GhostNets Australia: Avadik'ireo vazimba teratany ho harena ny fako

Toad Fish, Michael Norman

Toad Fish (sy zavaboary an-dranomasina hafa), Michael Norman. Saripika an'ny mpanoratra. Fampiasàna nahazoana alalana.

Loza mananontanona erantany ireo fitaovana fanjonoana nilaozana, very na nariana (ALDFG). Ireo harato fanjonoana indrindra indrindra no mitohy mamandrika ny trondro sy ireo zavaboary hafa an-dranomasina (mazàna tondroina amin'ny hoe “jono matoatoa”).

Araka ny voalazan'ny World Wildlife Fund (WWF):

Tombanana ho manome ny 10% raha kely indrindra amin'ireo fako an-dranomasina ny harato matoatoa (GhostNets). Izany dia midika fa misy eo amin'ny 500.000 hatramin'ny 1 tapitrisa isantaona ireo fitaovana fanjonoana ariana any an-dranomasina. Misy fiantraikany amin'ireo biby mampinono any an-dranomasina, ny voron-dranomasina sy ny maro hafa ireo fitaovana matoatoa ireo, ary io karazana fako io izay voaporofo fa tena mahafaty indrindra.

Iray tamin'ireo fotoana nisongadina tamin'ny Cairns Indigenous Art Fair (CIAF) 2024 ny fampirantiana ireo Zavakanto Harato Matoatoa ( Ghost Nets artwork). Ity endrika zavakanto ity dia mampiasa ireo harato fanjonoana tsy nilaina intsony sy ireo fitaovana hafa nariana hita teny amorontsiraka.

Ghost Net Art CIAF 2024: Ankavia: Ray – Sweetness, Florence Gutchen, 2024; Havanana: Crayfish on the reef – Eric’s Home Reef, Jimmy John Thaiday, 2024. Sary natolotry ny CIAF. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Io dia endrika zavakanto iray izay niroborobo nanomboka tamin'ny fiandohan'ny andian-taona 2000s. Tamin'ny 2004 ny GhostNets Australia no natomboka ary ampahany amin'ireo fandaharanasan'ny Ocean Earth Foundation. Nanomboka teo dia mpampiroborobo vahaolana izy.

Ity lahatsary ity no mamaritra ny haben'ny olana sy ny asan-dry zareo miaraka amin'ireo vondrom-piarahamonina ao amin'ireo nosy Erub ary Darnley ao amin'ny helodranon'i Torres:

Ny CIAF dia nikarakara ihany koa atrikasa iray Ghost Nets Masterclass niarahany tamin'i Lavinia Ketchell avy amin'ny Erub Arts.

Nampiranty asakanto betsaka ireo tranombakoka aostraliàna. Ny  Australian National Maritime Museum (ANMM) dia nanangana angona iray tamin'ilay fampirantiana Au Karem Ira Lamar Lufampirantiana Ghost Nets avy amin'ny ranomasimbe. Ity lahatsary nohafainganina ity dia mampiseho ny fametrahana azy tamin'ny 2018:

Ny Tranombakoka Aostraliàna ao Sydney dia manana sary sokitra ghost net ao anatin'ny angony.

Ocean Earth Ghosts Nets Australia no nampiroborobo ny zavakanto “ghost nets” efa ho roapolo taona mahery izao. Ny lahatsarin-dry zareo,  The Young Man and the Ghost Net, dia tsy hoe fotsiny mampiseho ilay tantara voalohany amin'ny alàlan'ny saribakoly, notontosaina tao amin'ny helodranon'i Torres, fa mampiseho ihany koa ny fanimbàn'ny harato ny tontolo iainana ao:

Tsy sarotra tadiavina ireo fitaovana hanaovana ny asakanto. Ity harato fakàna foza nilaozana ity dia hita teny anaty ala honko akaikin'ny seranam-piaramanidina ao Cairns tamin'ny 2024:

Abandoned crab net

Harato fakàna foza tavela tao Cairns, Jolay 2024. Saripika an'ny mpanoratra. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Mylene Holroyd avy ao amin'ny Ivontoeran'ny Zavakanto sy Kolontsaina Pormpuraaw dia nampiasa harato nitovitovy amin'io nanaovany ny asakantony eto ambany, nandritra ny CIAF 2024. Asehon'ilay izy ny vombona manify sy ny trondro saumon ary ireo totems avy ao an-toerana. Ny totem dia zavatra voajanahary iray manana dikany manokana ho an'ireo vahoaka vazimba teratany.

Sea Turtle in Ghost Net - Mylene Holroyd

Trondro saumon anaty harato matoatoa (Ghost Net), Mylene Holroyd: Saripika an'ny mpanoratra. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ity sary lehibe ity, Nga’a Pinporro, dia ny vondrom-piarahamonina vazimba teratany avy ao Pormpuraaw no namorona azy, ary hita ao amin'ny Barramundi Discovery Centre ao Karumba, morontsiraky ny Hoalan'i Carpentaria:

Nga’a Pinporro ghost net art

Nga’a Pinporro – Barramundi Discovery Centre, Karumba Queensland. Saripika an'ny mpanoratra. Fampiasàna nahazoana alàlana

Misy tetikasa maro any amin'ireo firenena hafa izay ampiasàna ny fako an-dranomasina ho lasa asakanto. Ny Washed Ashore dia noforonin'i Angela Pozzi tany Oregon Etazonia tamin'ny 2010. Sary sokitra lehibe miisa 66 mahery no efa voaforony, tahàka ity aseho ao amin'ny Instagram ity:

Ny Ghost Net tsy hoe fotsiny manasongadina io olana io, fa manampy koa manohana ara-bola ireo mpanakanto tsirairay sy ny vondrom-piarahamonina niavian'izy ireny ary hatramin'ny fanomezana famatsiambola an'ireo santatr'andraikitra fanalàna fako tsy handoto tontolo iainana. Ny fandaharanasa Hunter Gatherer Network Oceans Art dia santatr'andraikitra iray, izay manampy ireo “vehivavy artista vazimba teratany, amin'ny fanomezana fitaovana sy fandaharan'asa fiofanana ho fiarenana, fanodinana sy fampiasàna indray ireo fako an-dranomasina.” Ny Plastic Collective no niaraka nanorina azy io tamin'ny Charles Sturt University (CSU). Nanana tranoheva tao amin'ny CIAF Art Market ilay tambajotra:

Hunter Gather Network - Cairns Indigenous Fair 2024AF

Hunter Gather Network — Dr Anwaar Ulhaq (CSU), Lousie Hardman, Jeremy Sheehan (Hunter Gatherer Network) — at Cairns Indigenous Art Fair. Saripika an'ny mpanoratra. Fampiasàna nahazoana alàlana

Hita tany amin'ireo morontsiraka lavitra indrindra ao Aostralia ireo harato. Chilli Beach dia any amin'ny morontsiraka atsinanan'i Cape York. Na 12 taona aty aoriana aza ireo fako nilaozana dia mitohy manimba ny morontsiraka sy mandray anjara amin'ny fiparitahan'ireo plastika faran'izay bitika indrindra (microplastics):

Betsaka ireo ezaka hafa hanesorana eny an-dranomasina ireo fakon'ny jono, indrindra fa ireo hetsika manerantany toy ny Ocean Conservancy. Ny fandaharanasany Trash Free Seas dia manetsika mpirotsaka an-tsitrapo maro, manao fikarohana sy manao fanentanana hanairana ny daholobe. Izy koa dia miasa mavitrika amin'ny fisorohana:

Sorohanay ny hidiran'ireo fako any anaty rano amin'ny alàlan'ny fiasàna miaraka amin'ny isam-batanolona, ka hatramin'ireo orinasa, mba hanova ny vokatra, ny fomba fanao ary ny fitondrantena izay miteraka ny fako any an-dranomasina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.