Avy amin'i Adesewa Olofinko sy Zita Zage
Ny alakamisy 22 aogositra lasa teo, kaonty X maromaro (Twitter taloha) no nizara rantin’ireo mpiserasera any Afrika Atsimo manao famandrihana fitsangatsanganana amin'ny fampiharana ‘famandrihana fiara miaraka’ (ride-hailing) any Nizeria, ary avy eo nanafoana izany. Namaly faty ny Nizeriana tamin'ny alalan'ny famandrihana fiara sy entana hafa tany amin'ny faritra samihafa any Afrika Atsimo ary avy eo nanafoana izany ihany koa. Nizara ny mpisera iray ao amin'ny X hoe:
#InCaseYouMissedIt
Good morning 🙏 Tweeps pic.twitter.com/rUjjiGdYfr— Miss Ziprusha (@destinyzee) August 21, 2024
Sao tsy hitanao
Miarahaba 🙏 Tweeps
Nisy hafa nanampy hoe:
🤣🤣🤣🤣🤣Now they about to get ghost trips everyday, atleast 10-15 fake trips a day pic.twitter.com/d2NdUeorle
— Maedi Vincent Segooa (@MaediSegooa) August 21, 2024
Ankehitriny dia saika hanao fitsangatsanganana ‘tsy misy akory’ (matoatoa) isan'andro izy ireo, farafaharatsiny fitsangatsanganana sandoka 10-15 isan'andro
Araka ny nasongadina tamin'ity lahatsary YouTube avy amin'ny Cla6ic TV Worldwide ity, nahavita izany ireo mpiserasera tamin'ny alalan'ny fisintonana VPN sy fametrahana ny toerana misy azy ireo any Afrika Atsimo na Nizeria. Avy eo izy ireo manafatra Bolt na Uber, manamarina ny anaran'ny mpamily mba hamantarana raha Afrikana Tatsimo na Nizeriana izy ireo, ary avelan'izy ireo hanomboka ny dia ny mpamily mialohan'ny hanafoanany izany indray.
Niitatra mihoatra ny fangatahana fiara ny fifandirana anjotra, ka nisy Nizeriana nanafatra an-kosoka sakafo avy amin'ny orinasa Afrikana Tatsimo araka ny aseho amin'ny lahatsoratra etsy ambany:
South Africa has restaurants where you can order food and pay at delivery.
I no talk anything
— Harry 🎯🎯🎯 (@chiditweets042) August 22, 2024
Manana trano fisakafoana i Afrika Atsimo izay ahafahanao manafatra sakafo sy mandoa vola mandritra ny fanaterana.
Tsy miteny na inona na inona aho
“Fa inona marina no mitranga amin'i Nizeria sy Afrika Atsimo? Tsy mpifanolo-bodirindrina akory izahay, ka avy aiza izany fifandrafiana izany?” hoy ny mpiserasera Nizeriana iray, Princepee, nanontany tao amin'ny forum anjotra malaza Nizeriana antsoina hoe Nairaland.
Nanomboka tamin'ny fiandohan'ity volana ity ity “ady anjotra” ity rehefa niala tamin'ny fifaninanana Miss South Africa 2024 ilay maodely Afrikanina tatsimo, Chidinma Adetshina, taranaka Nizeriana, noho ny adihevitra mafana momba ny zom-pireneny [mg]. Niteraka resabe ny lova noraisiny mifangaro, nitarika ny Afrikana Tatsimo sasany hitaky ny fanesorana azy.
Taorian'ny fangatahan'ireo mpikarakara Miss South Africa sy ny fitarainana avy amin'ny Afrikana Tatsimo, nanatontosa fanadihadiana momba ny zom-pirenen'i Adetshina ny Departemantan'ny Atitany ao Afrika Atsimo. Hita tamin'ny fikarohana nataon'izy ireo fa Nizeriana ny rain'i Adetshina, ary Mozambikana ny reniny. Nilaza ihany koa izy ireo fa mety ho nanao hosoka momba ny maha-izy azy ny renin'i Adetshina. Vokany, voatery niala tamin’ny fifaninanana Miss Afrika Atsimo i Adetshina. Nahatezitra Nizeriana maro izany, izay nanasa azy handray anjara kosa amin'ny Miss Universe Nigeria.
Nampitrotraka ny zava-misy, nandritra ny lalao Olaimpika vao nifarana tany Paris, raha nahazo medaily alimo tamin'ny hazakazaka mifampitohy 4 x 100 metatra lahy i Afrika Atsimo [mg], namoaka tao amin'ny X ny filoha Cyril Ramaphosa: “Arahabaina i Bayanda Walaza, Bradley Nkoana, Shaun Maswanganyi, ary Akani Simbine , tamin'ny fahombiazana tamin'ny Lalao Olaimpika tamin'ny fahazoanareo medaily alimotamin'ny hazakazaka mifampitohy 4 x 100 m. Noporofoinareo fa azo atao ny mijanona eo amin'ny lalanao ary mandresy an'izao tontolo izao miaraka amin'izany. “
Noheverin'ny sasany ho toy ny famelezana an'ny Nizeriana izany, izay nody maina tamin'ny Lalao Olaimpika. Midika ny sioka nataon'ny filoha fa matetika tsy mijanona amin'ny lalany ny Nizeriana fa aleony miampita amin'ny lalan'ny hafa. Naneho hevitra tao amin'ny X ny mpiserasera iray:
My President is cooking “ It’s possible to stay in your “lane” and conquer the world at the same time “ 🇿🇦❤️🤣🙌🏾🔥 pic.twitter.com/rvZu1oDXzI
— Khanyisile Jamani (@Jamani_Khanyi) August 9, 2024
Mahandro sakafo ny filohako “Azo atao ny mijanona ao amin'ny “lalanao” ary mandresy an'izao tontolo izao avy amin'izany “
Raha matetika manao “ady jollof” miaraka amin'i Ghana mpifanolo-bodirindrina aminy i Nizeria, mitondra feo henjana kokoa ny fifanakalozana eo amin'i Nizeria sy Afrika Atsimo. Hatramin'ny nifaranan'ny fanavakavaham-bolokoditra, nofaritana ho fiovaovan'ny fitiavana sy fankahalana ny fifandraisan'ireo Afrikana roa manana toekarena lehibe ireo. Misy fiantraikany ratsy amin'ny fiveloman'ireo mpamily ireo, izay lasa gadra amin'ity lalao maloto ity ny adiady nomerika farany amin'ny fampiasana fampiharana amin'ny fomba ratsy.
Namaly ny zava-misy, nilaza tamin'ny BBC ny Talen'ny Bolt ao amin'ny Firenen'i Nizeria, Yahaya Mohammed, fa nametra ny fangatahana fiara handehanana eo amin'ny samy firenena ny fampiharana famandrihana fiara noho ny fitomboan'ireo tranga ireo.
“Fantatry Bolt ny toe-javatra fangatahana fiara hosoka eo amin'ny olona any Nizeria sy Afrika Atsimo. Nanolo-tena izahay hiantoka traikefa voaaro, azo itokisana ary azo antoka ho an'ny mpikambana rehetra ao amin'ny vondrom-piarahamoninay, ”hoy i Mohammed.
Azo tsapain-tanana avy amin'ny fankahalana vahiny mamely ny Nizeriana monina any Afrika Atsimo ny fifanenjanana misy eo amin'ny firenena roa tonta. Nandritra ny fanafihana tamin'ny taona 2019, voalaza fa lasibatry ny vahoaka ny fivarotana sy orinasa izay Nizeriana no tompony. Araka ny tatitry ny BBC News, Nizeriana maro any Afrika Atsimo no manana fahaiza-manao sy nahita fianarana bebe kokoa noho ny ao an-toerana, ka manome tombony azy ireo eo amin'ny tsenan'ny asa. Na izany aza, manome tsiny ny Nizeriana amin'ny fisian'andian-jiolahy, indrindra fa ny fanondranana zava-mahadomelina ny Afrikana Tatsimo.
Ara-tantara, nandray anjara mavitrika tamin'ny fanoherana ny fitondrana apartheid tao Afrika Atsimo i Nizeria. Nandritra ny vanim-potoanan'ny apartheid, namoaka pasipaoro maherin'ny 300 ho an'ireo Afrikana Tatsimo mikasa handeha any ivelany ny governemanta Nizeriana. Nanao ankivy ny Lalao Commonwealth 1978 ihany koa ny firenena ary nitarika ny Lalao Commonwealth 1986. Tamin'ny taona 1977, nanoratra ilay hira malaza iraisampirenena hoe Fire ao Soweto ilay Nizeriana mpiangaly mozika Sonny Okosun ho fahatsiarovana ny fikomiana tao Soweto tamin'ny taona 1976, izay nanampy tamin'ny fampidirana ny fitondrana fanavakavaham-bolon-koditra ho eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary nahatonga ny fionganany nony farany. Ity lahatsoratr'i Anthony Okosun ity no manasongadina bebe kokoa ny fomba nanampian'i Nizeria hanafaka an'i Afrika Atsimo tamin'ny apartheid.
Raha jerena ny tantara niraisan'izy ireo momba ny tolona sy ny firaisankina, dia ho hita eo raha samy hiatrika olana fototra ny firenena roa tonta ary hiasa amin'ny fananganana indray ny fifandraisana miorim-paka amin'ny fifanajana sy ny fifankahazoana.