Gaza : fitantaràna ady nahafatesana mpanao gazety betsaka indrindra

media étrangé

Fiara mifono vy fampiasan'ny masoivohom-baovao Reuters simban'ny tifitra balafomanga israeliàna tao Gaza tamin'ny 2006. Naratra nandritra ilay fanafihana ny mpakasarin'ny masoivohom-baovao Reuters, Fadel Shana, sy mpanao gazety iray avy ao an-toerana. Taona roa taty aoriana, maty i Fadel Shana rehefa niantefàn'ny tifitry ny fiara mifono vy israeliàna tao Gaza ny fiaran'ilay masoivohom-baovao, nisy soratra hoe “mpanao gazety”. Saripika an'i Eric Huybrechts tao amin'ny Flickr. CC BY-ND 2.0.

Ny 31 Jolay, Ismail al-Ghoul sy Rami al-Rifi, samy mpanao gazetin'ny fantsona Al Jazeera, dia samy matin'ny miaramila israeliàna tao amin'ny tobin'ny mpitsoaponenana tao Shati, any avaratr'i Gaza, teny am-panangonana vaovao momba ny famonoana an'i Ismail Haniyya, filohan'ny birao pôlitikan'ny Hamas tao Iràna.

Neken'ny tafika israeliàna ny naha-tomponandraikitra azy tamin'ny fahafatesan'i al-Ghoul sy al-Rifi, mpanao gazety, tamin'ny fiampangàna azy ireo ho tsy vitan'ny hoe mpikambana fotsiny tao anatin'ny brigady Al Qassam, rantsana mitam-piadiana ao amin'ny Hamas, fa koa nandray anjara tamin'ireo fanafihana tamin'ny 7 Ôktôbra. Io fiampangana henjana io — izay nolavin'ilay fantsom-pahitalavitra tanteraka — no im-betsaka nampiasain'ny Israeliàna ho entina manamarina ny heloka bevava ataon-dry zareo amin'ny mpanao gazety ; izay mety hahalasa ho fenitra ny fanaovana lasibatra ny mpanao gazety amin'ny resaka fiampangàna tsy mitombina.

Araka ny lazain'ny fantsona Al-Jazeera, tany aloha ilay mpanao gazety, Al Ghoul, dia nitatitra fisiana fanafihana nataon'ny israeliàna tamina toera-pitsaboana iray tao al-shifa any amin'ny avaratr'i Gaza, ary notazonin'ny tafika israeliàna tamin'ny Martsa dia navotsotra 12 ora taorian'izay, nilaza ny tsy fisian'ny fifandraisany amin'i Gaza na fikambanana hafa.

Manoloana ny fampiasàna ny fiampangàna tahaka izany atao an'ireo mpanao gazety, ilay profesora mpiara-miasa mampianatra pôlitika sy fifandraisana iraisampirenena ao amin'ny anjerimanontolo ao  Edinburgh, Nicola Perugini, dia nampitandrina tao amin'ny X:

Manambara mazava tsara ny Crystal israeliàna fa lasibatra ara-drariny ho an'ny tafika ireo mpanao gazety ao Gaza mitatitra momba ny fitsaharan'ny ady. Lasa ho sivily azo vonoina sy ampijaliana ny dikan'ny hoe “Nukhba”

pic.twitter.com/qfmopfcY2A[ english]

— Nicola Perugini (@PeruginiNic) 1 Aogositra 2024

Tranga iray mampanahy

Araka ireo tarehimarika vonjimaika avy amin'ny Vaomiera Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ), raha kely indrindra dia nisy 113 ireo mpanao gazety sy mpiasan'ny media no maty hatramin'ny fiandohan'ny ady tamin'ny 7 Ôktôbra 2023, telo no voamarina fa natao lasibatra ary folo hafa niharan'ny fanadihadiana. 165 ireo Palestiniàna mpanao gazety sy mpiasan'ny media maty tao anaty tarehimarika naroson'ny biraon'ny median'ny governemanta ao Gaza.

Ny Reporter sans frontière (RSF) no mitatitra amintsika hoe, « 29 [ tamin'ireo mpanao gazety maty] no maty tanaty toejavatra izay manondro fa niniana natao lasibatra izy ireo ary tao anaty fanitsakitsahana ny lalàna iraisampirenena izany ». Nisy fitoriana telo napetraky ny fikambanana ho fiarovana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety any amin'ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisampirenena (CPI), mangataka azy ireo hanao fanadihadiana tsy miankina momba ireo heloka an'ady.

Ny fahitalavitra Al Jazeera — voaràra ao Israely nanomboka  tamin'ny May 2023 — no tena lasibatra be indrindra, 5 tamin'ireo mpanao gazety tao aminy no maty tao Gaza hatramin'ny nanombohan'ny ady. Ny mpanao gazety, Hamza al-Dahdouh,  zanak'i Wael al-Dahdouh lehiben'ny birao ao Gaza, sy ilay mpiaramiasa aminy Moustafa Thuraya dia maty nandritra ny fanafihana an-habakabaka tamin'ny Janoary. Nohamafisin'ny tafika israeliàna ihany koa fa izy roa ireo dia « mpikambana anaty fikambanana mpampihorohoro ao Gaza » izay nolavin'ny hafa sy ilay fantsom-pahitalavitra ihany koa.

Tamin'ny Febroary, fanafihana iray tamin'ny alàlan'ny drôna no nandratra an'i Wael al-Dahdouh sy nahafaty an'i Samer Abu Daqqa, mpanao gazety sady mpakasary. Ny vadin'i Wael, ny zanany vavy 7 taona ary ny zanany lahy 15 taona koa dia samy maty tao anatina fanafihana iray nataon'ny tafika israeliàna tamin'ny 28 Ôktôbra 2023.

« Ireny fanafihana nahafaty olona nanjo ny mpiasan'ny Al Jazeera ireny dia nifanojo tamin'ny fampielezankevitra fanalàna baràka avy amin'ireo manampahefana israeliàna » hoy ny RSF, nampitandrina fa, « hampidi-doza an'ireo mpanangom-baovao no sady loza mananontanona ny zo hahazo vaovao ny fampifandraisana ny asa fanaovana gazety amin'ny asa fampihorohoroana ».

« Ny famonoana an'i al-Ghoul sy al-Rifi dia ohatra iray amin'ny loza mety hanjo amin'ny fanaovana fanadihadiana momba ny ady ao Gaza, ilay ady faran'izay nandatsahana aina be indrindra ho an'ireo mpanao gazety noraisin'ilay fikambanana an-tànana nandritra ny 30 taona, » hoy i Jodie Ginsberg, tale jeneralin'ny CPJ tao amin'ny fahitalavitra Al Jazeera, hoe ” toejavatra mampanahy ireo famonoana mpanao gazety ataon'i Israely tato anatin'ny 20 taona farany ». « Toy ny paikady midadasika napetrak [‘i Israely] izy ity mba hisintonana ireo vaovao momba ny tanànan'i Gaza », hoy ny nambarany, tamin'ny fanampiana hoe tafiditra ao anatin'io paikady io ilay fandraràna ny fahitalavitra Al Jazeera tsy hanao fanadihadiana any Israely.

Ratram-po sy harerahana

Hatramin'ny 7 Ôktôbra 2023 niandohan'ilay ady, nolavin'i Israely ny hidiran'ireo rehetra vahiny mpanao gazety ho ao amin'ny faritr'i Gaza hanao fanangonam-baovao momba ilay ady mitohy, raha tsy hoe mpomba ny tafika israeliàna izy ireny.  Noho io fandraràna tanteraka io, ireo mpanao gazety ao an-toerana irery no itambesaran'ny lanjan'ny fanangonam-baovao amin'ny fanaovana vy very ny ain-dry zareo.

Ny ratram-po goavana sy harerahana zakain'ireo mpanao gazety ao an-toerana, izay mbola marefo foana na teo aza ny fandraisana ny fepetra rehetra azo natao ho fiarovana, dia nambara tamina teny mampihetsi-po avy amin'i Hind Khoudary, ilay mpanao gazety amin'ny fiteny anglisy ao amin'ny al Jazeera ary lasa niely be,  taorian'ny fahafatesan'ireo mpiara-miasa aminy.

« Ataonay ny zavatra rehetra. Anaovanay ny akanjo milaza fa mpanao gazety izahay. Atsofokay ny aroloha. Nefa dia natao lasibatra izahay teny amin'ireo toerana natao ho an'ny daholobe, toerana ahitàna ny olontsotra rehetra ».

Nambaran'ilay mpanao gazety ao amin'ny Al Jazeera,  Hind Khoudary, fa momba ny famonoana ireo mpiaramiasa aminy, ny mpanao gazety Ismail al-Ghoul sy ny mpakasary, Rami al-Rifee izay… pic.twitter.com/QjRMZEWM8k

— Middle East Eye (@MiddleEastEye) 31 Jiolay 2024

Mpifandray iray hafa avy amin'ny Al Jazeera ao Jerosalema, Najwan Simri, no nanoratra tao anaty fanomezam-boninahitra ho an'ilay namany, Ismail :

Ny fijerenao ny masony fotsiny, sy fibanjinanao ny endriny, dia ampy hahatsapàna ny halalin'ny alahelon'i Gaza sy ny tsiny omeny antsika. Toa tsapako hatramin'izay fa amim-pahalalam-pomba.. sy fanantenana tafahoatra no anomezan-dry zareo tsiny antsika, toy ny hoe nisy fotoana iray tsy nanesorany tamintsika ny fanantenany.

- Najwan Simri (@SimriNajwan) 31 juillet 2024

Nandritra izany fotoana izany, ho   setrin'ilay famonoana an'i al-Ghoul dia nanao fihetsiketsehana sy nikarakara fiaretantory ireo mpanao gazety tao an-toerana, naneho ny hatezeran-dry zareo manoloana ireo fepetra mampididoza ilomanosan-dry zareo isanandro sy ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra ary ny fiarovana. Nisy fanoherana am-pilaminana ihany koa notanterahan'ireo arabo mpiasan'ny Al Jazeera, nataony nivantana avy tao an'efitrano fiasàna.

Lasa niparitaka be ny lahatsary iray mampihetsi-po ahitàna ny nandraisan'ilay arabo mpanolotra vaovao sy nizaràny ilay vaovao momba ny famonoana an'i Ismail al Ghoul sy rami al Rifi.

Bayan Abusultan, Palestiniàna feminista sady mpanao gazety ao Gaza  nibitsika hoe:

« Te-hanakombona ny vavantsika ry zareo.

Rahonan-dry zareo daholo ireo mpanao gazety mbola ao an-tanànan'i Gaza sy any avaratra.

Eto, ny fanangonana ny vaovao= lasibatra vaovao ho an'ny tafika israeliàna.

Aza mitsahatra ny milaza momba an'i #Gaza na ho tapitra vonoin-dry zareo daholo aza isika tsirairay.

— Bayan (@BayanPalestine) 31 Jolay 2024

TANTARA-NA TSIMATIMANOTA

Tantara efa mahazatra ny fanaovan'i Israely lasibatra ny mpanao gazety kanefa tsy voasazy, toy ny tranga nanjo an'i Shireen Abu Akleh, maty tamin'ny 11 May 2022 novonoin'ny tafika israeliàna teo am-panangonana vaovao tao Jénine any Cisjordanie. Ny famonoana an'i Shireen Abu Akleh no nampibaribary ireo loza mitatao atrehan'ireo matianina ao amin'ny media palestiniàna noho ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra.

VAKIO KOA : Shireen Abu Akleh, mpanao gazety Palestiniana malaza, maty voatifitry ny bala Israeliana teo amin'ny lohany  

 Nokianin'i Carlos Martinez de la Serna i Israely noho ny nandàvany tsy hiaraka hiasa tamin'ny FBI sy ny fanakanana ny mety ho fanadihadian'ny CPI momba ny famonoana an'i Shireen Abu, no sady koa nangatahany ireo manampahefana mba hanao tsindry handraisan'i Israely ny andraikiny manoloana ireo heloka bevava vitany tamin'ny famonoana mpanao gazety, izay tsy mitsahatra mitombo arakaraky ny ivoaran'ilay ady.

Fahatsiarovana an'i Shireen Abu Akleh tao Londôna, 14 May 2022. Saripika  an'i Alisdare Hickson tao amin'ny Flickr. CC BY-SA 2.0.

Tamin'ny 2022, nangatahan'ny fianakavian'i  Abu Akleh sy ny fahitalavitra  Al Jazeera ny CPI mba hanao fanadihadiana momba ny namonoana azy, saingy nandà izay rehetra fakàna am-bavany ny miaramila ao anivon'ny IDF ireo mpitarika ao Israely, isan'izany ilay praiminisitra fahiny, Yair Lapid, ary mandà ny hanokatra fanadihadiana heloka bevava momba ilay famonoana.

Raha mitaha amin'ny fitambaran'isa manerana izao tontolo izao dia ny halehiben'ny famonoana mpanao gazety nataon'i Israely nandritra ity ady ity no tena mibaribary. Mihoatra ny telo ampahefatra amin'ireo mpanao gazety miisa 99 maty nanerana izao tontolo izao tamin'ny 2023 no maty nandritra ny ady ifanaovan'i Israely amin'i Gaza, araka ny tatitra iray navoakan'ny Vaomiera Mpiaro ny Mpanao Gazety. Io tarehimarika mampanahy io dia manantitrantitra ny filàna maika ny tamberin'andraikitra sy ny fanatsaràna ireo fepetra fiarovana ny mpanao gazety manerana izao tontolo izao, mba hiantohana ny fitoniana sy hiarovana ireo izay mpitatitra amim-pahasahiana avy any am-bava-ady ireo fifandonana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.