Nosoratan'i Sonia Awale ity tantara ity ka navoaka voalohany tao amin'ny Nepali Time. Endrika nohafohezina ny eto ambany ho ampaham-pifanarahana fifampizaràna votoaty miaraka amin'ny Global Voices.
Tamin'ny 9 ora maraina katroka tamin'ny 16 aogositra, nisy horohoron-tany araka ny refy 4,5 (richter) tany Xizang tao amin'ny lembalemba Tibetana. Adiny efatra taty aoriana, 65 kilometatra miala an'i Nepal, vaky ny farihy glasy iray ary niteraka rian-drano nandravarava tany ava (ambany).
Tsy azo antoka raha ny horohorontany teo akaiky no nahavaky ny farihy — na noho ny tambororon-dranomandry (avalanche) tamin'ny tendrombohitra Tengi Ragi Tau nitontona teo aminy, na ny oram-be mivatravatra no nitarika ny firodanam-bato.
Na izany na tsy izany, ritra nivarina tany amin'ny farihy iray hafa eo ambany ny ranomandry nitsonika ary niteraka korian'atsanga niraondraona teny amin'ny lemaka nankany amin'ny tanànan'i Thame. Soa ihany fa efa nody aloha noho ny mahazatra ny ankizy tao an-tsekoly tamin’io zoma io ary nanam-potoana hiakarana ho any amin’ny toerana azo antoka ny mponina rehefa nandre ny fanatonan'ny reondreona. Tsy nisy ny aina nafoy.
Tsy tsara vintana toa izany i Thame tamin’ny 4 Aogositra 1985, rehefa vaky ny farihy lehibe iray teo amin’ny lohasaha anila, Dig Tso, rehefa nitontona tao ny tambororon-dranomandry. Olona roa ambin'ny folo no nopaohin'ny rian-drano taorian'izay, rava ny toby famokarana herinaratra vao naorina, ary voafafa ny ampahany tamin'ny lalana fitsangatsanganana mankany Everest.
Tsaroan'i Tenzing Chogyal Sherpa, manam-pahaizana momba ny ranomandry ny reniny nilaza taminy fa avotra ny tranon'izy ireo tao Namche Bazaar satria avo toerana.
“Saingy nilaza taminay izy fa rehefa rava ny lalana dia tsy nahatratra anay ny sakafo sy ny kojakoja. Nisy fotoana, ovy lò no hany niveloman'ny fianakaviany,” hoy ny tsiahin'i Sherpa, izay miasa ao amin'ny Foibe Iraisampirenena Fampandrosoana ny Tendrombohitra Tafiditra (ICIMOD) miorina ao Kathmandu ary mampiasa fitsapan-davitra handraketana an-tsarintany ireo loza mety ateraky ny toetrandro any Himalayas.
Nolazainy fa fampahatsiahivana ny loza mety hitranga amin'ny fiainana any an-tendrombohitra ny tondra-dranon'i Thame tamin'ity herinandro ity – voina ahasinkasin'ny fikorontanan'ny toetr'andro.
“Any atsimo isika misy an'i Lumding Tso, farihin-dranomandry mampidi-doza izay mivarina any amin'ny reniranon'i Dudh Kosi, ary any andrefana ao Rolwaling i Tso Rolpa, farihy iray izay mirefy telo kilometatra amin'izao fotoana izao. Ary ao avaratra i Dig Tsho, izay vaky tamin'ny taona 1985, ”hoy i Sherpa.
“Miatrika ny iray amin'ireo loza tena ratsy indrindra hatramin'ny tondra-dranon'i Dig Tso isika. Antso hifohazana izany, tsy ho anay ao amin'ny faritr'i Khumbu ihany, fa ho an'ny Himalaya manontolo mba handinika indray ny lalantsika (fombantsika), hitady fomba hafa hampihenana ny loza, ary hikaroka ireo fepetra hiarovantsika ny tenantsika,” hoy izy nanampy.
Kely kokoa ny voina nateraky ny tondra-dranon'i Thame raha oharina amin'ny tondra-drano nandrava ny fotodrafitrasan'i Melamchi tamin'ny taona 2021, ny tondra-drano tao Sikkim tamin'ny herintaona, na ny atsangam-bato nandrava ny tanànan'i Kagbeni ao amin'ny Distrikan'i Mustang ao Himalayas. Nateraky ny fahavakisan'ny farihim-bongandranomandry na firodanam-bato noho ny rotsak'orana mahery vaika daholo izany.
Nandeha fiaramanidina nankany Thame i Anil Pokhrel avy ao amin'ny Fahefam-pitantanam-pirenena fampihenana ny voina ateraky ny loza (NDRRMA) ny marainan'ny 17 aogositra mba hanara-maso ny vaingan-dranomandry eo ambonin'ilay tanàna. Nohamafisiny fa ny roa amin'ireo farihim-baingan-dranomandry fandalovan'i Tashi Lapcha no nahatonga ny tondra-drano. Asehon'ny angon-drakitra amin'ny zanabolana fa tsy nisy afa-tsy efatra ny farihy roa taona lasa izay.
An'arivony maro ankehitriny ny farihim-baingan-dranomandry vaovao izay tsy manana anarana akory manerana ny tandavan-tendrombohitr'i Himalaya. Ao Nepal, ireo farihy 20 mampidi-doza indrindra dia hita ao afovoan-tany sy atsinanan'ny firenena, saingy misy farihy am-polony lehibe ao Shina izay mivarina any amin'ny sakeli-drano mikoriana mankany Nepal toa an'i Bhote Kosis, Arun ary Tama Kosi.
Malaza ratsy noho ny habeny, ny taham-pitomboany, ary ny loza mety hitranga amin'ny mponina any ava – toa an'i Tso Rolpa, Imja Tso ary Thulagi ny sasany amin'ireo farihy ireo.
Fa mety hiteraka fahasimbana goavana ny tondra-dranon'i Thame, sy ny hafa toa ny farihin'i Nare, teo ambanin'ny tendrombohitra Ama Dablam tamin'ny taona 1977.
Fa mety handravarava any ava (ambany amin'ny tendrombohitra) na dia ny tondra-drano kely toa ilay tao Thame aza. Mandeha haingana ny fikorianan'atsanga, naharava tetezana iray mitentina 80 tapitrisa NPR (596.000 dolara) tao Dudh Kosi ao Okhaldhunga. Nafindra toerana ny ankamaroan’ny tanàna any ava, ka tsy nisy ny aina nafoy. Raha lehibe kokoa ny tondra-drano dia mety ho nampidi-doza ireo tetikasa famokarana herinaratra lehibe ao Dudh Kosi izany.
Manana haavo 3.840 metatra i Thame, saingy nilaza i Pokhrel avy ao amin'ny NDRRMA fa gaga izy noho ny hafanan'ny tany tamin'ity herinandro ity. “Toy ny hoe Kathmandu izany,” hoy izy. “Ary ny sary avy amin'ny zanabolana dia hafainganam-pitsonihana haingana kokoa tamin'ny renirano tamin'ny volana lasa izay mety nitarika ny firodanan'ireo farihy roa.”
Tao amin'ny tatitra savaranonando nandinihana an'i Thame, dia nanamarika i Pokhrel fa nandrakitra rotsak'orana 65 milimetatra isan'andro ny tobim-panaraha-maso ny rotsak'orana Forsey akaikin'ny toerana nahavakisan-dranomandry . Nanoratra izy hoe:
On August 16th, the temperature rose to a maximum of 15.9°C. On the same day, at the Rakhuwabazar Precipitation Monitoring Station in Khotang district near the Dudh Kosi River, the water level rose from 4.29 meters at 5:10PM to 5.53 meters at 5:40PM.
Tamin'ny 16 aogositra, niakatra hatramin'ny 15,9°C ny maripana. Tamin'io andro io ihany, tao amin'ny toby fanaraha-maso ny rotsak'orana any Rakhuwabazar ao amin'ny distrikan'i Khotang akaikin'ny Reniranon'i Dudh Kosi, niakatra 4,29 metatra ny haavon'ny rano tamin'ny 5:10 hariva ka hatramin'ny 5,53 metatra tamin'ny 5:40 hariva.
Handrava matetika kokoa ao Nepal amin'ireo taona ho avy ny fahavakisan'ny farihim-bongandranomandry sy ny fikorianan'atsangambato, ka hahatonga azy ireo ho zava-misin'ny fiainana. Manampy trotraka ny loza ateraky ny hamehana amin'ny toetr'andro ny loza ateraky ny horohoron-tany any Himalayas.
Tsy manan-tsafidy ny vondrom-piarahamonina sy ny governemanta eo an-toerana ankoatra ny manara-bolontany amin'ny alàlan'ny fametrahana rafitra fampitandremana mialoha, mamolavola drafi-kerinjiro avy amin'ny rano voatsinjarazara, mamindra fonenana sy fotodrafitrasa ho amin'ny avo kokoa, ary manao an-tsarintany ireo loza amin'ny antsipiriany.
“Nasehon'i Thame tamintsika fa tsy afaka miantehitra amin'ny sarintanin'ny zanabolana fotsiny isika, ary tena zava-dehibe tokoa ny fijerena eny an-toerana amin'ny fananan'ny firenena manana endri-tany sy toetr'andro isan-karazany tahaka ny antsika,” hoy i Sherpa. “Misy vongan-dranomandry maherin'ny 50.000 ao amin'ny faritra Himalaya ary tsy mbola nanadihady ny iray isanjaton'ireo isika.”
Na dia ankavitsiana aza ny angon-drakitra eny an-kianja, dia nisy ny fivoarana be teo amin'ny teknolojian'ny fitsapan-davitra nanampy tamin'ny famenoana io banga amin'ny angon-drakitra io ary nanampy tamin'ny fahatakarana ny fiovan'ny cryosphere. Asehon'ny tatitry ny ICIMOD fa nitombo 65 isanjato ny fahaverezan'ny vongan-dranomandry tato anatin'ny folo taona farany. Mampitandrina ihany koa ilay tatitra fa mety hitombo bebe kokoa ny loza ateraky ny tondra-drano amin'ny taonjato ho avy.
Satria maro amin'ireo reniranon'i Nepal no miampita sisintany, laharam-pahamehana ihany koa ny rafitra fampitandremana mialoha iarahana amin'i Shina. Noho ny halehiben'ny loza, mila fitaovana avy amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena i Nepal ho fanaraham-bolontany, sy hanamboatra ny fatiantoka sy ny fahasimbana ho fiatrehana ireo loza mety hitranga rahatrizay.
Niara-nanangana fanentanana manerantany antsoina hoe #SaveOurSnow tamin'ny hafa i Tenzing Chogyal Sherpa tamin'ny herintaona ho fanomezana masoivoho ho an'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana hiatrehana ny loza ateraky ny toetr'andro.
Amin'ny alalan'ny #SaveOurSnow Sherpa ny vondrom-piarahamonina Himalaya no manantena fa afaka misarika ny sain'ny iraisampirenena amin'ny oram-batravatra tafahoatra, ny lohataona mihamaina, ny hain-tany ary ny onjan-kafanana mba hahafahan'izy ireo manara-bolontany sy miavon-tena. Niteny i Sherpa:
As glaciers melt and lakes expand, disasters like Thame will be more frequent, we have to adapt. We need to tell our stories to the world, even as they continue to debate on the topic, we are already facing the brunt of it without having caused it ourselves. At local levels, we have to get back on our feet and prepare for what's coming.
Rehefa mitsonika ny vongan-dranomandry ary mihamitombo ny farihy, dia hihamatetika ny loza toa ny tao Thame, tsy maintsy miatrika izany isika. Mila mitantara ny tantarantsika amin'izao tontolo izao isika, na dia manohy miady hevitra amin'ny lohahevitra aza ry zareo, dia efa miatrika ny vokatr'izany tsy ankiteniteny isika. Eo an-toerana, tsy maintsy mitsangana indray isika ary miomana amin'izay hoavy.