Avy amin'i Adesewa Olofinko sy Richard Wanjohi
Notanterahina ny 28 aogositra hatramin’ny 8 septambra lasa teo tany Paris ny lalao Paralympika taona 2024, izay nanamarika fotoan-dehibe ho an’ireo firenena afrikanina.
Sady nampiseho zava-bita niavaka ny kaontinanta no nisedra fitsapana tamin'ny lalao paralaimpika. roa teo anivon'ny fanamby mitohy amin'ny para-sport manerana ny kaontinanta. Atleta manodidina ny 4.400 manerana izao tontolo izao no mifaninana hahazo medaily 549 amin'ireo taranjam-panatanjahantena 22 ifaninanana, voamarika ny fisoloan-tenan'i Afrika, nahitana mpandray anjara para-atleta 312 avy amin'ny firenena 44.
Nahazo medaly 64 ireo firenena afrikanina, nihoatra iray monja noho ny Paralaimpikan'i Tokyo taona 2020. Mitsinjara ho medaily volamena 23 tamin’ireo firenena 8, ka i Maraoka no nitarika ny andiany tamin’ny nahazoana medaly 15, ka 3 ny volamena. Nanara-dia akaiky i Alzeria, nahazo ny medaily voalohany teo amin’ny para-fivoizan-dakana, ka nahazon'i Brahim Guendouz volamena teo amin’ny kilasy KL3.
Fanamontsanana zavabita tsara indrindra
Nampanakoako ny anarany teo amin'ny tantara i Folashade Oluwafemiayo, mpibata fonjaby avy any Nizeria sady indroa tompondaka Paralaimpika, tamin'ny nandrombahany volamena teo amin'ny sokajy para-mpibatana fonjaby vehivavy sokajy 86 kg ary lasa para-atleta voalohany teo amin'ny tantara nahabata 166 kg. Toy izany koa, i Onyinyechi Mark nanamontsana ny zavabita eran-tany indroa misesy teo amin’ny sokajy vehivavy 61 kg. Nibata ny 147 kg izy tamin'ny voalohany mba hametraka zavabita vaovao, ary nihoatra izany fotoana fohy taty aoriana tamin'ny fanaingàna 150 kg, nahazoan'i Nizeria medaily volamena.
Niditra ho tantara teo amin’ny badminton ihany koa i Mariam Eniola Bolaji avy any Nizeria, ka lasa mpilalao afrikanina voalohany nahazo medaily teo amin’ilay fanatanjahantena na tamin’ny Paralaimpika na tamin'ny lalao olaimpika.
Teo amin'ny atletisma, niaro ny anaram-boninahitra teo amin'ny hazakazaka 1.500 m T13 vehivavy i Tigist Mengistu avy any Etiopia, raha nahagaga izao tontolo izao kosa ny mpiray tanindrazana aminy Yayesh Gate Tesfaw tamin'ny fanamontsanana zavabita eran-tany tamin'ny famaranana 1.500 m T11 vehivavy. Nanampy ny voninahitry ny kaontinanta i Fatima Ezzahra El Idrissi avy any Maraoka, nandrava ny zavabita eran-tany tamin'ny hazakazaka T12 vehivavy nandritra ny famaranana tao anatin'ny 2 ora, 48 minitra, ary 36 segondra — nandraoka efa ho enina minitra tamin'ny zavabita teo aloha.
Teo amin’ny lalao famaranana 100 m T13 lehilahy, nandrombaka volamena tamin’ny 10,42 segondra i Skander Djamil Athmani avy any Alzeria. Nahazo volamena hafa koa izy, teo amin’ny 400 m T13 lehilahy. Nandritra izany fotoana izany, nametraka zavabita Paralaimpika vaovao teo amin'ny fanipazana kapila tamin'ny 38,70 metatra i Simoné Kruger avy any Afrika Atsimo , latsaka 12 sm monja noho ny zava-bita manerantany.
Nisy ireo fotoana hafa nisongadina avy any Maorisy, izay nankalaza ny medaily paralaimpika voalohany tamin’ny nandrombahan’i Yovanni Philippe halimo teo amin’ny hazakazaka T20 400 m lehilahy.
Anisan’ireo nanamafy ny lova navelan-dry zareo i Raoua Tlili, avy any Tonizia, izay nahazo medaily volamena roa hafa, ka nahatratra 8 ny medaly paralaimpika azony ary 10 ny fitambarany.
Hita mivaingana tamin'ny sehatra media sosialy ny fientanam-po nanodidina ny Lalao, izay nanjary lasa sehatra tsy afa-miala amin'ireo atleta afrikana sy mpanohana hizarany ny diany sy hanangonany ny fanohanan'ny vahoaka. Nampiasa sehatra toy ny Instagram sy Facebook ireo mpankafy manerana ny kaontinanta mba hanarahana ireo atleta tiany indrindra, hankalaza ny zava-bitany, ary hanosika hahazoan'ny fanatanjahantena Paralaimpika fankatoavana tsara kokoa .
Tao amin'ny X (Twitter taloha), nizara vaovao farany sy nankalaza ny zava-bitan'ireo atletany Komitin'ny Paralaimpika Afrikana;
“Team Nigeria🏆” Folashade Oluwafemiayo wins a gold medal at the Paralympics, and she sets a new world record in the women's over 86kg Para-Powerlifting category, becoming the first Para-athlete to lift 166kg.”
Nahazo medaly volamena ny “Ekipa Nizeria🏆” Folashade Oluwafemiayo teo amin'ny Paralaimpika, ary nametraka zavabita eran-tany vaovao teo amin'ny sokajy Para-fibatana fonjaby vehivavy sokajy mihoatra ny 86kg, ka lasa para-atleta voalohany nahainga 166kg.
Nanome voninahitra an'ireo atletany ihany koa ny ekipan'i Afrika Atsimo;
“Medaly enina ho an’ny ekipan’i Afrika Atsimo amin’ny lalao paralaimpika! 🇿🇦💪Nanosika lavitra kokoa ny fetrany ny atletantsika, nanome aingam-panahy ny firenena tamin'ny toe-tsaina tsy azo sakanana sy ny fanoloran-tenany. 💚💛 Nampirehareha an'i Mzansi ianareo!
“The first African athlete to win a Paralympic medal in badminton: Nigeria's Mariam Eniola Bolaji 🏸
“Ny atleta afrikanina voalohany nahazo medaly paralaimpika teo amin’ny badminton: Mariam Eniola Bolaji avy any Nizeria.
Nanome hirika hanasongadinana ireo fanamby mbola atrehin'ireo atleta afrikanina manana fahasembanana ny Lalao Paralaimpika 2024 na dia eo aza ireo fahombiazana azo. Mbola takona ny fivoarana noho ireo olana toy ny famatsiam-bola tsy mifanentana amin'ny tokony ho izy, ny tsi-fisian'ny toeram-panazarantena sy fotodrafitrasa sahaza ary ny fitantaram-baovao voafetra. Nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fanasongadinana ireo olana ireo ny media sosialy, nandrisihan'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona hampiasa vola bebe kokoa amin'ny fanatanjahantena Paralaimpika ao amin'ny kaontinanta.
Nidera ireo atleta noho ny zavatra maningana vitan'ireo atleta i Samson Deen, filohan'ny Komity Paralaimpika Afrikana, raha niresaka tamin'ny BBC Sport Africa ary nanantitrantitra fa ilaina ampitomboina ny fanohanana:
“African athletes have shown that if our governments and our people lift up support, they are going to perform much, much better.”
“Nasehon'ireo atleta afrikanina fa raha manampy fanohanana ny governemantantsika sy ny vahoakantsika, dia hanao zavatra tsara kokoa ry zareo.”
Satria natolotra hoan'i Los Angeles tamin'ny lanonam-pamaranana feno aingam-panahy ny saina Paralaimpika, dia hitodika any amin'ny Lalao 2028 ny mason'izao tontolo izao.
Ho fiatrehana ny lalao olaimpikan'ny taona 2028 any Los Angeles, ho laharam-pahamehan'i Afrika ny fampitomboana ny isan'ny mpandray anjara sy ny haavom-pifaninanana. Niisa 312 ireo para-atleta nalefan’ny firenena 44 eto amin’ny kaontinanta, ka firenena sivy no manana solontena iray monja.
Kasaina hatao amin’ny taona 2027 ny lalao faharoa paralaimpika afrikanina, ka hofantenana mialoha ny faran’ity taona ity ireo mpampiantrano. Tapaka izany taorian'ny fahombiazan'ny lalao fanokafana notontosaina tao Accra, Ghana, tamin'ny taona 2023. Hirika hahafahan'ireo para-atleta tsara indrindra aty amin'ny kaontinanta hifaninana amin'ny sehatra ambony indrindra izany.