Voninahitra ho ahy ny manatevina laharana ny Global Voices, fikambanana iray nankafiziko hatry ny taona maro. Mpamaky no nahatongavako voalohany tato amin'ny Global Voices, faly nahita toerana iray nahafahako mamaky tantara momba ireo toerana tsy misy fantatro na kely aza, ary manavao fahalalàna momba ireo toerana efa nilaozako, tantara nosoratan'ireo olona miaina any sy amin'ny fiteny iainany. Nankafiziko ny nahazo vaovao momba ny sakafo, mozika ary ireo olana eny an-toerana arahana famakafakàna ireo tantara tsara fandrakofana kokoa sy misy fiantraikany ara-jeôpôlitika. Ny famakiana ny Global Voices no nanome ahy fahatakarana bebe kokoa ny tontolo sy fifandraisana matanjaka kokoa amin'ireo toerana tsy mbola notsidihako velively.
Taona vitsy taty aoriana, nikaroka fikambanana aho izay mifampizara soatoavina amiko sy nifamatotra manokana amin'ireo olana nosoratako, satria tiako ny hampifandray ireo mpamaky ny tantara noforoniko amin'ireo hetsika tena misy eo amin'ny fiainana, miatrika asa mikorontana, manahirana, sy manandanja amin'ny fanatsaràna ny tontolo. Safidy iray nibaribary ny Global Voices, noho izy mandray marobe amin'ireo olana mampiasa loha ahy. Ny fanomezna vaovao azo itokiana, izay mifototra amin'ny fomba fijerin'ireo izay miaina azy, ny fananganana fahatakarana mamakivaky ireo fiteny sy sisintany, ny fampiakoana ny feon'ireo izay mazàna no tsinontsinoavina, ny filazàna ireo tantara izay mandeha lavitra noho ny vaovao mafàna sy ny fitantaràna krizy: ireny rehetra ireny dia singa fototra amin'ny fanefena ny tontolo ho toerana iray tsara kokoa.
Raha ny marina, arakaraky ny nijereko ny tato amin'ny Global Voices no vao mainka nampitombo ny fitiavako. Ny asa fandikàna, fanohanana ireo fiteny vitsy an'isa sy indizeny, ny fahaiza-mamaky ny haino-vaky-jery, ny zo nomerika, ny fikarohana —fikarohana momba ireo fitantaràna anaty haino- vaky-jery!— ireny rehetra ireny dia zavatra tiako ho hita eto amin'izao tontolo izao, zavatra tiako handraisana anjara.
Rehefa nahafantatra nisinisy kokoa momba ny fikambanana aho, nisy singa iray hafa manandanja kokoa lasa niharihary tamiko: ny vondrom-piarahamonina. Eny, tena ilaina ireo asa fandikàna sy ireo tantara ary fikarohana avoakan'ny Global Voices ho an'izao tontol izao; dia toy izany koa ny fomba anaovan'ilay fikambanana azy io, fananganana vondrom-piarahamonina iray mifanohana, manana kolontsaina marolafy, ahitàna olona mavitrika amin'ny fifanakalozana hevitra ary ahitàna fisoloan-tena voahevitra tsara. Ny fananganana sy fampaharetana vondrom-piarahamonina iray tahaka izany dia efa fahombiazana tanteraka— amin'ny maha-sôsiôlôgy-na fikambanana ahy, tena nitolagaga ara-tsaina aho manoloana ny zavatra iainana amin'ilay fitantànana virtoaly, ary amin'ny maha-mpiasa amin'ny maha-olona ahy dia talanjona aho.
Izaho mino fa io koa dia ampahany amin'ny fomba ahavitàn'ny Global Voices mbola manohy misy fiantraikany miabo tahaka izao: amin'ny alàlan'ny fiezahana hihaino, hihazona ny rafitra fandraisana fanapahankevitra itsinjaram-pahefàna, hijerena ireo dingana sy hatramin'izay ho vokany; indrindra indrindra fa amin'ny maha-vondrona iray izay ankafizin'ny olona ny maha-mpikambana azy ao anatiny. Tena faly aho ny handalina ireo tetikasa rehetra ato amin'ny Global Voices, fa voalohany indrindra dia antenaiko ny ho lasa isan'ny ao anatina vondrona iray ahitàna olona mirotsaka amim-pahalinana sy an-kafaliana hiasa miaraka mba hahatonga ny tontolo ho tsara kokoa.