Séverin Ayao Kansa, ilay hany vintana tokana ho an'i Tôgô mandritra ny Lalao Ôlaimpika ho an'ny manana fahasembanana [Paralaimpika] – Parisy 2024

Saripikan'i  Severin Ayao Kansa ; Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny Isis Media

Voalahatra ho ny 28 Aogositra hatramin'ny 8 Septambra ireo  Lalao Paralaimpika Paris 2024, roa herinandro taorian'ny nifaranan'ny Lalao Ôlaimpika (JO) Paris. Mandritra ny 11 andro, atleta 4 400 avy amina firenena 182 no hifaninana anatina taranjam-panatanjahantena 22 ary hiezaka ny hanoratra ny anaran'ny firenen'izy ireo tsirairay avy ao anatin'ny fàfan'ilay fifaninanana amin'ny alàlan'ny fandrombahana medaly.

Vakio: Hirika tsy fahita firy ho ana Afrikàna iray mpanao gazety izany hoe hanao fandrakofana ny Lalao Ôlaimpika izany, tafa niarahana tamin'i Daniel Dodjagni

Handray anjara koa amin'ireo Lalao Paralaimpika ireo i Tôgô, ka i Séverin Ayao Kansa, atleta paralaimpika manampahaizana manokana amin'ny vikina miakatra, sokajy T47 (sokajin'ireo atleta izay voafetra ihany ny fahafahan'ny tànany mihetsika) no hisolo tena azy. Na efa nandray anjara aza i Kansa tamina fifaninanana iraisampirenena vitsivitsy, smbany kosa izy no handray anjara amin'ireo Lalao Paralaimpika. Tafiditra amin'ity fifaninanana ity ilay atleta noho ireo zavabitany nandritra ny  Grand Prix du Marrakech andiany faha-8 tao Maraoka tamin'ny Arpily 2024 izay nandrombahany ny medaly volamena tamin'ny nahavitàny nitsambikina tany amin'ny 1,79 m.

Nohazavain'i Kansa tamin'ny Global Voices, nandritra ny antsafa iray tamin'ny alàlan'ny Whatsapp, ny fahavononany sy ny faniriany hanandratra avo ny sainam-pirenena tôgôley, amin'ny alàlan'ny fanomezana izay tsara indrindraavy aminy mandritra ireo fifaninanana.

Jean Sovon(JS): Ianao no hany Tôgôley tafita ho amin'ireo Lalao Paralaimpika ao Parisy, aiza ho aiza ny herin-tsaina ho anao?

Séverin Ayao Kansa (SYK): Ny ho tafita handray anjara amin'ny Lalao Paralaimpika, nofinofiko tao anatin'ny roa taona izany. Nandritra ny fifaninanana iraisampirenena voalohany nataoko tamin'ireo Lalaom-Piraisankina Islamika andiany faha-5 tany Tiorkia tamin'ny Aogositra 2022. Manomboka lasa tena izy io nofinofy io tamin'ny taona lasa rehefa nihazakazaka aho ka nahazo ny medaliko iraisampirenena voalohany nandritra ny Grand Prix du Marrakech andiany faha-8 tao Maraoka tamin'ny Aprily 2024. Araka izany, dia misy haravoana manetsika ahy ankehitriny, ary voninahitra ho ahy ny misolo tena an'i Tôgô. Fahatsapàna nofinofy tontosa izany.

Ankehitriny dia anatin'io lojikan'ny iraka tokony hotontosaina io isika. Ary io iraka io dia ny hampiakarana ny lentan'ny hetsika paralaimpika ao Tôgô. Araka izany dia azoko ambara ny hoe “eny, faly aho”.

JS: Iharan-tsindry ve ianao taorian'ny tsy fahombiazan'ireo namanao nandritra ny Lalao Ôlaimpika tao Parisy ?

SYK: Tsia, tsy mahazo tsindry aho na kely aza mikasika ny zavabitan'ireo namako tany amin'ny Lalao Ôlaimpika tao Parisy. Ny mifanohitra amin'izay aza, arahabaiko ny fahavononana sy ny finiavan'ireo atleta dimy ireo, izay nifaninana ho voninahitr'i Tôgô satria tsy mora izany. Ambohim-pihaonana goavana be faran'izay andrasan'ireo atleta maro ny Lalao Ôlaimpika, satria tsy misy raha tsy isaky ny efatra taona. Tsy zavatra iray tokony hitenenana mihitsy hoe tsy mendrika ny tenantsika. Ny naha-voafantina dia efa fandresena sahady. Azoko ambara ihany koa fa ny tsirairay tamin-dry zareo dia nanome ny tsara indrindra avy aminy.

Ny hafa nanatsara ny zavabitany manokana, fa tsy tsindry ho ahy izny. Vao mainka aza fandrisihana manosika ahy hanome koa izay tsara indrindra avy amiko mba hahavitàna zavabita tsara manokan'ny tena.

Vakio:  Fijerin'ireo Afrikàna mpanao gazety ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024

JS: Mihevitra ny hody mitondra medaly ve ianao?

SYK: Tsiahivina fa voalohany amin'ny fandraisako anjara amin'ireo Lalao Paralaimpika izao. Raha jerena ireo tsy maintsy nolalaovako nanaovana fanomanan-tena, azoko ambara fa matoky tena aho mba haneho fandraisana anjara tsara. Tsy maintsy tony, hanaraka ny toromariky ny mpanazatra, hifantoka tsara hatrany amin'ny fiafaràn'ny fifaninanana ary hanome ny tsara indrindra avy amiko. Satria ny tanjoko dia ny hisolo tena aminm-pahombizana an'i Tôgô amin'ireo Lalao ireo, hanome haravoana an'ireo Tôgôley mijery ahy ka hirehareha noho ny fanohanany ahy. Ny zavadehibe anatin'izany rehetra izany, dia ny fahavitàna manao fifaninanana tsara sy manatsara ny zavabitako.

Ity tatitra anaty lahatsary ity, an'i Isis Média, no maneho ny fanazarantenan'ilay atleta tao amin'ny kianja Kégué (any avaratr'i Lomé, renivohitr'i Tôgô), ho santatry ny Lalao Paralaimpika:

JS: Anaty fepetra toy ny ahoana no anaovanao fanazarantena? Nahazo fanohanana manokana ve?

SYK: Raha momba ny fanomanantenako, ny Federasiônan'ny Fanatanjahantena Paralaimpika Tôgôley (FETOSPA) no nanao izay rehetra azony natao mba hahazoako izay fitaovana rehetra hanazarako tena. Niarahana tamin'ny mpanazatra ny nametrahana ny fandaharam-potoanako, ary narahanay tsara izany. Tsy nitandro hasasarana ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny fialamboly mba hahafahana manao ireo Lalao ireo ho tena lalao avo lenta. Isaorako ihany koa ny Vaomiera Nasiônaly Ôlaimpika ao Tôgô tamin'ny tohana nomeny ahy.

Ireny andry ireny no nanome ahy ny tohana ara-bola sy ara-pitaovana mba hanamoràna ny fanazarantenako. Tontolo iray hafa ary fehy faratampon'izay katsahan'ny atleta tsirairay ny Lalao Paralaimpika. Amin'io fihaonana io, heveriko ny hanolotra izay tsara indrindra ananako, mba hanomezana voninahitra ny lokon'ny firenena.

JS: Inona avy ireo dingana vitanao?  

SYK: Dingana tsotsotra ihany ny ahy talohan'ity fifantenana ity. Azoko ambara fa atleta mahafehy taranja vitsivitsy aho. Manao para-tennis ambony latabatra, manao koa ny para-badminton, talohan'ny nanaovako ny para-atletisma. Nandritra ireny dingan'ny fifantenana ireny, fifaninanana iraisampirenena niisa telo no nandraisako anjara tamin'ny para-atletisma. Ny Lalao Islamika tao Tiorkia tamin'ny 2022, voalohany teo amin'ny dingana nodiaviko. Tamin'ny 2023, ny andiany faha-7 tamin'ny Grand Prix de Marrakech izay nidirako ho laharana faha-3 ary nahazoako medaly alimo tamin'ny fitsambikinana haavo 1,60m ; ary ny andiany faha-8 tamin'ny Grand Prix de Marrakech tamin'ny 2024, nahazoako medaly volamena tamin'ny nahavitako nitsambikina 1m79.

Ry zareo Tôgoley dia manam-pahatokisana an'i Séverin Ayao Kansa izay manana ny herijika hitondra ho azy ireo ny medaly paralaimpika voalohany ho azy. Tsindry goavana araka izany no ho eo an-tsorok'ilay tanora atleta. Ny fizotry ny fifaninanana no hanamarina raha toa ho ampy hahazoany ny fankatoavana farany amin'ireo Lalao Paralaimpika ireo fepetra nanomànany tena sy ireo tohana azony.

Vakio koa: Iza i Aya Nakamura, ilay mpanakanto nambara fa hanokatra ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.