Lanonana paralaimpika ao Syria iharan-tsivana sy tsikera hoe fanompoan-tsampy

“Fandrehetana afo olaimpika ao Idlib: tery anelanelan'ny marika ara-kolontsaina sy ny Fiampangana fombafombam-panompoan-tsampy.” Sary avy amin'i Abd Alfatah Sh Omar tao amin'ny pejiny Facebook. CC BY 4.0.

Nikarakara hetsika ara-panatanjahantena tany Idlib, avaratr'i Syria ny Violet Organization, ekipa iray mpanao asa soa, ​​ary nanao fandrehetana afo
Olaimpika
ho ampahany amin'ny lanonam-panokafana lalao Paralaimpika tao an-toerana. Nahatonga resabe izany lanonana izany.

Heverin'ny sasany ho fampiroboroboana fombam-panompoan-tsampy izay mifanohitra amin'ny soatoavina Islamika izany lanonana izany ary manasongadina ny tsy fifankahazoan'ny marika ara-kolontsaina amin'ny finoana silamo.

Lanonana voasivana

Kinendrin'ny fisantarana andraikitra ireo mpilalao matihanina iraisampirenena teo aloha, ireo tsy matihanina izany nizaka faharatrana tamin'ny ady tao amin'ny firenena, ary ireo olona manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina. Nandrisika ny hetsika ireo sivily an-jatony, nanatrika ny lanonam-panokafana. Saingy, nihetsika haingana hanafoana ny hetsika ny  Tahrir al-Sham — fikambanana ara-politika mitam-piadiana Islamista Sonita nandray anjara tamin'ny Ady An-trano Syriana, sady mifehy ny faritra — ary namoaka fampitandremana ho an'ireo mpikarakara. Nilaza “fanitsakitsahan-dalàna” nandritra ny lanonana ry zareo, nanondro ny fitondrana fanilo olaimpika.

“Tsy nisafidy ny hilefitra ireo maherifo ireo, fa nisafidy ny hamelona indray ny fanantenana ao am-pontsika rehetra.” Ny sary tamin'ny kaonty Facebook Violet CC BY 4.0.

Niitatra ny resabe rehefa nanambara ny Governemantam-panavotana Syriana, rantsan'ny Tahrir al-Sham, fa miato ny hetsika ary miato koa ny asam-panampiana maha-olona ataon'ny Fikambanana Volomparasy (Violet Organization).

Ao amin'ny pejy Facebook-ny, manana mpanjohy 568.000, nanazava ny tanjony tamin'ny ranty iray ny Violet Organization, nanoritra ny fitarihana hifantohana amin'ireo atleta Syriana manana fahasembanana kely na be. Tsy mba hita tamin'ny hetsika Paralaimpika tany Paris ireo atleta ireo, anisan'izany ireo malemy hozatra, sahirana ara-pihetsehana, zeny, mihenjan-kozatra, sahirana ara-pahitana, ary ireo sembana ara-pitomboana:

أهلنا وأخواننا في مكان، نُثمن ونقدر تعليقاتكم ..
نودّ أن نوضّح أن هدفنا من تنظيم هذه الفعالية كان تعزيز الروح الرياضية والتضامن مع فئة غالية على قلوبنا جميعًا ، وإيصال معاناتهم لكل العالم وهي فئة ذوي الهمم ، ولم يكن في نيتنا لاسمح الله تحت أي ظرف محاكاة تقاليد أو رموز ثقافية غير مألوفة لمجتمعنا وبيئتنا السورية الأصيلة، التي نعتز ونكبر بها.
كما نؤكد أن اختيار شعلة الأولمبياد كجزء من الفعالية كان يهدف لتعزيز الروح الرياضية والمنافسة وهو بروتوكول متعارف عليه دولياً، دون أي قصد مباشر أو غير مباشر لتقليد ما يتعارض مع قيم المجتمع السوري وتعاليمه الدينية الراقية

Ry vahoaka sy rahalahy [na aiza na aiza], omenay lanja sy ankasitrahanay ny fanehoan-kevitrareo. Tianay ny hanazava fa ny tanjonay amin’ny fikarakarana ity hetsika ity dia ny hampiroborobo ny fitiavam-panatanjahantena sy firaisankina amin’ny vondrona malalantsika. Tanjonay ny hampahalala amin'izao tontolo izao ny fijalian-dry zareo, indrindra ireo sembana. Tsy fikasanay velively, sanatriavinay izany, ny haka tahaka fomban-drazana na marika tsy mahazatra ny fiarahamonintsika na ny tena kolontsaintsika Syriana izay ireharehanay ho naha-lehibe anay.

Fifampiangàna

Niteraka hatezeran'ireo Islamista hiringiriny avy hatrany ilay hetsika. Ora vitsy monja taoriana dia nisy ireo kaonty media sosialy namely ny lanonana. Niitatra ho fifandirana ampahibemaso teo amin'ireo “mpitarika jihadista” any avaratr'i Syria ny toe-draharaha, ka niteraka fifampiangàna teo amin'ireo mpitarika izay antsoin'ny manampahaizana sasany hoe “fanjakana enti-teknôlôgy postjihadista” ao Idlib.

Fivakisana ho roa no nisongadina: ny iray, notarihan'ny jihadista Saodiana Musleh al-Aliani, nanameloka ilay hetsika tamin'ny lahatsary ho fampiroboroboana “fombam-mpanompoan-tsampy”, ny faharoa kosa niaro ny Tahrir al-Sham. Ny vondrona voalohany niampanga an'i Tahrir al-Sham sy ny mpitarika azy, Abu Mohammad Al-Julani, ho “namela malalaka ny fiparitahan'ny fitenenan-dratsy”. Ny vondrona faharoa kosa niaro ny fikambanana saingy nanome tsiny ny Fikambanana Violet tamin’ity tranga ity. Nilaza ihany koa ireo mpanohana ny Tahrir al-Sham fa nampiseho fomba fijery mahery fihetsika mampahatsiahy ny ISIS ny vondrona voalohany .

Farany, nofoanan'i Tahrir al-Sham sy ny governemantany ny lanonana, ka natsangana  ny Biraon'ny lanonana tao amin'ny Fitantanana Ankapoben'ny Raharaha Politika, ary nomena baiko ny Fikambanana Violet mba hamafa ny sary rehetra mifandraika amin'ny lanonana ao amin'ireo (tranonkalany). Nangatahana ihany koa ny vondrona mba hamoaka fanambaràna fanadiovan-tena.

Mandritra izany fotoana izany, nanameloka ny lanonana ny mpisera Facebook iray, mitanisa ireo fitarainana isan-karazany ary niantso ny fampiharana ny hisbah — tsirinkevitra islamika amin'ny tamberin'andraikitra izay mibaiko ny tsara sy mandrara ny fanao tsy mety amin'ny Silamo rehetra:

Inona no mitranga any amin'ireo faritra noafahana ireo?! Tsarovy ry mpitondra fa notondrahana ran’ny maritiora ireo faritra afaka ireo.
Feno faharatsiana ny fetiben'ny kianja monisipaly — Ny afo olaimpikam-panompoan-tsampy, ny fiankohofana amin'ny sampy, fampifangaroana ny lahy sy ny vavy, ny mozika mafy, ny fampitam-baovao voakolikoly maka selfie amin'ireo tovovavy izay tsy nisaron-tava mihitsy.
Andriamanitra ô, laviko ny zavatra nataon'ireo olona ireo sy ny zava-dratsy rehetra mitranga any amin'ireo faritra afaka hatreto Idlib ka hatrany avaratr'i Aleppo. Miangavy ny mpitondra aho mba hampihatra avy hatrany ny hisbah.

Nanampy ny mpisera Facebook iray:

Maka ny fahatezeran'Andriamanitra izay rehetra mampiroborobo izany hetsika izany. Tsy mariky ny rariny [araka ny filazan-dry zareo] ny fanilo (olaimpika) entin-dry zareo fa finoam-panompo sampy mifamatotra amin'ny angano grika, maneho ny tsy fahafatesan'ireo andriamanitra ivavahany, tsy misy an'Andriamanitra Tsitoha, ary ny dikan'ny afo mirehitra dia hoe: nangalatra ny afo tany amin’i Zeosy mpanao jadona i Prometheus ilay mpangalatra, ary nomeny ny sarambabem-bahoakan’ny firenena grika. Efa nanomboka tamin’ilay antsoina hoe Lalao Olaimpikam-mpanompo sampy io fombafombampanompo sampy io ary nanomboka tamin’ny vanim-potoana maoderina.

Fifandirana ao amin'ny faritra sy fanjavozavoana

Iray amin'ireo olana maro mampisara-bazana ny Syriana avaratra io  adihevitra momba ny fanilo olaimpika io. Manana anjara toerana lehibe ihany koa ny geopolitikan'ny faritra, anisan'izany ny fisian'ny Tiorka sy ny fifandraisany amin'ny Tafika Nasionaly Syriana (SNA), izay niforona tamin'ny taona 2015. Kinendrin'ny fiaraha-miasa eo amin'i Tahrir al-Sham (HTS) sy i Torkia ny hanasaraka ireo mifandray amin'ny al-Qaeda amin'ireo miezaka manalavitra ny firehan-kevitra (Al Qaeda). Nanaiky ny HTS hanangana efitrano iraisana amin'ny asa, Al-Fatah al-Mubin, mba hampandrosoana ireo ezaka ireo.

Raha mbola mampanontany tena ny fomba ny ahafahan'ny HTS manafoana tanteraka ny ISIS ao amin'ny faritaniny, dia maneho ezaka ho amin'izany ny fanambaràna namonoana ho faty ny mpitarika ny ISIS Usamah Al-Muhajir tamin'ny volana Jolay 2023, .

Fanampin'izany, mety hamitrana ny fifandraisana i Syria sy Torkia araka ny fanehoan‘ny ny filohan'i Torkia fahavononana hamerina ny fifandraisana ara-diplaomatika ho ampahany amin'ny ezaka fampihavanana midadasika kokoa na ny faharesen'ny mpanohitra, raha toa nanoro hevitra ny mety hisian'ny fihaonan'ny efa-tonta kosa ny minisitry ny raharaham-bahiny Rosiana Sergey Lavrov, izay ikendrena hamerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana eo amin'i Torkia sy i Syria. Na izany aza, maro ny antony, toy ny fisian'andian-tafika sy ny raharaha YPG, mahatonga ny sakana irosoana amn'ny fahombiazana ara-diplômatika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.