Nandidy ny fandravana ny Antoko Miroso (MFP) ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana ao Thailandy taorian'ny nanapahany fa famadihan-tanindrazana ny fanentanam-pifidianan'ny antoko hanova ny lalàna momba ny fanalam-baraka ny mpanjaka — lalàna iray manakana ny fanakianana ny mpanjakan'i Thailandy.
Nahazo vato be indrindra ny MFP tamin'ny fifidianan'ny taona 2023 nanankina izany tamin'ny sehatra fikatsahana fanavaozana demôkratika. Iray amin'ireo fampanantenana nataon'izy ireo ny hamerina hijery ireo lalàna napetraky ny governemanta tohanan'ny miaramila tamin'izany fotoana izany mba hamafana ny hevitra tsy itoviana. Nahazo ny fanohanan'ny tanora mpifidy sy mpikatroka nyMFP tamin'ny nanaovan'ireo fanentanam-pifidianana mavitrika ho famerenana ny fitondrana ho an'ny sivily sy ny fanitsiana ny andininy faha-112 amin'ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava, izay manameloka ny tsy fanajana ny fitondram-panjakatokana. Na dia nahazo ny safidim-bahoaka aza ny MFP dia tsy nahatsangana governemanta noho ny fanoheran'ireo miaramila mpikambana voatendry ho ao amin'ny Antenimierandoholona.
Tsonga tamin'ny didy navoakan'ny fitsarana no nanambara fa ireo mpikambana ao amin'ny MFP ireo, dia nandrahona ny andrim-panjakana hajaina indrindra ao amin'ny firenena, amin'ny fanohanany ireo mpikatroka nanosika ho amin'ny fanavaozana ny lalà-mpanjaka tokana .
It diminishes the protection of the institution, takes advantage of the institution in the hope of gaining votes in order to win the election, and intends to turn the institution into the opponent of the people.
Mampihena ny fiarovana ny andrim-panjakana izany, manararaotra ny andrim-panjakana amin’ny fanantenana hahazo vato handresena amin’ny fifidianana, ary mikasa ny hamadika ny andrim-panjakana ho mpanohitra ny vahoaka.
Saingy nolavin'ny mpitarika ny MFP, Chaitawat Tulathon, ny firaisana tsikombakomba hamely ny fitondram-panjaka. Nandritra izany fotoana izany, nampitandrina izy fa mametraka ohatra mampidi-doza amin'ny famahana ny adihevitra politika io didy io.
The Constitutional Court’s ruling today has the long-term risk of turning our democratic regime with the King as the Head of State into another type of regime. This is an important implication that we think has a more significant impact than the dissolution of the Move Forward Party.
Nametraka loza mihantona maharitra hamadika ny fitondrana demokratika entim-panjaka ho karazana fitondrana hafa ny didy navoakan'ny Fitsarana momba ny lalàm-panorenana androany. Fiantraikany lalina izay heverinay ho lehibe kokoa noho ny fandravana ny Antoko Miroso.
Nanamafy i Pita Limjaroenrat, filohan'ny MFP teo aloha sady kandidà ho praiminisitra teo aloha, nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety fa “ny fitandroana ny fitondrana demôkratika enti-Mpanjaka dia tsy maintsy mandray ireo hevitra samihafa eo amin'ny fiaraha-monina ao anaty firaisankina.”
Vondrona mpianatra manodidina ny 88 avy amin'ny oniversite 19 manerana an'i Thailandy no namoaka fanambaràna iraisana manameloka ny fandravana ny MFP.
The Constitutional Court should be an organisation that protects the Constitution and constitutional rights. Instead, it is an organisation that expands state power and limits people’s rights and freedoms.
Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia tokony ho fikambanana miaro ny Lalàmpanorenana sy ny zo araka ny Lalàmpanorenana. Fa izao izy fikambanana manitatra ny fahefam-panjakana sy mametra ny zon’ny olona sy ny fahalalahan’izy ireo.
Naneho ny ahiahiny ihany koa ireo vondrona mpandraharaha amin'ny traika ara-toekarena ateraky ny didy. Nasongadin‘ilay mpanoratra Lynn Sasinpong fa mety hanakorontana ny toekaren'ny firenena ny tsy filaminana ara-politika.
Political instability in Thailand has historically significantly hindered the country’s economic growth, with frequent changes in government creating an unpredictable business environment and political protests paralyzing key economic areas such as tourism. Such instability has undermined investor confidence and disrupted long-term economic planning, making it challenging to implement consistent and effective policies.
Nanakana tanteraka ny fitomboana ara-toekarena ao amin'ny firenena ny tsy filaminana ara-politika eto Thailandy, amin'ny fiovana governemanta matetika izay miteraka tontolom-pandraharahana tsy ampoizina sy ireo hetsi-panoherana ara-politika lasa tsy ahafahan'ireo sehatra ara-toekarena lehibe toy ny fizahan-tany miasa ara-dalàna. Nanimba ny fitokisan'ny mpampiasa vola ny tsy-filaminana toy izany ary nanelingelina ny drafitra ara-toekarena maharitra, ka sarotra ny mampihatra politika mivaingana sy mahomby.
Nasongadin'ilay mpanao gazety menavazana Pravit Rojanaphruk ny hadalana amin'ny “demokrasia amin'ny fomba Thailandey”:
…in a democratic society, one would have thought after the people have spoken on the election day, we shall wait for four years to exercise our rights to vote anew to resolve any disagreement about the political course of the kingdom. Not here in Thailand. Voters may feel robbed by rogue generals or by rulings made by the Constitutional Court and the voters will simply have to do much more to guard their political rights. This is the travail that is Thai-style “democracy” today.
…ao amin'ny fiaraha-monina demaokratika, mety hisy hieritreritra rehefa avy naneho ny heviny ny vahoaka tamin'ny androm-pifidianana, hiandry efa-taona indray isika vao hampihatra ny zontsika hifidy handaminana izay tsy fitovian-kevitra momba ny fandehan-draharaha politikan'ny fanjakana. (Fa) Tsy (izany) eto Thailandy. Mety hahatsiaro ho robain'ny jeneraly jiolahimboto ny mpifidy na robain'ny didim-pitsarana navoakan’ny Fitsarana momba ny lalàmpanorenana ka tsy maintsy hanao zavatra betsaka kokoa ny mpifidy mba hiarovana ny zony ara-politika. Izany no asa atao amin'ny “demôkrasia” fomba Thailandey amin'izao fotoana.
Ankoatra ny fandravana ny MFP dia nandrara tamin'ny fomba mahomby ireo tompon'andraikitra miisa 11 ao amin'ny MFP tsy hanao politika ara-pifidianana mandritra ny folo taona manaraka koa ny didim-pitsarana. Tao amin'ny matoandahatsoratra iray, nanoratra ny Bangkok Post fa “nahisaka” ireo tanora idealista mpitarika raha mbola mitazona ny fahefana ireo nitarika ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2014.
Whether you support them or not, these young and idealistic politicians are a new political resource for the future. What will happen to Thai democracy in the long term if young politicians challenging tradition face political bans?
….coup makers who have shredded charters and repeatedly snubbed democracy have not faced political bans — and, in fact, have thrived — while progressive parties with radical stances perceived as a threat to the monarchy have been sidelined.
Na manohana azy ireo ianao na tsia, ireo mpanao politika tanora sy idealista ireo no loharano politika vaovao rahampitso. Inona no hitranga amin'ny demokrasia thailandey ao anatin'ny fotoana maharitra raha miatrika fandraràna ara-politika ireo tanora mpanao politika manohitra ny fomban-drazana?
….Tsy niatrika fandraràna ara-politika ireo mpanonganam-panjakana izay nanapotsitra ny sata sy nanaratsy imbetsaka ny demokrasia — ary, raha ny marina, dia nahomby — raha noheverina ho fandrahonana ho an'ny fitondram-panjaka kosa ka najanona ny antoko miroso manana fijoroana mahery vaika .
Toa efa niomana mialoha amin'ity didim-pitsarana ity ny MFP satria maro amin'ireo mpikambana tao aminy no nanangana haingana antoko vaovao antsoina hoe Antokom-Bahoaka. Miendrika telolafy mivadika rafetin'ny tsipika telo ny fangony vaovao mivolom-boasary, izay mametraka ny vahoaka ho ambonin'ny mpitondra azy. Ny tsipika telo dia maneho ny fahafahana, ny fitoviana ary ny firaisankina. Niteny tamin'ny fampitam-baovao i Parit Wacharasindhu, solombavambahoaka sady mpitondratenin'ny MFP teo aloha, fa na dia eo aza ny famoretana ataon'ny fanjakana amin'ny mpanohitra, dia hanohy ny asam-pisoloambava nataon'ilay antoko nofoanana ity antoko vaovao ity.
In spite of some people trying to interpret that the verdict meant that the conversation on amending [the royal defamation law] is gone completely. I have to reiterate that that’s not the case. There is still that space to find a workable solution to this issue, and I think this is a question that should be posed to all parties that had, in the past, spoken about this problem.
Na dia eo aza ny fiezahan'ny olona sasany mandika fa efa lasa tanteraka ny resaka momba ny fanitsiana [ny lalàna fanalam-baraka mpanjaka] tamin'iny didim-pitsarana iny. Dia antitranteriko tanteraka indray fa tsy izany no izy. Mbola misy hatrany ny toerana hitadiavam-bahaolana mahomby amin'ity raharaha ity, ary heveriko fa fanontaniana io tokony hapetraka amin'ireo antoko rehetra izay efa niresaka momba ity olana ity taloha.
Each time an opposition party has been crushed, its organizers have reformed under a new banner and slightly altered the logo. The reinvention of these logos and rise of a new opposition party advocating for democratic reforms was depicted in a cartoon by the acclaimed artist, Stephff. Talohan'ny nandraràna ny MFP, dia nanome baiko ny handravana ny antoko mpanohitra amin'ny taona 2019 (Antoko Thai Raksa Chart) sy ny tamin'ny taona 2020 (Antoko Miroso amin'ny hoavy) ihany koa ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana. Isaky ny potehina ny antoko mpanohitra iray, dia nanavao teo ambany faneva vaovao ny mpikarakara azy ary nanova kely ny fango. Nasehon'ilay mpanakanto fanta-daza, Stephff, tamin'ny sariitatra ny fanavaozana indray ireo famantarana ireo sy ny fitsanganan'ny antoko mpanohitra vaovao misolo tena ny fanavaozana ara-demokratika.
#พรรคประชาชน New Orange Party pic.twitter.com/9sO6CgslTf
— stephff cartoonist (@stephffart) August 9, 2024
Nanosika ireo andrim-panjakana maneran-tany maro haneho ny ahiahiny momba ny fisavasavàny ny demôkrasia ao Thailandy ihany koa ny didim-pitsarana. Ho setrin'izany, nanizingizina ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Thailandy fa tsy tokony hisy fitsabahana ny didim-pitsarana satria nanamafy ny fanapahan-kevitry ny firenena hanohy ny “rafitra demaokratika nofinidiny”.