Tamin'ny herintaona, ny Civic Media Observatory (CMO) namolavola tetikasa fikarohana mba hahatakarana sy hamakafakana ny lahateny momba ny angon-drakitra ampiasaina amin'ny fitantanana, fanaraha-maso ary politika any El Salvador, Brezila, Torkia, Sodàna, ary India. Niafara tamin'ny nanaovan'ny Data Narratives Observatory fivoriana niarahana tamin'ny Conneced by Data, fikambanana miasa amin'ny hampidirana vondrom-piarahamonina eo anivon'ny fitantarana, fomba fanao ary politikan'angon-drakitra izany.
Inona ny fitantanana angon-drakitra aminao? Rehefa ao an-tsaina io fanontaniana io, dia horesahantsika amin'ny 30 septambra (1 pm UTC / 2 pm London / 9 am Washington/4 pm Antananarivo) ny mahatonga ny fitantanana angon-drakitra ho manandanja ny fiantraikany amin'ny fiainan'ny olona. Amin'ny teny anglisy no hanaovana indrindra ny fifanakalozan-kevitra.
Andiam-pifanakalozan-kevitra tsy ofisialy, virtoaly mifantoka amin'ny fitsipiky ny fitantanana angon-drakitra iombonana, demôkratika, andraisana anjara ary anapahan-kevitra ny Connected Conversations. Kinendrin'ireo hetsika ireo ny hitrandrahana sy handalinana ny fahatakarana ny fomba hitantana sy hifehezana ny angon-drakitra ao amin'izay fomba hampidirana fijery samihafa ary hampiroboroboana fanapahan-kevitra iombonana.
Araka ny fikarohanay, hitan'ireo mpikatroka sy mpikaroka any Sodàna ny fitantanana ny angon-drakitra ho toy ny fitsipika sy fomba fanao itantanana angon-drakitra, mifantoka tanteraka amin'ny fitantanana tompon'andraikitra manao ho laharam-pahamehana ny mahasoa ny olona. Eken'ny fomba fanaraha-maso ao Brezila ny fahasarotana sy ny hadirin'ny fitantanana angon-drakitra, mijery azy io ho ara-politika sady marolafy. Ao El Salvador izy io jerena ho toy ny lasitrasa ara-dalàna mifototra amin'ny fiarovana angon-drakitra, fiainana manokana, ny fahamarinany ary ny maha-azo antoka azy, indrindra amin'ny fifandraisany amin'ny Ilontsaina Arafitrolombelona sy ny fitsipiky ny vola anjotra (cryptocurrency). Atonin'India amin'ny sosona, miompana amin'ny fiarovana ny angon-drakitra, ny fiarovana, ary ny fitantanana votoaty anjotra ny fitantanana angon-drakitra, amin'ny fanekena ny herin'ireo Teknolojia Goavana (Big Tech) amin'ireo sehatra ireo. Ao Tiorkia, heverina ho ampahan'ny fitantanana nomerika ny fitantanana angon-drakitra, mifandray amin'ny aterineto sy ny fitantanana torohay, saingy miatrika fanamby amin'ny famaritana noho ny voambolana mifanitsaka sy midadasika.
Amin'ity Connected Conversations (Resadresaka Tafaraka Anjotra) ity isika hanontany ny mety ho dikan'ireo fomba fijery miorim-paka ireo amin'ny fanentanana manerantany momba ny fitantanana angon-drakitra, mitrandraka ny mety hanohanana na hihaikan'ny tsikaritry ny Civic Media Observatory ireo mpanandra-peo mijoro ho an'ireo fitantanan'ny vondrom-piarahamonina angon-drakitra iombonana.