Nitaraina i Shina dia nesorin'ny mpitarika ao Pasifika tanaty fanambaràna izay rehetra fanononana an'i Taiwan

Pacific Islands Forum

Ireo mpitarika ao Pasifika naka sary an-tsary nandritra ny fivorian'izy ireo tao Tonga tamin'ity 2024 ity. Loharano: Pejy Facebook PM ao Tonga . Loharano: pejy Facebook an'ny PM Press of Tonga

Nasiam-panitsiana ny fampitan-kafatry ny fivorian'ny mpitarika ao amin'ny Pacific Islands Forum (PIF) tamin'ity 2024 ity taorian'ny nanamarihan'ny diplaomaty Shinoa iray fa “fahadisoana” ny fampidirana an'i “Taiwan” ao anatin'ilay antontan-taratasy.

Ahitana mpikambana 18 ny PIF ary mivory isan-taona atrehin'ireo filoham-pirenena manerana ny Pasifika. Mpikambana telo ao amin'ny PIF no manohy mifandray ara-diplomatika amin'i Taiwan: Ny Nosy Marshall, Palau ary Tuvalu.

Manatrika ny fivorian’ny PIF isan-taona ihany koa ireo “mpiara-miasa amin'ny fifampiresahana” toa an’i Shina, Etazonia, Japon, Canada, ary ny Vondrona Eoropeana. Nandray anjara tamin'ny hetsika ho “mpiara-miasa amin'ny fampandrosoana” nanomboka tamin'ny 1993 i Taiwan.

Rehefa reson'ny Antoko Komonista ao Shina (CPC) nandritra ny ady an-trano Shinoa tamin'ny taona 1949 ny Antoko Kuomintang ao amin'ny Repoblikan'i Shina (ROC) teo amin'ny fitondrana dia nandositra nankany Taiwan ary nanangana ny governemanta an-tsesitany. Ny ROC no solontenan'i Shina tao amin'ny Firenena Mikambana mandra-pahatonga ny taona 1971. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nanamafy ny tsindry ara-diplaomatika i Shina tamin'ny fanerena ireo firenena hafa sy ireo fikambanana iraisampirenena hanapaka ny fifandraisana amin'i Taiwan.

Notontosaina tao Tonga ny fivorian’ny PIF tamin’ity taona ity, manana lohahevitra hoe “fanamafisana indray ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miaritra”, indrindra eo amin’ny sehatry ny fikorontanan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana. Nandritra ny andro maromaro ny PIF lasa toerana iray hitsinjaran'ny mpandray anjara ny fanoloran-tenany hiara-hiasa amin'ny fiatrehana ireo fanamby ateraky ny fiovaovan'ny toetr'andro any amin'ny faritra sy ny filàna fampivelarana fiaraha-miasa isam-paritra amin'ny fampivoarana ny toekarena matanjaka sy maharitra.

Afa-nandray fitenenana tamin'ny fivoriana ny masoivohon'i Shina any amin'ny Pasifika, Qian Bo,  nanambaràny ny firaiketan'ny fireneny “amin'ny lalan'ny fampandrosoana am-pilaminana” sady “manohana ny tontolo marotendro mitovy sy mirindra sy ny fanatontoloana ara-toekarena mahasoa sy iraisan'ny rehetra”. Notanisain‘ilay diplaomaty ihany koa ny tetikasa miavaka lalan'ny lasoà (Belt and Road) an'i Shina ao amin'ny faritra.

Nandeha nankany Tonga ihany koa ny minisitry ny Raharaham-bahiny lefitra ao Taiwan, Tien Chung-kwang, saingy tamin'ireo telo mpiara-dia aminy tao amin'ny faritra ihany no nihaonany. Narahan‘i Shina maso akaiky ihany koa ny fitsidihany.

“Na inona na inona ezaka ataon'ny manampahefana ao Taiwan hanamafisana ny fisiany amin'ny alalan'ny kopisoroka ao amin'ny forum dia famitahan-tena ihany”, hoy ny mpitondratenin'ny ministeran'ny raharaham-bahiny ao Shina, Lin Jian, nandritra ny lahateny ho an'ny mpanao gazety tsy tapaka tany Beijing.

Voatonona tamin'ny voalohany tao amin'ny fampitam-baovaon'ny PIF navoaka tamin'ny 30 aogositra ny satan'i Taiwan ho mpiara-miombon'antoka amin'ny fampandrosoana. Ny andininy faha-66 amin'ny fampitgam-baovao dia milaza izao manaraka izao:

Relations with Taiwan/Republic of China: 66. Leaders reaffirmed the 1992 Leaders decision on relations with Taiwan/Republic of China.

Fifandraisana amin'i Taiwan/Repoblikan'i Shina: 66. Nanamafy ny fanapahan-kevitry ny Mpitarika tamin'ny taona 1992 momba ny fifandraisana amin'i Taiwan/Repoblikan'i Shina ny mpitarika.

Nanohitra avy hatrany ny masoivoho Shinoa Qian Bo ary nanamafy fa “fahadisoana manaitra” ity fizarana ity ka mila ahitsy.

“Ny olana lehibe dia ny hoe anisan'i Shina i Taiwan, ary azo antoka fa tsy ho mpiara-miombon'antoka amin'ny dinika momba ny fampandrosoana ho an'ny PIF i Taiwan,” hoy izy nanampy.

Taty aoriana, nandefa antontan-taratasy vaovao tao amin'ny tranokalany ny PIF ary tsy nisy resaka momba an'i Taiwan. Mampitaha ireo antontan-taratasy roa ity sioka ity:

Nesorina tanteraka tamin'ny endriky ny fampitam-baovao farany (navoaka voalohany omaly) ny tsipika manamafy ny satan'i Taiwan ao amin'ny Pacific Islands Forum, taorian'ny nangatahan'ny Masoivohon'i Shina ao Pasifika Qian Bo tamin'ny PIF mba “hanitsy” ny “fahadisoana mahagaga”

Re fa nanome toky ny diplaomaty Shinoa momba ny fanesorana zavatra ny filohan'ny PIF teo aloha, ny praiminisitra ao amin'ny Nosy Cook Mark Brown, .

“Hanaisotra izany izahay,” fampitam-baovao PIF Shina/Taiwan nalaina sary

Nanakiana ny “fitsabahan'i Shina” tamin'io raharaha io ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Taiwan.

Taiwan condemns China’s rude and unreasonable intervention and irrational behavior that undermines regional peace and stability and calls on all like-minded countries to pay close attention to China’s actions.

Melohin'i Taiwan ny fitsabahana bontolo sy tsy ampisainana ataon'i Shina mbamin'ny fitondran-tena tsy mitombina manimba ny fandriam-pahalemana sy ny fitoniana isam-paritra ary miantso ny firenena rehetra mitovy hevitra mba hijery akaiky ny fihetsik'i Shina.

Raha nanontanian'ny fampahalalam-baovao i Anna Powles, profesora mpiara-miasa momba ny haifilaminana ao amin'ny Oniversite Massey, dia nanamarika fa ny fikasan'i Shina hametraka hery matanjaka kokoa ao amin'ny faritra no olana.

China’s ability to successfully pressure the Forum to remove Section 66 is a clear wedge strategy with the intention to disrupt and divide.

It sends a clear message to the Forum and Taiwan’s remaining Pacific allies that China wields significant influence at the potential expense of regional unity.

Ny fahaizan'i Shina manery am-pahombiazana ny Forum hanesorana ny Fizarana faha-66 dia paikady mazava amin'ny fikasana hanakorontana sy hampizarazara.

Mandefa hafatra mazava ho an'ny Forum sy ireo mpiara-dia amin'ny Taiwan ao Pasifika sisa tavela i Shina fa mamelatra ambaindainy lehibe izay mety hanimba ny firaisankinam-paritra.

Naneho ny fahadisoam-panantenany noho ny fahadisoana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenen'i Kiribati Alexander Teabo, izay tany Tonga ihany koa. Nimenomenona ihany koa izy fa aroso hodinihana ao amin'ny PIF ny olan'i Taiwan-Shina. “Samy manana ny politika anatiny manokana i Taiwan sy i Shina…ary ankehitriny manosika azy ho ao amin'ny forum, mihevitra izahay fa ho karazam-piezahana hiditra ao amin'ny fianakavian'ny forum izany,” hoy izy nandritra ny antsafa tamin'ny fampitam-baovao.

Nanoro hevitra ny sekreteran'ny PIF ny mpanao gazety Stephen Dziedzic mba hanazava tsara ity snafu amin'ny fampitam-baovao ity fa raha tsy izany dia “mamela fahatsapana manahirana io fa nilefitra tamin'ny tsindrin'ny PRC [Shina] fotsiny.”

Na dia teo aza io toe-javatra io, dia nohizingizinin'ny governemanta Taiwaney fa tsy miova ny satany ary mbola nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa tamin'ny PIF aza izy hanohanana ny asan'ny sekretarian'ity farany hatramin'ny taona 2027.

Nanolo-kevitra ny Nosy Solomon, izay nanana fifandraisana ara-diplomatika tamin'i Taiwan mandra-pahatonga ny taona 2019 ny hanombanana indray an'i Taiwan amin'ny maha “mpiara-miasa amin'ny fampandrosoana” saingy tsy notohizan'ireo mpandray anjara amin'ny PIF izany. Ny Nosy Salomon no hampiantrano ny fivorian’ny PIF amin’ny herintaona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.