Global Voices manolotra ny tale mpanatanteraka vaovao ao aminy

Malka Older, Global Voices' new Executive Director. Photo by Allana Taranto, Ars Magna. Used with permission.

Malka Older, tale mpanatanteraka vaovao ato amin'ny Global Voices. Saripika an'i Allana Taranto, Ars Magna. Nahazoana alàlana.

15 Septambra 2024

Mandray ny tale mpanatanteraka vaovao ato aminy ny Global Voices, Malka Older, fanta-daza amin'ny maha-mpanoratra tantara siantifika foronina, akademisiàna, ary mpiasa fahiny azy efa manana traikefa am-polon-taona mahery teny an-kianja tamin'ny fanampiana noho ny maha-olona sy ny fampandrosoana iraisampirenena avy any Sodàna ka hatrany Indônezia.

Older, izay nosafidian'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices tao anaty fikarohana henjana, erantany, naharitra enina volana, no handimby an'i Ivan Sigal, tale mpanatanteraka nisahana ny fihavaozana tato amin'ny Global Voices, izay nanatanjaka sy nanitatra ny vondrom-piarahamonin'ireo mpandray anjara sy ny asan'ny Global Voices tato anatin'ny 16 taona lasa. Tamin'ny Febroary i Sigal no nanambara ny faniriany hamadika pejy iray vaovao ary ankehitriny dia miaraka miasa amin'i Older mba hisian'ny tetezamita milamina sy mahomby.

“Nandritra ny 16 taona lasa, i Ivan no nitarika tamim-pahasoavana, tamim-pahatakarana ny hafa sy tam-pahendrena tamin'ny alàlan'ireo fiovàna lalina teto amin'izao tontolo izao sy ireo haino-vaky-jery ampiasaintsika mba hahatakarana izany. Sarotra ny misaintsaina Global Voices tsy misy azy,” hoy i Ethan Zuckerman, mpiara-manorina ny Global Voices niaraka tamin'i Rebecca MacKinnon, izy roa ireo izay samy mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana amin'izao fotoana izao. “Nefa sarotra ihany koa ny hamaritra ny fetran'ny fientanentananay momba an'i Malka Older sy ny fifangaroan'ireo traikefany sy fahaizamanaony tena tokamiavaka. Mora ny maka sary ao an-tsaina ny Global Voices eo ambany fitarihany izay miofo hiatrika io fotoana io no sady hihazona ireo soatoavin'ny fahamaroana sy ny fandavantena izay nimatimatesantsika hatrizay.”

Ny filohan'ny filankevi-pitantanan'ny Global Voices, Mary Kay Magistad, izay nitarika ny fikarohana ny ho tale mpanatanteraka vaovao, dia nilaza fa naharesy lahatra ny filankevi-pitantanana i Older tamin'ny fahafantarany betsaka sy ny fanajàny ireo soatoavina sy iraka tontosain'ny Global Voices, ary ny fomba fisainany manana vina momba ny asa ataon'ny Global Voices sy ny ho azony atao.

“Nambaran'i Malka taminay fa inoany hoe ny ‘vaovao mangarahara, manaraka ny foto-pitsipika, misy fijery marolafy no iray amin'ireo fanoitra tena manandanja indrindra azontsika ampiasaina hanatsaràna ny demaokrasia, ny fahitsiana ary ny fahatsapàna ny hafa’,” hoy i Magistad. “Milaza izy fa ny fahitàny ny Global Voices dia toy ny ‘andrana iray miezinezina, vondrom-piarahamonina sy sehatra iray hanorenana tontolo iray tsara kokoa.’ Izany indrindra no foto-pisainana ilain'ny Global Voices  ao anivon'ireo mpitantana ambony ato aminy, ary izany no niainany niaraka tamin'i Ivan sy ny tale jeneraliny, Georgia Popplewell. Ho feno fankasitrahana mandrakariva an'i Ivan izahay tamin'ny asa mahafinaritra vitany teo amin'ny fitarihana ny Global Voices tao anatin'izay 16 taona lasa izay, ary ravoravo mandray an'i Malka hisolo toerana azy.”

Global Voices, niorina tamin'ny 2004, dia vondrom-piarahamonina iraisampirenen'ireo mpanoratra, mpandika lahatsoratra ary mpikatroka mpiaro zon'olombelona, mampiasa fiteny maro, avy amina firenena am-polony maro izay mampiasa ny herin'ny aterineto mba hitantaràna ireo tantara izay manorina ny fahatakarana mandeha miampita sisintany. Efa hatry ny ela i Older no mpankafy ny Global Voices, ary mahita fifandraisana eo amin'ireo zavamahaliana azy manokana sy ireo sehatra ifantohan'ny Global Voices.

“Amin'ny fidirana ho Global Voices, faly aho tafiditra ho anaty fikambanana iray izay manolo-tena ho amin'ireo olana maro mampiasa loha ahy: ny vaovao; ny fifandraisana kolontsaina maro sy fiteny maro ary ny fahatakarana ny hafa; ny zon'olombelona sy ny demaokrasia; ny vondrom-piarahamonina, ny fanapariahana, ary ny fitantanana; ireo fiteny vitsy an'isa sy indizeny,” hoy i Older. “Tena talanjona amin'ireo zava-drehetra vitan'ny vondrom-piarahamonina Global Voices aho, ary manantena ny hiaraka hiasa hanohy ny famoronana fahatakarana sy hitantara ireo tantara manandanja miaraka amin'ireo fanamby vaovao ao anatin'ity tontolon'ny haino-vaky-jery tsy mitsahatra ny miova ity.”

Ny eritreritr'i Older momba ireo fanamby sy hirika tahàka izany dia samy hita taratra ao anatin'ny tantara foroniny miresaka siansa sy anatin'ny asa akademika nataony amin'ny maha-profesora mpiaramiasa azy ao amin'ny Sekoly ambony ho an'ny Hoavin'ny Famoronana anatin'ny Fiarahamonina, ao amin'ny Oniversitem-panjakana (Arizona State University’s School for the Future of Innovation in Society), sy amin'ny maha-mpikaroka mpiaramiasa azy ao amin'ny Crisis Lab ao amin'ny Sciences Po any Parisy. Tao amin'ny Sciences Po ihany koa i Older no namita ny PhD-ny amin'ny sôsiôlôjia, nifantoka tamin'ny fihetsiketsehan'ny fandraisana an-tànan'ireo governemanta rehefa aorian'ny loza voajanahary. Isan'ny hita anatin'ireo traikefany am-polo taona tamin'ny asa fanampiana nataony noho ny maha-olona sy ny asa fampandrosoana ny fampandehanana ny biraon'ny Mercy Corps tany Darfur, Sodàna, ary ny niasàny ho talen'ny fandaharanasa  Mercy Corps tany Indonezia, hatramin'ireo asa nataony tanaty tetikasa mpanolotsaina tany Ekoatora, ny Nosy Salômôna, Japàna, Myanmar, Ogandà ary Sri Lanka.

Ireo tantara telo noforonin'i Older voalohany, Infomocracy (2016), Null States (2017) sy ny State Tectonics (2018), no mandrafitra ny Centenal Cycle trilogy, izay tafakatra tamin'ny dingana famaranana hahazo ny loka Hugo Awards ho an'ireo Andian-tantara Tsara Indrindra tamin'ny 2018. Infomocracy ihany koa dia voatondron'ny Washington Post, Kirkus ho iray amin'ireo boky tsara indrindra tamin'ny 2016. Ny tantara nosoratan'i Older, The Mimicking of Known Successes (2023), dia tonga tamin'ny famaranana hahazo ny loka Hugo 2024, ary teo aoriany ny The Imposition of Unnecessary Obstacles (2024).

“Eo am-pamakiana ny asan'i Malka, dia toy ny hoe napetraka any anatin'ireo tantara nosoratany ireo fifanakalozankevitra nifanaovako isanandro tamin'ireo mpiaramiasa ato amin'ny Global Voices. Nifono zava-miafina tsy hita avanavana ilay izy,” hoy i Sigal. “Ilay fanahiny mahasehaka ny tontolo sy ny fomba fijery hafahafany momba ireo olana manodidina ny vaovao, ny fitantanana, ary ny fomba fipongatr'ireo fikambanana sy vondrom-piarahamonina avy ao anatina krizy dia tena mifanaraka tokoa amin'ireo hetaheta sy ny iraka tontosain'ny Global Voices.”

Older, olompirenena amerikàna manana fiaviana kiobàna avy amin'ny lafy iray amin'ireo ray aman-dreniny, dia any Eorôpa no mipetraka amin'izao fotoana izao. Ankoatra ny anglisy, tenindreniny, dia misosa ihany koa izy raha hiteny espaniôla sy japôney, ary afaka miresaka amin'ny fiteny frantsay, italiàna ary Bahasa Indonezia.

Afaka atao ny mifandray amin'i Older amin'ny alàlan'ny pejin'ny mpanoratra amin'ny anarany ato amin'ny Global Voices.

Ny Filankevi-pitantanan'ny Global Voices

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.