Famelezana voarindra sy voalamina hamelezana ny mpanao gazetin'i Hong Kong

Selina Cheng, mpitondratenin'ny Fikambanan'ny Mpanao gazety Hong Kong, amin'ny 13 Septambra 2024. Saripika: Kyle Lam/HKFP. Nahazoana alalana.

Navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 13 Septambra 2024 ity tatitra ity. Navoaka ho ampahany amin'ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-botoaty ity endrika nasiam-panitsiana manaraka ity.

Mpanao gazety avy amin'ny seha-baovao 13 fara fahakeliny ao Hong Kong no niharan'ny antsojay anjotra sy ivelanjotra tamin'ny toa “fanafihana mirindra sy voalamina”, hoy ny vondrona mpanao gazety lehibe indrindra ao an-tanàna.

Nilaza i Selina Cheng, filohan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Hong Kong (HKJA), nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 13 Septambra 2024, fa nanomboka tamin'ny volana jona lasa teo, mpanao gazety am-polony no nahazo mailaka sy taratasy misy votoaty fanalam-baraka nalefa tamin'ny adiresiny, ny toeram-piasany ary ny toerana hafa. Anisan'ireo lasibatra ny mpanao gazety avy ao amin'ny Hong Kong Free Press, InMediaHK, HK Feature, ary ireo mpikamban'ny komity mpanatanteraky ny HKJA.

Mpanao gazety 15 no nahita fitarainana (momba azy) nalefa tany amin'ny fianakaviany, ny tompon-tranony, ny mpampiasa azy ary ny fikambanana misy azy, hoy i Cheng. Voarahona ny sasany amin'ireo nahazo fitarainana fa raha manohy mifanerasera amin'ny mpanao gazety izy ireo dia mety ho mandika ny lalànan'ny filaminam-pirenena.

Nilaza i Cheng fa tsy fantatry ny HKJA ny fomba nahazoan'ireo tao ambadiky ny fanentanana ny mombamomba ireo mpanao gazety, ary nampiany fa miahiahy ry zareo amin'ny fanaporitsahana tsy ara-dalàna ny angon-drakitry ny governemanta na tsy miankina.

Nisy ihany koa ireo mpisera Facebook namoaka “votoaty feno fankahalana” mikendry seha-baovao sy mpanao gazety ao amin'ny vondrona Facebook an-takonana. Raha kely indrindra dia mpanao gazety 36 no voatonona ary nozaraina tamin'ireo ranty ireo ny sariny.

Nahitana fandrahonana ho faty ihany koa ny antsojay, hoy i Cheng. Namoahana sary an-jotra mifanila amin'ny antsy sy lasibatra fitifitra ireo mpanao gazety sy mpikambana ao amin'ny HKJA. Nalefa tamin'ny mpanao gazety sy ny ray aman-dreniny avy eo ireo sary ireo “hampiharihary fampitahorana sy fandrahonana azy ireo”, hoy i Cheng.

“Nitory ireo fanorisorenana sy ny fihetsika manelingelina ireo tamin'ny polisy ny HKJA, sy ireo olona maromaro lasibatra, ary nanao fitarainana heloka bevava noho ny famoahana tsiambaratelo tany amin'ny Biraon'ny Kaomisera misahana ny Fiainana an-takonana ihany koa ny mpanao gazety roa,” hoy hatrany i Cheng, nanondro ny kiadin'ny fiainana manokana ao an-tanàna.

Tamin'ny famaliana ny fanontanian'ny mpanao gazety dia nilaza i Cheng fa nahazo antsojay toy izany “ny ankamaroan'ny” mpikambana ao amin'ny komity mpanatanteraky ny HKJA, ary anisan'izany ny tenany. Nolazainy ihany koa fa nahazo hafatra fandrahonana nalefa tany amin'ny toeram-piasany koa ny roa tamin'ny havany.

Raha nanontaniana hoe nikendrena lohahevitra manokana na famoaham-baovao manokana ve ny fanorisorenana, dia nilaza i Cheng fa toa tsy izany no izy. Asongadin'ny ranty sasany ny fifidianana filoham-pirenena any Taiwan na ny famoahana rano maloto ao Fukushima, saingy lohahevitra “mety” avokoa ireo, hoy izy tamin'ny teny kantoney.

It’s not aimed at specific reports or specific news outlets… but the harassment is targeted at the journalism industry as a whole.

Tsy mikendry tatitra manokana na famoaham-baovao manokana… fa ny fanorisorenana ny indostrian'ny asa fanaovan-gazety amin'ny ankapobeny no lasibatra.

Nilaza ihany koa i Cheng fa io no ohatra miparitaka be indrindra amin'ny lazaina fa fanorisorenana mpanao gazety ao Hong Kong izay henon'ny HKJA. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay dia “tena tsindraindray” ny fanafihana, hoy izy.

Clearly, some of these parties and perpetrators feel it might have worked sometimes to continue to widen their area of attack even though most of the time it’s hit or miss. As long as they target enough people… [there will be] cases where they’re able to bend people to their will. I don’t believe that is right. That is why we’re making a loud call today saying we don’t accept such behaviour.

Miharihary, mahatsapa ny sasany amin'ireo vondrona sy mpanao ratsy ireo fa mety hahomby indraindray ny manitatra ny faritra tafihana na dia kitanontanona aza izany matetika. Raha mbola mikendry olona ampy izy ireo… [hisy] tranga izay ahafahan-dry zareo manondrika ny olona amin'ny sitrapony. Tsy mino aho fa marina izany. Izany no mahatonga anay manao antso avo androany milaza fa tsy manaiky ny fihetsika toy izany izahay.

Niantso ireo fikambanam-baovao ihany koa ny filohan'ny HKJA mba hanameloka imasom-bahoaka ny antsojay, sy ny hanaovan'ny mpampihatra lalàna sy ny kiadin'ny fiainana manokana fanadihadiana.

Tamin'ny herinandro lasa teo, nandefasan'olon-tsy fantatra anarana taratasy fanalam-baraka, hosoka ary fandrahonana “tsy takatry ny saina ny fiantraikany” sady “voasaringotra ao koa” ny tompon-trano ipetrahan'ny talen'ny HKFP sy ireo sampan-draharaha mpivarotra sy mpampanofa trano ao an-toerana, raha tsy hoe voaroaka tao amin'ilay trano sy distrika ny tale. Raha tsy niraharaha ny fandrahonana ireo masoivoho sy ny tompon-trano, dia nitatitra ny zava-nitranga tamin'ny polisy ny talen'ny HKFP Tom Grundy tamin'ny sabotsy.

Rehefa nangataka fanehoan-kevitra tamin'ny polisy ny HKFP, dia nilaza ny mpitondrateniny tamin'ny zoma: “Fiarahamonina iorenan'ny fanjakana tan-dalàna i Hong Kong. Raha miahiahy ny vahoaka fa misy mampitahotra na manao antsojay, dia tokony hampandre ny polisy ny tranga. Handray an-tanana ny raharaha tsirairay mifanaraka amin’ny lalàna sy ny toe-java-misy marina ny polisy”.

Araka ny RTHK, nilaza i Michael Cheuk, sekretera lefitra misahana ny filaminana, hoe: “Fanjakana tan-dalàna i Hong Kong. Melohinay izay karazana hetsika rehetra tokony ho voarara. Na iza na iza tsy tokony horahonana, tsy manantahotra, ary tsy ho tratran'ny antsojay… Na iza na iza ianao, raha mahazo fandrahonana na fanorisorenana toy izany ianao dia mivoaha ary torio izany.”

Nampiany hoe: “Ny fahalalahan'ny tsirairay, tsy momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ihany, tsy manan-tahotra, malalaka maneho hevitra, (ary) na ahoana na ahoana, dia tokony hohajaina ireo zo ireo ary tsy tokony hosembantsembanina.”

‘Fitsabahana henjana amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety’

Tonga ny fampitahorana raha mbola ratsy toerana i Hong Kong eo amin'ny filaharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eran-tany noho ny fiantraikan'ny lalànan'ny fiarovam-pirenena.

Hatramin'ny nametrahan'i Beijing ny lalànan'ny filaminam-pirenena tamin'ny taona 2020, dia maro ny fanakatonana famoaham-baovao tao an-tanàna, anisan'izany ny Apple Daily sy Stand News, izay nakatona taorian'ny fisavana nataon'ny polisy ny birao sy ny fisamborana ireo lehiben'ny tonian-dahatsoratra.

Na izany aza, tazonin'ny manampahefana fa “voahaja sy voaaro” ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Hong Kong.

Nosoritan'i Selina Cheng nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety fa “tena fitsabahana amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety” ny fanafihana, ary nampiany fa melohiny ireo fikasana hampiasa “fomba tsy ara-dalàna toy ny fandrahonana sy antsojay mba hanakanana sy hampitahorana mpanao gazety mandritra ny fanatanterahany ny asany arovan'ny lalàmpanorenana”.

Nandrisika ireo mpanao gazety nisedra fanorisorenana ny vondrona mba hampandre ny mpampiasa azy ary hametraka fitoriana any amin'ny polisy sy ireo kiadin'ny fiainana manokana ao an-tanàna.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.