Na nisy aza ny fampanantenana dia mbola miatrika tsy fahampian-drano ry zareo Azerbaijaney

Sary an'i Arzu Geybullayeva

Efa an-taona marobe no loharanon'ahiahy ny tsy fahampian'ny rano ao Azerbaijan. Kanefa, noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa sahaza ho an'ny resaka rano, na teo aza ny fampanantenan'ny fanjakàna handray an-tànana ilay olana, mbola mitoetra hatrany ny tsy fahampiana, isan'izany ny fotodrafitrasa fitantanana sy fikarakarana ny rano efa avy nampiasaina ary ny tsy fahampian'ny fanentanana ny vahoaka amin'ny fomba fampiasàna ny rano sy ny tsindry mitombo mahazo noho ny olan'ny toetrandro. Noho ny kolikoly dia tsy voaara-maso araka ny tokony ho izy ihany koa ny fitantanana sy fitsinjarana ny rano. Tamin'ity lohataona ity, ny fiharatsian'ny tsy fahampiana rano dia nampisongadina fa kipantsona nikarantsana fotsiny ihany ireo fampanantenana tany aloha nataon'ny governemanta hoe hikaroka vahaolana.

Loharanon-drano

Ireo renirano Kura sy Araxes no roa tena loharano mamatsy ny rano mamelona ny tanàna, manome ny 78 isanjato amin'ny famatsiana rano ao aminy. Tamin'ny 2013, nosokafan'ny fanjakana ny Fotodrafitrasa goavana fanesorana ny sira avy amin'ny ranomasina kaspiena  [Caspian Sea Water Desalination Complex ] mba hiatrehana ny olan'ny tsy fahampian'ny rano.

Tena vao haingana, tamin'ny Martsa 2023, najoron'ny governemanta ny Azerbaijan State Water Resources Agency (ASWRA) — sampandraharaham-panjakana iray natao hisahana ny pôlitika sy ny fandrindràna ny rano. Na izany aza, misy ireo andrim-panjakana hafa tafiditra amin'ny resaka fitantanana ny rano. Isan'ireny ny Vaomieram-Pirenena ho an'ny Rano, najoro tamin'ny 2020, ny ny Ministeran'ny Ekôlôjia sy ny Loharanon-karena Voajanahary, ny Azerenergy Open Joint Stock Company (OJSC) sy ny Azercosmos OJSC eo ambany fiahian'ny Akademia Nasiônaly Azerbaijaney momba ny Siansa, ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Nomerika sy ny Fitaterana, ary marobe hafa, araka ny tatitra volana Aogotsitra 2024 avy amin'ny Banky Iraisampirenena.

Ananan'i Azerbaijan ihany koa ny Lalànan'ny Rano, nolaniana tamin'ny 1997 (ary nasiana fanovàna tamin'ny Desambra 2021), izay “manome ireo fototra araka ny lalàna ho an'ireo endrika isankarazan'ny fitantanana ny rano ao amin'ny firenena.” Eo am-piketrehana ny Pôlitika Nasiônaly momba ny Rano ihany koa ny firenena, araka ny voalazan'ny tatitra fanombanana ankapobeny ny Fahazoana Rano avy amin'ny Banky Iraisampirenena.

Na izany aza, milaza ireo manampahaizana fa marobe amin'ireo fepetra efa misy no  tsy ampy. Raha niresaka tao amin'ny Azadliq Radio, nolazain'ilay mpahay toekarena, Rovshan Agayev, fa na ohatra aza ny ASWRA ka manana fahefana midadasika, indrindra amin'ny resaka fandavahana, fikarakaràna, fitaterana ary famatsiana, dia ny mifanohitra amin'izany no tokony hatao. Tsy hanampy mihitsy ny fampivangongoana ny tambajotram-panatsaràna manontolo sy ny rano fisotro ho ana andrim-panjakana tokana. Fa tokony hoe, zaraina andraikitra ho amin'ireo andrim-panjakana mahefa. “Tokony hafindra amin'ny Ministeran'ny Fambolena ny famarotana sy ny fitsinjaràna azy amin'ireo mpamboly. Tokony hapetraka amin'ireo kaominina ny famatsiana rano fisotro ho an'ny mponina, izany hoe mpamatsy vola tsy miankina,” hoy i Agayev nanazava tao anaty antsafa iray tamin'ny Aprily 2023.

Mandritra izany fotoana izany, raha maneho ny ahiahiny ireo manampahaizana, momba ny fahafahan'ny fanjakàna mamaha ny olan'ny tsy fahampian'ny rano, miaritra ny mafy kosa ireo vahoaka ao an-toerana — indrindra fa ireo mponina eny am-bohitra sy ny tantsaha.

Tamin'ny Aogositra, ny Meydan TV dia nitatitra tsy fahampiana rano tany amin'ny faritr'i Zaqatala, avaratr'i Azerbaijan, toa hoe vokatry ny fahanteran'ny fotodrafitrasa. Nitaraina ireo mponina tao amin'ilay fantsona fampahalalam-baovao fa hoe, na teo aza ny fitarainan-dry zareo, tsy voavaha ny olan'ny fahazoana rano. Mponina iray no nilaza tamin'ny Meydan TV fa ireo vohitra roa lehibe indrindra ao amin'ny faritra dia efa an-taona maro no niaritra haintany. “Milaza aminay [ireo manampahefana] hoe tsy maintsy havaozina ireo fantsona fitaterana rano. Fa tsy nolazaina taminay hoe iza no tsy maintsy manavao ireny fantsona ireny, na nahoana no nahemotra ilay dingana,” hoy ny tarainan'ilay   mponina. Araka ny tatitra vao haingana avy amin'ny Banky Iraisampirenena, “Tsy manana tolotra tantanan'ny matiahina ny ankamaroan'ireo tanàna kely sy faritra ambanivohitra.”

Tamin'ny taona lasa, nahatsapa ho toy ny tsy mba nomena safidy ireo mponina tao Saatli, afa-tsy ny fikarakaràna hetsipanoherana hanoherany ny olan'ny fahatapahan-drano iainan-dry zareo taorian'ireo andrana marobe tsy nahomby nifampiresahana tamin'ny tomponandraikitra sy ireo andrim-panjakana voakasik'izany. Ny valiny, tsy nijery ny fangatahan-dry zareo sy ny olan'ny rano ny fanjakàna, fa mba hanakombonana ny vavan'ireo, naleony nitifitra bala fingotra an'ireo mponina am-bohitra.

Tamin'ity lohataona ity, nitaraina tsy fahampiana rano ihany koa ireo mponina ao Baku, renivohitra. Tamin'ny Aogositra, marobe ireo distrika niaina tsy fahampiana rano nandritra ny herinandro maro. Araka ny fanambaran'ireo manampahefana dia ny asa fikojakojàna ny iray tamin'ireo fantsona tena mpitondra rano ho an'ny renivohitra no niteraka ilay tsy fahampiana rano. Tsy nampilazàna momba ilay asa fikojakojàna, sy ny fanapahana ny rano, ireo mponina, na nilazàna izay ho faharetan'izany.

Mponina an-tanàndehibe tsy mitsahatra mitombo

Araka ny fanehoankevitry ny lefitry ny praiminisitra misahana ny Ekôlôjia sy ny Loharanon-karena Voajanahary, Umayra Taghiyeva, nandritra ny Fampirantiana Iraisampirenena sy ny Vovonana momba ny Fitantanana ny Rano, “Herinandron'ny Ranon'i Baku” tamin'ny Martsa 2024, “Amin'izao fotoana izao, tsy dia araka izay tsapan'ireo mponina an-tanandehibe loatra ny olan'ny tsy fahampian'ny rano eto amin'ny firenentsika.” Ny volana Martsa no nanaovany izany fanambaràna izany, talohan'ilay fanamaivanana ny hafanamben'ny lohataona, izay nampitombo indray ny olan'ny tsy fahampian'ny rano sy ny fahazoana azy.

Na mety ho iray aza amin'ireo antony miteraka ny tsy fahazoana rano, toy ilay iray niainan'i Zasatala, dia ny fitantanana sy ny tsy fisian'ny mangarahara avy amin'ireo andrim-panjakana misahana ny fitantanana, fitsinjaràna ary ny pôlitikan'ny rano no miteraka ny tsy fahampian'ny rano any amin'ireo tanandehibe midadasika manerana ny firenena. Tsy lazaina intsony ny fitombon'ny isan'ny mponina an-tanandehibe ateraky ny fifindràmonina anatiny.  Araka ny fanadihadiana vao haingana, nataon'ny Ivontoerana Fikarohana ao Baku, izay milaza fitomboana goavana amin'ny isan'ireo olona an-tanandehibe ao amin'ny firenena, tato anatin'ny taompolo roa farany monja, niainga avy amin'ny 52,2 isanjato ka tafakatra 54,5 isanjato ireo mponina an-tanandehibe. Raha ny fanisàm-bahoaka tamin'ny 2022 dia 10,32 tapitrisa ny fitambaran'ny mponina ao amin'ny firenena.

Efatra taona lasa izay, nampanantena nandritra ny fivorian'ny governemanta ny filoha Ilham Aliyev fa handray an-tànana ny olana tsy mitsaha-mitombo amin'ny resaka tsy fahampian'ny rano ao amin'ny firenena. Tamin'izany fotoana izany ny filoha dia nilaza fa “Manomboka izao, ho olana atao laharam-pahamehana ao anatin'ny fandaharanasantsika ny rano fisotro sy ireo tetikasa fampidiran-drano. Tanjona goavana ho an'ity fihaonana anio ity ny hanafoana ireo lesoka sy fahabangàna nisy tamin'io sehatra io ato anatin'ny taona ho avy.” Tamin'io taona io ihany, nosoniavin'ny filoha ny drafitr'asa iray hiantohana izay hampahomby ny fampiasàna ireo loharanon-drano manomboka ny 2020 hatramin'ny 2022. Raha hiverenana maika ny amin'izao fotoana izao, mbola lavitry ny famahàna azy ilay olana — vao mainka nohamafisin'ny fanaovana fambolena totoafo, ireo siniben-drano maro, haintany, fahalotoana ary faharatsiam-pitantanana mitarazoka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.