Mampifandray ny biolojia amin'ny zavakanto: Antsafa nifanaovana tamin'i Samuel Ubong mpanakanto Nizeriana

Mpanakanto Nizeriana, Samuel Ubong Okon (ankavia) nandritra ny fampirantiana Metanoia, nahazoana alalana.

Mpampianatra Nizeriana sady mpanakanto nampiana-tena i Samuel Ubong “Aritokonson” Okon, izay mampiseho ny taovan'olombelona, ny ​taolana, ny ra, ny zavamaniry, ny biby ary ny fizotry ny fiainana tamin'ny sariny hosodoko mihoatra ny tena izy.

Hita amin'ny bokin'ny ankizy ihany koa ny sanganasany sy ny fandravahany, ary naranty nandritra ny fampirantiana mandeha irery vao haingana mitondra ny lohateny hoe Metanoia nanomboka ny 30 Aogositra ka hatramin'ny 2 Septambra tao amin'ny Photocarrefour Gallery ao Abuja, renivohitr'i Nizeria, ny sary hosodoko nataony.

Manaiky i Ubong, 32 taona, manana mari-pahaizana Bachelor of Science amin'ny biolojia, ny fiantraikan'io lohahevitra io eo amin'ny zavakantony, “Pihan'ny sanganasako ny fifanoherana amin'ny hafohin'ny fiainana sy ny figadogadona tsy mety tapitry ny natiora.” Tantara miteny hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny faran'ny hosodoko ao amin'ny amboara Metanoia momba ny “fitohizana sy tsingerin'ny fiainana midadasika”.

Tamin'ny tafatafa an-telefaona niarahana tamin'ny Global Voices, nizara ny fomba fiasany amin'ny zavakantony i Ubong.

Ny fototry ny firaisana,’ 2024. Acrylique amin'ny lasitra (canva), 90 x 87 sm. Sary nomen'i Aritokonson, nahazoana alalana.

Pamela Ephraim (PE): Tantarao anay ny fampirantianao vao haingana, “Metanoia”, sy ny aingam-panahy ao ambadik'izany.

Samuel Ubong (SU): Metanoia dia sary mampiseho ny fizotry ny fiainana, ranto manavatsava manomboka ny fahazazana ka hatramin'ny fahalehibeazana miainga amin'ny fanorotoroana; ny tsiri-kevitry ny fahaterahana — ny firaisana/fiaraha-miasa eo amin'ny ray sy ny reny, ny fomba niarahany nanome fahaterahana zaza iray. Ny andraisan-dry zareo anjara no mandrafitra ny hevitra sy ny fomba fijerin'ny ankizy izao tontolo izao. Teny Grika midika hoe fiovana ny metanoia, ary mandinika ny fiofòna (metamorphose) amin'ny fiainana manomboka amin'ny fitorotoroana ka hatramin'ny fahafatesana.

Aharoharon'ny iray amin'ny piesiko, mitondra ny lohateny hoe “Ny ventin'ny firaisana,” miaraka ny biolojia, ny fitiavana, ny famoronana, ary ny dindo lalina avelan'ny ray aman-dreny amin'ny famolavolana ny fomba fijerin'ny ankizy izao tontolo izao. Ny fon'olombelona no ataon'ity sanganasa ara-java-kanto ity ho ivo, voahaingo amin'ny antsipiriany mba hampiseho ny efi-po (ventricle) sy ny riham-po (auricles), roa tava, lahy sy vavy mifamatotra. Mifanindry ny atidohan'izy ireo, maneho ny fifandraisana lalina ara-tsaina sy ara-pihetseham-po izay mamaritra ny fiaraha-dry zareo miasa. Ny maso kosa maneho herim-pahalalana ifampizarain'izy mpivady amin'ny tontolony, amin'ny tenan'izy ireo ary ny fizotran'ny fahafantarana ny toetran'ny zanany manomboka amin'ny fanatorotorona azy ka hatramin'ny taonam-pivoaran'ny toetrany.

Mikoriana avy amin'ny endrik'izy ireo mifamatotra, ny hazon-dazondamosiny, izay aseho ho toy ny tady ADN, dia mifamatotra eo amin'ny lohany sy ny tadim-poitran'ilay zaza am-bohoka mivoatra, mipetraka ao anatin'ny tontolony ao anatin'ny fo.

Maneho ny anjara lehibe amin'ny asan'ny ray aman-dreny amin'ny fananganana ny zava-misy iainan'ny zanany hatramin'ny tena fiandohan'ny fiainana ity fifandraisana ity. Manamarika ny tontolo iray natsangan'ny eritreritra sy ny fihetseham-po ary ny zavatra niainan'ny ray aman-dreny ny zaza am-bohoka, voahodidin'ny hafanana sy ny fiarovan'ny fo. Manafoana ny teoria izany izay milaza fa teraka ho tabula rasa ny zaza iray satria efa nampiditra angona efa nampoizina ny ray aman-dreny, izay voajanahary sy miavaka amin'ny alàlan'ny firaisan'ireo kaody fototarazony.

‘Fifamihinana amin'ny tsilo ,’ 2024. Acrylique amin'ny lamba, 76 x 68 sm (30 x 37 pouces). Sary nomen'i Aritokonson, nahazoana alalana.

PE: Afaka miresaka bebe kokoa momba ny fianaranao momba ny biolojia sy ny fomba nanombohanao nanambatra azy ho zavakanto ve ianao?

SU: Tena mankafy ny zavakanto hatrany aho. Tsaroako fa nanoratra be dia be aho tamin'ny mbola kely, saingy tsy tian'ny reniko izany. Tiany ho lasa dokotera aho; Tsy manome tsiny azy aho satria noheverina ho fanapahan-kevitra marani-tsaina ara-toekarena izany. Tsy hainy ny hasarobidin’ny zavakanto, ka nandà ny faniriako hanao zavakanto izy. Nahazo mari-pahaizana lisansa momba ny biolojia tao amin'ny Oniversite Ahmadu Bello aho ary nahazo diplaoma momba ny fampianarana.

Mpampianatra an-dakilasy aho nandritra ny taona maro, ary mpiara-miasa amin'ny Teach for Nigeria aho amin'izao fotoana izao, izay ampianarako ny mpianatra ao amin'ny ambaratonga voalohany (Kilasy faha-3). Mpanoratra boky indroa ho an'ny ankizy aho. Ny voalohany dia boky fanoharana mitondra ny lohateny hoe Hayatou sy ny Renitantely; ny faharoa dia i Nipsey the Ginger Cat.

PE: Inona no fomba ampiasainao amin'ny fampidirana ny biolojia amin'ny zavakanto? Inona no hafatra tianao hozaraina amin'ity fanambatambarana ity?

SU: Mikatsaka ny hampiseho ny fifandraisana eo amin'ny biolojia sy ny zavakanto ary ny fiantraikan'izany amintsika ny asako. Fiainana ny zavakanto, ary fandalinana ny fiainana ny biolojia. Asan'ny biolojia ny fiainana tenany. Milaza amintsika ny izay tsy mety ataontsika tsy misy biôlôjia ny zavakanto ary milaza amintsika hankafy zavakanto ny biôlôjia. Mitrandraka ny fampidirana ny biolojia ao anaty fanehoana zavakanto ny asako. Na dia sokajian'ny ankamaroan'ny olona ho taranja roa miavaka tsara aza izy ireo, afaka mamorona hirika vaovao hanatsarana ny fampielezana ny fitambaran'izy ireo.

PE: Inona no fiantraikany na ny fandraisana ny zavakantonao?

SU: Tsara amin'ny ankapobeny ny fandraisana ny zava-kantoko satria avy amin'ny fomba fijery ôrizinaly izay mifandraika amin'ny hetsika, hevitra ary toe-pahatsapana ny ankamaroan'ny hevitra. Nandritra ny fampirantiana, manome aingam-panahy amin'ny endrika fandinihan-tena, eritreritra lalina sy fisaintsainana ny fifandraisana eo amin'ny tantara amin'ny biolojia, ny fihetseham-po ary ny psikolojia. Amin'ny toe-javatra andavanandro, afaka nandrisika fihomehezana, fanembonana ary fifandirana kely eo amin'ireo namana sy olon-tsy fantatra izay sendra ny asa ny zavakantoko. Manontany ry zareo toy ny hoe: “Ahoana no nieritreretanao an'izany?”

PE: Ahoana no nahatanterahanao ireo sangan'asa hafahafa ireo? Tantarao anay ny dingam-pamoronana nataonao.

SU: Kisendrasendra ny fizotran'ny famoronako. Tsy nahy. Mahazo aingam-panahy avy amin'ny resadresaka sy ny fizotran'ny eritreritra mandalo aho, avy eo miezaka manao karazana fombafomba sasany — rehefa avy miasa aho, dia mandro, ary mandoro emboka manitra, mihaino mozika milamina ary avy eo maka ny borosiko (penina) fa handoko. Miezaka miasa mangina aho.

PE: Misy ampahany manokana amin'ny andiany Metanoia tianao indrindra ve?

SU: Tiako ny sanganasako rehetra, fa ny tena nanakoako tamiko dia ny “Happiness regardless (fahasambarana na inona na inona) ” sy “The essence of union (Ny ventin'ny firaisana)” satria maneho ny fiandohana sy ny fiafarana ao amin'ny tantaran'ny Metanoia, izay mampihomehy. Ny “fahasambarana na inona na inona” dia tena fampanantenana fanombohana, fa “Ny ventin'ny firaisana” no fiandohan'ny firaisana.

‘Hasambarana na inona na inona’, 2024. Acrylic amin'ny lamba 48 x 63 sm (19 x 25 santimetatra). Sary nomen'i Aritokonson, nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.