Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tamin'ny fiteny persiàna tao amin'ny IOD. Dikanteny iray nasiam-panovàna no avoakan'ny Global Voices eo ambany fifanarahana iray fiarahamiasan'ny media.
Taona roa taorian'ny nandrehetan'ny fahafatesan'i Mahsa Zhina Amini ireo hetsipanoherana “Woman, Life, Freedom” (Vehivavy, Aina, Fahalahana) tao Iràna, nanaka-danitra ny isan'ireo famonoana olona tao amin'ilay firenena, nitombo 80%, araka ny angondrakitra momba ny zon'olombelona. Io fitomboana io dia nampifandraisin'ireo mpikatroka mafàna fo tamin'ny paikady iray midadasika ataon'ny Repoblika Islamika hambolena horohoro sy handevonana ireo tsy mitovy hevitra aminy. Nohelohin'ireo vondrona mpiaro zo ireny famonoana ireny, izay mazàna no arahana fitsaràna tsy misy mangarahara ary tsy mahavita ny mamaly ireo fenitra iraisampirenena momba ny fitsaràna.
Nosamborin'ilay lazaina ho pôlisin'ny fitondrantena ao Iràna ny tovovavy iray 22 taona, kiorda-iraniàna, tamin'ny 13 Septambra noho ny filazàna azy ho nanitsakitsaka ilay lalànan'ny firenena momba ny fisalorana voaly (hijab law). Maty tany am-pitazonana azy izy andro telo taorian'izay, voalaza ho noho ny dona tany amin'ny atidoha vokatry ny “kapoka maro” nihatra tamin'ny lohany. Niteraka onjam-panoherana fitondràna ny fahafatesany. Ireo hetsipanoherana, notariham-behivavy, dia vetivety no niparitahany nanerana ny firenena sy eran'izao tontolo izao, niaraka tamin'ny teny faneva hoe “Jin, Jiyan, Azadi” (Vehivavy, Aina, Fahalalahana) izay lasa hiaka malaza indrindrany.
Ho setrin'ilay fanetsehaa faobe, niditra tamin'ny fampiasàna herisetra nahery vaika ny governemanta iraniàna, izay nahitàna fampiasàna hery mahafaty, fampijaliana, herisetra ara-nofo, ary endrika hafa mifototra amin'ny mahalahy na mahavavy, araka ny voalazan'ny Amnesty International.
Raha te-hahita misimisy kokoa dia tsidiho ny Fandrakofanay Manokana ny “Women, life, freedom” Iran revolts [angl.]
Ny vondrona Iran Human Rights (IHR) dia mitatitra fa teo anelanelan'ny Ôktôbra 2022 sy Septambra 2024, raha kely indrindra dia 1.452 ireo olona novonoina, fitomboana be izany raha 779 tamin'ny roa taona lasa, 2022 nialoha ireo hetsipanoherana. Araka ny voalazan'ny Human Rights Watch, ny ankamaroan'ireo novonoina dia noho ny vesatra tsy mazava mifandraika amina zava-mahadomelina na ny fiarovam-pirenena.
Tamin'ny Aogositra 2023 fotsiny, ny Kaomisera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona dia nitatitra famonoana olona 93 raha kely indrindra, na nihevitra aza ny IHR sy ny HRANA fa nihoatra ny 100 ny tarehimarika. Ny volana sasany tamin'ny 2023, toy ny May, dia nahitàna isa avo be manokana, famonoana olona niisa 145. Nanomboka tamin'ny Janoary 2024, nihoatra ny 410 ireo famonoana olona voarakitra, afaka itarafana ny famoretana miha-mafy hatrany.
Mijanona ho tsy ahitan-teny ny governemanta iraniàna momba ireny tarehimarika ireny. Io dia mamela ireo fikambanana (ONG) any ivelan'ny firenena mba handrakitra sy hanasongadina ny fidadasiky ny famoretana. Iràna no mitàna ny mari-piavahana ambony indrindra amin'ny fanànany ny taha avo indrindra amin'ny isan'ireo olona novonoina voarakitra an-tsoratra manerana izao tontolo izao.