fitrandrahana harena ankibon'ny tany ao aminy.