Hamelona indray ny fanahin'i Hong Kong ve ny zavabitany nandritra ny lalao olaimpika?

Ny fanahin'i Hong Kong asehon'i Lion Rock, lasa toerana fihetsiketsehana manohana ny demaokrasia hatramin'ny taona 2019. Pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube an'ny AFP. Fampiasana ara-drariny.

Niditra tantara ireo atletan'i Hong Kong tamin'ny herinandro voalohany tamin'ny Lalao Olaimpika any Paris, nahazo medaly volamena roa sy alimo roa.

Nandrombaka ny medaly volamena voalohany teo amin’ny épée olon-tokana ho an’ny vehivavy ny Fencer Vivian Kong narahin’ny iray ekipa aminy Edgar Cheung teo amin’ny sokajy lehilahy. Nandrombaka alimo roa ny mpilomano Siobhan Haughey, teo amin’ny 100 sy 200 metatra freestyle vehivavy. Nampitombo avo roa heny ny isan'ny medaly volamena azo tamin'ny tantaran'ny lalao olaimpika tao Hong Kong ny fandresena.

Noderain'i John Lee, Lehiben'ny mpanatanteraka, ilay nahazo medaly volamena voalohany, Vivian Kong, noho ny nanehoany tsara ny “fanahy tsy kivy an'i Hong Kong”. Rehefa niverina tany Hong Kong i Vivan Kong dia nizara fa avy amin'ny “fanahin'i Hong Kong”  no naharetany haharitra mandritra ny lalao.

Nahatratra ny sehatra ara-politika ao an-tanàna ny fientanentanana momba ny fahombiazan'ny Hong Kongers amin'ny Lalao Olaimpika, ary vetivety dia lasa maodely ho an'ny tanora i Vivan Kong. Nandritra izany fotoana izany, nipoitra ihany koa ny fanehoan-kevitra momba ny “fanahin'i Hong Kong” tamin'ireo seha-baovao manohana ny fitondrana.

Ny adihevitra momba ny fanahin'i Hong Kong

Amin'ny ankapobeny, ny Fanahin'ny Lion Rock no iantsoan'ny mponin'i Hong Kong ny toetra ara-panahin'i Hong Kong, izay midika ho fiaretana (fikirizana) manoloana ny fahasarotana. Nandritra ny taompolon'ny 1970 tamin'ny alalan'ny andian-tantara iray mampiseho ny fomba niatrehan'ny tanàna ny fahantrana, ny kolikoly, ny zava-mahadomelina, ny fanavakavahana, ary ny maro hafa no nipoiran'ilay teny. Noraisin'ny hetsika mpomba ny demôkrasia ho mariky ny fiaretan'ny vahoaka hiady ho an'ny fiaraha-monina marina sy ara-drariny ny kisarin'ny Lion Rock taty aoriana. Nandritra ny fihetsiketsehana fanoherana ny fampodiana any Shina tamin'ny taona 2019, dia nivadika ho toerana fanaovana fihetsiketsehana izany.

Mino aho fa ny teny nofaohina dia nilaza hoe “Tohano i Hong Kong”. Mbola mitoetra anefa ny “Voninahitra ho an'i Hong Kong”.

Noho izany, tato anatin'ny taona vitsivitsy izay tsy nanonona ny “fanahin'i Hong Kong” ireo mpanao politika mpanohana ny fitondrana sy ny mpitari-kevitra satria efa voavadik'ireo mpanao fihetsiketsehana manohana ny demôkrasia ny sarin'ny Lion Rock.

Na izany aza, mahita ny zava-bitan'ny tanàna tamin'ny Lalao Olaimpika ny sasany ho fotoana iray hitantarana zavatra tsara momba an'i Hong Kong sy hanoritra indray ny fanahin'ny tanàna. Nanao fanoharana mirazotra amin'ny fiezahan'ireo atleta ho amin'ny fahombiazana sy ny fiezahan'ny tanàna hamerina ny toekareny, izay nitsoraka ny fampahalalam-baovao sy ny mpampiasa media sosialy nandritra ny valan'aretina COVID-19 ary mbola tsy tafarina tanteraka ny fampahalalam-baovao sy ny mpisera media sosialy. Ohatra tsara indrindra amin'ity resaka ity ny fanehoan-kevitra manaraka avy amin'ny famoaham-baovao anjotra Shinoa Orange News :

拼搏進取是香港精神的「內核」。奧運賽場上的成績,並不是一帆風順的結果,而是香港運動員克服重重困難,迎接各種挑戰的成果。…這種永不言敗的精神,並非僅僅體現在體育賽場上,而是滲透到香港社會的各個層面。…香港曾經經歷過社會撕裂和動盪,但在中央政府的支持和特區政府的努力下,香港逐漸回歸正軌,展現出全新的面貌。…人無精神則不立,國無精神則不強。…香港市民同心同德,必將在香港由治及興的過程中,書寫更多的香港傳奇,創造更加輝煌的未來。

Ny fikirizana no ‘fototry’ ny fanahin'i Hong Kong. Tsy vokatry ny fandehanana milamina ny zava-bita tamin'ny Lalao Olaimpika fa vokatry ny fandresen'ireo atleta ao Hong Kong ny fahasahiranana sy ny fanamby… Tsy ao amin'ny fanatanjahantena ihany io toe-tsaina tsy mety kivy io no hita fa manenika ny ambaratonga rehetra amin'ny fiaraha-monina any Hong Kong… Nisedra hotakotaka sy korontana ara-tsosialy i Hong Kong, saingy noho ny fanohanan'ny Governemanta Foibe sy ny ezaky ny Governemanta HKSAR, dia niverina tsikelikely tamin'ny lalana marina niaraka tamin'ny fomba fijery vaovao i Hong Kong… Tsy haharitra ny olona tsy misy fanahy, ​​ary tsy hatanjaka ny firenena raha tsy misy fanahy. … Amin'ny fo iray sy saina iray, azo antoka fa hanoratra angano maro kokoa ny mponin'i Hong Kong ary hahatratra hoavy mamirapiratra kokoa ao anatin'ny dingan'ny fandrosoan'i Hong Kong ho amin'ny fanambinana amin'ny alalan'ny fanjakana tan-dalàna.

Nesoin'ny seha-baovao any UK Green Bean ny hevitry ny toe-tsaina (fanahy) Hong Kong mijery sompirana ny famoretana ny zo sy ny fahalalahana ataon'ny firenena. Kevin Yeung, Sekretera misahana ny Kolontsaina, Fanatanjahantena, ary Fizahantany amin'izao fotoana izao ilay olona mitazona ny gadra Olaimpika:

Fifandirana amin'ny maodelin'ny tanàna vaovao

Ao anatin'ny dingan'ny fanoratana indray ny fanahin'i Hong Kong, lasa maodely ho an'ny tanora ao an-tanàna i Vivian Kong, ilay nahazo ny medaly Olaimpika, .

Teraka tamin'ny taona 1994, nipetraka tany Canada fony roa ka hatramin'ny enin-taona i Kong hatramin'ny nifindran'ny fianakaviany niala an'i Hong Kong tamin'ny 1996 talohan'ny namerenana an'i Hong Kong ho an'i Shina tamin'ny taona 1997. Niverina tany an-tanàna ny fianakaviana izay namitany ny fianarany fototra. Nahazo mari-pahaizana Bachelor momba ny fifandraisana iraisam-pirenena tao amin'ny Oniversiten'i Stanford izy ary nahazo mari-pahaizana MA tao amin'ny Oniversiten'i Remin, ary eo amperin'ny haka ny diplaoman'ny dôkotôrà Juris ao amin'ny Fakiolten'ny Lalàna ao amin'ny Oniversite Shinoa any Hong Kong. Nanambara izy fa hamarana ny asany ara-panatanjahantena ary nanangana fikambanana mpanao asa soa hampiroborobo ny fanatanjahantena.

Raha nahazo ny medaly volamena izy tamin'ny 28 Jolay dia nahazo fiderana betsaka tao amin'ny media sosialy. Saingy tao anatin'ny andro vitsivitsy monja, nivadika ho marikivy ireo teny mamy ireo rehefa nanomboka nivezivezy anjotra tamin'ny 4 aogositra ny asakaroka hahazoana master tamin'ny taona 2021 “Occupy Central sy ny vokany eo amin'ny fanavaozana ny fifidianana any Hong Kong”. Tao amin'ny asakaroka izy nanaraka antsipiriany ny fomba fanehoan-kevitra politika ofisialy, manondro ny mpanohana ny demôkrasia ho “mpanakorontana tsy tia an'i Shina” izay nampiasa ny banga teo amin'ny rafitra handravàna ny lami-mpanorenana ary nidera ny Lalàm-piarovam-pirenena napetrak'i Beijing tamin'ny taona 2020 ho fomba mahomby hamerenana ny filaminana ao an-tanàna, sns.

Fanentanan-tsy-fankatoavan-tsivily mpomba ny demokrasia naharitra telo volana ny hetsi-panoherana Bodoy Afovoany tamin'ny taona 2014, ary an'arivony no nibodo ny arabe tao Central, Causeway Bay, ary Mongkok.

Nanaovan'i Justin Wong sariitatra nilaza fomba fijery politika mpomba an'i Beijing, namotsitra ny fanahin'i Hong Kong i Kong:

Ho setrin'ny fifandirana amin'ny asakarok'i Vivian Kong, nanamarika ny fampahalalam-baovao tsy miankina Renew fa tsy maintsy tafiditra ao anatin'ny mahitahita ny atleta ao Hong Kong:

在體育商業化近乎荒漠的威權社會,運動員是體制下的產物、亦必須依附於體制而生,靠努力獲得成功、形像正面的運動員,若取得一定成果,必然會成為統戰對象甚至統戰工具本身。…2019年之前,又或在最近一兩年前,香港雖然同樣處於不民主制度下,但好歹尚有反對派,個人自由大致完備,任何人都尚存表態或不表態的餘地…但隨著國安法、23條,種種完善後的由治及興,香港徹底變成「中國香港」,各自表述和想像的餘地已經接近清零。在這前提下,「香港運動員」客觀效果上必定會成為「說好的香港故事」的一部分。

Ao anaty fiarahamonina tsi-refesi-mandidy tsy ahitana varotra ara-panatanjahantena, dia tsy maintsy miantehitra amin'ny governemanta ny atleta ho an'ny loharanom-bola ary noho izany dia tafiditra ao anatin'ny mahitahita. Ireo atleta tafita amin’ny asa mafy sy manana endrika tsara dia tsy azo ihodivirana ho lasibatra na fitaovan’ny tafaray rehefa mahatratra vokatra sasantsasany ry zareo. . …Talohan'ny taona 2019, na roa taona taoriana, na dia tsy anaty rafitra demôkratika aza i Hong Kong, dia mbola nanana (vondrona) mpanohitra izahay, ary mbola nisitraka fahalalahana manokana ny olona. Nisy toerana nanehoan’ny tsirairay ny heviny na tsia. …Na izany aza, noho ny fandaniana ny Lalàna momba ny Fiarovam-pirenena sy ny Andininy faha-23, ary ireo fitsipika sy fomba fanao hafa hampandrosoana ny fivelaran-karena, dia nanjary “Hong Kong, Shina” tanteraka i Hong Kong, ary saika foana tanteraka ny toerana hanehoan'ny tsirairay hevitra manokana. Ao anatin'io toerana io, tsy azo ihodivirana fa ho anisan'ny fanentanana ‘hilazana tantara tsara momba an'i Hong Kong’ ireo atleta ao Hong Kong.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.