Ny Tatars, Miozolomana Sonita miteny tiorkika, teratanin'ny faritra Volga sy Ural, mahatafiditra ireo repoblika federaly ao Tatarstan sy Bashkortostan no vondrom-poko faharoa lehibe indrindra ao amin'ny Federasiona Rosiana maoderina, aorian'ny Rosiana. Ry zareo koa no vahoaka silamo voalohany babon’i Rosia tamin’ny taonjato faha-16. Na dia niova ho Kristiana aza ny Tatars sasany ka lasa foko iray, dia silamo ihany ny ankamaroan'ny mponina Tatar. Ka avy amin'izany no maha-akaiky kokoa an-dry zareo amin'ny Bashkirs, vahoaka Siberiana, ary Aziatika Afovoany noho ny Rosiana. Na izany aza, ny Tatars no foko tsy Rosiana “tafiditra” indrindra tao anatin’ny Ampira Rosiana, ary tatỳ aoriana, ny Firaisana Sovietika.
Nihoatra ny taonjato dimy anefa, dia nandray anjara, tahaka ireo vahoaka vitsy an'isa hafa ao Rosia, tamin'ny fanoherana ara-politika sy mitam-piadiana ny manampahefana imperialy ny Tatars. I Moskoa koa namafa tamin'ny fomba feno habibiana ireo hetsi-bahoaka ireo na nifampiraharaha tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana. Ankehitriny, ao anaty fananiham-bohitra tanteraka ataon'i Rosia an'i Okraina, dia nihamafy ireo disadisa naharitra ela teo amin'i Moskoa sy ny Repoblikan'i Tatarstan ireo. Na dia talohan'ny ady aza dia nofoanan‘ny Kremlin ny tsy maintsy ianarana teny Tatar tao an-tsekolin'i Tatarstan, noraràna ny fitantarana mifanohitra amin'ny fotopampianarana imperialy, ary nosimbaina hatrany izay tavela amin'ny fiandrianam-pirenen'ny Repoblika. Be lavitra mihoatra noho ny an'ny hafa ny isan'ny olona avy any Tatarstan nalefa hiady. Ao Tatarstan dia 15.4 ny taham-pahafatesana — isan'ny maty isaky ny lehilahy 10.000 manomboka 16 taona ka hatramin'ny 61 taona — raha 1.6 izany ao Moskoa.
Enjehin'i Kremlin ihany koa ireo mpikatroka avy any Tatarstan. Tamin'ny taona 2024, nandany 288 andro tany an-tranomaizina ilay mpanao gazety Alsu Kurmasheva noho ny “fanaparitahana vaovao tsy marina” momba ny tafika Rosiana. Torak'izany koa, niatrika fiampangana noho ny “fanamarinana fampihorohoroana” ilay mpanao gazety Farida Kurbanalieva, ary atao famotorana amin'izao fotoana izao ilay mpahay siansa politika sady mpanao gazety Ruslan Aysin.
Nitafatafa tamin'i Ruslan Aysin tamin'ny mailaka ny Global Voices. Miatrika fiampangana heloka bevava avy amin'ny Minisiteran'ny Atitany Rosiana i Aysin noho ny “fanarenana ny Nazisma”, na dia mihevitra aza ny ankamaroan'ny manampahaizana fa valifaty noho ny fanoherany ny fananiham-bohitra an'i Okraina izany.
Global Voices (GV): Gaga ve ianao raha nanokatra raharaha heloka bevava taminao ny manampahefana Rosiana, sa efa nanampo hetsika toy izany?
Ruslan Aysin (RA): I certainly expected that criminal cases would eventually be opened against me. It was inevitable, and I was prepared for it. The Russian repressive system operates this way — it's a mechanism of pressure that removes individuals from the legal field, declaring them state criminals and enemies of the people, much like in Stalin's times. As the saying goes, if there is no case against you and you're not in prison, it's not your achievement, but rather the authorities’ oversight. The Russian security apparatus is so powerful and total that it rivals the times of Stalinist repressions. People are being imprisoned for nothing, for thought crimes, just like in Orwell's work, for simply holding a position, even a neutral one. You must openly and passionately demonstrate loyalty to this dictatorship, or you are automatically declared an enemy, which is what happened to me.
Efa nanampo tokoa aho fa hanokafana raharaha heloka bevava. Tsy azo ihodivirana izany, ary niomana ho amin’izany aho. Izay no fomba fiasan'ny rafitra famoretana Rosiana — fiasa anerena olona hivoaka amin'ny sehatry ny lalàna, anambaràna azy ireo ho jiolahy sy fahavalom-bahoaka, toy ny tamin'ny andron'i Stalin. Araka ny fitenenana hoe raha tsy misy raharaha iampangana anao ka tsy ampidirana anao am-ponja, dia tsy zava-bitanao izany, fa fanaraha-mason’ny manampahefana. Tena mahery sy feno tokoa ny fitaovam-piarovana rosiana ka mahafananinana ny fotoan'ny famoretana Stalinista. Gadraina amin'ny zavatra tsy misy dikany ny olona, noho ny heloka bevava an'eritreritra, toy ny tamin'ny asan'i Orwell, noho ny hevitra fotsiny, na dia tsy miandany aza. Tsy maintsy maneho ampahibemaso sy amin-kafanam-po tsy mivadika amin'ity didy jadona ity ianao, raha tsy izany dia ambara ho fahavalo ianao, izay no manjo ahy.
GV: Niatrika famoretana ihany koa ireo mpanao gazety Tatar hafa, toa an'i Farida Kurbanalieva sy Alsu Kurmasheva. Heverinao ve fa anisan'ny fikasan'i Kremlin hamotika ny hetsika nasionaly Tatar izany?
RA: The Kremlin has indeed targeted and declared enemies the most prominent figures within the Tatar community, not only within the national movement but also those who represent public interest, who have an audience, and who can influence people's minds. Many intellectuals and cultural figures in Tatarstan face criminal charges under various pretexts. As the saying goes, “If there's a person, a case will be found.” This is a deliberate strategy aimed at intimidating others, making them fearful of speaking out about the issues facing the Tatar people, their subjectivity, sovereignty, language preservation, and culture. Talking about Tatar identity is already considered a crime, let alone discussing the status of the republic or its independence.
Lasibatr'i Kremlin sy ambarany ho fahavalo ireo olo-malaza indrindra ao anatin'ny vondrom-piarahamonina Tatar, tsy izay ao anatin'ny hetsika nasionaly ihany fa ireo misolotena ny tombontsoam-bahoaka, manana mpihaino, ary afaka mitaona ny sain'ny olona. Olona manam-pahaizana sy olon'ny kolontsaina maro ao Tatarstan no miatrika fiampangana heloka bevava noho ny antony samihafa. Hoy ny fitenenana hoe: “Raha misy olona dia hahitana raharaha (momba azy)”. Paikady niniana natao hampitahorana ny hafa izany, hahatonga azy ireo hatahotra hiresaka ny olana atrehin'ny vahoaka Tatar, ny fomba fitsarany, ny fiandrianany, ny fitandroana ny fiteny sy ny kolontsainy. Efa heverina ho heloka bevava ny miresaka ny maha Tatar, mainka fa ny resaka satan'ny repoblika na ny fahaleovantenany.
GV: Ahoana no hamaritanao ny toe-piainan'ny hetsika ara-pivavahan'ny Tatar amin'izao fotoana? Ahoana no hifandraisany amin'ny lahatenin'ny mpanohitra midadasika kokoa ao Rosia, ary ahoana no ifandraisany amin'ny hetsika Miozolomana manerantany miaro ny zon'izy ireo?
RA: Efa matanjaka hatrany ny hetsika nasionaly Tatar manana ny mpitarika sy ny hevitra ary ny tetikasany. Tamin'ny taompolo 1990, anisan'ireo mpitarika tamin'ny famerenana ny maha fanjakana sy ny fiarovana ny maha-izy azy ny vahoaka Tatar. Tamin'ny taona 1994, nanao sonia Fifanarahana Federativa manokana tamin'i Rosia i Tatarstan, izay namaritra an'i Tatarstan ho andry iray mahaleotena manana fifandraisana amin'i Rosia mifototra amin'ny fifanarahana iray. Saingy nandrava ity rafitra ity ny fiakaran'i Potinina teo amin'ny fitondrana. Voasokera ara-politika sy ara-toekarena i Tatarstan, ary nanjary noheverin'i Moskoa ho faritra mpisintaka mpikomy. Hitantsika tatỳ aoriana ny fomba fiasan'i Moskoa hanempotra an'i Tatarstan sy ny vahoaka Tatar, nanafoana izay mety ho fizakan-tena.
Tsy isalasalana fa anisan'ny fiarahamonina silamo manerantany ny Tatars. Nanangana moske manerana an'i Rosia izy ireo ary mpanavao sy manam-pahaizana ela be talohan'ny revolisiona. Nandray anjara lehibe tamin'ny vakoka ara-panahy silamo ry zareo ary mbola mahita ny tenany ho isan'ny sivilizasiona silamo. Na izany aza, noho ny toetry ny fanerena sy ny faneriterena, dia tsy afaka mahatsapa tanteraka ny fahaizany ry zareo.
GV: Inona no “drafitra faratampony” ho an'ny faritra misy anao? Fandresena ho an'ny Tatars ve ny ho fanjakana mahaleotena sa ny hanavao ny fanjakana Rosiana amin'ny foto-kevitra vaovao?
RA: Mino aho fa na ho ela na ho haingana, ny Tatars, amin'ny maha-vondrom-poko faharoa lehibe indrindra ao amin'ny Federasiona Rosiana azy, dia hahazo ny zon'ny fiandrianam-pirenena sy ny fahaleovantenany. Manankaren-tantara sy fahatsiarovan-tena ara-politika ny Tatars. Tsaroan’izy ireo ny niandohany, ary fantany fa nifehy faritany midadasika ry zareo taloha, ary efa ho ny antsasaky ny Federasiona Rosiana ankehitriny izany. Noho izany, tsy momba an'i Tatarstan ihany ny Tatar. Ny 27 isanjaton'ny Tatars ihany no mipetraka any Tatarstan amin'izao fotoana izao, ary ny ambiny dia miparitaka manerana ny velarantanin'i Eorazia sy Etazonia ary Aostralia. Izaho manokana dia manohana tetikasa ara-politika midadasika ho an'ny Tatars. Noho izany, namolavola ny tetikasa “Tatar Dimy” aho, izay ahitana tsy ny repoblika ihany fa ny faritra Idel-Ural, Tatarstan Lehibe kokoa, ny Tatar am-pielezana, ary ny kasinga Tatar — ny fango Tatar atorak'hazavana amin'ireo ambaratonga rehetra ireo. This project encompasses different forms of political representation for the Tatar ethnic group. Mahasahana endrika fanehoana ara-politika samihafa ho an'ny foko Tatar ity tetikasa ity. Mila mamolavola maodely maromaro mifanaraka amin'ny tinadiny sy ny fitakiana ara-tantara amin'ny zava-misy ara-jeopolitika vaovao izay tsy maintsy manaraka izany ny Tatars.