MENA lasa WANA: Nahoana no manandanja ny voambolana?

Kopian'ny saritanin'izao tontolo izao nataon'i Muhammad Al-Idrisi avy amin'ny ‘Alî ibn Hasan al-Hûfî al-Qâsimî’ tamin'ny taona 1456. Tamin'ny taona 1154 ny ôrizinalin'ny sarintany. Ny atsimo no ambony indrindra amin'ny sarintany. Image avy amin'ny Wikimedia Commons. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Efa ela ny nampiasaina ny “Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra” (MENA) hamariparitana faritra iray midadasika mahatratra an'i Maraoka hatrany andrefana ka hatrany Iran any atsinanana. Na dia izany aza, voatsikera ho manao ho ivo an'i Eoropa izany voambolana izany, ary tato anatin'ny taona vitsivitsy izao dia nirongatra ny fanoloana ny MENAho SWANA (Azia Atsimo Andrefana sy Afrika Avaratra) na WANA (Azia Andrefana sy Afrika Avaratra).

Koa satria moa ao anatin'ny iraka ataonay ny manandratra avo ny feo manerana izao tontolo izao, ary ho fankatoavana ny halehiben'ny fiteny, dia nanapa-kevitra izahay ato amin'ny Global Voices ny handray ny teny hoe WANA fa tsy MENA intsony ho fomba iray hanoherana ireo voambolana lany andro sy navelan'ny fanjanahantany.

Asehon'ity fiovana ity ny fitomboan'ny fahatsiarovan-tena amin'ireo navelan'ny mpanjanaka sy ny faniriana handrava ireny manerana izao tontolo izao. Tafiditra ao anatin'izany dingana izany ny fanesorana ny fiteny sy ny voambolam-panjanahantany hiresahana momba an'izao tontolo izao sy ny mponina ao aminy.

‘Ao afovoany avy aiza, atsinanan’inona?’

Teny niorim-paka tamin'ny fanjanahantany Eoropeana, noforonina tamin'ny taonjato faha-19 ny “Middle East” [Proche Orient/Afovoany Atsinanana]. Manao ho ivo an'i Eoropa izany, mametraka an'i Eoropa ho eo afovoan'ny sarintanin'izao tontolo izao ary manisy marika ny faritra atsinanany araka ny halavirana amin'io ivo io.

Mampitoetra io fisainam-panjanaka io amin'izany fomba fijery izany ny fanohizana mampiasa ny Afovoany Atsinanana. Tsy dia manampy firy hamahana ity olana ity ny fanovanana “Afrika Avaratra” mahatonga ny MENA , satria mbola mampifandray faritra roa — ny iray voafaritra tsara ara-jeografia ao amin'ny kaontinantany ary ny iray mifototra amin'ny fifandraisany amin'i Eoropa — eo ambany elo tokana tsy fantatra. ny maha-izy azy sy ny niainany ara-tantara.

Adihevitra fiteny arabo?

Amin'ny fiteny Arabo, miovaova ny voambolana ampiasaina anondroana ny faritra ary matetika miankina amin'ny toe-draharaha politika. Ny tena fampiasa dia “الشرق الأوسط”, izay mandika mivantana ilay manao ho ivo an'i Eoropa hoe “Afovoany Atsinanana.” Na dia ampiasaina ho safidy manaiso-panjanahana aza ny voambolana hafa toy ny hoe “غرب آسيا” midika hoe “Azia Andrefana”  amin'ny sehatra akademika sy politika, dia tsy be mpampiasa noho ny “Afovoany Atsinanana”. Hita matetika amin'ny tatitry ny Firenena Mikambana anefa ny Azia Andrefana, sy mandritra ireo hetsika ara-panatanjahantena na fiadiana tompondaka isam-paritra.

Voambolana hafa fampiasa matetika ny “الوطن العربي,” midika hoe “Tanindrazana Arabo,” na “العالم العربي,” midika hoe “Tontolo Arabo,” izay ampiasaina matetika ho fanamafisana ny fifamatorana ara-piteny, kolontsaina ary ara-tantara eo amin'ny vahoaka Arabo ao amin'ireo firenena 22 mandrafitra ny Ligy Arabo. Ahilik'io fomba fiteny be mpanohitra io ireo firenena tsy miteny Arabo ao amin'ny faritra WANA midadasika kokoa, fa ny voahilika indrindra dia ireo vondrona maro tsy Arabo izay mandrafitra ampahany manokana ao anatin'ireo firenena samihafa ao amin'ny faritra, toy ny Kiorda, Amazighs, Armeniana, Asyriana ary ireo maro. Voambolana iray hafa matetika ampiasaina hilazana faritra midadasika kokoa ny “Tontolo Miozolomana”, izay manilika ireo vondrona tsy Silamo maro ao anatin'ity jeografia ity, sy ireo vondrona Miozolomana maro ivelany.

Na dia misy aza ny adihevitra amin'ny teny arabo mifandraika amin'ny mari-panondroana, ny jeografia ary ny fanesorana ny fanjanahantany, dia mbola tsy rem-bahoaka loatra miohatra amin'ny teny Anglisy izany. Toy izany koa no azo lazaina amin'ireo fiteny lehibe hafa be mpampiasa toy ny teny frantsay, espaniola na mandarin izay mbola mampiasa matetika ny teny mitovy amin'ny “Afovoany atsinanana” fa tsy amin'ny teny marina ara-jeografia toy ny Azia Andrefana. Na izany aza, misy ny adihevitra, na dia voafetra aza.

Nahoana no SWANA na WANA?

Iray amin'ireo tohan-kevitra lehibe  hanohanana ny SWANA na ny WANA ny fahamarinan'ny fanondroana ara-jeografika omen'ireo voambolana ireo. “Azia Atsimo Andrefana” sy “Azia Andrefana”, toy ny “Afrika Avaratra”, dia famaritana ara-jeografika ny faritra iray, mametraka azy ao anatin'ny tontolon'ny kaontinanta. Manafoana ny fomba fijery Eoropeana ireo teny ireo ary mifantoka amin'ny jeografian'ny faritra.

Nahazo vahana ny fampiasana ny WANA teo amin'ireo manam-pahaizana sy mpikatroka mpanaiso-panjanahana izay mikatsaka ny hihaika ny fanivoana eoropeana na fanivoana atsinanana toy ny MENA, tontolo Arabo, tontolo silamo, sns izay nampiasaina hamariparitana ireo faritra midadasika sy samihafa ireo.

Ny fanondroana ara-jeografika madiodio an'i SWANA na WANA dia ahafahana mankatoa ny fahasamihafàna ao anatin'ireo faritra ireo, sy ny fifanakaikezana sy ny fifandraisan'ny faritra misy azy.

Manamora kokoa ny fahatakarana mari-panondroana, ilay tsy voafetran'ny fanasokajiana kolonialy na kolontsaina ireo voambolana ara-jeografika ireo. Amin'ny alàlan'ny fandraisana ny WANA ho famariparitana faritra ara-jeografika mifanerasera akaiky, afaka manome voninahitra bebe kokoa ny fahasamihafan'izy io sy ny olona miantso azy io isika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.