Fafan'i Azerbaijan mialoha COP29 ireo mpitsikera

Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva

Miomana handray ny COP29, fihaonambe iraisampirenena momba ny tontolo iainana lehibe indrindra fanao isantaona, ny governemanta Azerbaijani, izay hatao any Baku ny 11–22 Novambra. Saingy tsy hamolavolana drafitra hanohanana toekarena maitso na hamerana fiakaran'ny maripana maneran-tany ho latsaky ny 1,5 degre Celsius, araka ny fifanarahan'i Paris 2015, ny fanomanana. Raha misy ny filazana mazava nataon'ny filoha Ilham Aliyev dia tsy manana drafitra toy izany ny firenena ary hanohy amin'ny fampiasam-bola sy ny famokarana solika milevina. Fa namely kosa ireo feo tsy miankina sisa nitsikera ny fitondrana ny manampahefana Azerbaijani, mialoha COP29, nisambotra mpikatroka, mpanao politika ary mampianatra sekoly ambony marobe noho ny fiampangana sandoka. Manana ny iray amin'ireo firaketana iraisampirenena ambany indrindra momba ny zon'ny olom-pirenena sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena i Azerbaijan ary nanizingizina ny filoha Aliyev fa voamarina ny fanenjehana ny fiarahamonim-pirenena.

Ny andiam-panenjehana farany indrindra dia ahitana ny fisamborana ny tanora manam-pahaizana Bahruz Samadov, mikendry hahazo diplaoma PhD ao amin'ny Oniversite Charles ao amin'ny Repoblika Tseky. Notazonina tao Baku i Samadov tamin'ny 21 Aogositra ary nentina tany amin'ny Sampan-draharahan'ny Fiarovam-pirenena. Roa andro taty aoriana, nomen'ny fitsarana ao Baku famonjana vonjimaika efa-bolana noho ny fiampangana ho namadika i Samadov. Voampanga ho niray tsikombakomba hamely fanjakana i Samadov tamin'ny fifandraisany tamin'ireo teratany Armeniana tao amin'ny WhatsApp. Nandà ny fiampangana i Samadov.

Tato anatin'ny taona vitsivitsy izao i Samadov nanoratra andian-kevitra momba an'i Azerbaijan ho an'ny fampahalalam-baovao iraisampirenena sy isam-paritra. Anisan'ny mpikatroka ao amin'ny vondrom-piarahamonina mikatsaka fandriampahalemana izay nanohitra mafy ny Ady Karabakh Faharoa tamin'ny taona 2020 ihany koa izy izay nanenjehana an'i Samadov sy ny hafa.

Tamin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny Global Voices, dia nilaza naman'i Samadov iray, izay naleony tsy nitonona anarana noho ny olana ara-piarovana, fa ny asa sorany no nitarika ny fisamborana azy.

He was harshly criticizing the undemocratic regime in Azerbaijan in his articles. He was one of the few public voices who stood up against violations of human rights and the rights of Armenians in Karabakh. Bahruz has been threatened a couple of times because of his articles and social media activities. He was the target of the state because of his opinions.

Nanakiana mafy ny fitondrana tsy demôkratika tao Azerbaijan izy tao amin'ny lahatsorany. Iray amin'ireo feom-bahoaka vitsivitsy nijoro nanohitra ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny zon'ny Armeniana tao Karabakh izy. Efa imbetsaka no norahonana i Bahruz noho ny lahatsorany sy ny hetsika media sosialy. Lasibatry ny fanjakana izy noho ny heviny.

Ankoatra an'i Samadov, nosamborin'ny polisy ary nomelohin'ny polisy higadra efa-bolana an-tranomaizina alohan'ny fitsarana tamin'ny Jolay 2024 ny tanora mpikaroka iray hafa antsoina hoe Ilgar Abilov, izay mikaroka momba ireo foko vitsy an'isa ary mipetraka any Belarosia. Voampanga ho mpamadika i Abilov; manao antso manohitra ny fanjakana araka ny baikon’ireo mpisehatra vahiny; ary mandrisika fankahalana firenena, foko, fiaraha-monina, na fivavahana.

Fotoana fohy taorian'ny fisamborana an'i Bahruz Samadov, notanana tao amin'ny seranam-piaramanidina ny mpikatroky ny fandriampahalemana iray hafa antsoina hoe Samad Shikhi ary nosakana tsy hivoaka ny firenena. Nohadihadiana ho vavolombelona tamin'ny fanadihadiana hamelezana an'i Samadov izy avy eo. Ny fitazonana ny seranam-piaramanidina farany indrindra dia ahitana an'i Cavid Agha, mpikaroka tsy miankina izay nandao ny firenena hanohy ny fianarany.

Tao anatin'ny hafanam-be tamin'ny faran'ny volana Aogositra, nanao famafana vaovao ireo tanora manam-pahaizana sy ny feon'ny media sosialy i Azerbaijan izay manana ny fandriampahalemana ho tena zava-dehibe indrindra aminy. Tsy mpampihatra tetikasa, programa na fikambanana ireo, fa mpianatra + manana fomba fijery mahaleo tena + mitsikera.

Namoaka fanambaràna ny vondrona tanora manam-pahaizana miasa ao Kaokazia sy Azerbaijan, manameloka ny famoretana: “Tsy mifanaraka amin'ny fanoloran-tenan'i Azerbaijan eo amin'ny sehatra iraisampirenena ny fisamborana sy ny fihazonana tsy amin'antony ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina akademika ary pentina maharitra eo amin'ny lazan'ny firenena izany. ”

Tamin'ny fahavaratra lasa teo, voaroaka avy any Torkia ho any Azerbaijan, izay niampangana azy ho nanao vola sandoka sy voahazona mialoha fitsarana ny mpianatra PhD iray hafa, Fazil Gasimov, tao amin'ny Anjerimanontolon'i Istanbul.  Nosamborina i Gasimov hatao fanadihadiana iray miaraka amin'ilay mpanao politika taloha, akademika sady manampahaizana manoloana ny kolikoly Gubad Ibadoglu. Tamin'ny 30 aogositra, nandritra ny fihainoana tamin'ny raharahany, nofaritan‘i Gasimov tamin'ny an-tsipiriany ny fampijaliana azy tany am-ponja sy nanerena azy hijoro vavolombelona hamely an'i Ibadoglu. Nambarany ihany koa fa na dia nitokona tsy nihinan-kanina aza izy noho ny fisamborana azy tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny, hatramin'ny 11 jona, dia tsy nitsahatra ny fitondrana azy ho toy ny tsy olombelona. “Nitokona tsy nihinan-kanina aho nanomboka tamin’ny 11 Jona. Vokany, manana olana ara-pahasalamana lehibe aho. Tsy afaka mihetsika araka ny tokony ho izy aho. Na izany aza, nohazonina nandritra ny ora maro aho, ary nofatorana tao ivoho ny tanako, ary natao tao anaty efitra kely maizina aho. Fampihorohoroana ara-pihetseham-po sy famoretana ara-politika izany,” hoy i Gasimov.

Tena nanaitra ny vahoaka ny fanamafisan'ny fanjakana, tamin'ny herintaona, ny famoretana ka nisamborana mpanao gazety, mpanao politika ary mpikatroka marobe. Ary toa mitombo ihany ny lisitry ny voafonja.

Tamin'ny volana Aprily, nosamborin‘ny polisy i Anar Mammadli, mpikatroka ara-politika, gadra politika teo aloha, ary lehiben'ny ONG iray manohana ny demôkrasia ao an-toerana, ny Foibe Fanaraha-maso ny Fifidianana sy ny Demaokrasia (EMDC). Nosamborin'ny polisy ihany koa i Imran Aliyev, mpikatroka mpomba ny demôkrasia sady mpanorina ny meclis.info, tranonkala iray mirakitra ny fanambaràn'ireo mpanao lalàna Azerbaijani. Samy voampanga lainga ho nanao fanondranana an-tsokosoko izy roa ary voaheloka higadra alohan'ny fitsarana izay nohalavaina imbetsaka.

Tamin'ny volana Aogositra 2024, nisy fiampangana fanampiny natambesatra tamin'ny ekipan'nyAbzas Media [mg], mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices. Mety hiatrika sazy an-tranomaizina roa ambin'ny folo taona ireo mpanao gazety voatazona.

“Tsy fampanginana mahazatra fotsiny izany fa fanafihana vita kajy amin'izay rehetra sahy mijoro hanohitra ny vahohon'ny fitondrana,” hoy ny lahatsoratra iray ao amin'ny Feminist Peace Collective.

Nampiasa famoretana midadasika ny governemanta teo aloha ary misambotra tsy tapaka ireo mpitsikera ny governemanta. Io no anisan’ny nanampy ny filoha am-perinasa vao haingana nahazoany fandresena tamin’ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana. Noho izany, ny famafana vao haingana ny tsy fitovian-kevitra sivily alohan'ny COP29 dia fikasana handambolamboana ny toerany eo amin'ny sehatra iraisampirenena, sady iraka hamongorana ireo mpitsikera alohan'ny fifidianana solombavambahoaka [mg] mialoha ny fotoana amin'ny 1 Septambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.