Tapa-kevitra hanavao ny seha-pampianarana ny minisitra vaovao ao Mongolia

Ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Mongolia Naranbayar Purevsuren nandray fitenenana nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety. Sary avy amin'ny tranokalan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Nanambara ny Minisitry ny Fanabeazana Mongoliana, Naranbayar Puversuren tamin'ny 21 Aogositra, fa tsy ampy mpampianatra an-tsekoly 4217 ny firenena, raha mitanisa ny isan'ny toerana banga tsy feno manerana ny firenena. Amin'ireo toerana banga misokatra ireo, 2.429 no ao an-drenivohitra Ulaanbaatar.

Ankoatra izay, tsy ampy ny mpampianatra eny amin’ny akanin-jaza izay miisa 508 ny toerana banga. Nizara i Naranbayar fa maherin'ny 825.000 ny ankizy tokony hianatra amin'izao fotoana izao. Mbola hitombo hatrany ny isan’izy ireo hatramin’ny taona 2030 farafahakeliny, izay vao mainka hampitombo ny tsy fahampian’ny sekoly sy ny mpampianatra.

Ity misy ranty Facebook ahitana valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety izay niresahan'i Naranbayar ny olana eo amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny drafitry ny minisitera hamahana izany.

Araka ny fanadihadiana nataon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, 2,88 isan-jaton'ny mpiasa ao Mongolia no mpampianatra an-tsekoly, izay ambany noho ny fenitra iraisam-pirenena 3 isan-jato. Efa nitranga ny fampihenana ny isan’ny mpampianatra teo aloha. Tsy nambara tamin’ny besinimaro anefa izany na noresahina ampahibemaso.

Tao anatin'ny dimy taona talohan'ny taona 2024, miovaova eo anelanelan'ny 2700 sy 3900 ny isan'ny fahabangan-toerana izay nanombohan'ny sekoly ny taom-pianarana  . Hatramin’ny 80 isanjaton’ireo fahabangan-toerana ireo ihany no nofenoina tamin’ny telovolana voalohany isaky ny taom-pianarana.

Amin'ny alalan'ny fanomezana izany vaovao izany ho an'ny besinimaro, mikendry ny hampitombo ny mangarahara eo amin'ny sehatry ny fanabeazana i Naranbayar ary mandrisika ireo mpandray anjara mba hanomboka hamaha faran'izay haingana ny tsy fahampian'ny mpampianatra.

Ny drafitra fohy ezaka hiatrehana ny tsy fahampian’ny mpampianatra dia ny fandaharan’asa fanofanana manokan’ny minisitera, izay ahafahan’ny olona manana mari-pahaizana ambony tsy ara-pedagojika mba hahazo fahalalana sy ny fahaiza-manao ilaina ho tonga mpampianatra. Ankoatra izay, mikasa ny tsy handefa hisotro ronono mpampianatra maromaro ny minisitera mba hanalefahana ny tsy fahampiana amin’izao fotoana izao.

Ireo fepetra ireo dia ampahany amin'ny drafitr'i Naranbayar amin'ny fanavaozana ny rafi-panabeazana ao amin'ny firenena amin'ny fanaovana azy ho mangarahara, mahomby ary miompana kokoa amin'ny ankizy. Hatramin’ny naha minisitra azy tamin’ny volana jolay, dia efa nampiditra fanovana am-polony maro momba ny zava-drehetra manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny fampianarana ambony izy.

Ity misy ranty Facebook misy ny fiarahaban'i Naranbayar tamin'ny taom-pianarana vaovao sy ny drafi-panavaozan'ny ministera ho an'ny taom-pianarana 2024-2025.

Angamba ny fepetra tena manaitra indrindra dia ny fampanantenana sy ny ezaka nataon'i Naranbayar mba hahazoana antoka fa ampy ny akanin-jaza ho an'ny ankizy rehetra. Manoloana izany indrindra dia nanofa trano fanampiny handraisana ankizy bebe kokoa ny minisitera ary ny fisoratana anarana ho any amin’ny akanin-jaza dia atao amin’ny alalan’ny sehatra elektrônika, mba hanafoanana ny mety hisian’ny kolikoly.

Ny drafitra lavitr'ezaka dia ny hisarihana mpianatra ho amin'ny sampam-pianarana pedagojika amin'ny alalan'ny fanampiana ny fianaran'izy ireo. Ao anatin’ny fandaharana vaovao, ireo mpianatra pedagojia amin’izao fotoana izao manana naoty GPA 2.7 ary afaka mianatra maimaimpoana ireo afa-panadinana mahazo isa 480 amin’ny 800.

Ny fanavaozana mifandraika amin'ny sekoly dia ahitana ny fampihenana ny habetsaky ny entimody, ny fampidirana lesona momba ny fahasalamana any an-tsekoly, ny fanamorana ny fanamiana an-tsekoly manomboka amin'ny akanjo in-telo miova ka hatramin'ny lobaka polo, ny fanokanana andro ho an'ny mpianatra mba hitsidika tranombakoka sy teatra ho fampiroboroboana ny fahaiza-mamorona, ary miala amin'ny fanombanana sy ny fomba fampianarana efa lany andro.

Ohatra, nanome toromarika ireo mpampianatra i Naranbayar mba hampitsahatra ny fandrefesana ny hafainganan'ny vakitenin'ny mpianatra fa hifantoka amin'ny fomba hahatakaran'ny mpianatra ny zavatra vakiny. Fanampin'izany, nanome baiko ny sekoly izy mba hamela ireo mpianatra manomboka amin'ny kilasy voalohany ka hatramin'ny fahadimy mba hampiasa pensilihazo fa tsy penina, nanazava fa ny fampiasana pensilihazo dia mampiroborobo ny fahalalahana hanao fahadisoana sy hanitsy azy ireo tsy anaty tahotra ho voasazy.

Ny fiovana misongadina indrindra mifandraika amin'ny fampianarana ambony dia ny fanendren'i Naranbayar an'i O. Siilegma ho lehiben'ny Tahirim-bola Fampindramam-bola ho amin'ny fanabeazana, izay manome fampindramam-bola ho an'ny fampianarana ambony. Anisan’ireo nanao ampamoaka momba ny kolikoly maharitra sy goavana ao amin’ity tahirim-bola ity i Siilegma, ary izy ankehitriny no tompon’andraikitra amin’ny fanaovana izany ho mangarahara sy tsy misy kolikoly.

Talohan'ny naha-minisitra azy dia nanangana sy talen'ny sekoly tsy miankina iray tsara indrindra ao an-drenivohitra antsoina hoe Shine Mongol i Naranbayar. Fanamby sarotra kokoa ny fanavaozana ny sehatry ny fanabeazana ao Mongolia ary mitaky firaketana sy fanoloran-tena avy amin'ireo mpandray anjara maro manana fomba fijery sy tombontsoa mifanipaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.