Ny 22 aogositra, notoloran‘ny governemantan'i Kyrgyzstan ny Medalin'i Chingiz Aitmatov noho ny fanampiany ny Kyrgyz mpanao ady totohondry Munarbek Seyitbek Uulu tamin'ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 tany Paris i Akmal Hasanov, mpanazatra ady totohondry avy any Ozbekistan. Noho ny olana fanomezan-dàlana dia tsy afaka hanaraka azy ho any amin'ny Lalao Olaimpika ny mpanazatra manokana an'i Munarbek hatry ny ela, ka namela azy tsy hisy olona eny anjoro hanoro hevitra sy hanitsy azy mandritra ny ady.
Tamin'ny fanehoana ny fifanohanan'ny mpirahalahy sy ny firaisankinan'i Azia Afovoany, niakatra ho anjorn'i Munarbek i Hasanov ary nanampy azy ho tonga hatramin'ny famaranana, izay nahazoany medaly volafotsy ka nahatonga azy ho Kyrgyz voalohany mpanao ady totohondry nahazo medaly tamin'ny Lalao Olaimpika.
Ity misy lahatsary YouTube ahitana antsafa nifanaovana tamin'i Akmal Hasanov, izay miresaka ny nanampiany an'i Munarbek Seyitbek Uulu.
Ny Medaly Chingiz Aitmatov no iray amin'ireo mari-pankasitrahana ambony indrindra ao amin'ny fanjakana Kyrgyzstan, omena ny tsirairay noho ny zava-bitany amin'ny kolontsaina, fanabeazana, siansa, literatiora ary zavakanto, ary koa ho fanamafisana ny fifandraisana ara-kolontsaina sy iraisampirenena. Ny fanohanan'i Hasanov an'i Munarbek no nanamafy ny fifandraisan'ny samy-vahoaka eo amin'ny firenena roa tonta.
Niharihary izany tao amin'ny media sosialy, izay nanehoan'ireo mpampiasa avy any Kyrgyzstan fankasitrahana an'i Hasanov ary niantso azy mba hahazoany valisoa tamin'ny fankaherezana an'i Munarbek. Raha naneho hevitra momba ny fanohanany i Hasanov dia nanamarika fa mariky ny fisakaizan'ny firenena roa tonta izany ary nanononany ohabolana iray manao hoe: “Ny mpifanolobodirindrina akaiky tsara kokoa noho ny havana lavitra.”
Ohatra iray monja amin'ny firaisankinam-paritra tsy mbola nisy toy izany nasehon'ireo atleta sy mpankafy avy ao Azia Afovoany tamin'ny Lalao Olaimpika tany Paris izany. Ao anaty toe-javatra iray izay ifanipahan'ny samy firenena ary tsy anohanan'ny mpankafy afa-tsy ny azy ihany, nahavariana ny nahita ireo mpankafy Aziatika Afovoany nifaly tamin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminy sy ireo atleta maneho ny tena fientanentanana sy fanohanana ireo mpifanandrina aminy isam-paritra.
Ohatra mivaingana amin'izany ny olon-droa mpanao tolona: Demeu Zhadrayev avy any Kazakhstan sy Akzhol Makhmudov avy any Kyrgyzstan, izay nahazo medaly volafotsy sy alimo araka izay filaharana izay. Nandresy an'i Makhmudov i Zhadrayev teo amin'ny ampahefa-dalana ary tafakatra tamin'ny famaranana, izay nahafahan'i Makhmudov nitolona hahazo alimo satria ny hany faharesenany dia nanoloana ny tafiditra famaranana.
Namoaka i Zhadrayev taty aoriana tao amin'ny antsafa fa nihevitra an'i Makhmudov ho toy ny zandriny izy ary nanahy bebe kokoa amin'ny hahazoan'i Makhmudov alimo mihoatra noho ny hahazoany volamena. Nandresy teo amin'ny manasa-dalana i Zhadraev, fa raha resy tamin'io lalao io izy dia ho nody maina i Makhmudov.
Ity misy lahatsary Instagram ahitana ampahan'antsafa nataon'i Demeu Zharayev izay niresahany momba ny fifandraisany tamin'i Akzhol Makhmudov.
Azo jerena na ao Paris na any Azia Afovoany ny firaisankinan'ireo mpankafy. Ireo mpankafy Ozbeka eny amin'ny gradins tao Paris nitazona ny sainan'ireo firenena dimy ao Azia Afovoany ary hita mihoby ho an'ireo atletan'ny firenena mpifanolo-bodirindrina aminy isaky ny mifaninana izy ireo. Nihoby ireo atletan'ny renim-paritra koa ireo Aziatika Afovoany nijery ny lalao olaimpika tany amin'ny firenena niaviany. Namorona sy niantsa hira izay niarahabany an'i Ozbekistan sy Kyrgyzstan tamin'ny fandresen'ireo atletany mihitsy aza ny poeta sady bilaogera Kazakh Bek Shimat.
Ity misy lahatsary YouTube momba ny firaisankina any Azia Afovoany amin'ny Lalao Olaimpika any Paris.
Asehon'izao haavom-piraisankina izao fa efa naharafitra mari-panondroana iraisana i Aziatika Afovoany ary nifampijery mihoatra noho ny firenena mifanakaiky fotsiny. Ampiraisin'ny tantara, kolontsaina, fiteny, fivavahana ary fomban-drazana iombonana — indrindra ireo vahoaka miteny tiorkika ao Kazakhstan, Kyrgyzstan ary Ozbekistan — nanangana sy nanamafy ny fifandraisan'ny samy olona ny Aziatika Afovoany nanomboka tamin'ny taona 1991, rehefa nahazo ny fahaleovantenany izy ireo taorian'ny faharavan'ny Firaisana Sovietika. Naseho tamin’ny fifaninanana ara-panatanjahantena lehibe indrindra ny vokatra azo avy amin’ity firotsahana sy firaisankina eny ifotony ity.