Foaran'i Cairns maneho amin'ny fombany ireo taokanto vazimba teratany avy ao amin'ny faritra avaratr'i Queensland

Libby Harward artwork: Stolen Culture Everywhere

Taokanto Libby Harward : Stolen Culture Everywhere (dika malalaka: Feno kolontsaina misy mangalatra eny rehetra eny) – Saripika an'ny mpanoratra

Ny Foaran'ny Taokanto Vazimba Teratany ao Cairns – 2024 (CIAF) dia manasongadina mpanakanto maro manerana an'i Queensland, indrindra fa ireo avy amin'ny farany avaratra amin'io fanjakàna aostraliàna io. Nankalaza ny faha-15 taonany ilay foara.

Noforonina tamin'ny 2009 ilay foara ho ampahany amin'ny hetsika Fanohanana ny Taokanto Indizeny ataon'ny governemantan'i Queensland. Isan'ireo tanjony ny fanohanana ny :

  • fampandrosoana sy fampiroboroboana ny fandraharahàna IAC [Indigenous Arts Centres – Ivontoeran'ny Taokanto Indizeny] ampifanarahana amin'ny drafitra stratejikan'ilay ivontoerana.
  • fampitomboana ny mety ho fanànana asa sy fanatsaràna ireo hirika arak'asa ho an'ireo mpitantana, mpiasa ary artista anatin'ny sehatry ny asakanto any amin'ireo Firenena Voalohany.
  • fanamafisana ny fahaiza-mitarika ho an'ireo Firenena Voalohany, amin'ny sehatry ny kanto ho an'ny maso sy ny asatànana.
  • fampitomboana ny fahaizamanaon'ireo artista sy fikambanana mba hahavita hiatrika ireo adidy ara-kolontsaina sy filàn'ny tsena.

Lasa antokon-draharaha iray mahaleotena ny CIAF tamin'ny 2013.

Asehon'ireo taokanto ireo karazana media maro toy ny hosodoko, asakanto vita amin'ny taratasy toy ny paikafo sy sokitra, lamaody, saripika, asa vita amin'ny tanimanga, famoronana 3D nampiasàna akora samihafa, sy ny maro hafa, ary ny multimedia.

Hita ao anatin'ny hetsika mivantana nandritra ny Alina Fanokafana azy ny fampirantiana lamaody, ny fomban-kabary Country ‘Light the Fire’, ary ny mozika sy dihim-bazimba teratany. Indro ny sasany tamin'ireo zava-nisongadina aseho ao anatin'ity lahatsary ity:

Ny fantsona Youtube an'ny CIAF dia manana lisitra filalao  manasongadina ireo mpamorona isambatan'olona. Artista sady mpamorona i Delvene Cockatoo-Collins, niaraka niasa tamin'ireo mpianatra avy ao amin'ny Anjerimanontolo momba ny Teknôlôjia ao Queensland mba hamorona ity fehezana ity:

Asongadin'ity lahatsary ity ireo saripikan'andiana sanganasa kanto tao amin'ny Ivontoerana Fampirantiana tao Cairns sy ireo toerana fanampiny. Ny mpanoratra no nanapika ny sary rehetra:

Tamin'ireo mpandresy nahazo ny loka isantaona fanomen'ny CIAF dia ahitàna an'i Matilda Nona, artista iray avy any amin'ny Nosy Badu any Torres Strait (TI – Thursday Island) izay nahazo ny loka Innovation :

Matilda Nona, winner of the Innovation award, with some of her art

Matilda Nona, nahazo ny loka Innovation, miaraka amin'ny sasany amin'ireo asakantony – saripika an'ny mpanoratra

Ny Cape York Weekly dia nitatitra fa:

Raha miresaka momba ny Tanindrazany avy eny amin'ny sehatra namelarana azy ny asa tokana nataon'i Matilda Nona, tsy vita ny tsy hihaino azy amim-pahatalanjonana.

Ho an'ny asany dia mampiasa loko voajanahary hita ao Torres Strait niaviany ihany ilay artista avy ao amin'ny Nosy Badu, teknika iray nahatonga azy hahazo ny loka Holding Redlich Innovation mitentina 10.000 dôlara amerikàna tamin'ny Foara 2024 ho an'ny Taokantom-Bazimba Teratany tao Cairns.

Ny loka goavana Excellence Prize dia artista iray hafa avy ao TI , Joel Sam no nahazo azy tamin'ny zavabitany:

Joel koa dia avy any Torres Strait, antsoina hoe Thursday Island. Ny momba azy ao amin'ny Cairns Art Gallery no mamintina ireo asakantony isankarazany:

Mamorona sokitra be pitsopitsony avy amin'ny akorandriaka sy vato marbra i Joel. Mpanao printy ihany koa izy, amin'ny fampiasàna ny herin'ny tifitra rano (etching) sy sy linocut mba hamoronana sanganasa izay aingampanahy nalainy avy amin'ny kolontsaina sy ny fomba fiaina tanosy ao amin'ny Elodranon'i Torres Strait. Mifototra betsaka amin'ireo marika tôtemika sy ny resaka foko ny tefiendrika ataon'i Joel, ary mazàna no ahitàna zavamaniry sy biby, zavaboary avy anaty ranomasina, sy vondron-kintana avy amin'ny tsy takamaso.

Miatrika olana tsy misy hafa amin'ny iainan'ireo vahoaka hafa any amin'ny faritra hafa ao Aostralia ireo vahoaka vazimba teratany ao Cairns, isan'izany ny tsy fisian'ny hirika hahitàna asa, fahazoana fikarakaràna ara-pahasalamana, ny fisiana trano fonenana ary ny fanagadràna ny tanora.

Renivohitry ny fizahantany any avaratra i Cairns, vavahady iray fidirana mankao amin'ilay Great Barrier Reef (Sakana Haran-dranomasina goavana) sy ny ala ao Daintree, samy voasokajy ho faritra arovana ao amin'ny Vakoka Erantany ao amin'ny UNESCO. Toerana fiatoana ihany koa izy ho an'ny dia lavitra mankany Cape of York, ny Nosy Torres Strait ary ny Hoalan'i  Carpentaria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.