Iza i Iron Biby, ilay mpanao fanatanjahantena mampirehareha an'i Borkina-Fasô?

Iron Biby manainga ny 231 Kg nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka erantany “Log lift” tamin'ny 7 Septambra 2024 tao Birmingham, Fanjakana Mitambatra; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube-n'ny Giants Live STRONGMAN

Eo amin'ny tontolon'ny fanatanjahantena, ny fibatàna fonjam-by (haltérophilie) no mampalaza an'i Borkina Fasô, hany firenena afrikàna manana tompondaka erantany amin'io taranja io noho ilay atleta Iron Biby.

Iron Biby dia nahazo anaram-bosotra ho ilay lehilahy matanjaka indrindra eto an-tany noho ny zavabitany nandritra ny fifaninanana farany erantany “Log Lift” natao tamin'ny 7 Septambra 2024 tao Birmingham, Fanjakana Mitambatra. Raha ny tena anarany Cheick Ahmed al-Hassan Sanou, Biby dia teraka tamin'ny tao Bobo-Dioulasso (tanàna atsimo-andrefan'i Borkina-Fasô). Taty aoriana, hitany ny fitiavany ny fanatanjahantena ary dia nilofo tamin'ny fanaovana “sprint” izy, ny zimnastika ary ny basket-ball.

Ny fanatanjahantena ho toy ilay hazo nampitsingevana nanavotra

Hatrany amin'ny fahazazàny i Iron Biby no efa nahazoazo lanja tafahoatra ary nizaka esoeso maro avy amin'ireo nàmany tany an-tsekoly. Ireny sedra nozakainy ireny no nanefy ny toetrany ary nahatonga azy ho mpandresy rehefa hitany fa ny fanatanjahantena dia fomba iray hanovàny ny andavanandrony. Hoy izy ao anaty lahatsoratra iray ao anaty gazety “La Croix”:

Nandramako daholo ny fanatanjahantena rehetra nefa dia nokiviana hatrany aho isaky ny mihetsika. Nihevi-tena ho vaventy loatra aho, te-hanova ny vatako aho ka dia nanomboka nanao fanazarantena moramora.

Toy izany no nahitàny ny fibatàna fonjam-by tany amin'ny faha-17 taonany raha izy nanohy ny fianarany tao amin'ny oniversite tao Kanadà. Teo anelanelan'ny fianarana sy ny asa an-tselika manao mpiambina rehefa alina ny andro mba hamenoana ny filàna ara-bola mifandray amin'ny toeram-ponenany, mahita fotoana hanaovany fanazarantena i Iron Biby.

Tamin'ny 2014, 22 taona izy tamin'izany, azon'i Iron Biby ny anaram-boninahitra erantany voalohany ho azy teo amin'ny sokajy zandriny tamin'ny Power lifting natao tany Etazonia. Tamin'ny 2016, nambarany tamin'ny media Burkina24 fa:

Ny fitsapàna voalohany nataoko dia ny « développé couché [izay fanaingàna ny vesatra hiakatra ambony eo am-pitsorana]» sy ny « soulevé de terre [fisintonana ny tsivalana hiala amin'ny tany ary mametraka izany avy eo]». Teo amin'ny faha-22 taonany, amin'ny maha-atleta manana hery tsy toy ny hafa ahy, voabatako ny 240 kg tamin'ny « développé couché» ary 340 kg tamin'ny « soulevé de terre ». Vesatra tsy fahita firy ho an'ireo tanora nitovy taona tamiko ary tamin'io andro io ihany, raha natao ny fampilaharana niaraka tamin'ireo sokajy zokiny, dia ho laharana faha-2 manerantany aho. Saingy noho izaho tsy sokajy zokiny, dia tsy nalahatra ho amin'ny sokajy zokiny aho.

Fakàna an'izao tontolo izao

Io hosotra voalohany io ho an'i Iron Biby no fiandohan'ny dia lavitra mitety ireo fifanintsanana iraisampirenena voaravaka fahombiazana sy zavabita tsara indrindra erantany. Tamin'ny 2018, voahosotra izy ho tompondaka erantany tamin'ny Log lift rehefa nanainga 213 kg. Tamin'io taona io ihany, tafiditra tao anatin'ny boky Guinness des records izy rehefa nahavita ny “pompes” betsaka indrindra tao anatin'ny iray minitra. Notantarain'i Iron Biby tamin'ny media Burkina24:

Ny fitsapàna nataoko … dia ny nanainga olona iray ho eny an-tampon-doha averimberina im-betsaka ao anatin'ny iray minitra. Ny zavabita tsara indrindra taloha dia in-45 niverimberina ary nomontsaniko izany tamin'ny fanaovana 69 fiverimberenana. Tsy mora tamin'izany. Farany, sambany tao anatin'ny tantara, mba ho fantatra ao anatin'io boky manana ny lazany mitahiry ireo zavabita tsara indrindra io i Borkina Fasô.

Tamin'izany fotoana izany, ny CBBC dia namoaka tao amin'ny kaontiny X:

Nandraman'i @IronBiby , ilay  @GiantsLiveWSM tsy mampino ny nanamontsana ny zavabita tsara indrindra erantany tamin'ny isa betsaka indrindra manainga olona eny an-tampon-doha ao anatin'ny iray minitra… tafitany ve ? Jereo ny #BluePeter ao amin'ny CBBC iPlayer hahafantaranao izany !
— CBBC (@cbbc) 6 Septambra 2018

Tamin'ny 2019, nahazo indray anaram-boninahitra iray hafa i Biby tamin'ny Log lift Europe Strongest Man rehefa nahabata 220 kg. Nametraka ny zavabita tsara indrindra erantany iray vaovao izy tao anatin'ny fifanintsanana tamin'ny 2021, nahabata 229 kg. Tamin'ny nandreseny ny zavabitany taloha tamin'ny 2023, dia nitohy araka izany izy tamina zavabita erantany iray vaovao hafa indray, nahavitàny nanainga 230 kg.

Rehefa avy nametraka ny zavabitany tsara indrindra tamin'ny 230kg, nanontany an'i Biby ny Radio France Internationale (RFI) momba izay ao an'eritreriny rehefa ilay misy vesatra goavana iny ao an-tampon'ny lohany. Momba izay dia hoy izy:

Am-pahatsorana, aleo lazaiko fa mila olona somary adaladala, fa amin'ilay dikany tsara, mba hahasahiana manainga io vesatra io. Satria raha mitontona ao ambony ao iny, mety hiteraka ratra tena henjana be. Araka izany dia mila saina matanjaka be, ny hetaheta hanao an'ilay izy, ny hetaheta hihoatra ny zavatra efa vita ary ity hetaheta ity no nanosika ahy hiasa mafy mba hanatanteraka io fanamby io.

Ny saina no tena milalao betsaka. Mety ho tsara ianao tany amin'ny fanazarantena, fa ara-tsaina raha tsy matanjaka ianao dia tsy hisy ny fifandraisana mety hahavitànao zavatra tsara. Nanana fihaonana betsaka tamin'ireo matianina amin'ny fanomanana ara-tsaina aho ary izany no nanampy ahy hihoatra ny tenako.  Nila taona roa aho vao afaka nanampy kilao iray, fa na izany aza dia tiako ny manoratra ny tantara. Tiako ny manatontosa fanamby sy ireo tanjoko. Ny 240kg izao no tanjoko.

Tapa-kevitra ny hanohy hampiakatra avo hatrany ny haavo, tamin'ny 2024, Biby nanosika ny zavabitany tamin'ny Log lift ho 231 kg.

Indro ny lahatsary, fampisehoan'i Iron Biby nandritra io fifanintsanana io:

 

Rehareham-pirenena ao Borkina-Fasô

Tao anatin'ny folo taona nanaovana izany, Cheick Ahmed al-Hassan Sanou antsoina hoe Iron Biby, araka izany, no  lasa lehibe tsy azo lavina amin'io taranjam-panatanjahantena mitaky zavatra betsaka io. Ao Borkina-Fasô, rehareham-pirenena voaray tsara hatrany izy rehefa miverina an-tanindrazana taorian'ireo fifaninanana.

Tamin'ny 2023, natolotra ilay atelta ihany koa ny mariboninahitra Officier de l'ordre de l’Étalon (anaram-boninahitra natokana hankasitrahan'ny firenena borkinabe ireo sivily na miaramila noho ny asa nataony ho an'ny firenena). Taorian'io fankasitrahana io, hoy izy tamin'ny Burkina24:

Io fankatoavan'ny firenena io dia fanasàna hanohy hatrany ny asa sy hanosika ny fetra. Amin'ny maha-zanakalahin'ny firenena ahy, tsy fotoana tokony hiraviraviana tànana izao. Amin'ny ambaratonga misy ahy dia mitohy ny tolona. Hilofo mafy aho mba ho solontena mendrika an'i Borkina Fasô.

Na ohatra aza i Borkina Fasô tsy nahazo medaly nandritra ireo lalao Ôlaimpika – Parisy 2024, dia manana mahery fo ara-panatanjahantena iray ilay firenena: Hugues Fabrice Zongo, tompondaka erantany amin'ny vikina in-telo miantaona tamin'ny2023.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.