I Brian Hioe, mpamoaka lahatsoratry ny New Bloom, dia nitafatafa tamin'i Tanele Maseko, mpiaro ny zon'olombelona avy any Eswatini ary ny vady navelan'i Thulani Maseko, mpanao politika mpanohitra sady mpisolovava mpiaro zon'olombelona izay maty notifirin'olon-tsy fantatra tamin'ny Janoary tamin'ity taona ity. Koa satria nitranga io taorian'ny nitenenan'ny mpanjaka Swazi, Mswati III, fa tokony ho vonoina ireo mpitsikera azy, dia inoana ho avy aminy ilay baiko famonoana. Ny 18 Oktobra, nitsidika an'i Taipei hamonjy ny Oslo Freedom Forum, i Tanele Maseko.
Na teo aza ny firaketana mampiahiahy momba ny zon'olombelona ao amin'ilay firenena izay fantatra taloha tamin'ny anarana hoe Swaziland, izay novain'i Mswati III ho Eswatini ny Aprily 2018, dia iray amin'ireo mpiara-dia ara-diplaomatika amin'i Taiwan izy. Tena vao haingana kely mihitsy no nitsidika an'i Eswatini ny filoha Taiwaney, Tsai Ing-wen, tamin'ity Septambra ity.
Brian Hioe (BH): Afaka mampahafantatra ny tenanao ve ianao?
Tanele Maseko (TM): Tanele Maseko no anarako. Mpiaro ny zon'olombelona avy any Swaziland aho. Ary vadin'itompokolahy Thulani Rudolph Maseko, mpisolovava mpiaro zon'olombelona sady mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona avy any Swaziland. Izaho ankehitriny no Tale Jeneralin'ny Orina Thulani Maseko izay vao naorina. Manohy manosika ny lova navelany aho, ny idealiny, ny nijoroany, ny niadiany, ary koa izay nahafoizany ny ainy.
BH: Nandalo tamin'ny lasa izay tsy norefesi-mandidy i Taiwan saingy amin'ity tranga ity lasa manohana fitondrana tsy refesi-mandidy izy. Inona no tianao ho fantatry ny vahoakan'i Taiwan momba ny zava-misy any Eswatini?
TM: Tiako ho fantatry ny vahoakan'i Taiwan fa ao anatin'ny toe-javatra tena sarotra i Swaziland. Maro ireo mpiara-miasa sy mpiara-dia aminay no monina any an-tsesitany. Tsy azo atao ny mandray anjara amin’ny pôlitika, noho ny maha-voarara ireo antoko. Lazaina fa mpampihorohoro ireo mpiaro ny zon'olombelona sy mpikatroka ara-pôlitika. Ny tena zava-doza koa, raha i Swaziland no resahana, dia ny firodanan'ny rafi-pampianarana any aminay. Ao anatin'ny krizy ihany koa ny rafi-pitsaboana any aminay.
Manainga ny vahoakan'i Taiwan aho, hamporisika sy hanery ny mpanjaka hiresaka an-kalalahana, tsy misy teritery ary am-pahamarinana ny hoavy sy ny demokrasia ao Swaziland. Nitaraina momba an'i Shina i Taiwan. Ahoana ary no hitarainanao momba an'i Shina nefa ianao mbola manohana ny jadona toa an'i Swaziland ?
BH: Ohatra, taorian'ireo hetsi-panoherana tamin'ny taona lasa, nanome vola ny governemanta Taiwaney ho an'ny fanarenana ary tsy dia nisy resaka ampahibemaso momba ny zava-nitranga tao Eswatini. Afaka maneho hevitra momba izany ve ianao?
TM: Nahita fianarana avokoa ireo tanora ao Swaziland. Fa raha ny momba ny fidirana amin'ny tontolo ny asa dia tsy misy na inona na inona. Satria ny toekarena dia mivangongo eny an-tànan'ny fianakavian'ny mpanjaka sy ireo mpiara-dia aminy ary ny mpanohana azy. Mandao an'i Swaziland ireo mpampianatra amin'izao fotoana izao, hankany Taiwan. Ilaozan'ireo mpanampy mpitsabo i Swaziland, hankany Okraina, satria tsapan'izy ireo fa mendrika karama tsara kokoa ry zareo.
Tsy manana fifidianana akory aza izahay. Safidy no hanananay. Mankany ianao ary mianiana tsy hivadika amin'ny mpanjaka, ny mpandova sy ireo mpandimby azy – fa tsy ny tombontsoan'ny vahoakan'i Swaziland. Tsy misolo tena ireo mponina Swazis mendrika eny an-dalambe ianao rehefa miditra ho ao amin'ny parlemanta. Miantoka ny fahazoanao ny karamanao fotsiny izany, ary tsy miraharaha ny famoronana politika hanampy amin'ny fanatsarana ny fiainan'ireo vahoaka Swazis.
Manana petrabola any amin'ny ankamaroan'ireo orinasa ao Swaziland ny mpanjaka. Ary raha ny fanaovan'ny Mpanjaka raharaham-barotra any Swaziland, dia tsy mamela safidy ho anay satria raha vao ao anatin'ilay fandraharahana ny mpanjaka, dia ambonin'ny lalàna izy, ary tsy afaka entinao hiatrika fitsarana. Na dia manana fitarainana amin'ny maha-mpiasa anao aza ianao, tsy afaka hitondra ny orinasan'ny mpanjaka eny amin'ny fitsarana. Ny mpanjaka no misafidy izay ho lehiben’ny fitsaràna. Tanàn-kavanan'ny mpanjaka ny filohan’ny Fitsarana. Ny mpanjaka no manendry ireo mpitsara.
BH: Amin'ity tranga ity, inona no tianao ho hita hataon'i Taiwan?
TM: Ilainay ny manao fifanakalozan-kevitra amin-kitsim-po sy misokatra miaraka amin'ny mpanjaka momba ny Swaziland malalaka, momba ny lalàm-panorenana vaovao ho an'i Swaziland. Ilainay ny fifampiresahana izay andraisan'ny vahoaka anjara, ka ao anatin'izany izy dia afaka ny hamoaka ny heviny momba ny toekarena sy ny fitantanana ny firenena. Ilainay ny manaiky ireo antoko politika. Ilainay ny fanesorana ny fandraràna ny antoko politika.
Noho izany dia ilainay ho marina sy mahatoky ny filoha Taiwaney ary hiresaka amin'ireo mpiara-dia aminy. Tsy azony atao ny hanohana mpanao didy jadona, nefa koa hitaraina momba ny jadona ataon'i Shina.
Ahoana no ahazoan'ny governemantan'i Taiwan tombontsoa avy amin'i Swaziland? Fankatoavana sy diplaomasia izay mitera-pahavoazana ho an'ireo vahoaka Swazis. Noho izany dia tsapako fa mila ambaran'ny governemanta ao Taiwan mazava tsara ny antony anohanan'izy ireo ny Mpanjaka? Fomba ahoana no hakàny tombontsoa amin'izany? Ary mahasoa ireo olona eny an-dalambe ve izany? Tsia.
BH: Tena faran'izay mahatsikaiky tokoa ny hoe tonga ao amin'ny firenenao ny filoha Taiwaney Tsai ary milaza fa mijoro miaraka amin'i Eswatini amin'ny maha-demokrasia rahavavy azy i Taiwan, kanefa dia io no zava-mitranga.
TM: Eny. Tena manafintohina sy mahasosotra tokoa ny tsy fahamarinan-toetra mitohy asehon'ireo mpitondra politika. Ny tiako holazaina dia, eto ianao manana ny filohan'i Taiwan izay manana fifamatorana akaiky amin'i Swaziland. Mandeha any Swaziland izy, toerana izay henjana be ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, toerana izay nitrangan'ny vono olona nataon'ireo mpitandro ny filaminana, ny tafika, tamin'ny 2021. Tsy manambara na inona na inona izy momba izany. Manan-trosa hanazava aminay izany izy, na farafaharatsiny hanampy anay hahatratra ny demokrasianay.
BH: Nisy valinteny avy amin'ny governemanta Taiwaney ve?
TM: Nihaona tamin’ny filohan’ny parlemanta izahay. Nihaona tamin'ireo mpikambana samihafa ao amin'ny mpanao lalàna izahay. Nihaona tamin’ny minisitra lefitrareo misahana ny raharaham-bahiny koa izahay. Indrisy anefa, tsy afaka milaza ny zava-nitranga tamin'ireny fihaonana ireny aho. Fihaonana manokana sy mikatona izy ireny.
BH: Araka ny hevitrao inona no tokony hataon'ny vahoaka Taiwaney raha te-hanohana ny demokrasia ao Swaziland izy ireo?
TM: Tokony hiresaka amin'ny governemantany ny vahoaka ao Taiwan ary hitaky tamberin'andraikitra hilazany ny antony hanohizan-dry zareo ny fanohanana mpanao didy jadona. Ary ny vahoakan'i Taiwan dia mila mijoro miaraka amin'ny vahoaka ao Swaziland hanohana anay amin'ny fikatsahana ny demokrasia. Tsy maintsy miray hina aminay izy ireo amin'ny fiantsoana ny filohany hoe, Ramatoa Filoha, raha mino ny lanjan'ny zon'olombelona ianao, dia aoka isika hanohana ny vahoaka ao Swaziland, ary tsy hanohana an'io mpanao didy jadona io.
Eto am-pamaranana dia te-hiteny marina aho hoe: Toerana mahafinaritra i Taiwan izay manana olona tsara fanahy sy sariaka. Saingy mila manohana ny vahoakan'i Swaziland ireo Taiwaney mba hitovy amin'izy ireo izahay, ary handrosoanay. Tsy vitanay anefa izany raha tsy samy manao ny marina ny tsirairay ary raha tsy mijoro anaty firaisankina ny rehetra. Miangavy ny vahoaka Taiwaney aho mba hanosika ny governemantany hanao tsindry amin'ny Mpanjaka, hampitsahatra ny famonoana sivily tsy manan-tsiny, hampitsahatra ny famonoana ireo mpikatroka ara-pôlitika, hampitsahatra ny fisamborana sy fampijaliana ireo mpiaro ny zon'olombelona, ary hikatsaka fifanakalozan-kevitra amin'ny anaran'ny vahoakan'i Swaziland.