Manoloana ny fifidianana filoham-pirenena mampiady hevitra amin'iray volana, noraràn'i Tonizia ny fivoahan'ny gazety amin'ny teny frantsay Jeune Afrique volana septambra. Fampahatsiahivana mivandravandra ny fomba fitondrana jadona nataon'i Zine El Abidine Ben Ali izany fanapahan-kevitra izany, rehefa noraràna tahaka izany ihany koa ilay gazety noho ny tatitra kolikoly sy fanitsakitsahana ny zon'olombelona izay nampiavaka ny fitondrany nandritra ny 23 taona.
Efa ela no lasibatry ny sivana ataon'ireo fitondrana tsy mahazaka fanoherana ny Jeune Afrique, gazety fanta-daza amin'ny famakafakana lalina momba ireo firenena Afrikana sy miteny Arabo. Mitaratra ireo ezaka teo aloha ireo mba hanakanana ny asa fanaovan-gazety tsy miankina sy hampanginana ny feo mitsikera ny fandraràna vao haingana teo ambany fitarihan'ny Filoha Kais Saied.
Nanangom-pahefana hatrany i Saied hatramin'ny nanaovany fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2021, ary nampangina ireo fampitam-baovao tsy miankina, ny olo-malazan'ny fanoherana, sy izay rehetra mety ho karazam-panoherana. Ampaham-piverenana mankany amin'ny tsirefesi-mandidy ity famoretana ity, manafoana ireo fahalalahana maro azon'ny Toniziana taorian'ny revolisiona taona 2011 nanonganana an'i Ben Ali. Mampiseho sary manjombona amin'ny hoavin'ny demôkrasia ao Tonizia ny toe-draharaha ara-politika ankehitriny, anisan'izany ny fanilihana ireo kandidà lehibe mpanohitra amin'ny fifidianana hoavy.
Jeune Afrique
Naorin'i Béchir Ben Yahmed sy ireo Toniziana hafa manam-pahaizana tao Tunis tamin'ny taona 1960, nametraka ny tenany ho iray amin'ireo gazety hajaina indrindra ao amin'ny tontolo miteny frantsay miresaka politika, toekarena ary ny olana ara-tsosialy ao Afrika sy ireo firenena miteny Arabo ny Jeune Afrique. Am-polony taona maro izao no nahazo laza ny gazetiboky noho ny asany fanaovan-gazety feno fahasahiana sy manakiana, izay matetika miteraka ny hatezeran'ny fitondrana tsy refesimandidy manerana ny faritra.
Ity fandraràna farany ity dia mifamatotra amin'ny lohateny misongadin'ny Jeune Afrique “L’hyper-président” (Ilay mihoatra noho ny filoha), izay mampibaribary ny toe-draharaha politikan'i Tonizia amin'izao fotoana entin'ny Filoha Kais Saied, indrindra amin'ny firongatry ny tsirefesimandidy sy ny fahapotehan'ireo azo tamin'ny demôkrasia taorian'ny revolisionan'ny taona 2011.
Nizara ny fonon'ilay famoahana voaràra tao amin'ny X ilay mpanao gazety feminista Monia Ben Hamadi:
Censure en #Tunisie : le nouveau numéro de @jeune_afrique a été interdit à la vente à cause d'une enquête sur Kais Saied. https://t.co/MBlfPJLK0D pic.twitter.com/wnk7YXT134
— Monia Ben Hamadi (@MoniaBH) September 4, 2024
Sivana any Tonizia: voaràra tsy azo amidy ny laharana farany an'ny Jeune Afrique noho ny fanadihadiana momba an'i Kais Saied.
Manaisotra revôlisiôna
Tsy tranga manokana ny fandraràna ny Jeune Afrique. Tafiditra ao anatin'ny firongatry ny tsirefesimandidy tarihan'i Saied izany, izay nandrava tsy tapaka ireo fahalalahana sy andrim-panjakana demôkratika nitoloman'ny Toniziana nandritra ny revolisionan'ny taona 2011. Hatramin'ny nandrombahany ny fahefana tamin'ny volana Jolay 2021 i Saied, rehefa nandrava ny parlemanta sy nanomboka nitondra tamin'ny alalan'ny didim-panjakana izy, dia nanenjika ireo antoko mpanohitra, mpanao gazety ary fiarahamonim-pirenena. Anisan'ny hetsika nataony ny fandroahana ireo mpitsara mahaleotena, ny fanavaozana ny vaomiera misahana ny fifidianana hifanaraka amin'ny kinasany, ary ny fametrahana lalàna mifehy ny haino vaky jery izay mikendry ireo rehetra mitsikera ny governemantany.
Nanoratra tao amin'ny X i Fida Hammami, Mpanolotsaina ara-pikarohana sy fisoloam-bavan'ny Amnesty International ao Tonizia :
المؤامرات وستانسنا بيهم، البرقيات المستندة على الخيال الضيق متاع اصحابها وفييالنا بيها اما منع عدد من مجلة انو يدخل للبلاد هاذي جديدة! تعدينا لمرحلة الصنصرة الفجة
كان @jeune_afrique تأكد الي صار لازم ردة فعل قوية، كان تتعدى هناني بناني ماتكون كان البداية #تونس pic.twitter.com/qhgDTBGECL— فداء الهمامي Fida Hammami (@FidaaHammami) September 4, 2024
Efa zatra tetidratsy izahay. Efa mahazatra anay ihany koa ireo telegrama mifototra amin'ny hateren-tsainan'ireo mpanoratra azy. Saingy vaovao aminay ny fandraràna gazetiboky tsy hiditra ao amin'ny firenena! Niakatra dingana sivana mibaribary isika. Raha manamarina ny zava-nitranga ny @jeune_afrique, dia tsy maintsy misy ny fanoherana mahery vaika. Raha mitranga mangina izany, dia ho fanombohana ihany.
Tamin'ny taona 2023, niharan'ny fanadihadiana heloka bevava mifototra amin'ilay antsoin'ny Amnesty hoe “fiampangana ‘tetidratsy’ tsy marim-pototra” niaraka tamin'ilay feminista mpisolovava Bochra Belhaj Hamida sy ireo mpanohitra olo-malaza ara-politika Nejib Chebbi sy Noureddine Bhriri.
Hoavy manjombona
Manoloana ny fifidianana voatondro hotontosaina amin'ny 6 Oktobra 2024, dia toa manjavozavo hatrany ny hoavin'ny demokrasia ao Tonizia. Miatrika zava-misy mampalahelo, izay noheverina ho hany nahomby tamin'ilay antsoina hoe Lohataona Arabo, ankehitriny ilay firenena izay niverena ho any amin'ny rafi-pitantanana nokasain'ny revolisiona haongana. Voatsikera ho mitongilana tanteraka mankany amin'ny filoha am-perinasa ny zotram-pifidianana, izay isamborana na anihilihana ny ankamaroan’ny kandidà mpanohitra matotra, hany ka roa ihany sisa no mpifanandrina, izay samy tena malemy tsy ho afa-mifanamby. Ny hany fanontaniana dia hoe afa-mitaky ny lalany demaokratika ve i Tonizia sa hanohy ny lalan'ny tsirefesimandidy.