Ahoana no ahafahan'i Moldavia mampiray ny firenena ao anaty tsindry Rosiana?

Sary avy amin'i Sasha Pleshco tao amin'ny Unsplash. Nampiasaina araka ny lisansa Unsplash.

Lahatsoratra nosoratan'i Ekaterina Dubasova ary navoakan'ny Newsmaker voalohany tamin'ny 21 Aogositra 2024. Misy dikan-teny nasiam-panitsiana navoaka indray ato amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fiaraha-miasan'ny samy fampahalalam-baovao.

Mbola lavitry ny hilamina ny fifandraisana eo amin'i Chișinău, Tiraspol (Transnistria), sy Comrat  (Gagauzia)). Raha maro no manome tsiny ny fanakorontanan'i Rosia, dia tsy i Moskoa irery no tompon'andraikitra amin'ireny disadisa ireny. Tao amin'ny tatitra navoakany tamin'ny 21 aogositra, nanatsoa-kevitra ny International Crisis Group (ICG) hoe : “Nampitombo disadisa anatiny ny fizirizirin'ny governemanta Moldavy amin'i Transnistria sy Gagauzia ary mahavalaketraka.” Asongadin'ity lahatsoratra ity ireo tsikaritra lehibe tamin'ny tatitry ny ICG  ary ahasinkasiny ireo fanamby atrehin'i Moldavia amin'ny fampiroboroboana ny firaisankina ao anaty tontolon'ny  tsindry ivelany sy anatiny.

Ny paikadin'ny Kremlin sy ny fiofony

Manantitrantitra ireo manam-pahaizana avy amin'ny International Crisis Group fa raisin'i Rosia ara-tantara ho faritra misy azy ny faritanin'ny Firaisana Sovietika teo aloha. Na izany aza, nihamafy ny fifamatorana ara-toekarenan'i Moldavia amin'ireo firenena tandrefana: ny krizin'ny angovo, sy ny adin'i Rosia ao Okraina, no nahatonga an'i Chișinău hitodika tanteraka mankany Andrefana.

Tsy mety amin'i Rosia ny toe-draharaha, ka niova ny tetikadiny momba an'i Chișinău. Tany am-piandohan’ny ady, “toa nino i Moskoa fa ny fahazoana mifehy ny atsimoandrefan’i Okraina hatrany Transnistria no hamela azy hampiasa tsindry ara-miaramila mba hampiharany fitakiana amin’i Moldavia.” Nasongadin’ireo mpanoratra hoe: “Satria lavitry ny sisintanin’i Moldavia ny vava ady, dia najanona io paikady io, ary nifidy lalan-kafa i Moskoa.”

Ny fampitahorana no tetikady vaovaon'ny Kremlin. Tafiditra indrindra amin'izany ny fampitahorana ny mponina miteny Rosiana amin'ny mety ho fanavakavahana ataon'ny manampahefana Moldavia. Misarika ny saina ho amin'ny daroka baomba ny tranoben'ny Minisiteran'ny Fiarovam-panjakana ao Tiraspol sy ny tranga hafa mitovy amin'izany tamin'ny volana Aprily 2022 ilay tatitra, milaza fa: “Toa natao ho fampahatsiahivana izany fa mbola mahatratra an'i Moldavia ny hery Rosiana.”

Fitaovana ratsy ny tehina tsy misy karaoty

Na izany aza, milaza ireo mpanoratra ny tatitra fa ny fitomboan'ny fisarahana eo amin'i Chișinău sy Gagauzia, ary Transnistria, dia tsy noho ny fitsabahan'i Rosia amin'ny politika Moldavy ihany fa noho ny politika manokan'i Chișinău ihany koa: “Taorian'ny fanamafisana ny fifandraisana amin'ny Tandrefana sy Okraina, niroso tamin'ny fanamafisana ny fifehezana ara-politika sy ara-toekarena amin'i Transnistria sy Gagauzia mizaka tena ireo manampahefana Moldavy. Niteraka fanahiana sy tsy fahafaliana teo amin’ireo mponina any amin’ireo faritra ireo izany.

Nanamarika ihany koa ny Vondrona Krizy Iraisampirenena fa, hatramin'ny nanombohan'ny ady tany Okraina, niha-narefo ny herin'i Rosia ao Tiraspol. Mba hanohanana izany, mitanisa anton-javatra telo ireo mpanoratra: Voalohany, namela ny entana Okrainiana hiampita ny faritaniny i Tiraspol. Faharoa, tamin'ny taona 2022, nitombo be ny isan'ny fangatahana pasipaoro Moldavy avy amin'ny mponina ao amin'ny faritra (indraindray mandeha miaraka amin'ny pasipaoro Romanianina, Rosiana, na Okrainiana ny mponina), ary tamin'ny volana Janoary tamin'ity taona ity, 97,55 isan-jaton'ny mponina ao Transnistria no nanana pasipaoro toy izany. Farany, tamin'ny volana martsa, voarakitra tao Transnistria ny taham-pahavitrihana ambany indrindra tao anatin'ny 18 taona ho an'ny fifidianana filoham-pirenena Rosiana.

Noho izany, manatsoa-kevitra ireo mpanoratra fa mihamatoky tena kokoa amin'ny tontolo ara-jeopolitika vaovao ireo manampahefana Moldavy, ka nitady hanamafy ny fifehezana ara-politika sy ara-toekarena ao amin'ny faritra. Ohatra amin'izany ny lalàm-pisintahana Moldavy sy ny fanesorana ny fadin-tseranana sy ny hetra ho an'i Transnistria. Nanosika ny lehiben'ny PMR — ilay filohan'i Transnistria tsy misy mankatoa — Vadim Krasnoselsky ireo hetsika ireo, hiantso hivorian'ny “kaongresin'ny solombavambahoaka amin'ny ambaratonga rehetra” voalohany indrindra tao anatin'ny 18 taona, nandritra izany no niantsoan'izy ireo fanohanana ara-diplaomatika amin'i Moskoa. Araka ny filazan'ny mpanoratra ny tatitra, “Amin'ny fisafidianana ny rotsakazo tsy misy karaoty na fifanakalozan-kevitra, mety hiteraka fihantsiana sy hampitombo ny olana eo amin'i Tiraspol sy Chișinău ny manampahefana Moldavy.”

Toe-javatra mitovitovy amin'izany koa no miseho ao Gagauzia, izay nifidianana ho lehiben'ny faritra (bashkan) an'i Evghenia Gutsul, miara-dalana amin'i Ilan Shor ilay mpanefoefo nandositra. Mihevitra an'i Gutsul ho anisan'ny jiolahy raindahiny ny filohan'i Moldavia Maia Sandu. “Taorian'ny dia farany nataon'i Gutsul tany Rosia tamin'ny fiandohan'ny volana Aprily, niampanga azy ho namatsy vola tsy ara-dalàna ny antoko politika iray ny manampahefana Moldavy. Raha voaheloka izy dia mety higadra ary voaràra tsy hanao politika. Nanome sazy azy i Etazonia tamin'ny 12 Jona, izay manohana ny ezaky ny governemanta Sandu hanaisotra an'i Gutsul eo amin'ny fitondrana, “hoy ny tatitra.

Na izany aza, nanangana vondrona iray hanoherana ny fidirana amin'i Eoropa amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka ho avy (20 Oktobra 2024) izay ireo mpiara-dia ara-politika amin'i Gutsul sy Shora. Manamarika ny Vondrona Iraisampirenena Momba ny Krizy hoe: “Betsaka ny mpifidy ao Gagauzia, izay mandrafitra ny 5 isan-jaton'ny mpifidy ao Moldavia, no mety tsy hifidy na hifidy hanohitra ny maha-mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Mety hisy fiantraikany amin'ny voka-pifidianana izany, saingy rehefa amin'ny isam-bato tena mifanaiky ihany. ”

Fanamby

Miatrika asa sarotra i Chișinău: amin'ny lafiny iray, miaro ny fifidianana ho avy amin'ny fitsabahan'ny Rosiana, ary amin'ny lafiny iray hafa, manatsara ny fifandraisana amin'i Tiraspol sy Comrat.

Mikasika ny fifanakalozan-kevitra amin'i Tiraspol, nanasongadina ireo mpanoratra ny tatitra hoe: voalohany, ampahany kely amin'ny mpifidy Moldavy no mihevitra ny olan'i Transnistria ho laharam-pahamehana. Faharoa, hampitombo ny isan'ny mpifidy mpomba ny Rosiana ao Moldavia ny fampidirana indray an'i Transnistria. Na izany aza, mino ireo manam-pahaizana ao amin'ny International Crisis Group fa “ny fiovana ara-jeopolitika nateraky ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina dia niteraka hirika tsy fahita firy ho an'i Moldavia mba hanamafisana ny fifandraisana amin'ireo faritra mpanohitra azy,” ary tsy maintsy mandray andraikitra i Chișinău mba hanomboka fifampiresahana amin'i Tiraspol.

Raha ny momba an'i Gagauzia, mino ireo mpanoratra ny tatitra fa mety tsy hiova ny fihetsik'i Chișinău manoloana ireo manampahefana ankehitriny ao amin'io faritra io. Mila fifampiresahana anefa ireo faritany ireo. “Aleon'ny governemanta mitazona fifandraisana amin'ireo ben'ny tanàna, mpandraharaha ary mpianatra ao Gagauz[…] Tokony hanamafy ireo fifandraisana ireo i Chișinău ary hitady fifandraisana vaovao,” hoy ny tatitra.

Ny tolo-kevitra voalohany avy amin'ny Vondrona Iraisampirenena momba ny Krizy amin'ny fiarovana ny fifidianana amin'ny fitsabahana dia ny ady amin'ny fandisoam-baovao sy ny fampielezan-kevitra Rosiana. Niantso ireo mpiara-miombon'antoka tandrefana ireo mpanoratra ny tatitra mba hanohana ny fampahalalam-baovao mahaleo tena miady mafy ao Moldavia ary hamporisika ny fananganana fampahalalam-baovao amin'ny teny Rosiana azo itokisana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.