Avatar IA sy Instagram Live no ampiasain'ireo Venezoeliàna hanoherana ny famoretan'i Maduro

Pikantsary natambatra ahitàna an'i  “La Chama” sy  “El Pana,” ireo avatars roa mpanao gazety noforonin'ny firaisankinan'ireo media venezoeliàna sy ao amin'ny faritra mba hialàna amin'ny famoretana ny fahalalahana maneho hevitra ao Venezoelà. Sary avy amin'ny ranty iray an'ny Connectas tao amin'ny X ( Twitter taloha), nahazoana alàlana.

Manoloana ireo fiampangàna maro miverimberina ho nanao hosoka taorian'ireo fifidianana izay ho filoham-pirenena tamin'ny 28 Jolay tao Venezoelà, nampitomboin'ny fitondran'ny filoha Nicolás Maduro ny fanarahamaso, ny fanenjehana ireo tsy mitovy hevitra ara-politika aminy, ary nobahanany ny fitobahan'ny vaovao ety anaty tambajotra. Mampaneno lakolosy ireo vondrona mpiaro zon'olombelona, momba ny fampiasàn'ny sivily ireo fampiharana mba hiampangàna ny hafa, hanaovana fanafihana an-tserasera, hanivànana ireo media nomerika sy tranonkalam-pikambanana mpiaro ny zo maha-olona, ary tsy ela akory izay, ilay famerana naharitra folo andro natao tamin'ny X (Twitter taloha), ny Signal ilay fampiasa fandefasana hafatra voaaro, ny Reddit ary ny Microsoft Teams. Tadiavin'ireo Venezoeliàna mpanao gazety, mpikatroka ary mpanohitra ara-pôlitika izay fomba hialàna sy hiampangàna ny fanararaotana.

Nipoaka ny krizim-pifidianana tao Venezoelàa rehefa injay, tsy nanaraka ny fenitra no sady tsy namoaka ny  vokatry ny latsabato, ny Vaomiera Nasiônaly misahana ny Fifidianana (CNE) nanambara ny fandresen'i Maduro tamin'ilay fifidianana izay ho filoham-pirenena. Kanefa, ny avy amin'ny fanoherana dia nahavita nanangona ireo fanisàm-bato no sady nampiasa azy ireny ho toy ny porofo hoe ilay kandidà avy amin'ny mpanohitra, Edmundo González Urrutia, no nandresy tamin'ny latsabato niaraka tamin'ny tarehimarika 64% tamin'ireo vatom-pifidianana. Nihanaka nanerana ny firenena ny hetsipanoherana manohitra ilay fanambaran'ny CNE, ary ho setriny, famoretana no navalin'ny governemanta Maduro. Efa ho telo herinandro taty aoriana, 25 ireo olona maty nandritra ireo hetsipanoherana. mihoatra ny 1.300 ireo voasambotra ary nisy ny fisavàna tsy ara-dalàna tao amin'ny firenena notaterina tety anatin'ireo tambajotra sôsialy.

Ny 8 Aogositra, Maduro dia namoaka didy hibahanana ny tambajotra sôsialy X. Somary nampanahy manokana ity fihetsiny ity ary misy fiantraikany henjana be ho an'i Venezoelà, toerana izay efa hita marefo rahateo ny rohivoarin'ny media ary ireo tambajotra sôsialy no manome sehatra manandanja mba hizaràna vaovao, hitaterana ny fanenjehana ataon'ny fanjakàna ary hanehoana fomba fijery. Ny androtr'io ihany, ny CANTV koa, ilay orinasam-panjakana goavana indrindra amin'ny fifandraisan-davitra ary ny lehibe amin'ny mpanome tolotra aterineto ao Venezoelà, dia nibahana ny Reddit, izay ampiasaina ho habaka fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo vondrom-piarahamonina isankarazany sy momba ireo zavamahaliana samihafa. Voafepetra ihany koa ny fidirana amin'ny Signal, fampiasa iray manana loharano misokatra, fandefasana hafatra sy antso noho izy mametraka tsindrimpeo amin'ny resaka tsiambaratelo sy fiarovana. Ny mpanao gazety mailo amin'ny resaka fitsikilovana an-tambajotra, sy ireo mpikatroka no tena mpampiasa ny Signal.

VE SinFiltro, ONG iray manara-maso ireo fibahanana ao anatin'ny aterineto, manamafy fa :

El discurso oficial que criminaliza las expresiones en redes sociales ha aumentado de tono en los últimos días, acusando a plataformas que todavía siguen accesibles, y anunciando propuestas legislativas con las que se calificaría de facista, neofacista o ciberfacista a quienes compartan ideas opuestas al gobierno de Venezuela por internet. Estas acciones, con frecuencia llevan a detenciones y la publicación de vídeos con un contenido intimidante por parte de los cuerpos de seguridad.

Tato anatin'ny andro vitsivitsy, nitombo ny haavom-peon'ny kabary ôfisialy manameloka ny fanehoana hevitra eny anaty tambajotra sôsialy, amin'ny fiampangana ireo sehatra mbola azo idirana ihany sy manambara ireo tolodalàna izay manondro ho fasista, na  neô-fasista, na cyber-fasista, ireo izay mizara hevitra ety anaty aterineto ka mifanohitra amin'ny an'ny governemanta venezoeliàna. Matetika ireny hetsika ireny no miteraka fisamborana ary ny famoahana lahatsary misy votoaty mampitahotra alefan'ireo mpitandro filaminana.

Fandraketana ireo fisavàna tsy ara-dalàna tao amin'ny Instagram Live

Ny fitondràna dia miantehitra amin'ny vidéosurveillance sy ny fampiasàna drôna matetika mba hifehezana ny olompirenena. Io fanarahamaso io dia nampiarahana tamin'ilay hetsiky ny fanjakàna antsoina hoe « Opération Tun Tun » , izay nitarika tany amin'ny fitomboan'ny herisetra, ny doxing sy ny fitànana fahatany ireo mpikatroka, mpanao gazety ary olontsotra. Araka ny fanambaràna iray ho an'ny daholobe avy amin'ny Access Now, Tamin-kerisetra no nanafihan'ny mpitandro filaminana venezoeliàna ireo olona ampangainy ho “fahavalo avy ao anatiny”.

Ny sasany tamin'ireo andrana fanagadràna sy ireo bemidina tsy ara-dalàna dia voarakitra sy naseho vahoaka tao amin'ny Instagram Live, tamin'ny kaontin'ireo mpikatroka nilàna vaniny sy ireo mpisehatra pôlitika. Toy izany, ohatra, no nataon'i María Oropeza, mpikambana avy amin'ny antoko mpanohitra Vente Venezuela, izay nandefa nivantana ny fisamborana azy nataon'ireo mpitandro filaminana miady amin'ny asa fitsikilovana (DGCIM) izay namaky varavarana mba hidirana tao an-tokantranony tsy nisy didy no sady hisambotra azy tsy nampiseho izay antontan-taratasy ilaina. Ny ampitson'io, ny kaonty ôfisialin'ny GCIM ao amin'ny Instagram dia namoaka lahatsary iray tsy manaja ny maha-olona velively momba ny fisamborana an'i Oropeza narahana hira iray an'i Freddy Krueger, mpilalao sarimihetsika mampihoron-koditra : « Isa, roa, tsy hatory intsony ianareo. Telo, efatra, hidio ny varavaranareo. Dimy, enina, tonga haka anareo ry zareo. »

Koddy Campos, LGBTQ+ iray mpikatroka, dia nandefa nivantana ihany koa momba ireo andian-dehilahy nisaron-tava izay nitonona ho polisy nanandrana ny hamaky ny varavarankeliny sy nilaza fa manana taratasy fisavàna, na dia tsy nasehon-dry zareo aza izany.

Vakio koa : Dear international left: Stop telling Venezuelans what to think (Ry elatra havia erantany : Atsaharo ny miteny amin'ireo Venezoeliàna izay tokony hosaininy)

Fanesorana fampiharana iray fandefasana hafatra tantanin'ny governemanta

Mba hanangonana ny anarana sy ny toerana misy ireo oloben'ny fanoherana, ary hatramin'ireo vavolombelona tamin'ny fifidianana izay nanangona ireo antontan-taratasim-pifidianana manaporofo ny fandresean'i González Urrutia, ireo ezaka fanarahamaso sy famoretana ataon'i Maduro dia mahao ihany koa ny fanohanan'ny VenApp, ilay fampiharana an'ny governemanta natao ho fandefasana hafatra. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, tsy hita intsony tao amin'ny Google Play sy App Store ny VenApp noho ireo tatitra marobe voaray momba azy.

« Nandany andro telo aho nanaovako tatitra momba ilay fampiharana sy nizaràna ireo torohay tamin'ireo olom-pantatro. Ny tanjonay dia ny hanesorana haingana araka izay tratra ilay fampiharana tsy ho ao amin'ny Play Store alohan'ny tsy hisian'ny olona hafa ho voasambotra indray », hoy i Nathaly, venezoeliàna mpanao gazety monina ao Santiago de Chili, raha nitafa tamin'ny Global Voices. « Izay no mba kely azon'ny aty am-pielezana atao hanampiana ireo any Venezoelà ka miatrika ireo fihetsika mahery setra taorian'ny fifidianana. »

Avatar IA ho fiarovana ireo mpanao gazety

Ireo sehatry ny media dia nandrafitra tetikady vaovao mba hiarovana ireo mpanao gazety, izay tandindonin-doza goavana rehefa mitatitra krizim-pifidianana : ny fampiasàna ireo  avatars noforonin'ny IA (intelligence artificielle) mba hanapariahana ny vaovao. Hatreto, sivy ny mpanao gazety voasambotra ary efatra no voampanga ho manao asa fampihorohoroana taorian'ny fifidianana.

 #OperaciónRetuit no anaran'ilay tetikasa, ary manolotra avatars  IA roa izay mandefa ireo vaovao voamarina sy tsara kalitao. Ireo media mpiara-miasa amin'ny Global Voices, toy ny CONNECTAS sy ProBox dia isan'ny ao anatin'io hetsika io, ary koa ireo media tsy miankina ao Venezolà, toy ny Efecto Cocuyo, Tal Cual, El Pitazo ary ny Runrunes.

Ao anatin'ny lahatsariny voalohany dia hazavain'ireo avatars fa :

Fuimos generados por inteligencia artificial, pero nuestros contenidos sí son reales, verificados de calidad y creados por periodistas. Como es conocido desde la jornada electoral del pasado 28 de julio en Venezuela se incrementó la persecución y la represión contra todo aquel el gobierno considere que no piense como el oficialismo, o que lo vea como contradictorio a él. Entonces por medidas de seguridad usaremos la inteligencia artificial para difundir la información de una docena de medios independientes venezolanos, parte de las iniciativas Venezuela Vota y La Hora de Venezuela, que además han logrado reunir un centenar de medios internacionales en 13 paises.

Ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) no namoronana anay, saingy tena zavamisy ny votoaty omenay, voamarina ary tsara kalitao sy noforonin'ireo mpanao gazety. Araka ny efa fantatsika, nanomboka tamin'ny andron'ny fifidianana tamin'ny 28 Jolay tao Venezoelà, nohamafisin'ny governemanta ny fanenjehana sy famoretana ataony na iza na iza manana fomba fisainana tsy mitovy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, na iza na iza heveriny ho manohitra azy. Araka izany, noho ny resaka fiarovana, mampiasa ny faharanitan-tsaina artifisialy izahay mba hanapariahana ny vaovao avy amin'ireo media tsy miankina am-polony maro ao Venezoelà izay ao anatin'ny hetsika Venezuela Vota sy La Hora de Venezuela, ary izay nahavita ihany koa namondrona media iraisampirenena an-jatony avy amina firenena 13.

Antsoina hoe La Chama (fitenin-jatovo hoe « sipa ») sy El Pana (fitenin-jatovo hoe  « akama ») ireo avatars roa ireo. Ny tanjona dia ny handefa lahatsary iray isanandro misy ireo vaovao nangonin'ilay tarika mpanao gazety.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.