Linda Ngari no nanoratra ity lahatsoratra ity, niaraka tamin'ny fanohanan'ny Hetsika ho amin'ny fitoviana sy ny tsy fanavakavahana (INEND) mba hanarahana maso sy handiovana ireo vaovao diso ikendrena ny vondrom-piarahamonin'ny LGBTQ+ ao Kenya eny anaty sy ivelan'ny tambajotra.
[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra mankany amin'ny lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato anaty lahatsoratra]
Didy iray avy amin'ny Fitsarana Antampony ao Kenya , noheverina hanamafisana indray ny zon'ireo Keniàna pelaka, izay ny Lalam-panorenana no miantoka izany, no nampiasaina tamin'ny fomba maneso mba hanairana fankahalàna tsy voalanjalanja sy atosiky ny hevitra pôlitika, indrindra fa avy amin'ireo kilasy pôlitika sy ireo vondrona mpanao tsindry avy amin'ny hery ankavanana.
Ilay didy navoaka tamin'ny Febroary 2023 no namarana ny tolona ara-pitsarana iray naharitra am-polo taona sy nahafahan'ireo fikambanana mpiaro ny zon'ireo LGBTQ+ nisoratra tamin'ny fomba ôfisialy teny anivon'ny Filankevitra mpandrindra ireo ONG. Na izany aza, niteraka kabarim-pankahalàna manahirana ety anaty sy ivelan'ny tambajotra ilay izy, ireo tena mpomba ny kabarim-pankahalàna rahateo sy manenjika ireo Keniàna pelaka dia ireo mpitarika pôlitika.
Nisy fanoherana napetraky ny solombavambahoaka Nyali , Mohamed Ali, milaza ho miaro ny « soatoavina maha-ankohonana sy ny zanak'olombelona tsy ho ringana », nahavita tonga hatramin'ny fampandaniàna tao amin'ny antenimiera ao Kenya ny volavolan-dalàna iray mandràra ny adihevitra, ny ranty ary ny famoahana votoaty LGBTQ+ ao amin'ny firenena. Tamin'ny Aprily 2023, lany tsy nisy nitsipaka ilay volavolan-dalàna.
Na taorian'ilay didim-pitsaràna tamin'ny Febroary 2023 aza, na efa tamin'ny 2012 aza tany am-boalohany no nentina teny amin'ny tribonaly ilay raharaha, ny hasosoran'ny vahoaka dia niafara tamin'ny fandinihan'ny Fitsaràna Antampony ny raharaha tamin'ny Septambra 2023 . Indray mandeha indray, mbola notazonin'ny tribonaly ny fanapahankeviny amin'ny fanohanana ny fahalalahana hanorina fikambanana ho an'ireo fikambanana LGBTQ+ .
Samy hita teny anaty sy ivelan'ny tambajotra ny fanoherana ilay fanapahankevitra. Tamin'ny 15 Septambra 2023 , Mohamed Ali dia nizara tao amin'ny X (Twitter fahiny) fa hoe nanatevina laharana diabe iray manohitra ny LGBTQ+ izy tao Mombasa . Tsy noraharahain'ny filoha lefitra, Rigathi Gachagua [fr], ihany koa ilay didy navokan'ny Fitsarana Antampony. Na izany aza, ny iray tamin'ireo fanoherana tena nisongadina dia avy amin'ilay volavolan-dalàna napetrak'i Peter Kaluma, solombavambahoakan'ny Homa Bay [fr], hitondràna fanitsiana amin'ilay volavolan-dalàna momba ny fiarovana ny fianakaviana ao Kenya, mba hampidirana ho heloka bevava ny fifandraisan'ireo LGBTQ+ sy handraràna ny fanabeazana ara-pananahana feno.
Ho fanohanana ilay volavola natolotr'i Kaluma, nisy fikambanana iray avy amin'ny elatra havanana, antsoina hoe CitizenGo [fr] nandefa fanangonantsonia iray nitondra lohateny hoe « Tohanako ilay volavolan-dalàna 2023 momba ny fiarovana ny fianakaviana naroson'i Peter Kaluma ». Ny Aprily 2023 no nalefa ilay fanangonantsonia ary hatramin'ny anio dia nahazo sonia mihoatra ny 4.000. Hita ao anatiny ny fanamafisana milaza hoe araka ny fitsapankevitra « vao haingana » nataona orinasa iray IPSOS, mpikaroka momba ny varotra, dia toa hoe 90 isanjaton'ireo Keniàna no manohitra ny fiarahan'olon-droa mitovy taovam-pananahana.
Ho fanombohana, fitaka ny filazana ireo sosokevitr'i Peter Kaluma ho toy ny volavolan-dalàna. Ny antenimiera ao Kenya dia mamaritra mamaritra hoe ny sosokevitra naroso hiadiana hevitra no atao hoe volavolan-dalàna. Tsy misy mihitsy fitenenana volavolan-dalàna momba ny fiarovana ny fianakaviana ao anatin'ny rafitra fanarahamaso ireo volavolan-dalàna [fr] ao amin'ny antenimiera keniàna. Na ny hansard parlemantera aza tsy ahitàna ihany koa dindona volavolan-dalàna momba ny fiarovana ny fianakaviana noresahana tao anivon'ny antenimiera.
Mba hanamarinana ilay filazana hoe ny IPSOS, izay efa nampiasaina ihany koa ny anarany mba hamoronana fakankevitra sandoka, no nanao ireo angondrakitra tanisain'ny CitizenGo, dia nifandray tamin'ny IPSOS ity mpanoratra ity. Valiny, Chris Githaiga, tale jeneralin'ny IPSOS Kenya dia namoaka fanambaràna iray nanindriana fa ny IPSOS Kenya ” tsy nanao velively fakankevitra momba ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana”.
Fanampin'izany, ny fikarohana iray atao amin'ny Google ho an'ny fehezanteny hoe : « 90 isanjaton-dry zareo Keniàna no manohitra ny fiarahan'ireo mitovy taovam-pananahana », dia mamoaka lahatsoratra iray navoakan'ny The Guardian tamin'ny 2015 . Asehon'ilay lahatsoratra fa tamin'ny 2013, izany hoe 11 taona lasa izay, fa 90 isanjaton'ny Keniàna no nanohitra ny fiarahan'ny olona mitovy taovam-pananahana. Tanisain'ilay lahatsoratra ny fanadihadiana iray nataon'ny American Pew Research Center, izay niavian'ireo angondrakitra notanisain'ny CitizenGo – fa tsy avy amin'nyIPSOS, araka izay voalaza.
Raha ny fitsipika ankapobeny, raha efa nahatratra folo taona mahery dia heverina ho toy ny lany andro sy efa tranainy be ny fikarohana. Manaporofo izany fa ny fanamafisana nataon'ny CitizenGo, izay nitanisa ny lazainy fa « fakàn-kevitra vao haingana », dia notsoahana avy amina fikarohana iray notontosaina efa 11 taona lasa izay, araka izany dia efa lany andro.
Iza moa ny CitizenGO ?
Ny CitizenGO dia fikambanana iray naorin'i Ignacio Arsuaga [es] tao Espaina, miseho ho toy ny vondrom-piarahamonin'ireo olontsotra manonkan-tena hiaro ny « soatoavin'ny ankohonana ». Ilay fikambanana dia manao fanentanana mifanaraka indrindra amin'ny fotokevitry ny elatra havanana, toy ireo fanentanana manohitra ny safidy, sy ny fandraràna ary fampitsaharana ny fampiharana ny fanabeazana ara-pananahana feno.
Ny sasany amin'ireo fahombiazana lazain'i CitizenGo fa azony ao amin'ny pejy trankonkalan'ny fandresena dia ahitàna ny fanangonantsonia nataon-dry zareo mba tsy hampandoavana hetra ny fiangonana ao Kenya, fanangonantsonia iray hafa handraràna ny Tiktok ao Kenya noho ny votoaty mihantsy firaisana ara-nofo, ary iray hafa koa hanangonana sonia hampitsaharana ny fanaovana ho ara-dalàna ny fanalàna zaza ao Libéria. Niainga fotsiny avy amin'ireo santionany telo, ny fandresena lazain'ilay vondrona dia mandiso hevitra, na noho ny fanadinoana, na noho ny fandisoana ny zavamisy.
Na tsy ambaran-dry zareo aza ny fomba nataony talohan'ny nilazàny fa nahomby ny fanentanana iray na hoe “nahazo fandresena”, ny didy iray nikendrena ny tsy hampandoavana hetra ny fiangonana ao Kenya, raha ny marina, dia azo noho ny didy iray navoakan'ny Fitsaràna Antampony. Momba ilay lazaina fa fandraràny ny TikTok ao Kenya, io vaovao io dia efa nohamarinina sy voatsara ho diso. Efa noresahana tao amin'ny antenimiera, tamin'ny Aogositra 2023, ny fanangonantsonia iray nikendrena handraràna ny TikTok, saingy tsy lany io fitsipahana io. Fa tamin'ny Aprily 2024 kosa, ho solon'ny fandraràna azy tanteraka, ny governemanta ao Kenya dia nandidy ny TikTok hametraka tatitra isky ny telo volana momba ny fampifanarahana amin'ny lalàna, mba handrindràna ilay sehatra fametrahana votoaty. Fa raha ny momba ilay fanangonantsonia nikendrena ny hanakànana ny fanaovana ny fanalàna zaza any Liberià ho ara-dalàna indray, ilay fanangonantsonia nataon'ny CitizenGO dia mitanisa filazàna tsy misy fototra ijoroany, izay tany am-boalohany dia média an-tambajotra iray no nanao azy, izay nilazàna fa ny governemanta ao Soeda dia nandoa 20 000 dôlara amerikàna tamin'ny solombavambahoaka liberiàna tsirairay mba hahatonga ny fanalàna zaza ho ara-dalàna. Ankoatra ireo bilaogy telo namoaka io filazàna io, tsy nisy media liberiàna azo itokisana nandefa tatitra momba io fanamafisana io.
Araka ny tatitry ny Orina Mozilla [fr], ny CitizenGo no tao ambadik'ilay fanentanana fanosoram-potaka notohanana hamelezana ny volavolan-dalàna keniàna iray momba ireo fikarakaràna ny fahasalamana ara-pananahana tamin'ny 2020 sy ny volavolan-dalàna momba ny solon-dreny tamin'ny 2021. Niharihary tety anaty tambajotra ireny fanentanana ireny, tamin'ny alàlan'ireo tenifototra toy ny hoe #stopsurrogacybillKE #notoabortionKE sy #Notoabortionincovid19 , ary tamin'ny alàlan'ireo tenifototra toy ny hoe #stopkihikaabortionbill #passarisabortionkills sy #KihikaAbortionBillSuspended dia nataon'ireo fanentanana lasibatra ihany koa ireo Keniàna mpanao lalàna nanohana ireo tetikasa. Lazain'ny tatitra avy amin'ny Mozilla, ankoatra ireo, fa nokaramaina teo amin'ny 10 hatramin'ny 15 dôlara isaky ny fanentanana ireo mpitarikevitra tany ambadik'ireny fanentanana ireny, ka olona miasa amin'ny anaran'ny CitizenGO no nanao izany.
Tany aloha i Ignacio Arsuaga dia nanorina ilay fikambanana naha-be adihevitra HazteOir, izay nialoha làlana ilay rantsany maneran-tany, CitizenGo. Io fikambanana io dia mifamatotra amina antoko pôlitika avy amin'ny elatra havanana espaniôla antsoina hoe Vox Party [fr] . Araka ny lahatsoratra iray tao amin'ny Washington Post , CitizenGo dia mamatsy ary vatsian'ireo ideôlôjia mampisara-bazana sy ireo mpomba manana fiandaniàna ara-pôlitika manerana izao tontolo izao. Nandray anjara tamin'ny fanangonana vola ho fanohanana ny fampielezankevitr'i Donald Trump [fr] tamin'ny 2016 ilay fikambanana, ary tsy hoe fotsiny vonona ny hanao fanentanana manohitra ny safidy, fa milahatra koa amin'ireo hetsika mpankahala silamo, hoy ny navoitran'ny Washington Post .
Mifanohitra amin'ireo lalàna momba ny fiarovana angondrakitra, dia nataon'ny CitizenGo mandeha ho azy ny fanatsofohana ireo imailaka mamaly ny fanangonantsonian-dry zareo ho ao anatin'ny lisita fandefasan'izy ireo hafatra, tsy nakàna fanekena akory. Ireo imailaka manaraka eo dia fangatahana fanomezana sy fanaovana sonia ireo fanangonantsonia vaovao vao haingana.
Mety ho azo atao ve ny hoe ireo hetsika fitarihana avy amin'ny any ivelany ataon'ny Tandrefana no hitarika ireo firenena afrikàna toa an'i Kenya ho anaty ady ara-kolontsaina izay izy ireo ihany no hany hahafantatra izay ho fiafaràny?