Tamin'ny 4 Septambra, lany nandritra ny fiadian-kevitra an-dapa fanindroany tao amin'ny Parlemanta Zeorziana ny volavolan-dalàna mampiady hevitra anti-LGBTQ+. Mitovy tanteraka amin'ny lalàna anti-queer rosiana nolaniana tamin'ny taona 2013 ny volavolan-dalàna “momba ny soatoavim-pianakaviana sy ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona”, ka nahatonga azy io ho lalàna lehibe faharoa ao Zeorzia nalaina tahaka ny lalàna Rosiana maherivaika, ka ilay voalohany dia volavolan-dalàna momba ny mpiasam-bahiny, izay nolaniana tamin'ny volana Mey 2024.
Araka ny tati-baovao ao an-toerana, vonona hankatoavina mandritra ny fotoam-pivoriana amin'ny herinandron'ny 17 Septambra ny volavolan-dalàna. Hanatontosa fifidianana parlemantera i Georgia amin'ny 26 Oktobra, ary mialoha ny latsa-bato dia ataon'ny antoko Nofinofy Zeorziana fitaovana ny hômôfôbia ho iray amin'ireo paikadim-panentanana.
Tantaran'ny fankahalàna hômô
Tamin'ny taona 2013, nisy andiana mpihetraketraka notarihan'ny pretran'ny Eglizy Ortodoksa Zeorziana nihiaka “tsy mila pelaka” nanafika vondrona queer mpikatroka mpiaro zon'olombelona nanamarika ny Andro Iraisampirenena Manohitra ny Hômôfobia tao an-drenivohitra, Tbilisi.
Tamin'ny taona 2018, voarara ny fanambadian'ny mitovy fananahana araka ny fanovana lalàmpanorenana Zeorziana. Tamin'izany fotoana izany, noheverin'ny Nofinofy Zeorziana fa hanakanana ny “vondrona sasany” hanao ho fitaovana ny fankahalana hômô ao Géorgie ny famaritana indray ny fanambadiana ho firaisana ara-nofo ny lahy sy ny vavy.
Tsy nanandrana nikarakara hetsika PRIDE hafa ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ raha tsy enin-taona taty aoriana, tamin'ny taona 2019, izay nofoanana ora vitsivitsy talohan'ny ora voatondro noho ny ahiahy ara-pilaminana taorian'ny nanambaràn‘ny Minisiteran'ny Atitany fa tsy hiaro ny mpandray anjara amin'ny fihetsiketsehana ny polisy.
Taona manaraka, tsy dia nisy ny fiovana satria tsy maintsy nofoanan'ny mpikarakara ny Tbilisi PRIDE ny “Diaben'ny Fahamendrehana” noho ny fanafihana mahery vaika nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana anti-LGBTQ+. Tamin'ny taona 2021, mpanao gazety 50 farafahakeliny no voadaroka, ary nisy andian'olona mahery setra nanakorontana sy nandroba ny biraon'ny mpikarakara ny diabe — Tbilisi Pride sy Hetsika Henatra, vondrona liberaly mpikatroka tamin'izany fotoana izany. Mpanao gazety iray farafahakeliny no maty vokatry ny fanafihana.
Tamin'ny taona 2024, nanambara ny Tbilisi PRIDE fa nofoanana tanteraka ny herinandro PRIDE (REHAREHA) noho ny olana filaminana:
⭕️ Announcement: No Pride Week in 2024
🔗: https://t.co/StzFTvOT2A pic.twitter.com/XVE8vHSy9h
— Tbilisi Pride (@TbilisiPride) June 14, 2024
Filazana: tsy misy herinandrom-pireharehana amin'ity taona 2024 ity.
Lalàna mamely queer
Nanomboka nangataka lalàna mikendry ireo queer, miaraka amin'ireo mpanohana azy ny antoko, amin'ny filazana fa ilaina ny hanoherana ny propagandy “pseudo-liberal” izay lazaina fa tohanan'ny vondrona mpanohitra.
Raha lany, izay azo inoana fa ho tanteraka, dia horaran‘ny fanovana ao anaty volavolan-dalàm-panorenan'ny firenena momba ny hasarobidin'ny fianakaviana sy ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona, ny fivoriana, vokatra, na fandaharam-pampianarana “mampiroborobo” “fianakaviana na fifandraisana akaiky ao amin'ny mitovy fananahana”, fananganan-jazan'ny “ mitovy taovam-pananahana na tsy-lahy-sy-vavy”, fiovana lahy ho vavy na vavy ho lahy, ny hevitra amin'izany dia mihoatra ny lahy sy vavy sy ny fivadiana amin'ny olom-pady. Horaran'ny fanovana ihany koa ny fanampiana ara-pitsaboana amin'ny fiovan'ny lahy ho vavy na vavy ho lahy na izay mety hanekena araka ny lalàna ny fiovan-taovam-pananahana. Handrara ihany koa izany ireo hetsika Rehareha rahampitso.
Nilaza ny antoko fa mikasa hampiditra andalana amin'ny andininy faha-30 ao amin'ny lalàmpanorenana ho “fiarovana ny soatoavin'ny fianakaviana sy ny zaza tsy ampy taona iantohan'ny lalàmpanorenan'i Zeorzia, izay ampahany manan-danja amin'ny Lalàmpanorenan'i Zeorzia.”
Mila mahazo vato 113 amin'ny 150 ao amin'ny parlemanta ny Nofinofy Zeorziana, manana toerana 82, ho fandaniana ny fanitsiana. Tamin'ny 4 Septambra, nandritra fotoana fanindroany, depiote 81 no nifidy nanohana ilay volavolan-dalàna ary 0 no nanohitra, vokatry ny fanaovana ankivy ny volavolan-dalàna.
Nolaniany nandritra ny fotoam-pivoriana voalohany tao amin'ny parlemanta tamin'ny 27 Jona 2024 ny volavolan-dalàna “Propagandy LGBT”, natolotry ny Antokon'ny mpitondra Nofinofy Zeorziana.
Taorian'ny fotoam-pihainoana fanindroany, namoaka fanambaràna ny Vondrona Eoropeana naneho ny alahelony tamin'ny fihazakazahana fandaniana ary nolazainy fa “nanimba ny zo fototry ny vahoaka Zeorziana ilay volavolan-dalàna ary mety hiteraka fanilikilihana sy fanavakavahana bebe kokoa amin'ny ampahany amin'ny mponina.”
Nohelohin‘ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho famelezana ny fahalalahana fototra ireo lalàna manohitra ny “propagandy” queer any amin'ny firenena maro samihafa, ao anatin'izany ireo milaza ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona.
Nasongadin'ireo mpitsikera fa nampitombo ny heloka bevava fankahalana ny lalàna tahaka ilay nolanian'i Rosia tamin'ny taona 2013 “hiarovana ny ankizy amin'ny vaovao misolovava amin'ny fandavana ny hasin'ny fianakaviana nentim-paharazana.”
Niverin-dalana ny governemanta Nofinofy Zeorziana manoloana ny fahalalahana sy ny zon'olombelona nanomboka tamin'ny Oktobra 2020, rehefa nanatontosa fifidianana parlemantera notoherin'ny maro ny firenena tamin'ny 31 Oktobra ary niditra krizy politika mitohy hatramin'izao. Nanomboka teo, natrehin'ny firenena ny fanaparitahana an-terisetra ny fihetsiketsehana; ny famelezana fampitam-baovao tsy miankina; ary ny fiitaran‘ny fisaraham-bazana eo amin’ny fiaraha-monina sy ny mpitondra fanjakana.