Lahatsoratra mifototra amin'ny tati-baovaon'ny Meta.mk. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panovana araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.
Nandritra ny herinandro nifarana ny 5 septambra teo, trangan-kohadavareny na pertussis vaovao 25 no tsikaritra tany Makedonia Avaratra, izay fitomboana 47,1 isanjato raha oharina tamin'ny fe-potoana fito andro teo aloha, hoy ny Ivotoerana momba ny fahasalamam-bahoaka ao amin'ny Repoblikan'i Makedonia Avaratra. Raha tsinjaraina ara-jeografika dia tao an-drenivohitra Skopje ny ankamaroan'ny tranga.
Anelanelan'ny 1 volana ka hatramin'ny 60 taona ireo tratran'ny aretina ireo, ary latsaky ny herintaona ny ampahatelony. Raha ny fanaovam-bakisiny, tsy vita vakisiny ny 18, na tsy feno tanteraka ny vakisiny na tsy fantatra mazava hoe vita vakisiny sa tsia, enina nahazo fatram-bakisiny feno, ary natao vakisiny araka ny taonany kosa ny iray. Naiditra hopitaly ny dimy amin'ireo tranga vaovao 25 ireo.
Teo anelanelan'ny 1 Janoary sy 5 Septambra, nahatratra 1074 ny isan'ny trangan-kohadavareny vaovao voarakitra tany Makedonia Avaratra. Fitomboana be izany raha oharina tamin'ny dimy taona teo aloha (2019-2023) raha 10 ny fitambaran'ny tranga voarakitra.
Nampitandrina amin'ny fiakaran'ny kohadavareny hatramin'ny volana febroary [mg] ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana, hoy ny tatitry ny Global Voices tamin'izany fotoana. Nampitandrina ny epidemiolojista fa ny vakisiny ihany no vahaolana amin'ny kohadavareny, izay efa foana tao anatin'ny dimampolo taona farany. Ary na dia tsy maintsy atao araka ny lalàna Makedoniana aza io karazana vakisiny DTaP na DTP io, dia notoherin'ny fanentanana antivaccination ny fijery ara-tsiansa. Izany no tsy nahatrarana 95 isanjato ny fanaovam-bakisiny voalohany amin'ny sehatra nasionaly.
Eoropa sy Amerika no tena tratra
Nipongatra manerana izao tontolo izao indray ny kohadavareny noho ny fisalasalana amin'ny vakisiny. Namoaka fanairana amin'ny areti-mifindra, tamin'ny volana Jolay, ny Fikambanambe Iraisan'i Amerika Amin'ny Fahasalamana (PAHO), miantso ireo firenena hanamafy ny fanaraha-maso sy hiantoka ny fijerena akaiky ny fanaovam-bakisiny amin'ny ankizy.
Tao Etazonia, nampitandrina ny Ivotoerana Fanarahamaso sy Fisorohana Aretina (CDC) tamin'ny volana Mey fa mihanaka ny kohadavareny, efa ho intelo avo heny noho ny tamin'ny herintaona. Nanamarika fitohizam-pianahana manerana ny firenena ry zareo tamin'ny volana jona. Tamin'ny volana septambra, niakatra 169 isanjato ny trangan-kohaka tamin'ity taona ity, tao New York City fotsiny, hoy ny tatitr‘i Yahoo.
Mihanaka any Azia io aretina io, mahazo an'i Shina, izay nahitana fahafatesan'olona am-polony, sy any Filipina, noho ny habetsahan'ny zaza tsy vita vakisiny. Nasehon'ny angon-drakitry Firenena Mikamban'ny Fahasalamana (OMS) ihany koa ny fianahany any India. Nitombo ihany koa ny pertussis tany Aostralia, noho ny fihenan'ny fanaovam-bakisiny taorian'ny valan'aretina farany valo taona lasa izay.
Nanentana ny vehivavy bevohoka hanao vakisiny ho fiarovana ny zanany vao teraka ny UK Health Security Agency satria tafakatra 10.000 mahery ny trangan-kohadavareny tany Angletera tamin'ity taona ity tamin'ny volana Aogositra.
Nanambara ny Foibe Eoropeana ho Fisorohana sy Fanaraha-maso ny aretina (ECDC), masoivohon'ny Vondrona Eoropeana, fa nandritra ny taona 2023 ary mandra-pahatonga ny volana avrily 2024, dia voatatitra fa ahitana tranga efa ho 60.000 ny firenena EU/EEA, fitomboana efa im-10 avo heny mahery noho ny tamin'ny taona 2022 sy 2021. Nilaza i Stella Kyriakides, Kaomiseran'ny Vondrona Eoropeana momba ny Fahasalamana sy ny Fanjarian-tsakafo:
The rise in the number of cases of whooping cough across Europe shows the need to be vigilant. It is a serious disease, particularly in infants. We have safe and effective vaccines that can prevent it. Vaccination is our key tool to help save lives and stopping the disease from spreading further.
Mampiseho ny tokony hahamailo ny fiakaran'isan-trangan-kohadavareny manerana an'i Eoropa. Aretina henjana io, indrindra amin’ny zaza vao teraka. Manana vakisiny azo antoka sy mahomby azo isorohana izany isika. Ny vakisiny no fitaovana fototra ananantsika hanampy amin'ny famonjena aina sy hampitsaharana ny fihanaky ny aretina.
Andrea Ammon, talen'ny ECDC nilaza hoe:
As we tackle this pertussis epidemic, it's essential to remember the lives at stake, especially our little ones. Vaccines against pertussis have proven to be safe and effective, and every action we take today shapes the health of tomorrow. We have a responsibility, as parents or as public health professionals, to protect the most vulnerable group from the deadly impact of this disease.
Amin'ny fiatrehana ity valan'aretina pertussis ity, dia ilaina ny mahatsiahy ny ain'olona atahorana, indrindra ireo zazakelintsika ireo. Voaporofo fa azo antoka sy mandaitra ny vakisiny miady amin'ny kohadavareny, ary mamolavola ny fahasalaman'ny ampitso ny hetsika rehetra ataontsika anio. Manana andraikitra isika, amin'ny maha-ray aman-dreny na amin'ny maha-matihanina amin'ny fahasalamam-bahoaka antsika, hiaro ny vondron'olona marefo indrindra tsy ho tratran'ny mahafaty aterak'ity aretina ity.