Miaraha aminay ao amin'ny YouTube Live amin'ny 24 Septambra 2024, amin'ny 4 ora tolakandro UTC ho avy izao amin'ny fifanakalozan-kevitra amin'ny teny anglisy momba ny paikadin'ny fitondrana ao Venezoelà mamoritra ankihy, manomboka amin'ny propangandy ka hatramin'ny tetika fanorisorenana sy fanenjehana tontosa avy amin'ny fampiasana teknolojia.
Tamin'ny 28 Jolay 2024, nanambara ny fandresen'ny Filoha Nicolás Maduro tsy namoaka vokatra antsipiriany ny Fahefam-Pifidianana Nasionaly ao Venezoelà (CNE). Ora vitsy taorian'ny fanambaran'ny CNE, nanohitra ny valim-pifidianana i Maria Corina Machado, lehiben'ny mpanohitra, nilaza an'i González Urrutia no nandresy sady namoaka ny voka-pifidianana manamarina izay lazainy.
Nirongatra avy hatrany ny hetsi-panoherana ary nitohy tsy an-kijanona nandritra ny enina herinandro mahery, nitakiana ny fankatoavana ny voka-pifidianana nozarain'ny mpanohitra, indrindra fa tany amin'ny faritra mpomba mahazatra an'i Chávez, izay nisamborana olona 1.700 mahery sy nahafatesana 24. Nihamafy ihany koa ny fanerena iraisampirenena amin'ny CNE hamoaka ny antontan-taratasim-pifidianana feno raha toa kosa nanamafy ny teti-pamoretana ireo tsy mitovy hevitra aminy ny fitondran'i Nicolás Maduro.
Amin'ity webinar ity isika hijery ny “fonosam-”pitaovana famoretana ankihy fanaon'ny fitondrana Venezoelàna, ny fomba nivoarany ara-potoana, ary hamakafaka ny fomba nampiasana azy ireo taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 28 Jolay.
Manao fanolorana ny hetsika, iarahan'ny Civic Media Observatory sy Advox ato amin'ny Global Voices manatontosa, i Giovana Fleck ao amin'ny Civic Media Observatory, ary hahitana ireto mpandray anjara manaraka ireto:
- Mariví Marín, ProBox
- Marianne Díaz, Acces Now
- Rafael Osío Cabrices, Caracas Chronicles
Jereo eto ny fotoana iray manontolo: