Programa mampiroborobo ny tetikasam-pikatrohana nomerika ho an'ny fokonolona ao amin'ny vondrom-piarahamonina miteny Maya, indrindra any amin'ny fanjakan'i Chiapas sy ny Saikinosy Yucatan ao Meksika ny Fikatrohana Ankihin'ny Fiteny Mayana (afohezina ho ADLM amin'ny teny espaniola). Tamin'ity taona 2024 ity, nofantenana ny andiany fahatelo amin'ity fandaharana ity ary ahitana mpiteny folo amin'ny fiteny mayana notsongaina tamin'ireo tolo-kevitry ny vondrom-piarahamonina nisongadina.
Naneho fanoloran-tena ho an'ny vondron'izy ireo sy fahalianana lehibe amin'ny fametrahana ny fiteniny amin'ny sehatra nomerika ireo sakaiza ireo. Mpiteny Yucatec Maya, Ch'ol, Tseltal, ary Tsotsil ry zareo.
Ao anatin'ny tetikasa ADLM dia hanao hetsika samihafa izy ireo toy ny atrikasa fikatrohana nomerika, fivoriam-paritra, ary ny fandaharan'asa ADLM Fellowship amin'ny alàlan'ny fanohanana sy fanoroana ireo mpikatroka eo an-toerana manana haizatra be dia be. Hanao fivoriana virtoaly isam-bolana miaraka amin'ireo mpikatroka nomerika fantatra amin'ny haizatrany amin'ny hetsika nomerika sy ny fomba fandraisan'ny vondrom-piarahamonina anjara izy ireo. Ho fanampin'izany, omena marika kely 2.500 USD ho fampitaovana sy ireo fitaovana ilaina amin'ny fampandrosoana ny tetikasany ry zareo.
Tafiditra ao amin'ny fomba fiasan'ny tetikasa ny mifampianatra, ho fankatoavana ny haizatran'ny tsirairay amin'ireo olona mandray anjara sy ireo manohana azy ireo amin'ny dingana. Izany no mahatonga ireo mpahazo vatsim-pianarana hizara ny fahalalany ao amin'ny vondrona amin'ny maha-mpanoro hevitra azy ireo mandritra ny fandaharana.
Ary dingana farany amin'ny programa ny ekipa nahazo vatsim-pianarana hanolotra ny tetikasany amin'ny Fihaonambe ADLM amin'ny taona 2025, sehatra iray mampivondrona ireo mpikatroka, mpikaroka, mpampita hafatra ary fikambanana miasa hiaro ny fiteny Mayana sy ny fiteny hafa any Meksika sy ao Amerika Latina. Mbola hisy fanazavana fanampiny momba izany rahatrizay.
Ireto manaraka ireto ny ampahany notsongaina tamin'ity taona ity:
Yamily Abigail Hu Yama
Fiteny: Yucatec Maya
Fokonolona: Señor, Quintana Roo, Meksika
Roger Israel Kuyoc Tuz
Fiteny: Yucatec Maya
Fokonolona: Tizimín, Yucatán, Meksika
Marlene Sánchez Guzmán
fiteny: Ch'ol
Fokonolona: Hidalgo Joshil, Chiapas, Meksika
Juan Vázquez Méndez
Fiteny: Tseltal
Fokonolona: San Juan Cancuc, Chiapas, Meksika
Cristina Agustina Álvarez Díaz
Fiteny: Tseltal
Fokonolona: Amatenango del Valle, Chiapas, Meksika
Nehemias Chable Hau
Fiteny: Yucatec Maya
Fokonolona: Tahdziú, Yucatán, Meksika
José Raúl Sánchez Pérez
Fiteny: Ch'ol
Fokonolona: Tila, Chiapas, Meksika
Juan Carlos Gómez Pérez
Fiteny: Tseltal
Fokonolona: Ocosingo, Chiapas, Meksika
Manuel De Jesús Pérez Pérez
Fiteny: Tsotsil
Fokonolona: San Cristóbal de las Casas, Chiapas, Meksika
Carlos Alberto Chi Chan
Fiteny: Yucatec Maya
Fokonolona: Dzitbalché, Campeche, Meksika
Manasa anao izahay hahalala bebe kokoa momba ireo Tetikasam-pikatrohana ankihy fiteny Mayana teo aloha:
- Sakaiza 2022 [mg]
- Vovonana ADLM 2023 tao Mérida, Yucatán
- Sakaiza 2023
- Vovonana ADLM 2024 tao San Cristobal de las Casas, Chiapas
Ny tetikasa ADLM dia fisantaran'andraikitry ny Rising Voices arahim-panohanan'ny W.K.Kellogg Foundation.