Voakiana ho manampim-bava ny fitantaràna mpomba ny Palestiniàna ireo goavan'ny teknôlôjia

Sainam-pirenena palestiniàna tsy vita sary hatramin'ny farany tamin'ny rindrina iray tao Jerosalema. Sary an'i brionv tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0).

Niteraka ahiahy goavana momba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahamarinan'ny adihevitra demaokratika ny fanafoanana ireo feo palestiniàna misy amin'izao fotoana izao ety anaty sehatry ny media sôsialy. Lohalaharana tamin'ny firaketana ireny fanitsakitsahana ny zo nomerika ireny ireo fikambanana toy ny SMEX sy 7amleh, izay namboraka ny fihitaran'izany hatrany amin'ireo sehatra toy ny Meta (tompon'ny Facebook sy Instagram) miray tsikombakomba amin'ny fanampenam-bava ny votoaty momba ny palestiniàna.

Tamin'ny Ôktôbra 2023, nisy fivondronan'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona sy fiarahamonina sivily, isan'izany ny Oxfam, Access Now, sy ny maro hafa, nanaitra ireo “orinasa misahana teknôlôjia mba handray fepetra henjana avy hatrany hiarovana ny mpampiasa an-dry zreo ireny tsy ho tra-doza noho ny firongatry ny hetsika ao amin'ilay faritra.” Io fivondronana io dia niampanga ireo sehatra iraisana, toy ny Meta, ho tsy tapaka manao fanarahamaso ireo votoaty amin'ny fiteny arabo, ary mandika azy mihitsy ho toy ny mahery setra aza, na dia zara fa fanakianana kely ireo pôlitika israeliàna ilay izy. Etsy andanin'izay, ireo votoaty hebreo izay mandrisika herisetra atao amin'ireo Palestiniàna dia matetika tsy voaara-maso akory, mampibaribary ny fisiana mizàna tsindrian'ila amin'ireo fomba fanao amin'ny fandrindràna votoaty.

Tao anaty fanentanana iray tamin'ny Jolay, 7amleh nanambara fa, “tsy ampy ny nataon'ny Meta sy Facebook hiarovana ny Palestiniàna amin'ny kabarim-pankahalàna nandritra ireo taompolo farany iny, izay niseho tany anatin'ireo adihevitra maro mihantsy herisetra sy ireo fandresen-dahatra mihantsy fandringanana nandritra ireo volana sivy farany tamin'ilay ady ataon'ny Israeliàna amin'ny ao Gaza.”

Tamin'ny 2021, ny Human Rights Watch dia  niampanga ny Facebook ho nanaisotra ireo feon'ny Palestiniàna nitaky ny hisian'ny mangarahara misimisy kokoa momba ny fomba fanombanana sy famafàna votoaty. Tamin'ny 2022, SMEX dia namaritra ny fomba ataon'ireo orinasa mpanome tolotra media sôsialy, noho ny tsindry avy amin'ireo governemanta mba hanaovana lasibatra amin'ny fomba tsy mifandanja an'ireo fitantaràna avy amin'ny palestiniàna ary matetika ny fomba fitakian'ireo manampahefana israeliana mba hamafàna ireo votoaty heverin-dry zareo ho manohintohina, ary ireo sehatra dia toy ny mirona mankany amin'ny fanekena tsy misy mangarahara na dingana araka ny tokony ho izy.

Fandroritana midadasika kokoa

Mihitatra mihoatra lavitra ny habaka nomerika io olana io, misy fiantraikany ety amin'ny tontolo tena izy. Tamin'ny Febroary 2024, ny vovonana iray nivondronan'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona sy nomerika dia nampitandrina hoe bahanan'ny pôlitikan'ny Meta ny Palestiniàna tsy ho afaka mizara ny zavatra iainan-dry zareo, ary takonany ireo ezaka hiadiana amin'ny tena fanavakavahana ny jiosy. Ilay fanangonan-tsonia nomena lohateny hoe “Meta: Mila Miresaka Momba ny Fandripahana Izahay,” ary voasonian'olona mihoatra ny 52.000 dia mivaky hoe:

Salotr'aina nandritra ny ady fandringanana ataon'ny governemanta israeliàna amin'i Gaza ny feo maherin'ireo Palestiniàna sy ny mpiaradia amin-dry zareo — ary io mazàna no hany fitaovana tokana ho an'ireo Palestiniàna hitantarany ny tantarany, hiraketana ireo fanitsakitsahana zon'olombelona sy hitadiavana ny firaisankina iraisampirenena mandritra io fotoanan'ny habibiana tanteraka io.

Raha miatrika ny azo hinoana ho fandripahana ry zareo Palestiniàana ao Gaza (araka ny nambaran'ny Fitsarana Iraisampirenena International Court of Justice), dia mampanahy ny mahita hoe nosafidian'ny Meta io fotoana io hieritreretana pôlitika iray mamepetra bebe kokoa ny fampanginana ny kiana atao amin'ny tafika israeliàna, ny governemanta israeliàna, ary ny Ziônisma, tamin'ny nanakatonana ireo adihevitra nidiran'ny teny hoe “Zionist.” Sosokevitry ny Meta ny nandraisana ny  “Zionist” ho toy ny fanolo amin'ny hoe “Jew” na “Jewish” (ilazàna ny Jiosy) — nefa tsy hampitony anay rehetra izany, na iray aza. Vao mainka aza hanimba ireo ezaka natao handravàna ny tena tsy fitiavana jiosy sy izay rehetra endrika fanavakavahana ara-poko sy ny sekta.

Tokony ho afaka manome anarana tsy amin-tahotra izay ideôlôjia pôlitika misy fiantraikany amin'ny fahavelomany ry zareo Palestiniàna. Samy tokony ho afaka manao fanakiànana ilay ideôlôjia milaza ho misolo tena an-dry zareo daholo, na ny jiosy tsy tia Zionista na ny tsy zionista. Ary ireo mpiaro zon'olombelon tokony ho afaka mitaky tamberin'andraikitra amin'ny tafika sy ny governemanta israeliàna, na androany na rahatrizay.

Misy fiantraikany midadasika be amin'ny adihevitra demaokratika io sivana io. Koa satria lasa habaka môderna ireo vovonana media sôsialy, dia tena ilaina izy ireny ho an'ny fifanakalozana hevitra sy ny fanefena ny fomba fijerin'ny vahoaka. Rehefa mifantina manakombom-bava ny sasany amin'ireo fomba fijery ireny sehatra ireny, avilan-dry zareo ny dingana demaokratika ary sembanin-dry zareo ny fahalalahana mifanakalo hevitra. Lazain'ireo mpanakiana fa tsy ny Palestiniàna irery no voadonan'io sivana io, fa misy fiantraikany manangoly ihany koa izy io ho an'ireo fifanakalozan-kevitra mifandraika amin'ny zon'olombelona sy ny rariny ara-tsôsialy, satria ireo mpikatroka sy mpanao gazety dia matahotra ny fiantraikany ka manomboka manivana ny tenany.

Raha ny trangan'i Palestina, izy io koa dia ampahany ihany amina famoretana iray midadasika atao amin'ny hetsipanoherana sy ny firaisankina amin'i Palestina, indrindra fa any Eorôpa sy Etazonia, famoretana iray izay voarakitr'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona.

Ny anjara toeran'ireo orinasa teknôlôjika

Tsy olana ho an'ny ao an-toerana fotsiny ny fanivànana ireo feo mpomba ny Palestiniàna eny amin'ny media sôsialy; ampahany amin'ny olana iray midadasika kokoa momba ny anjara toeran'ireo sehatra nomerika amin'ny fandrindràna ny fanehoankevitra sy fanefena ny resaky ny vahoaka. Satria mitombo hatrany ny fitaoman'ireny sehatra ireny, lasa tena hamehana ny filàna ny mangarahara sy fitakiana tamberinandraikitra amin'ny dingana fandrindràna votoaty ao amin'izy ireny.

Amin'ny ankapobeny, ny sehatry ny teknôlôjia dia mpiray tsikombakomba amin'ireo pôlitika mpanavakavaka ny Palestiniàna, efa an-taona maro, fironana iray izay nihamafy hatrany amin'ny nanombohan'ilay ady ao Gaza. Microsoft, ohatra, dia niatrika kiana noho ny fanapahankeviny hibahana ireo kaonty palestiniàna, nanapaka azy ireny tsy hahazo ireo tolotra manandanja an-tserasera. Tamin'ny Jolay 2023, nitatitra ny BBC fa “ireo Palestiniàna monina any ivelany dia niampanga ny Microsoft ho nanakatona ny kaonty imailakan-dry zareo, tsy nisy fampilazàna — nanapaka azy ireo tsy hahazo ireo tolotra manandanja an-tambajotra.”

Ho setrin'izany, ny fanentanana nataon'i 7amleh dia nanasongadina ny fiantraikan'ireny hetsika ireny: “Amin'ny alàlan'ny fibahanana ny tolotra avy aminy, tapahan'ny Microsoft tsara mihitsy ny fahafahan'ireo Palestiniàna mba tsy hahitan-dry zareo hirika sôsialy, arak'asa ary ara-bola mandritra ny fotoana iray isian'ny fangirifiriana sy faharavàna goavana.” Ny fanapahankevitry ny Microsoft hametra ny tolotra omeny dia vao mainka mampitombo ny fanitsakitsahana ny zo nomerika, indrindra fa ao anatina toejavatra ahatapahan'ny fifandraisandavitra ao Gaza, izay ireo manampahefana israeliàna no matetika mametraka izany.

Mihitatra mankany amin'ireo sehatra hafa ihany koa ilay fironana amin'ny sivana, ka hita ao hatramin'ny X (Twitter taloha) izay vao haingana no niatrika fanakianana noho ny fametrahany sehatra ho an'ireo kaonty mirona amin'ny elatra farany havanana ary LinkedIn, izay matetika dia hita ho toy ny sehatra fametrahana tambajotra ho an'ny matianina, izay voampanga ho manivana ireo votoaty mpomba ny Palestiniàna, sy mametra na manaisotra ireo kaonty izay manao adisisika ho an'ny zon'ireo Palestiniàna.

Eny tokoa, ny tsy fitovian-kevitra amin'ny fomba ataon'ny sehatra media sôsialy amin'ny fandrindràna votoaty no iray amin'ireo endri-javatra manahirana indrindra amin'io sivana io. Raha matetika lasibatra ireo kaonty mpomba Palestiniàna, ny votoaty avy amin'ny elatra farany havanana sy mpanavakavaka kosa dia mazàna tavela hita sy miroborobo anaty sehatra iray itoviana.

Ireo fikambanana toy ny Access Now, 7amleh, sy SMEX no mitarika ny antso hisian'ny fanovàna, amin'ny fandrisihana ireo orinasan'ny media sôsialy mba hametraka pôlitika ara-drariny sy mangarahara ka tsy hampiasa mizana tsindrian'ila ikendrena ireo vondrom-piarahamonina an-jorom-bàla, sy amin'ny fiantohana fa mbola hisokatra sy ho azo idirana foana ireo habaka nomerika.

Ady iray ho an'ny hoavin'ny adihevitra demaokratika mihitsy ny tolona hanoherana ny sivana an-tambajotra sôsialy. Raha tsy misy fanolorantena hiaro ny fahalalahana maneho hevitra, ny tena fototry ny demaokrasia mihitsy no tandindonin-doza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.