Niresaka momba ny fihateren'ny habaka sivily tao amin'ny Asia Center ao Bangkok, niresahana momba ny fihateren'ny habaka sivily ny Tonian-dahatsoratry ny GV, momba ny Trano Famoaham-baovaoan'ny GV

Ny 21 Aogositra hatramin'ny faha-23 Aogositra, natao tao Bangkok, Thailand ny andiany faha-9 amin'ny Kaonferansa Iraisampirenena Isantaona fanaon'ny Asia Centre.

Voalazan-dry zareo ao amin'ny tranonkalany fa tanjon'ilay kaonferansa ny “hamondrona ireo olontsotra sy fikambanana mandalina ny habaka sivily ao Azia, handinika fomba fanoherana sy fanerena ary hanombana ny fiantraika ankapobeny amin'ny demaokrasia sy ny zon'olombelona ao Azia.” Ampian-dry zareo bebe kokoa ami'ny filazàna fa “ilay kaonferansa dia hihodidina an'ireo tantaram-panoherana sy fanosehana ny fiarovana ny habaka sivily ao Azia”.

Nizara lahatsary iray nialoha ilay fihaonambe ny Asia Centre tao amin'ny fantsona YouTube-ndry zareo:

Milaza misimisy kokoa ny Asia Centre:

Manoloana ny famoretana, nijoro hatrany ireo mpisehatra avy amin'ny fiarahamonina sivily tamin'ny fikatsahany ny tamberin'andraikitra sy ny famerenana ireo fotokevitra demaokratika ho toy ny fitaovana hanoherana ny fikororosin'ny habaka sivily. Miaraka amin'ireo ezaka iombonana, toy ny fanoherana tsy ampiasàna herisetra sy ny fampiasàna ny media nomerika hiadiana amin'ireo hetsika fampahalalam-baovao diso, ezahan'ireo olontsotra sy fikambanana ny hiaro ireo soatoavina demaokratika, ny zon'olombelona ary ny tany tàn-dalàna.

Amin'ny maha-iray tamin'ireo mpandray anjara azy tamin'ilay fihaonambe, Filip Noubel, Tonian-dahatsoratry ny GV, niresaka momba ny Fanamafisana ny Fahasamihafàna ao amin'ny Efitranom-baovaon'ny GV: ny Fampiasàna fiteny samihafa, ny Fanafoanana ny Fanandevozana ary ireo Fitantaràna avy eny Ifotony ao anatin'ny Fanao Andavanandron'ny Global Voices. Ny Radio Taiwan International, izay nandray anjara tamin'ny  hetsika niraisany tamin'i Noubel, nitondra lohateny hoe “Habaka Demokratika Aziatika Mihatery: Fanoherana sy Valy Bontana”, dia namoaka lahatsoratra iray momba ilay fihaonana.

Vazimba teratany ny iray hafa nandray fitenenana tamin'io hetsika io ihany, ilay mpikatroka Mulihay Talus izay nitafàn'ny GV Rising Voices tamin'ny 2019.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.