Nahoana no mbola mitohy maty ireo ankizivavy sy vehivavy ao Tiorkia?

Sary an'i Arzu Geybullayeva

Nahamailo an'i Tiorkia ny anaran'i Narine Güran sy ny fanjavonany mandra-pivoaky ny vaovao momba ny namonoana zazavavy kely iray 8 taona tao amin'ilay firenena tamin'ny 21 Aogositra. 19 andro taorian'izany, ny 8 Septambra, ny minisitry ny atitany dia nanambara fa tapitra ny fikarohana, satria efa hitan'ireo manampahefana ny vatana mangatsiak'ilay zazavavy kely, tany anilan'ny vohitr'i Tavsantepe ao atsimo-atsinanan'i Tiorkia, ao amin'ny faritanin'i Diyarbakir. Nampanantena ny famaizana henjana indrindra noho ilay heloka bevava natao ilay minisitra.

Olona efatra amby roapolo, ka isan'izany ny fianakavian'ilay  ankizivavy kely, no nosamborina hanaovana fanadihadiana. Araka ny fanadihadiana nataon'ny Hurriyet Daily News , «ireo porofo hita dia nanondro fa novonoina i Narina ary natao tanaty gony ny fatiny, izay natsipy tany anaty sakelidrano sy nalentika.» Ny fibabohana nataon'ny iray tamin'ireo noahiahiana, mponina ao am-bohitra ihany, dia nitondra horohoro bebe kokoa tamin'ilay tantara izay efa mahazatra tanteraka tao amin'ilay firenena iray izay nisintaka tsy ho ao anatin'ilay Fifanarahan'i Istanbul tamin'ny 2021 sy ny ady hisian'ny tolotra fiarovana sahaza ho an'ireo ankizivavy sy ny vehivavy raha vao resaka herisetra sy fanararaotana an-tokantrano no resahana.

Raha kely indrindra dia 14 ireo ankizivavy maty nisy namono nandritra ny volana fito voalohany ho an'ny taona 2024. Ny anaran'i Narin no ery an-tampon'ny lisitra iray misy ny fikarohana karakarain'ny We Will Stop Femicide, hetsika iray ao an-toerana, izay mirakitra tranga maro famonoana vehivavy. Hatramin'ny Septambra 2024, vehivavy 268 no maty novonoina. Navoaka tamin'ny 2016 ny tatitra farany momba ny fanjavonan'ny ankizy, nataon'ny kaomitim-panjakàna misahana ny antontanisa, fotoana nitsaharan'ny famoahan'ilay andrim-panjakana ny angondakitra .

Fibabohana

Salim Güran, dadatoan'i Narin, no ben'ny tanàna. Nantsoina izy tamin'ny  31 Aogositra ary nosamborina tamin'ny 2 Septambra noho ny vesatra fiampangàna ho ninia nandatsaka aina, taorian'ny namoahan'ny fanadihadiana ny tarazo ADN tamin'ny fiaran'ilay dadatoa, ADN nifandray tamin'ny an'ilay zanak'havany tsy hita. Ny 9 Septambra, navoakan'ny fibabohana nataon'ny olona iray noahiahiana fa i Salim no naniraka azy hanary ny razana, tamin'ny 21 Aogositra ary tamin'izany dia nanome azy 200000 TRY, izany hoe 5800 dôlara. Nolazain'ilay noahiahiana fa nalainy tao anaty fiaran'i Salim razana ary, niaraka tamin'ny fanampian'i Salim, natsofony tao anaty gony iray hitany tao anaty firoeran'entan'ny fiarany ary nentiny tany amina renirano iray tsy lavitra teo, araka izay toromarika nomen'ilay dadatoa. Nohamafisin'ity rangahy ity ihany koa fa rehefa avy namela ny razana izy dia nandeha nody tany an-tokantranony, nivavaka ary nanatevin-daharana ny asa  fikarohana sy famonjena.

Nanamafy ihany koa ilay noahiahiana fa natahotra an'i Salim ary azon'i Salim atao ny mamorona zavatra hamelezana azy, araka izany, vantany vao nampaneno lakolosy tao aminy ny zandary, nanapaka hevitra ny hibaboka ny zavatra nataony izy.

T24, sehatra iray vaovao fampahalalam-baovao, dia nitatitra ny fomba namafàn'ireo mpikambana hafa ao anivon'ny fianakaviana ny resadresak'izy ireo tao amin'ny WhatsApp.  Eo ampiarahana miasa amin'ny Meta ireo mpanao fanadihadiana mba hamerenana ireo resadresaka voalaza ireo, izay ho ampiasaina ho toy ny porofo.

Afaka 15 andro vao ho vonona ny valiny manontolo tamin'ny fandidiana fitiliana ny razana. Navoakan'ireo vokatra vonjimaika fa tsy nisy loatra marika hita maso tamin'ny fampiasàna zava-maranitra, na basy, na fahavakisan-drà anaty. Na izany aza, noho ny halavan'ny fotoana nitoerany tao anaty gony, efa somary potika ihany ny vatana mangatsiakan'i Narin, araka ny notaterin'ny  Bianet.

Tamin'ny 9 Septambra, ny mpandrindra ny fampitampeo ao Tiorkia, ny Conseil Suprême de la Radio et de la Télévision (RTÜ) dia nanaisotra ilay fandraràna fandefasana onjampeo napetraka tamin'ny 29 Aogositra.

Fitomboan'ny isa sy pôlitika tsy mahomby

Marobe ireo fihetsiketsehana sy santatr'andraikitra nokarakarain'ireo fikambanana maro ho an'ireo vehivavy ao Diyarbakir, Istambul, Ankara, Elazig toy ny any amin'ireo faritra hafa. Nandritra ireo fihetsiketsehana dia nisy ny fanaovana antso maro ho fandraisan'ny fanjakàna ny andraikiny sy ny fanakianana ny pôlitikany diso ianjadian'ny resaka finoana sy ireo fenitra hafa.

Sedef Kabas, mpanao gazety zokiolona, dia nizara lahatsary iray ahitàna ny minisitra Bekir Bozdag, ka ao anatin'izany izy no manamarina ny fakàna an'kery ny ankizy tamin'ny filazàna hoe :«tsy fakàna an-kery ireny, tsy olana nanao heloka bevava fanararaotana ara-nofo tamin-kery ireny. Ireny zavatra ireny dia natao niaraka tamin'hy faneken'ilay zazavavy kely.» Ilay minisitra dia nanao ireto fanamarihana ireot nandritra irei adihevitra parlemantera momba ny volavolon-dalàna ho famelana ny helok'ireo mpaka an-keriny ankizy raha toa ka mandray fanapahankevitra izy ireny ny haka vady ilay zaza naolan-dry zareo. Nolavina ilay volavolan-dalàna, nanaraka ny hevitry ny firenena iray manontolo.

Fahita ao Tiorkia io karazana antsirambina eo anivon'nyfanjakàna io. Taorian'ilay horohorontany  nandravarava tamin'ny Febroary, ny solotenan'nyvondrom-pivavahana Diyanet dia nilaza fa azon'ireo olondehibe atao ny manambady ireo zaza natsangana izay tavela ho kamboty taorian'ilay horohorontany. Taty aoriana dia notsoahana io fanambaràna io taorian'ny fanehoankevitra mivaivay avy amin'ny vahoaka.

Tamin'ny 2022, taorian'ny tatitra momba ny famotsorana, Emma Sinclair-Webb, tale mpiar-miasa ao amin'ny Sampana aziatika, Eorôpa sy ny invontoerana misahana ny zon'olombelona, dia nanamafy tao anaty antsafa iray fa marobe ireo antony mahatonga ny herisetra atao noho ny mahalahy na mahavavy manjaka ao Tiorkia:

Ny fomba fiasa avy amin'ny governemanta mba hiadiana amin'ny hersietra manjo ny vehivavy dia mipetraka eo ambonin'ny rafitra fanjakan-dehilahy sy fandalàna ny nentindrazana. Toy ny adidim-pirenena no fahitàn'ireo manampahefana azy io mba hiarovana n y vehivavy izay heverin-dry zareo ho zavatra sy sy mora vaky, ary ny anjara toerany dia ny manohana ny andrin'ny fianakaviana. Ny filohan'i Tiorkia dia nilaza ho manohitra ny fitovian'ny lahy sy  ny vavy ary ny pôlitikan'ny governemantany dia voasoratra mifanaraka amin'izany mihitsy.  Araka izany, raha isika mahita hoe miezaka ny governemanta mba hampitsahatra ny herisetra atao amin'ny vehivavy, itsy farany kosa dia sady manimba ny zezaka ataony ihany amin'ny tsy firaharahiana ny tolona hiadiana amin'ny herisetra an-tokantrano ho toy ny isan'ny fampiroboroboana ny zon'ireo vehivavy no sady miantoka ny fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy.

Tatitra iray hafa nivoaka tamin'ny 2023 avy amin'ny  Féederasiônan'nireo fikambanam-behivavy ao Tiorka (TKDF) sy ny Tahibolan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Mponina (UNFPA) ao Tiorkia, no namboraka hoe olona 8 amin'ny 10 niharan'ny herisetra dia vehivavy avokoa, ka ny 73 isanjato dia manambady ary ny lehilahy no niavian'ny herisetra tao anatin'ny 90%-n'ireo tranga voarakitra nifanaovan'ny mpivady (63 isanjato) ary ny mpikambana ao anatin'ny fianakaviana (21 isanjato).

Araka ny lazain'ny sehatra We Will Stop Feminicide, 315 ny vehivavy maty novonoin'ny lehilahy, ary 248 ireo vehivavy hita maty tamina toejavatra mampiahiahy araka ny firaketana nataon'ilay sehatra tamin'ny 2023.

Nosoniavin'i Tiorkia tamin'ny 1990 ny fifanarahan'ny Firenena Mikambana momba ny zon'ny ankizy. Araka ny antontanisa momba ny heloka bevava avy amin'ny mineisteran'ny fitsaràna ao Tiorkia, nisy fidinany 4 isanjato ireny tao anatin'ireo  tranga voatatitra izay ahitàna fanararaotana ara-nofo natao tamina ankizy tamin'ny 2023 . Na izany aza, araka ny tatitra nandritra ireo taona vitsy farany, nitombo 33 isanjato io tarehimarika io raha ampitahaina amin'ny tamin'ny taona lasa.

Tao anaty antsafa iray nifanaovana tamin'ny Turkey ReCap tamin'ny taona lasa, nilaza i Ezgi Koman, manampahaizana iray amin'ny fampivoarana ny ankizy ary mpiara-manorina ny ivontoerana ho an'ny zon'ny ankizy FISA  (FİSA Çocuk Hakları Derneği), raha naneho hevitra momba ny fitomboan'ny isan'ireo fanararaotana ara-nofo atao amin'ny ankizy, fa izany no misy dia noho ny tsy firaharahian'ny pôlitika sy ny famelàna ho toy ny fenitra ny fanaovana fanararaotana ao amin'ny firenena. «Tsy hitantsika ny trangana tsy firaharahiana, ny fanararaotana sy ny herisetra atao amin'ny ankizy amin'ny andavanandron'ny fiarahamonina, raha tsy efa misy hetsika “habibiana” natao. Araka izany, ireo karazana fanararaotana hafa rehetra dia mety hojerena ho toy ny “azo ekena” daholo, ary ny tena mbola ratsy indrindra, “toy ny ara-drariny”»

Nokianin'i Nevsin Mengu, mpanao agzety, ny fanapahankevitr'ireo ray aman-dreny handrakotra akanjo mariazy ny vatam-paty nisy an'i Narin, tamin'ny fanamafisana fa mariky ny toejavatra misy ao Tiorkia ny hoe zazavavy kely valo taona maty nisy namono tami'ny andron'ny fidirana an-tsekoly, ary ireo ray aman-dreniny nametraka akanjo fampakarambady teo ambony vatam-paty. «Raha mitady mari-pamanehoana ianao, ito misy. Ahoana no mety haniry hirakotra akanjo fampakaram-bady ny ankizivavy keyl iray? Satria natao ho atolotra ho amin'io endri-piainana io ireo ankizivavy ao amin'io vohitra io. Hoe tokony ho vadin'olona iray izy. Dia eto isika, miaraka amin'ireo olona miteny fa hoe handeha hamonjy sekoly izy androany.» Taty aoriana dia nanazava ireo ray aman-dreny fa efa nanakaiky ny fampakarambadin'ny mpirahavavy tsy omby kibo tamin'i Narin ary nangataka tamin'ireo ray aman-dreniny izy mba hividy akanjo mariazy iray ho entiny miatrika ilay fotoana.

Tao anatin'ny lahateniny tamin'ny 9 Septambra, taorian'ny fivorian'ny kabinetr, ny filoha Recep Tayyip Erdoğan dia nanapaka hevitra ny hanohy ny fanadihadiana anaty efitrano mikatona sy hitondra ilay nahavanon-doza hiatrika fitsaràna. Saingy poakaty ihany ny karazana fanambaràna tahàka izany satria efa nisy nitovy tamin'izany natao tany aloha tany. Taona roa lasa izay, ny mpitondra tenin'ny antoko Justice and Development Party , Ömer Çelik, dia nilaza zavatra nitovy tamin'izany momba ny fampakarambady natao tamina ankizy iray izay nahatohina ny firenena. «Toherinay ny fanararaotana atao amin'ny ankizy. Heloka bevava tsy azo amindràna fo ny fanararaotana atao amin'ny ankizy.,» hoy ny nosoratan'i Çelik tao amin'ny Twitter ho setrin'ireo fanakianana tsy nitsaha-nitombo. Ny fitsaràna ho an'ity tranga ity dia mitohy, ary voalahatra ho ny 23 Septambra teo ny fotoam-pihainoana manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.